Ny any ivelan'ny Kristianisma

1. rhaj0 ( 31/10/2017 12:55)
Ndao iverenana dia raisina tsirairay ireo resaka tatsy ry Gasy1zay fa toa mitady asosasosanao any ambany tapia fotsiny aa..

1- Inona ny hevitrao @ ity piropagandin'ny Mpitarika fivavahana/Finoana ity, ka hoe:
-- après moi le déluge, na hoe, sans moi le chaos ???
(io ilay hoe, raha vao "tsisy-Andrmntra-Kristiana" dia déluge sy chaos)

== Efa misy interinety izao, dia avadibadiho ao, raha tena hoe, raha vao TSY Kristiana tokoany ve ny olona iray, na ny firenena iray, dia tena déluge sy chaos tokoany no mitranga??

Jereo ny eny @ Oniversitia (60-80%-n'ny chercheurs dia atheist toa an-dry Einstein), jereo ny Japanizy (0.1% no Kristiana any?), na koa ireo Bodista sy Dalai Lama ohatra.

Jereo gilobaloba, fa tsy hoe, dia ho tsindrotsindrohanao indray ilay @ "tsy ilaozan'izay mamarara", toa ny mitranga any Myanmar.

Rahefa afaka @ io fandemen-tsaina io ianao Gasy1zay, ka mahatsapa ihany farany fa hoe, TSY déluge sy chaos ny fi(s)ainana any ivelan'ny Kristianisma, dia afaka tohizana ny resaka.
novalian'i Miharena ny 13/11/2017 08:12
2. gasy1zay ( 31/10/2017 21:22)

rhaj0:

Ndao iverenana dia raisina tsirairay ireo resaka tatsy ry Gasy1zay fa toa mitady asosasosanao any ambany tapia fotsiny aa..

1- Inona ny hevitrao @ ity piropagandin'ny Mpitarika fivavahana/Finoana ity, ka hoe:
-- après moi le déluge, na hoe, sans moi le chaos ???
(io ilay hoe, raha vao "tsisy-Andrmntra-Kristiana" dia déluge sy chaos)

== Efa misy interinety izao, dia avadibadiho ao, raha tena hoe, raha vao TSY Kristiana tokoany ve ny olona iray, na ny firenena iray, dia tena déluge sy chaos tokoany no mitranga??

ereo ny eny @ Oniversitia (60-80%-n'ny chercheurs dia atheist toa an-dry Einstein), jereo ny Japanizy (0.1% no Kristiana any?), na koa ireo Bodista sy Dalai Lama ohatra.

Jereo gilobaloba, fa tsy hoe, dia ho tsindrotsindrohanao indray ilay @ "tsy ilaozan'izay mamarara", toa ny mitranga any Myanmar.

Rahefa afaka @ io fandemen-tsaina io ianao Gasy1zay, ka mahatsapa ihany farany fa hoe, TSY déluge sy chaos ny fi(s)ainana any ivelan'ny Kristianisma, dia afaka tohizana ny resaka.

Ka ny resaka aminao rhaj0 dia tsy hitovy mintsy satria ianao tsy mino ny fiainana mandrakizay, ianao tsy mino fa misy fiainana aorian'ny fahafatesana ka izay foana no mahajamba anao hatrizay hatrizao.

rhaj0 rehefa tsy tratran'i kapok'Andriamanitra noho ny tsy finoany dia mihevitra hoe tena tsy misy Andriamanitra fa raha tsy zany dia efa tonga izy nibedy an'i Bemarenina kely.

Matoa ianao rhaj0 milamindamina ao amerika avaratra ao dia satria safosafoin'i satana ianao , avelany hiadana tsara dia tsy hitady an'Andriamanitra ary resy lahatra fa tena zay no fiainana.

Ireo siantista maro lazain'i rhaj0 ireo dia efa ny fahaizana sy fahalalany no sampiny, ireny no nasolony an'Andriamanitra.

Aleo hazavaiko amin'i rhaj0 ilay combat spirituel tsy hita maso sao mba ho takatrao ihany :

Ny hery tsy hita maso misy dia 2 ihany : Andriamanitra sy Satana

Andriamanitra mandresy lahatra antsika hino azy, hino an'i JK mba hahazoantsika famonjena , hialantsika amin'ny fahotantsika ary mba hananantsika ny fiainana mandrakizay.

