Andao antsointsika amin'ny tena anarany aza i Jesosy e

1. endriny ( 21/03/2017 13:40)
Miady mafy dia mafy ny namana sasany amin'ny tokony hiantsoana an'i Jesosy amin'ny tena anarany.

Marina ny azy satria na ilay anarana fotsiny aza dia efa ifanaratihan'ny samy fiangonana ny fiantsoana aza: "Ny anay Jesosy e, satria izay no mifanakaiky amin'ny fanononana anglikanina". "an, an ny anay Jesoa e, satria izay no mifanakaiky amin'ny fanononana frantsay". "poikany ny anay YASHUAHA fa izay no henonay amin'ny filazan'ny jiosy razan'ny razan'ny razam-ben'ny dadabe an'ny dadaben'i Razamihoatra"

Fa ny ahy izao ataoko hoe BEN no iantsoako an'i Jesosy, io sady tena anarany fa tsy anaram-bosiny akory. No sady raha teo mora tononina sy mora soratana ka tsy mila avilivily
novalian'i endriny ny 12/04/2017 14:27
2. RA TAN ( 22/03/2017 05:27)
Ra izany JESOSY izany aloha dia tsy maninn na hotononin'ny olona hoe REMENABILA na hataonareo hoe LESAMBILO na hotaonareo hoe BEN na ....
Anarana tsis valeur dia azo atao an'izany.

FA NY RAHA NY ANARAN'ILAY TENA ZANAK'A/TRA KOSA DIA "TOKANA NY ANARANY SADY TSY AZO OVAINA", SATRIA AHAZOANA FAMONJENA (ASA,4:12). SADY ANARANA AMBONY NOHON'NY ANARANA REHETRA (FIL,2:9)
3. endriny ( 22/03/2017 05:44)
Fa ilay Atra azo ovaina sy boriboriana amin'ny A/TRA ve? Ty mandainga!
4. endriny ( 22/03/2017 06:24)
I BEN no anaran'ilay lazain'ny mpino hoe zanak'Atra
5. RBNIR ( 22/03/2017 07:40)
RA TAN:

HALAN'NY JIOSY (ISRAELIANA) IO ANARANA "YAHOSHUAH" IO, ARY NY JIOSY INDRINDRA NO LOHALAHARANA T@ FANAPOTEHANA AN'IO ANARANA MARINA IO:
Toy izao no nataon'ny jiosy t@ izay mba niaro an'io anarana io:

Dia ahoana ireo Jiosy mbola nisafidy manaraka Azy hatramin'ny androany (sady mbola mitoetra ao israely) no tsy nilaza toa an'ingahy Samuelson Edouard??????
[/quote]
6. RA TAN ( 22/03/2017 08:15)

RBNIR:

VALINY:
"ROM,10:20 Fa sahy mihintsy Isaia ka manao hoe:
Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, ary niseho tamin'nizay tsy nanontany Ahy.
21Fa ny amin'ny Israely dia hoy izy:
mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena tsy manaraka no manda"
NIVADIKA T@ A/TRA MANTSY NY JIOSY DIA LASA FAHAVALON'A/TRA (ROM,11:28 Ra ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo).
Dia ATY @ NOSY M/CARA A/TRA AKEHITRINY NO MISEHO KA MANAO HOE "INTY AHO"(ISAIA,42:1-4 ISAIA,52:6 ISAIA,65:1).
Naniraka ny Ambasadaorany A/tra, dia ny Ray amand-dreny SAMUELSON EDWARD izany hankety ambonin'ny tany hamerina ny fahamarinana nopotehan'ny devoly sy ny mpiray tsikombakomba ratsy aminy.
7. RA TAN ( 22/03/2017 08:23)
Ny jiosy rehetra dia nanenjika an'i YAHOSHUAH sy ny mpianany daholo, afa tsy ny apostoly sy izay mpianany irery.

Rehefa maty daol ireo mpianany ireo, dia tsy nisy niaro intsony ny anaran'i YAHOSHUAH. Dia normal be nanjavona ilay anarana marina. Fa ra mbola nisy ireo mpianany ireo niaro, na dia iray fotsiny aza, dia tsy maty izany iny anarana iny.
8. endriny ( 22/03/2017 09:59)
Hay ve nanana Ambasadaoro tety ambonin'ny tany koa Atra e?

