Ny any ivelan'ny Kristianisma

61. rhaj0 ( 09/11/2017 16:18)
hi hi hi .. ilay "finoana" ry Gasy1zay dia "ekena-fotsiny" fa tsy ilavana ampiasana coco, hoe fa "satria" mankatsy mankaroa. Samy manana ny namparoboka azy, manaiky-tsisy-porofo tao ny tsi11.

Izaho izao TSy nahazo cadeau akoriny fony zaza. satria mahantra zahay, fa dia "hendry" ihany aho, "satria" hoe, ilay baininabe HONO mahalala ny ataonay papoozy rehetra, ary dia misakafo tsara @ ilay "sahaza anay" fotsiny zahay ny 25 eee...

Fa averiko indray fa dia kôpy ianao ry Gasy1zay, fa rehefa njay mandika ilay tsipika hoe, TSY mino (pn) dia TSY miverina intsony eee... Na dia manja be azany ny revirevy rehefa mino (pn).

ka ianao izany ry Gasy1zay mbola tsy nandika ilay tsipika, ary dia vao mainka HONO hoz'enao lasa "jamba sitrana"..
Mahafatifaty ee.. mahafatifaty .. nndrroooooo... :-)
62. gasy1zay ( 09/11/2017 16:46)
Faly ery rhaj0 nefa tsy fantany mintsy ny faty antoka manjo azy, efa nomena famonjena maimaimpoana fa tsy nandray, mandre sy mamaky tenin'Andriamanitra nefa tsy mba mino, misy kristianina mety tsy nahavaky baiboly noho rhaj0 nandritry zay taona maro nanoratany teto zay, nefa ireo tsy namaky noho ny finoany dia voavonjy.
63. rhaj0 ( 09/11/2017 17:04)
Ny TSY mandrevirevy mino (pn/jc) ve faty antoka??
kanefa efa hoe, Ze suis grand maintenant..
64. Miharena ( 09/11/2017 19:03)
Tsy resaka revirevy ny finoana Rhaj0 fa zavamisy sy miasa Andriamanitra sy Jesoa fa ianao no mitapi-maso amin'izany.

Ka na hitapi-maso aza moa ianao dia toy ireny aostrisy mandentika ny lohanao anaty fasika dia hoe tsy hitan'ny olona ireny e!

Ny saibenao tsy mahalala ny tokony ho fantatra momba ny ara-panahy sy ny Loharanon'izany fanahy izany anie ilay lohanao asitrikao dia miteniteny foana sy misaintsaina foana tsy mety miala ao nefa hita hoe mimenomenona be ho ren'ny vahoaka misera eto dia tsy te-hahalala fa izay saimpantatrao ihany no dradrainao eto e! Nefa misitrika anaty lavaka bitika hitan'ny rehetra eto.

Mba menatra ihany namana fa mampalahelo e!
65. gasy1zay ( 09/11/2017 20:36)
Ny ahy ny tena mampalahelo ahy dia ny zanak'i rhaj0 koa zao sakanany tsy hanantona ilay mpamonjy.
66. rhaj0 ( 10/11/2017 14:17)
ntss.. dia inona aby koa ny ao @ imazination-nao ao, na ny nasesiky ny belazao anao tao ry Gasy1zay aa.. ankoatran'io sy ilay hoe manao izay zavatra mamoafady rehetra koa rehefa atheista??

Asa ho'a, inona @ "conscience sociale" noresahina teo no tsy azonao ry Gasy1zay. AFa dia aleo averina ihany fa tsy hiditra ihany ve @ farany eee..

rhaj0:
... rehefa mitombo taona Raolona, dia mahazo ity atao hoe conscience sociale:
Développer une conscience sociale implique d'apprendre les dynamiques des relations sociales entre individus, groupes ou communautés. Un individu avec une conscience sociale estime les droits de l'homme et reconnaît l'importance d'une interaction sociale harmonieuse pour le progrès du développement des êtres humains.

io izany ilay tonga @ resaka hoe, "apte à vivre en société"... mandeha zoli sy normal ny fi(s)ainan'olona ivelan'ny kristianisma, ary izany dia tsisy ilavana izay
- lamboridy (didy10)
- karoty (fen'anana-manjakizay)
- kibay (devoly)
an'ny Kristiana izany.
67. Miharena ( 10/11/2017 18:25)
Conscience sociale koa anie Rhaj0 ny fahakiviana faobe, ny fahantrana faobe, ny fibodoana faobe ary ny fahafatesana faobe fa tsy io famaritana omenao io ihany.