Satana indray dia mandresy lahatra antsika fa tsy misy Andriamanitra na manome antsika andriamanitra tsy izy, na manintona ny saintsika hanalavitra na hanadino an'Andriamanitra ( variana @ fitadiavambola, fianarana, fialamboly, ....)

Amin'izao androntsika izao, Andriamanitra tsy mandefa déluge intsony ary tsy mikapoka anao izy na tsy mino azy ianao fa ny fitsarana ao aorin'ny fahafatesana no mety ho sarotra.

Ny ady, ny aretina, ny korontana, herisetra , vono, olona, halatra sns... tsy avy amin'Andriamanitra fa avy amin'ny devoly. Matoa ny olona manao izany satria tsy naharesy ny fahotana izy, tsy manana an'I JK ho Tompo sy Andriamanitra izy.

Maninona ny olona sasany no iharan'izany??? satria tsy nanankina tanteraka ny fiainany t@ Andriamanitra izy, mety ho kristianina koa saingy kristianina mbola miaina anaty fahotana fa tsy nibebaka marina.

i rhaj0 zao mihevitra hoe matoa tsy mijaly ny athé dia afaka tsy mino nefa ilay fijaliana tsy izao fa rahatrizay.
3. endriny ( 01/11/2017 06:05)
Ny an-dRanesta ianao e. Inona daholo re ireto vilambilana bilobiloka ireto e:

gasy1zay:

Andriamanitra mandresy lahatra antsika hino azy, hino an'i JK mba hahazoantsika famonjena , hialantsika amin'ny fahotantsika ary mba hananantsika ny fiainana mandrakizay.

Saingy hoy ny vavaka nampianarin'ny tompo: "ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra"

gasy1zay:

Satana indray dia mandresy lahatra antsika fa tsy misy Andriamanitra na manome antsika andriamanitra tsy izy, na manintona ny saintsika hanalavitra na hanadino an'Andriamanitra ( variana @ fitadiavambola, fianarana, fialamboly, ....)

Saingy indrisy fa ilay Atra tao amin'ny Genesisy mihintsy no naniraka ny olona hoe: "Ny hatsembohan'ny tavanao no ihinananaO" Sa moa i Satana io Atra ao amin'ny Genesisy io?

gasy1zay:

Amin'izao androntsika izao, Andriamanitra tsy mandefa déluge intsony ary tsy mikapoka anao izy na tsy mino azy ianao fa ny fitsarana ao aorin'ny fahafatesana no mety ho sarotra.

Fa taloha izany tsy nisy fitsarana tao aorian'ny fahafatesana ve?

gasy1zay:

Ny ady, ny aretina, ny korontana, herisetra , vono, olona, halatra sns... tsy avy amin'Andriamanitra fa avy amin'ny devoly. Matoa ny olona manao izany satria tsy naharesy ny fahotana izy, tsy manana an'I JK ho Tompo sy Andriamanitra izy.

Ito aloha dia tena bilobiloka bibilika mihintsy e: I Satana ve no nandefa ireo fahoriana 7 namely ny ejipsianina? I Satana ve no naniraka ny Israelianina hamono ny Filistina? I Satana ve no naniraka ny Israelianina hangalatra ny tanin'ny Filistina? I Satana ve no naniraka ny kristianina hivarotra ny mainty atao andevo? I Satana ve no naniraka ny Kroazady? I Satana ve no nanao sorona ny zanany lahitokana?

Izay mana-maso aoka hijery hono.

gasy1zay:

Maninona ny olona sasany no iharan'izany??? satria tsy nanankina tanteraka ny fiainany t@ Andriamanitra izy, mety ho kristianina koa saingy kristianina mbola miaina anaty fahotana fa tsy nibebaka marina.

Aoka re Tompoko. Mba ren'Atra hoe
4. rhaj0 ( 01/11/2017 12:45)
An-dRanesta marina moa.. Lasa resaka misavoana be ny valinteninao re ry Gasy1zay, nefa ny fanontaniana dia tsotra beuh. Efa novalian'i Endriny ihany ny wa-wa-desespa-nao ry Gasy1zay.