Maninona moa raha miteny mihintsy hoe manana pasipaoron'ny lanitra mihintsy ianareo ho haingana e.

Aleoko ihany ho'a ilay sampiko etsy ambody akondro, fa io tsy mila afa tsy akoho. Tsy mila manaosorona zanaka lahitokana, tsy mila misotro ran'olombelona mitovy amiko
9. RBNIR ( 22/03/2017 11:24)

RA TAN:

Ny jiosy rehetra dia nanenjika an'i YAHOSHUAH sy ny mpianany daholo, afa tsy ny apostoly sy izay mpianany irery.

Rehefa maty daol ireo mpianany ireo, dia tsy nisy niaro intsony ny anaran'i YAHOSHUAH. Dia normal be nanjavona ilay anarana marina. Fa ra mbola nisy ireo mpianany ireo niaro, na dia iray fotsiny aza, dia tsy maty izany iny anarana iny.

Izany hoe maty maritiora daholo izany fa tsy nisy taranaka intsony??? dia ahoana ireo judéochretien izay mbola nisy hatramin'ny 6ème siècle taty aoriana???

Nankaiza ny taranak'izireo? https://fr.wikipedia.org/wiki/Jud%C3%A9o-christianisme
10. RBNIR ( 22/03/2017 11:29)
hanampy antsika amin'ny recherche.....(raha sitrakao RA TAN)

http://www.steinbach68.org/chritianisme.htm

Izaho aloha tsy mino hoe maty maritiora daholo ireo christianina tany amboalohany fa nanana taranaka izireo dia nisy dia nisy tokoa ny dimbiny e (niparitaka eran-tany
11. RBNIR ( 22/03/2017 11:34)
http://lmgtfy.com/?q=qui+sont+les+premiers+chr%C3%A9tiens
12. RBNIR ( 23/03/2017 01:51)
Fanampiny RA TAN
Andeha hoeritreretina (hoeritreretina hoy aho fa tsy hoe manaiky akory aho an)hoe nahomby ihany ny fandrarana ilay Anarana teo amin'ny Jiosy...

Tamin'ny fomba ahoana kosa ary no nahavery ilay Anarana tany amin'ireo jentilisa sy ny hafa firenena satria IZY dia efa nifidy olona iray (i saoly niova ho paoly io) mba hanambara sy hampiely io Anarana io tany amin'ireo jentilisa sy ireo hafa firenena?

« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asa.9:15)...

13. RKjeanclaude ( 23/03/2017 08:12)
I Jaona (Yohanan) no Apostoly farany. Talohan'ny nafatesany dia nanana mpianatra izy i Polycarpe ary i Polycarpe namindra azy tamin' i Tertulien. Tsy nijanona fotsiny tao amin'ny ampira romana ny kristiana fa niely tany amin'ireo atao Barbare. Tsy misy fiatraikany hir hampiova ilay anarana mihitsy ny resa-martiota nanjo ny Apostoly sy ny sisa....

Ary marina ny tenin'i RBNIR, satria tsy olona iray no nahazo ilay anarana ka hoe ho azony ovaina. Fa nisy maro mihitsy izay mety nisy tsy nanaiky raha ovaiovaina fahatany io anarany io. Marihina fa tamin'ny taona 100 (mbola velona i Jaona) dia efa tonga tany ivelan'ny ampira ny kristiana. Vokany, probabilité très faible (0,01) no nahatonga io ho niova.
14. RBNIR ( 23/03/2017 08:30)
RKjeanclaude:

Izay mihitsy ilay tiako hahatongavana,
Marina fa nanampikasana handrara ny fitoriana io Anarana io ny Jiosy, nefa....tsy tanterany izany.......
15. RBNIR ( 23/03/2017 08:40)
Koa raha manambara ingahy Samuelson Edouard sy ireo mpanaradia azy ankehitriny hoe very ILAY ANARANA tena IZY satria ireo apostoly sy ireo mpianany tany amboalohany ihany no nahafantatra ILAY TENA ANARANA dia otran'ny diso ihany satria

1 Ilay fitoriana tany amboalohany dia tsy voafetra tao amin'ny tanin'ny Jiosy ihany fa efa niely erak'izao tontolo izao.....

