tsy vazivazy ity: mitady olon-tina - sipa alou zay vô vady

1. bounasan ( 09/03/2009 09:14)
salut daholo !!
za de vevav 23 ans, tsy mbola nanao sipa mitsy za hatram zao: ny olako ve?? exigeante lôtra: ze tonga eo ka ts mahafeno fepetra de ts idirako.
ze mikôty ana de ts mahafapo ana aby fa ahitako critiques fôna fôna: tsy manenina ah rah toa ka nanao an'izany!!! saingy am zao kousa de tena mirehitra ny faniriako te hitia olona: te hanao sipa nefa tsy tiko ze tonga eo mba mikôty.
"LE REVE D'UNE VIE C'EST L'AMOUR"
Manorata any amiko zay interéssé fa ny tadiaviko de:
lelah entre 23 à 26 ans; lelah tsy degany fa mba mendrika ara-pitondran-tena toa ahy ihany, sady mivavaka.De mbola misy kou critères tokony ho fenoina fa aleo ana rery.
Miandry ny mail nao antananan-droa za!!!
Misaotra mialoha

N.B: Mbola averiko fa tena sérieux io fa tsy hanihany toa ny an'ny sasany!!!
2. ainaheri ( 09/03/2009 11:54)
Saika andefa mail za fa hay tsy ao anty kritika :-D :-D :-D :-D
3. ni81 ( 09/03/2009 12:05)
Saika andefa mail za fa hay tsy ao anty kritika
fa angaha ianao degany? :lol: :lol:
4. RATOVOARY ( 09/03/2009 13:18)
Ny tenanay aloha zany de efa tsy ao anaty critère tsotry na taona, n'inn n'inn
nefa saika mba ihany.... :snif: :snif: =((
5. Lejoba ( 09/03/2009 14:04)
Asehoy aloha ny amidy vao miady varotra eh. Ianao aloha mba ohatry ny ahoana? Ao @ ilay maha-te-hikôty ve?
Sa ilay sipa miseho be moral fa mpivavaka ireny? Ny bandy mila sipa manana humour, mahay manala azy na tsy degany araka ny lazainao aza.
Miankina @ tolotra ataonao koa anie ny bandy tonga mi-tinady eh : matoa tsy mahafeno critère izay sahy dia satria izay no zakan'ny tsenanao.

Ny endrikendrikao, ny toetra, bika sns ve aloha mba ao anatin'ny critèren'ny lehilahy tadiavinao?

Sao mitetiky ny hanao rallye nefa 2CV ny fiara?
6. Mirananirina ( 09/03/2009 14:44)
Ny tenanay aloha zany de efa tsy ao anaty critère tsotry na taona, n'inn n'inn
nefa saika mba ihany....

Afaka mampihena taona ianao e.
Asehoy aloha ny amidy vao miady varotra eh. Ianao aloha mba ohatry ny ahoana? Ao @ ilay maha-te-hikôty ve?
Sa ilay sipa miseho be moral fa mpivavaka ireny

Mampihomehy ahy koa ianao :lol: :lol: :lol:
Tsara be kosany angamba izy matoa mitady ny tena milay
7. soanja ( 09/03/2009 15:05)
bounasan:

salut daholo !!
za de vevav 23 ans, tsy mbola nanao sipa mitsy za hatram zao: ny olako ve?? exigeante lôtra: ze tonga eo ka ts mahafeno fepetra de ts idirako.
ze mikôty ana de ts mahafapo ana aby fa ahitako critiques fôna fôna: tsy manenina ah rah toa ka nanao an'izany!!! saingy am zao kousa de tena mirehitra ny faniriako te hitia olona: te hanao sipa nefa tsy tiko ze tonga eo mba mikôty.
"LE REVE D'UNE VIE C'EST L'AMOUR"
Manorata any amiko zay interéssé fa ny tadiaviko de:
lelah entre 23 à 26 ans; lelah tsy degany fa mba mendrika ara-pitondran-tena toa ahy ihany, sady mivavaka.De mbola misy kou critères tokony ho fenoina fa aleo ana rery.
Miandry ny mail nao antananan-droa za!!!
Misaotra mialoha

N.B: Mbola averiko fa tena sérieux io fa tsy hanihany toa ny an'ny sasany!!!



Zany ka vehivavy! Fantany tsara ny tanjona tadiaviny. Arahaba tratry ny Valo Marsa e! Bonisansa hatrany!



8. Papoose ( 09/03/2009 19:02)
mety ho tsara sannssa tokoa zany mitady lhl @ andron'ny vhv zany an :°)
9. mathla ( 09/03/2009 19:25)
Raha mankeny amin'ny grande surface dia ny entana atahorana tsy ho lafo no hanaovana promotion. Koa tovovavy vao 23 taona ve dia efa manao promotion sahady? Sa matahotra ny ho lany zara? Za aloha na dia saika hiditra ary dia nanapa-kevitra hihemotra ihany satria matoa manao promotion dia misy antony hafahafa ao: na efa ho lany daty na efa misy fahasimbana ilay entam-barotra hamidy.
10. Koditra ( 09/03/2009 22:59)
Zà efa soara be dé tsy lany match tsony kléaza. :lol: :lol:
11. Papoose ( 09/03/2009 23:41)
ri koditsa kounkouu..kefa hoe reny njinja zao le safira kou :lol:
12. ari.malala ( 10/03/2009 07:39)
:-D fa manin no be exigeance? :) misy zavatra azo leferina foana anie fa na enao miseho be fikatsaka io aza mety ahitan'ny oul tsininy e! :)
13. benasy ( 10/03/2009 10:01)
Matahotra aho, ndrao diso fanantenana indriako !