Fa raha ny @ fanontaniana dia manaiky matoa tsy miteny izzany eee...

Miaiky (matoa tsy miteny) izany i Gasy1zay fa fandemen-tsaina ilay piropagandin'ny loholona-Kristiana, ka (mampitahotra) milaza hoe, raha vao tsy miaraka @ Atry ny Kristiana, dia :
après moi, le déluge, na hoe, sans moi, le chaos.
Io izany ilay hoe, raha vao "tsisy-Andrmntra-Kristiana" dia déluge sy chaos.

satria dia (miara-)mahita fa mandeha zoli sy normal daholo ihany ny fi(s)ainan'olona na miaraka @ izao Atra-Kristiana izao na tsia.

Dia itaro kely indray ny fanontaniana, na ny saina, ry Gasy1zay aa..

Fa maninona no mandeha zoli sy normal ny fi(s)ainan'olona ivelan'ny Kristianisma, nefa zareo ireo, TSY toa ny Kristiana, izay toa tsy mety mihintsy ilay fiainany raha tsy misy:
1- lamboridy sy tampi-maso-tsoavaly, mitondra azy any @ lala-mahitsy HONO, dia ny Didy Folo-Kristiana izany
2- karoty, misintona ny sainy sy fony any @ manjabe HONO, dia izao fen'anana-manjakizay izao
3- kibay, izay manitsy ny diany HONO, ka ilay menasofina-menamaso-lavarambo-misy-tandroka (Devoly) izay sidekick-n'Atra no mamely azy ao io

Maninona no mandeha zoli sy normal ny fi(s)ainan'olona ivelan'ny kristianisma, ary izany dia tsisy ilavana izay lamboridy/karoty/kibay izany akoriny???

Dia ny valiny ho'a re ry Gasy1zay, dia satria rehefa mitombo taona Raolona, dia mahazo ity atao hoe conscience sociale:
Développer une conscience sociale implique d'apprendre les dynamiques des relations sociales entre individus, groupes ou communautés. Un individu avec une conscience sociale estime les droits de l'homme et reconnaît l'importance d'une interaction sociale harmonieuse pour le progrès du développement des êtres humains.

io izany ilay tonga @ resaka hoe, "apte à vivre en société" ilay zaza rahefa mitombo taona, satria TSY mila lamboridy/karoty/kibay vao mi-fonctionne, fa efa vory saina manana ilay hoe, "conscience sociale".

Averina ihany. Ny fananana "conscience sociale" dia TSY ilavana lamboridy/karoty/kibay.

ka manaiky an'ireo indray ve i Gasy1zay sa tchia??
5. gasy1zay ( 01/11/2017 17:16)
hoan'i endriny sy rhaj0

tsy takatry ny sainareo mintsy ilay izy ka tsy hitako zay azo atao anareo

Efa hoe hafa ny testamenta taloha sy ny testamenta vaovao, ao @ testamenta vaovao ve misy ny kapok'Andriamanitra raha tsy any @ apokalypsy?

Raha tsy takatrareo ny chronologie bible dia ho resaka aller retour foana ny eto, Andriamanitra aza tsy manery ny olona tsy mino hino azy ka maika ve fa za zay olombelona.
6. rhaj0 ( 01/11/2017 17:56)
Raha ny fahitako azy aloha, dia tena mba mamaky Baiboly ihany izaho (sy Endriny), ary maha-araka izay (rehetra) aposakao eto ry Gasy1zay. Ary ny fahafantaranay ny Baiboly, no ahafahanay maneho eto ny absurdités sy ridicules, ankoatr'ireo contradictions aman-taoniny ao anaty Baiboly, izay (tsy) mampivanitika lava ahy (sy Endriny) eto. Tsy hitanao ve ireny toko aman'andininy be dia be naposako lava teto ireny? I Endriny azany efa namorona loha-hevitra mihintsy hoe, ndao alamina dia asesy io Baiboly (abobo) io. Izaho aloha dia tena mino fa ianao Gasy1zay io dia TSY nahavaky an'ireny akoriny, ary dia io kofona lava io rahefa mivoaka eto ny marina (sy lainga) ao @ Babiboly.