Dia azo raisina hoe avy taiza ny fototra nahatonga ireo ka namoahana ny didy folo, ny kibay ary ny fiainana mandrakizay sy ny fanazavana ny asan'i Devoly e!
68. gasy1zay ( 10/11/2017 18:26)

rhaj0:

ntss.. dia inona aby koa ny ao @ imazination-nao ao, na ny nasesiky ny belazao anao tao ry Gasy1zay aa.. ankoatran'io sy ilay hoe manao izay zavatra mamoafady rehetra koa rehefa atheista??

Asa ho'a, inona @ "conscience sociale" noresahina teo no tsy azonao ry Gasy1zay. AFa dia aleo averina ihany fa tsy hiditra ihany ve @ farany eee..

rhaj0:
... rehefa mitombo taona Raolona, dia mahazo ity atao hoe conscience sociale:
Développer une conscience sociale implique d'apprendre les dynamiques des relations sociales entre individus, groupes ou communautés. Un individu avec une conscience sociale estime les droits de l'homme et reconnaît l'importance d'une interaction sociale harmonieuse pour le progrès du développement des êtres humains.

io izany ilay tonga @ resaka hoe, "apte à vivre en société"... mandeha zoli sy normal ny fi(s)ainan'olona ivelan'ny kristianisma, ary izany dia tsisy ilavana izay
- lamboridy (didy10)
- karoty (fen'anana-manjakizay)
- kibay (devoly)
an'ny Kristiana izany.

Izaho mahafantatra tsara ny lalàna misy any @ tany occidental ary fantatro fa raha fantatry ry zareo ianao rhaj0 fa "mivanitika" @ fivavahan'ny sasany dia tena mety ho voaroaka @ asa mintsy ka ao anatinao ve zany ilay conscience social dradradrainao sa tsia?

Mandeha joli ny ivelan'ny kristianisma? fa mba mihaino vaovao ve i rhaj0 sa tsia e? Ny crise korée du Nord ve adin'ny Kristianina? Ny ady misy eran-tany@ izao ve Kristianina no manao azy? Jereo fotsiny hoe firy ny taux de suicide, divorce, vono olona, sns eran-tany raha mihevitra i rhaj0 fa tena mandeha joli tokoa ny fiainana.
69. rhaj0 ( 10/11/2017 18:44)
gasy1zay:
Izaho mahafantatra tsara ny lalàna misy any @ tany occidental ary fantatro fa raha fantatry ry zareo ianao rhaj0 fa "mivanitika" @ fivavahan'ny sasany dia tena mety ho voaroaka @ asa mintsy...

Inona no (mba) fantatrao any ivelan'ny Baiboly sy ankoatry ny resaky ny Belazao aminao re ry Gasy1zay. Efa hoe ilay Praiministra kebekoa mihintsy no niteny
http://ici.radio-canada.ca/nouvelle/736086/couillard-replique-imam-moquer-region-projet-loi-discours-haineux-liberte-expression
« Mais bien sûr qu'on peut se moquer d'une religion », a déclaré, vendredi, le premier ministre Philippe Couillard.
70. gasy1zay ( 10/11/2017 20:41)

Hay va re e! Ny fantatro aloha dia ny any zamerika dia na ny miteny joyeux noel aza any birao sasany dia bedy fa tsy manaja ny tsy kristianina hono ary mbola averiko fa raha mitory any @ lehibeny ny mpiasa 1 fa nisy nivanitika ny fivavahany dia misy fanadihadihana atao mintsy ka dia zao nihevitra fa dia izany no conscience sociale hay kay fiantsarambelatsihy fotsiny fa tsisy fifanajana akory ny anareo, zaho aloha na fantako aza fa tsy izy ny an'ny silamo, boudista sns... dia tsy mbola nivanitika t@ finoany aho e!
71. endriny ( 11/11/2017 04:24)
Aleo ny ahy ny eto an-tanana no jereko kely.

