Andao antsointsika amin'ny tena anarany aza i Jesosy e

81. RA TAN ( 07/04/2017 11:38)
Hoan'i RBNIR.

1) Tsy natao hoanao hafa firenena ny D10, fa natao hoan'ny Jiosy irery ihany (SAL,147:19,20 NEH,13:3)
FA MANINONA NO ANGALARINAO NY D10 NOMENA NY JIOSY???

2) Halan'A/tra ny hafa firenena(ianao) ra ny D10 no resahina: mpifandrafy @ A/tra sy ny @ Jiosy ny hafa firenena dia asain'A/tra aripaky ny jiosy; tsy asiana indra fo mihintsy (EKS,34:11-14 DEO,7:2,3 ...)
@ FOMBA AHOANA IZANY NO AHA AVOTRA ANAO(NY HAFA FIRENENA)???

3) Ny isan'ny didy rehetra ao @ lalàn'i Moshè dia 600 mahery fa tsy 10 fotsiny. Tsy azo anampiana ireo na anesorana na dia tendrontsoratra iray aza (DEO,4:2 MAT,5:18). Fa diso @ iray monja ianao dia meloka @ izy rehetra (JAK,2:10).
MBA EFA VOATANDRINAO DAHOLO VE IREO DIDY 600 MAHERY IREO???

VAHAO ALOHA IREO RA MAHAVAHA IANAO, FA MAMATOTRA ANAREO IREO. Antsoy daol ny namanareo mptandrna didy folo dia samia mamaha ra mahavaha
82. RBNIR ( 07/04/2017 13:06)
RA TAN:


1) Tsy natao hoanao hafa firenena ny D10, fa natao hoan'ny Jiosy irery ihany (SAL,147:19,20 NEH,13:3)
[color=blue]FA MANINONA NO ANGALARINAO NY D10 NOMENA NY JIOSY???


Izany an, ny Sabata anefa dia tena anisan'ny nahasarotiny Azy nefa navelany notandreman'ny hafa firenena ????

« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isaia 56:6)
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isaia 56:7)

Sady nampiany hoe ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra.

Ny tena marina ireo didy ireo dia azony ampitandremana ny olona rehetra (rehefa manaiky ho Azy ilay olona.....
83. RBNIR ( 07/04/2017 13:13)
RA TAN:

3) Ny isan'ny didy rehetra ao @ lalàn'i Moshè dia 600 mahery fa tsy 10 fotsiny. Tsy azo anampiana ireo na anesorana na dia tendrontsoratra iray aza (DEO,4:2 MAT,5:18). Fa diso @ iray monja ianao dia meloka @ izy rehetra (JAK,2:10).
MBA EFA VOATANDRINAO DAHOLO VE IREO DIDY 600 MAHERY IREO???

Mila mianatra isika RA TAN a! jereo ilay fandaharana fa IZY ange nampianatra tsara ny olona hoe ireto didy ireo mbola tokony hotandremana dia ireto kosa efa tsy tokony hotandremana intsony e,

Fanampiny tsy tokony hisy ezaka atao izany fa ny Fanahy Masina no manova ilay olona handeha araka ny lalàna sy ny fitsipiny rehetra araka ity teny ity....

« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)

Ny anjarako dia ny mangataka sy ny mandondona mba hahatanteraka izany ato anatiko....
84. endriny ( 08/04/2017 13:45)
o ry zareo a, mba diniho ihany fa in-200 mahery no nameremberenana ny teny hoe: Atr'Isarely ao anaty baiboly, Ka sao dia mba tokony hiova sampy isika.
85. stahtam ( 10/04/2017 05:09)

[quote=endriny]
o ry zareo a, mba diniho ihany fa in-200 mahery no nameremberenana ny teny hoe: Atr'Isarely ao anaty baiboly, Ka sao dia mba tokony hiova sampy isika.
[quote=stahtam]
FAHAMARINANA goavana io nambaranao io, FAHAMARINANA miafina koa anefa no ambaran'io "découverte" hitanao io.
86. RBNIR ( 10/04/2017 06:13)

stahtam:


[quote=endriny]
o ry zareo a, mba diniho ihany fa in-200 mahery no nameremberenana ny teny hoe: Atr'Isarely ao anaty baiboly, Ka sao dia mba tokony hiova sampy isika.
[quote=stahtam]
FAHAMARINANA goavana io nambaranao io, FAHAMARINANA miafina koa anefa no ambaran'io "découverte" hitanao io.

Tsy Andriamanitry ny isiraely irery io fa Andriamanitr'izay rehetra vonona hitady Azy marina tokoa...
87. endriny ( 10/04/2017 16:32)

RBNIR:


[quote=stahtam]
Tsy Andriamanitry ny isiraely irery io fa Andriamanitr'izay rehetra vonona hitady Azy marina tokoa...

Dia ianao ihany no mandiso ny baiboly izany koa. Izay tiatianao andikandikana azy ao fotsiny.

Ka ny vadin'ny rahalahinao izany, na ny vadin'ny rahavavivao dia vadinao ihany koa?
88. RBNIR ( 11/04/2017 07:14)
« Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jeremia 32:27)


Ianao ngah tsy nofo????
89. endriny ( 12/04/2017 14:27)

RBNIR:

« Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jeremia 32:27)


Ianao ngah tsy nofo????


Tena misy tokoa... tsy vitanao ry Jehovah ny mitsabo ny olona voan'ny homamiadana sy ny olona voan'ny SIDA a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3688