Fa ry Gasy1zay (sy ny Kristiana namany) eto kosany, dia tena TSY kOpy n'inon'inona @ "fi(s)ainana ivelan'ny Kristianisma". Izay ny loha-hevitra eto.

Ny mba takatr'i Gasy1zay ny @ izany, dia vokatry ny "fandemen-tsaina" nataon'ny Loholona-Belazao-Kristiana azy.
Gasy1zay:
nisy indray ... tonga dia hoy izy hoe tsy misy Andriamanitra ( mora kokoa ) ka afaka manao zay tiako aho rehefa tsy mampigadra na rehefa tsy tratra

Dia rahefa nohazavaina an'i Gasy1zay ny fandehany..
rhaj0:
Jereo ny eny @ Oniversitia (60-80%-n'ny chercheurs dia atheist toa an-dry Einstein), jereo ny Japanizy (0.1% no Kristiana any?), na koa ireo Bodista sy Dalai Lama ohatra.
Jereo gilobaloba... Rahefa afaka @ io fandemen-tsaina io ianao Gasy1zay, ka mahatsapa ihany farany fa hoe, TSY déluge sy chaos ny fi(s)ainana any ivelan'ny Kristianisma, dia afaka tohizana ny resaka.

Dia vasoka be i Gasy1zay, ary dia lasa nitsoaka nanao resaka "retour" any @ fen'anana-manjakizay. Dia eo iindray i Gasy1zay no mitomany fa aller-retour hono ny resaka, nefa jereo tsara fa izaho manao "tohin-dresaka":
rhaj0:
... rehefa mitombo taona Raolona, dia mahazo ity atao hoe conscience sociale:
Développer une conscience sociale implique d'apprendre les dynamiques des relations sociales entre individus, groupes ou communautés. Un individu avec une conscience sociale estime les droits de l'homme et reconnaît l'importance d'une interaction sociale harmonieuse pour le progrès du développement des êtres humains.

io izany ilay tonga @ resaka hoe, "apte à vivre en société"... mandeha zoli sy normal ny fi(s)ainan'olona ivelan'ny kristianisma, ary izany dia tsisy ilavana izay
- lamboridy(didy10)
- karoty(fen'anana-manjakizay)
- kibay(devoly)
an'ny Kristiana izany.

Ka aiza ho aiza @
- afaka manao zay tiako aho (rahefa tsisy-Atra) an'i Gasy1zay
- sy ny conscience sociale sy ny apte à vivre en société (satria tsisy-Atra) navoitrako eto io..
aiza ho aiza ny resaka izao ry Gasy1zay?

Raha tsy takatrao Gasy1zay io resaka eto io, dia tena... indrisy ry tava-tsosisy, hozy ilay gasy iray izay ho'a, fa dia tena ianao Gays1zay mihintsy izany no toa "tsy nitombo taona" ary "inapte à vivre en société"
7. gasy1zay ( 02/11/2017 16:49)

Ka raha milamina ny fiainan'i rhaj0 sy ny conscienceny tsy misy an'Andriamanitra sy ny didiny dia maninona ingahy no mandany fotoana mitsikera ny mpino eto? Izaho izao tsy mino ny extra-terrestre dia tsy handany andro hiditra forum misy ireo mino ny fisiany fa avelako any izy raha zay no mahafaly azy. Fa amiko mety enjehin'ny eritreritrao ao ianao dia mitady namana tsy hino an'Andriamanitra fa mety matahotra inconsciemment ny ho tratran'ny fitsarana .
8. rhaj0 ( 02/11/2017 18:02)
gasy1zay:
Ka raha milamina ny fiainan'i rhaj0 sy ny conscienceny tsy misy an'Andriamanitra sy ny didiny dia maninona ingahy no mandany fotoana mitsikera ny mpino eto?
Sao dia isan'ilay "mandany fotoana" @ "conscience sociale", hevitra TSY mety takatr'i Gasy1zay (Kristiana) no manetsika ahy (sy ny olona) eto??