I Madagasikara no tena renivohitry ny fiatsaram-belatsihy eto ambonin'ny tany. Ary efa malaza izao ilay fiteny hoe: Ny vazaha mody fa ny Malagasy mody mihavana.

Ary ny Kristianina indrindra eto Madagasikara no lohalaharana. Mody miray ao am-piangonana kanefa na ny seza ipetrahana aza misy a ankolafiny: ery ingahindriana, etsy ibozivoretra, eto ratrema ary mitsangana ery i mavoranjo. Omeo sera sy lasa Ingahimanana fa nanao raki-boady 200.000 ar, Ary vasohy eny amin'ny alitara I koritsambola fa efa ankehitriny mbola 20ar ihany no arotsaka.

Raha manamanjo ingahimanana, mila tsy ho tapitra ny tsodranon'i Mopera sy Pasitera. Fa raha niaramboina ibozivoretra, kitakitano ny lamesa fa manamaimbo fiangonana.
72. rhaj0 ( 11/11/2017 14:23)
rhaj0:
Inona no (mba) fantatrao any ivelan'ny Baiboly sy ankoatry ny resaky ny Belazao aminao re ry Gasy1zay. Efa hoe ilay Praiministra kebekoa mihintsy no niteny
http://ici.radio-canada.ca/nouvelle/736086/couillard-replique-imam-moquer-region-projet-loi-discours-haineux-liberte-expression
« Mais bien sûr qu'on peut se moquer d'une religion », a déclaré, vendredi, le premier ministre Philippe Couillard.
gasy1zay:
Hay va re e! Ny fantatro aloha dia ny any zamerika ...

hi hi hi.. inty indray azany tranga mila "fantarinao" tsara. Tendance be io fa mila haiNAO tsara.
http://blogues.lapresse.ca/hetu/2017/11/10/joseph-marie-et-roy-moore/

Nisy Ingahibe Juge ao Bekintana ao. Nôgain'olona fa nikitikitika sekisoalema zazavavikely 14 taona; izy t@ io 32 taona. Ny fiarovan-tenan'Ingahy pédophile présumé:
«Prenez Joseph et Marie, a-t-il dit au Washington Examiner. Marie était une adolescente et Joseph était un charpentier adulte. Ils sont devenus les parents de Jésus.»

Mpivavaka beuh Kristiana TOA ANAO Gasy1zay io Ingahy pédophile présumé io

73. Miharena ( 13/11/2017 07:34)

endriny:

Efa tratran'ny vy mahamay kosa ny fisainana sy fijery tsy mahita afa-tsy lafiratsiny eo amin'ny fitondran-tenan'ny olona e!
Ny Kristiana dia tsy milaza fa tonga lafatra satria izay mihitsy no nahatongavan'ny Mpamonjy, dia ny hampibebaka ny mpanota. Tsy tonga hiantso ny marina Aho hoy Izy fa ny mpanota mba hibebaka ny ratsy fanaony.

Ka izaho dia manao kosa hoe ilay maramara saina dia lova ihany koa io ary mety azony daholo na iza na iza, indrindra fa ny vazaha sy ny gasy izay nanaiky hokorontanin'ireo mpanjanaka ireo. Mody hoe manome izatsy nefa maka ny be dia be tokony ho anjaran'ny tany nozanahany.

Ara-panahy izany dia hita taratra tsara ao amin'ny Joda ao manao hoe:

1 [Fananarana ny amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy;
2 hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
3 Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina.
4 Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika*. [* Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika]
5 Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino.
6 Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe.
7 Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.
8 Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy* ny manana voninahitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX 3]
9 Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah".
10 Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny tenany. [* Na: andotoany]
11 Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kaina, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy.
12 Ireo no harambato voasaron-drano* eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; [* Na: Ireo no pentimpentina]
13 onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.
14 Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina
15 hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."
16 Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny.
19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy]
20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina;
21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy]
23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
24 Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana,
25 ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.