2 I Paoly dia voafidy manokana hampiely an'io Anarana io hatrany amin'ireo Jentilisa sy ireo hafa firenena

Ireo Jentilisa sy hafa firenena ireo anefa tsy teo ambany fifehezan'ny Jiosy......
16. RBNIR ( 23/03/2017 09:30)
Mba valio RA TAN an, isika ange eto mihezaka ny hanitsy izay diso e!!!
17. RA TAN ( 23/03/2017 19:56)
RBNIR:

RKjeanclaude:

Ary marina ny tenin'i RBNIR, satria tsy olona iray no nahazo ilay anarana ka hoe ho azony ovaina. Fa nisy maro mihitsy izay mety nisy tsy nanaiky raha ovaiovaina fahatany io anarany io. Marihina fa tamin'ny taona 100 (mbola velona i Jaona) dia efa tonga tany ivelan'ny ampira ny kristiana. Vokany, probabilité très faible (0,01) no nahatonga io ho niova.

Izay mihitsy ilay tiako hahatongavana,
Marina fa nanampikasana handrara ny fitoriana io Anarana io ny Jiosy, nefa....tsy tanterany izany.......

VALINY:

Raha arak'izany eritreritrareo izay no heverinareo ho marina dia izao:
TEO FOANA ILAY ANARANA MARINA, FA TSY NANJAVONA AKORY. ARY FANTATRY NY BE SY NY MARO IZANY ARAKA NY HEVITRAREO.

Dia mipetraka aminareo ny fanontaniana:
-IZA IZANY ANARANA HEVERINAREO HO MARINA IZANY??? (fa tsy Yahoshuah aloha mazava hoazy)
-AIZA DAHOLO NY OLONA MANONONA AN'IZANY ANARANA IZANY??? (tokony ho efa manerantany ra araka ny eritreritrereo).

VALIO!

Fa ny zavatra iaraha-mahalala aloha sady tsy azo lavina dia: lasa mpanota daol indray ny olona rehetra taorian'ny apostoly (1JAONA,3:6 izay rehetra manota dia tsy mahita na mahalala Azy). Ary "rehefa tafaverina ny fampianaran'i Yahoshuah t@ 1996, tafaverina ny anaran'i Yahoshuah t@ 2009, dia izay vao nisy tsy mpanota intsony ny olona; dia izahay zanak'A/tra izany.
18. endriny ( 24/03/2017 03:51)

RBNIR:

Mba valio RA TAN an, isika ange eto mihezaka ny hanitsy izay diso e!!!

Ny an'i RBNIR koa aza be dia be ny fanontaniana ialany bala dia eto indray izy no mody miala vonkina.

Ahoana ilay hoe: Ianao ve no taranaky ny Levia no manangona ny 1/10?
Aiza ny valin'ny hoe: Ilay Atrao ve mba ahoana fa Ezekiela aza mahatsapa fa ny heloky ny Ray tsy heloky ny zanaka?

Sy ny sisa tsy voatanisa
19. RKjeanclaude ( 24/03/2017 04:30)

endriny:

RBNIR:

Mba valio RA TAN an, isika ange eto mihezaka ny hanitsy izay diso e!!!

Ny an'i RBNIR koa aza be dia be ny fanontaniana ialany bala dia eto indray izy no mody miala vonkina.

Ahoana ilay hoe: Ianao ve no taranaky ny Levia no manangona ny 1/10?
Aiza ny valin'ny hoe: Ilay Atrao ve mba ahoana fa Ezekiela aza mahatsapa fa ny heloky ny Ray tsy heloky ny zanaka?

Sy ny sisa tsy voatanisa

mba araho ihany ny lohahevitra hafa e. Tsy dia maharaka ianao fa efa voavaly daholo ireo, aza menatra mamerina manontany rehefa tsy maharaka......
20. endriny ( 24/03/2017 05:19)
Fa i RBNIR no anontaniako fa tsy RKJeanClaude e. Sa mitovy ihany ireo fa manao permitasio fotsiny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1892