Fa i Gasy1zay izany mahita hoe "tsikera" HONO ny resako eto ee... Efa hoe "mivaninika" fotsiny aho ho'a eto... ary efa im-100 lazaina fa mandamina ny hevitro rahatrizay tratran'ny fanontanian'ny ANkizy any aoriana, mba hitohizan'ny vaninika manjakizay ee...

gasy1zay:
Matoa ianao rhaj0 milamindamina ao amerika avaratra ao dia satria safosafoin'i satana ianao , avelany hiadana tsara dia tsy hitady an'Andriamanitra ary resy lahatra fa tena zay no fiainana... matahotra inconsciemment ny ho tratran'ny fitsarana

Eny ho'a ry Gasy1zay ee... ry Einstein sy ireo chercheurs mameno ny 60-80%-n'ny Oniversitia koa izany mahazo "safosafon-tsatana" sady "matahotsa beuh" ao daholo eee...

D'efa mararicoco mihiintsy 'nareo Gasy1zay zalahy.. Koa na ny zaza eny @ garabola azany hiteny an'izany???
9. gasy1zay ( 02/11/2017 19:58)

Tsy maninona zay filazanao azy ao fa tsy mampiova ny finoanako( nay) izany satria izay efa nanaiky an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy anay ka na tsy mino sy hivanitika ny sasany tsy mampihemotra anay zany, samy manana ny domaine de définition ny fiadanana sy fahasambarana koa io ka raha sambatra aho miaraka amin'ny Tompo , sambatra i rhaj0 tsisy azy dia samia mizotra araka ny safidiny dia any ankoatra mahita ny tohiny.
10. rhaj0 ( 02/11/2017 22:08)
Ka ianao koa anie ry Gasy1zay dia hotsahotsan'ny hoe, ianao no centre du monde eto, ka ny "hanova anao" no atao resaka eto ee... Ataok'ty ny atao hoe serasera dia ny hiseraserana hifanakalozana sy hifampizarana ee.. tsisy an-tery io fa samy manana ny coco-ny.

nareo Gsy1zay (Kristiana) no obsédé an'izao evanzelizasio izao, dia ataonareo fa toa nareo foana ny olona raha vao miteny, ka hoe, ny "hampiova olona" no tanjony eee...

1- efa hoe.. Atsipinay ilay kôzy, (tsy) mihaino ianao dia tsara"..
2- sy koa hoe, Nicole efa vory saina, ary hajao ny reviny fa samy olon-dehibe, fa tsisy manao ilay hoe "je changerais Nicole" ary izany no soratana eraky ny arabe...

11. endriny ( 03/11/2017 05:24)

gasy1zay:

hoan'i endriny sy rhaj0

tsy takatry ny sainareo mintsy ilay izy ka tsy hitako zay azo atao anareo

Efa hoe hafa ny testamenta taloha sy ny testamenta vaovao, ao @ testamenta vaovao ve misy ny kapok'Andriamanitra raha tsy any @ apokalypsy?

Raha tsy takatrareo ny chronologie bible dia ho resaka aller retour foana ny eto, Andriamanitra aza tsy manery ny olona tsy mino hino azy ka maika ve fa za zay olombelona.

Ie tena tsy mitovy tokoa ny TV sy ny TT. Tamin'ny Testamenta taloha ny olona rehfea ho vonjena dia nasain'Atra nihinana mofo tsy misy lalovay. Fa amin'ilay testamenta kristianina dia lasa mihinan'olona ny olona: Ity no rako sotroy... Ity no nofoko hoano
12. Miharena ( 03/11/2017 07:11)
Raha hiteny aho hoe efa aretin-tsaina ny an'i Rhaj0 sy Endriny dia mety hikadrandringana izireo e!

Mba tsy hivilian'ny resaka any amin'ny fifanomezan-tsiny ary dia aseseo eto izay voambaran'ny aterineto dia hazavao Rhaj0 sy Endriny arak'io lohahevitra mba nosokafanareo io.

Fa ny an'i Gasy1zay aloha dia efa hombako manana ary azo jerena anaty aterineto avokoa ny voa nafafy rehetra sy ny fijoroana vavolombelona momba izany fiainana mandrakizay sy ny helo izany.

Dia mamerina indray aho hoe ataovy lojika mazava ny resakareo fa aza manao tohan-kevitra tsy mirindra eto. Mba ivereno vakiana anie ny lojikanareo mamaly ilay laha-kevitra naroson'i Gasy1zay ao amin'ny boaty faharoa io e! Tena mibirioka tanteraka hoatry ny hoe nisy naninona azy ireny ny Kristianina sy Jesoa ary Andriamanitra nanome torolalana mazava ao anaty Baiboly!!