Raha be fepetra am-boalohany ange ka amoronan'ny olona fepetra koa e !
Sa ianao ilay "être parfait" angaha ?

Ny Tena Fitiavana.....Tsy mila tambiny....Tsy mila elanelana.....Tsy azo omena endrika manokana.......Fa tonga hoazy Izy, àry mahafanina an'izay tsy mbola nahita!

Sérieux hoy ianao! Dia sérieux koa no asetriko azy....Ny tena Fitiavana tsy azonao atao soavaly sy saribakoly, ka izay tianao lokony no itarihana azy !

Hahita ianao fa....hahita fijaliana koa....Matokia izay lazaiko izay !
14. mimioa ( 10/03/2009 10:16)
ny tena fitiavana tsy be fepetra fa mionona amin'ny zava-misy
15. soanja ( 10/03/2009 10:57)
Ianareo kosa e! Mazava anie ny lehilahy tiany hifandray aminy e: mendrika ara-pitondra-tena no sady tia vavaka. Ny taona sns.. moa izany ny mba mitovitovy aminy no tiany. Tsy misy maharatsy an'io mihitsy e. Ny olana fotsiny dia tsy mahazatra antsika ny mahita olona manao piblisite tena. Kanefa dia ahavitandraha tokoa ny atao hoe aterineto! Aza gaga ary aza varimbariana sao robaka ny raha!!!
16. fahamarinana ( 10/03/2009 11:13)
benasy:
Tsy azo omena endrika manokana.......Fa tonga hoazy Izy, àry mahafanina an'izay tsy mbola nahita!

:arrow: Marina tanteraka ! Aza mba voany ihany ! ... :D
mimioa:
ny tena fitiavana tsy be fepetra fa mionona amin'ny zava-misy

:arrow: Tsy be fepetra aloha mila ianarana sy ekena tanteraka angambany....Ilay hoe mionona ndray ohatran'ny hoe maneno ratsy ato anaty sofina ,ndao atao hoe ekena tsy ampihambahambana ...:D (l)
17. Fanampy ( 10/03/2009 13:16)
tena be famaritra marina enao ka andraso eo fa misy matotra be sy mpivavaka hoavy eo e.any moa mbola misy taona koa ra iny ndray aloha tsy fantako .mety rapapa no hoavy eo leanona.
18. RATOVOARY ( 10/03/2009 13:29)
benasy:
Matahotra aho, ndrao diso fanantenana indriako !

Raha be fepetra am-boalohany ange ka amoronan'ny olona fepetra koa e !
Sa ianao ilay "être parfait" angaha ?

Ny Tena Fitiavana.....Tsy mila tambiny....Tsy mila elanelana.....Tsy azo omena endrika manokana.......Fa tonga hoazy Izy, àry mahafanina an'izay tsy mbola nahita!

Sérieux hoy ianao! Dia sérieux koa no asetriko azy....Ny tena Fitiavana tsy azonao atao soavaly sy saribakoly, ka izay tianao lokony no itarihana azy !

Hahita ianao fa....hahita fijaliana koa....Matokia izay lazaiko izay !

Sao de ho fatram-pifidy ny mangànana ve ka ho tojo ny mangidy tsy ho telina
Aza hitako, ny marina tsy mbola sendra ny tena tianao ianao fa rehefa tonga izy de tsy mila fepetra tsotry fa avy hatrany de tianao daholo ny aminy manontolo.
Mahereza !!
19. ainaheri ( 10/03/2009 14:42)
soanja:

Ianareo kosa e! Mazava anie ny lehilahy tiany hifandray aminy e: mendrika ara-pitondra-tena no sady tia vavaka. Ny taona sns.. moa izany ny mba mitovitovy aminy no tiany. Tsy misy maharatsy an'io mihitsy e. Ny olana fotsiny dia tsy mahazatra antsika ny mahita olona manao piblisite tena. Kanefa dia ahavitandraha tokoa ny atao hoe aterineto! Aza gaga ary aza varimbariana sao robaka ny raha!!!

Tsy mazava ny zvtr noteneniny satria...vakio tsara alou ilay dinika nosoratany fa misy ao hoe,;;;;
bounasan:
Manorata any amiko zay interéssé fa ny tadiaviko de:
lelah entre 23 à 26 ans; lelah tsy degany fa mba mendrika ara-pitondran-tena toa ahy ihany, sady mivavaka.De mbola misy kou critères tokony ho fenoina fa aleo ana rery

Io notsipihiko io,donc mbola tsy ampy zany reo nangtahany eo fa refa miresaka aminy ilay oul vao avokany ny tea tadiaviny...

ni81>> tsy degany za fa be taona lotra hihi,sady izy kou toa parfaite lotra ka hihi
20. ni81 ( 10/03/2009 15:34)
ni81>> tsy degany za fa be taona lotra hihi,sady izy kou toa parfaite lotra ka hihi
Hi hi
Tsara ny mikatsaka ny soa sy ny kanto ary ny meva, kanefa na izany aza tsy ahita olona tonga lafatra izany raha mbola tany koa ny tany! Misy ho kianina foana ao.
Faniriana kosa ve moa tsy mba hisy! satria tsy hisy hitady olona tena faran'izay tsisy ilàna azy raha tsy hoe efa somary tsy ao intsony angaha ilay saina mandinika...
Nefa koa fianarana daholo ny fiainana ka eny am-pandehanana eny no mifanitsy ny olona roa mifankatia e! ary io no mahatonga ilay fiteny hoe izay tiana mitombo tarehy. :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1861