Ka io dia fananarana ihany hampahalalana hoe isika indraindray dia tafaroboka ao amin'ilay andiany tsy mahita afa-tsy zava-dratsy sy miondrika amin'ny zavatry ny tany izay tsy dia vokatry asan'ny Fanahy Masina loatra.
74. Miharena ( 13/11/2017 07:42)

rhaj0:

rhaj0:
Inona no (mba) fantatrao any ivelan'ny Baiboly sy ankoatry ny resaky ny Belazao aminao re ry Gasy1zay. Efa hoe ilay Praiministra kebekoa mihintsy no niteny
http://ici.radio-canada.ca/nouvelle/736086/couillard-replique-imam-moquer-region-projet-loi-discours-haineux-liberte-expression
« Mais bien sûr qu'on peut se moquer d'une religion », a déclaré, vendredi, le premier ministre Philippe Couillard.
gasy1zay:
Hay va re e! Ny fantatro aloha dia ny any zamerika ...

hi hi hi.. inty indray azany tranga mila "fantarinao" tsara. Tendance be io fa mila haiNAO tsara.
http://blogues.lapresse.ca/hetu/2017/11/10/joseph-marie-et-roy-moore/

Nisy Ingahibe Juge ao Bekintana ao. Nôgain'olona fa nikitikitika sekisoalema zazavavikely 14 taona; izy t@ io 32 taona. Ny fiarovan-tenan'Ingahy pédophile présumé:
«Prenez Joseph et Marie, a-t-il dit au Washington Examiner. Marie était une adolescente et Joseph était un charpentier adulte. Ils sont devenus les parents de Jésus.»

Mpivavaka beuh Kristiana TOA ANAO Gasy1zay io Ingahy pédophile présumé io

Averina eto ihany, tsy hoe rehefa Kristianina dia ho tsara toetra avokoa akory satria matoa tonga ao dia mahatsiaro tena ho ratsy ary mitady izay hanadiovana ny tena amin'ny fibebahana.

Misy koa ireo izay mody Kristianina mba hanamavoana ny Kristianina ao amin'ireo fiangonana isanisany ireo satria aoka koa ho fantatra fa anisan'ny mandefa ny olony sy ny anjeliny amin;ireny fiangonana ireny koa na Satana aza mba handringanana izay manaraka azy amin'ny andro farany. Voafintin'io resaka ataon'i Joda eo ambony io daholo izany zava-drehetra izany.
75. endriny ( 13/11/2017 08:02)
Fa angaha moa ny fivavahana Kristianina tsy Fanjanjanahana ara-tsaina nentin'i Vazaha? Sa i Jesosy no nitondra azy teto?

Aza dia mirediredy re ry Miharena fa lasa miteniteny foana marina e.

Dia lazaina Indray fa Kristianina sandoka ireo mpiatsaravelatsihy. Koa maninoa no mbola mannaiky ny hidirany any am-piangonana ry Pasitera sy ry Mopera. Maninona raha roahina ohatran'ireo mpivaro-boromailala any ireo?

Ry mpiatsaravelatsihy sy mpamitaka Kristianina, mbola tsy ampy anareo foana ve ny nivarotra ny taninareo ho an'ny vazaha no amidinareo aminy hetra in' your fanahinareo?
76. Miharena ( 13/11/2017 08:12)

Tsy jeren'i Endriny amin'ny maha-izy azy ilay voasoratra ao anaty Baiboly dia manao io fomba famaly io hatrany izy.

Mety ho nentin'ny vazaha ny Baiboly hakana ny harena ara-nofo. Dia io voalaza tsara ao amin'i Joda io hoy aho teo.

Fa io Baiboly io no nahitana vokatra be dia be hitantsika izao toy ny fifohazam-panahy lehibe sy fahagagana isan-karazany izay tsy azon'ny vazaha mpangoron-karena sy miahy ny nofony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1513