Mahatsiarova tena fa aza jamban'ny fahadontoana toy io anie azafady indrindra e! Hoatry ny hoe tsy mahita afa-tsy loto raha vao mamaky Baiboly.

Dia izahay moa izany dia mivavaka ho anareo hatrany hahalala ny fahamarinana matoa mbola tsy mitsarahatra mamaly sy manitsy e!
13. rhaj0 ( 03/11/2017 14:57)
Ny an-dry Miharena ve moa, @ anaran'i Jesosy hono no hitenenany eto HONO, dia ny manao kaomanitera izay resak'olona sy ny mpiresaka, fa TSY mamaly fanontaniana na foto-dresaka akoriny ee..

Fa voninahitr'i Jehovah no anaovan'i Miharena izany HONO, ka dia ... tohizo eo foana ho hitan'ny havanao eto, fa izaho indray ve hanakana anao tsy hanao izany re ry Miharena :-)
14. gasy1zay ( 03/11/2017 15:24)
Ny athé mi assume ny maha athé azy dia araka y ny ambaran'i rhaj0 hoe manohy ny fiainany tsy misy an'Andriamanitra ary tsy handany fotoany akory hihomehy na hitsikera ny anaty baiboly.

Fa i rhaj0 moa na tsy hiaiky izany mintsy aza, dia enjehin'ny eritreriny izy @ tsy finoany dia mitady zavatra hitsikerana ny tenin'Andriamanitra mba hilazany hoe mitombina ny tsy hinoany an'Andriamanitra, lojika, siantifika sns...

i rhaj0 nefa tsy avelan'ny Fanahy Masina ho tsy mpino satria mino aho fa efa vita batisa izy io t@ fahazazany, sa tsy zany ry rhaj0?
15. gasy1zay ( 03/11/2017 15:29)
Ny an'i endriny indray dia te hino an'Andriamanitra ihany izy saingy toa ohatrany tsy mety aminy ilay Andriamanitra mitaky fibebahana marina, misy fahotana mangeja azy tsy tiany ialana dia aleon'i endriny koa mandresy lahatra ny tenany fa diso ilay Andriamanitra nambara azy ao @ Baiboly fa an'i missionera vazaha hono io fa tsy ilay Zanahary an-tampon'ny loha an'ny Ntaolo. i endriny koa zao mety zaza kristiana vita batisa fa tsy mahafoy ny fahotany.
16. rhaj0 ( 03/11/2017 16:10)
Mbo fantatrao ve ohatra i Richard Dawkins, izay araka ny filazan'i wiki dia hoe .. discussing his books, his atheism, and his ideas and opinions as a public intellectual, na mihintsy akoriny aza hoe, ilay "militant atheism"-ny??

Dia sady tena TSY azon'i Gasy1zay mihitnsy koa ilay "conscience sociale" an..
17. endriny ( 03/11/2017 16:38)

Miharena:

Raha hiteny aho hoe efa aretin-tsaina ny an'i Rhaj0 sy Endriny dia mety hikadrandringana izireo e!

Tsy haiko aloha I Rhaj0, fa tena mankarary ny saiko mihintsy ilay hoe: "Andeha ihinana mofo sy hisotro divay dia heritreretina hoe vatan'i Kristy ilay mofo sy ran'i Kristy ilay divay"

Ny ataon'ny Halloween aza efa mampidelira ny sasany
18. endriny ( 03/11/2017 16:44)

gasy1zay:

Ny an'i endriny indray dia te hino an'Andriamanitra ihany izy saingy toa ohatrany tsy mety aminy ilay Andriamanitra mitaky fibebahana marina, misy fahotana mangeja azy tsy tiany ialana dia aleon'i endriny koa mandresy lahatra ny tenany fa diso ilay Andriamanitra nambara azy ao @ Baiboly fa an'i missionera vazaha hono io fa tsy ilay Zanahary an-tampon'ny loha an'ny Ntaolo. i endriny koa zao mety zaza kristiana vita batisa fa tsy mahafoy ny fahotany.

1) Oviana koa no nisy Atra nitaky fibebahana? Fa ilay olona misoratena ho solotenan'ilay Atra tsy misy no miantso olona hibebaka eran'ny arabe sy ny alitara.

2) Efa im-polo aho angamba no nilaza teto fa I Zanahary dia: a) zana-bazimba nitoetra teo Ambohijanahary ny iray, ary b) ilay Mpanjaka Betsimisaraka taloha no faharoa.

3) Ary Atra dia ireo mpanjaka lasa razana taloha no nantsoina hoe Atra. Nisy koa ilay Vazimba nantsoina hoe Andriamanitra nitoetra teny Tsinjoarivo
19. rhaj0 ( 03/11/2017 19:21)
gasy1zay:
i rhaj0 nefa tsy avelan'ny Fanahy Masina ho tsy mpino satria mino aho fa efa vita batisa izy io t@ fahazazany, sa tsy zany ry rhaj0?

Iieee.. vita batisa, dernier banc tao ampiangonana dia mijery lamaody, nianatra teti-andro, nanao famadihana, notsofin'ny zokiolona rano, nampahazo ny an-joro-trano, mitsabo sivy, nandeha tempoly bodista, hindou, nanatrika pow-wow, nandeha oniverisitiha, manaraka ireny TED talk ireny ohatra, ... bebe ihany izay natao izay..

Ary n'enao Gasy1zay kosa toatoa ny ahoana?
20. gasy1zay ( 05/11/2017 00:34)

Ny ahy ndray, vita batisa fahazaza, namonjy fiangonana dieny zaza, tsy nanao sekoly alahady nefa fa somary kamo t@ zany, tsy namadika ny fianakavianay, nivavaka t@ fahatanorana nefa ohatrany tsy nibebaka marina fa nanao double jeu, sady niangona no nanao ny fanaon'izao tontolo izao, nisy fotoana nisy toroteny sy fampianarana tena nahatonga saina ahy, vao tsapako hoe tena tsy nibebaka marina aho hatramizay, fa na nahaysapa ary fa misy heloka vita dia ohatrany tsy nety niova lalana tanteraka, rehafa nahatsapa ny atao hoe fibebahana marina aho, teo aho vao tena vonona ny hiova, nitady hahafantatra an'Andriamanitra bebe kokoa, dia i rhaj0 sy ny forum teto koa no vao maika nanampy ahy handinika bebe kokoa ny Baiboly, za aloha efa resy lahatra ny amin'i finoako ka tsy mila mandeha any @ monastera boudista, hindu, etc.. ohatran'i rhaj0. Efa tsapako ny fitahian'Andriamanitra ahy teo @ fiainako, fa fantatro hoe raha tena ho tafaray tanteraka aminy aho dia mila miala @ zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapony. Dia tena tsapako ilay fiadanana miaraka aminy ary tsy nampoizoko hoe mbola tsara lavitra noho ny mivoaka alina, miaraka @ namana, sns... ny fifaliana miaraka amin'Andriamanitra.
Ny fitak'i satana dia ny hoe tsy sambatra ny olona raha tsy manao ny fanaon'izao tontolo izao, fa ny marina dia ny an'izao tontolo izao dia fahafinaretan'ny nofo fa tsy fiadanana.
Raha mitady fiadanana sy fahasambarana feno ny olona dia ao @ Jesoa Kristy no misy azy, tsy ny eto an-tany ihany fa na aorian'ny fahafatesana aza dia mbola hanana fiadanana sy fahasamabarana mandrakizay izay nandray azy.

Ianao rhaj0 mety faly @ fiainana hiananao izao fa misy zavatra ananako izay tsy ananao, izaho koa sambatra izao fa mihoatra noho izany izao manana assurance fa raha ho faty aho anio dia mbola ho be lavitra noho izao fahasambarako izao no miandry ahy satria hihaona amin'ilay Andriamanitra namorina ahy aho, ilay namonjy ahy t@ namoizany ny ainy teo @ hazo fijaliana.
Amen.

P.S : ary maninona i rhaj0 tsy mba manatrika fitaompivavahana 1 ao @ centre international de reveil ao Ottawa? Mba mahita fomba fijery hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5398