Andao antsointsika amin'ny tena anarany aza i Jesosy e

61. endriny ( 30/03/2017 13:19)

RA TAN:

IZA ARY NO ANARAN'IZANY MESIA-NAO IZANY???? (mbola tsy voavalinao io mandrakzao). Dia RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY???


O rey olona e. Efa miharihary be toa masoandro lohataona izao

Fa ry RATAN ilay faly manao sorona ain'olom-belona mba hikatsahana izany lanitra izany

Manaiky izao ry Samuel Edward, ngilo kely mitovy amiko ary mitovy amin'ny volo-koditr'i Satana ihany koa (ny ompa sisa no tsy manaraka raha izao)
62. stahtam ( 31/03/2017 06:21)

RA TAN:


[quote=stahtam]
Hono hoy aho RA TAN : Iza tokoa moa ilay Mesia nantsoinao t@ 2007 (t@ andro niantsoana "Jesosy" teo @ ilay afo olympique-n'i Zeus teo Mahamasina e)? Averiko tsara 2007 (avant 2009 io)
Tena marina tokoa ilay nolazain'i Isaia (5/20) hoe: Zavatra maizina dia misy olona (mitapitapy) milaza fa mazava.


VALINY:
Rehefa avy nanda ny testameta vaovao ianao (nanda ny fahatanterahan'ny tenin'ny mpaminany israeliana) dia nanontany anao aho avy eo hoe IZA ARY NO ANARAN'IZANY MESIA-NAO IZANY???? (mbola tsy voavalinao io mandrakzao). Dia RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY??? mba hahatanteraka ny tenin'ny mpaminany. Mbola tsis novalinao izany, fa laozanao manodina resaka indray. Efa fantatro anie io fomba fiadinao io e; rehefa tena hitanao fa tena mifatotra ianao dia mody mamboly fanontaniana ianao entinao hamilina resaka. Fa io fanontaninao mody entinao enodinana resaka io koa efa voavaliko tary ambadika io.


[quote=stahtam]
Tena mafy mihitsy ny mahaso anao RA TAN! Ganagana mitety asa, ny anaran'ny Mesian'i stahtam tsy azo, ny vava tataka mivazavaza @ majuscule sy ny hoso-doko eto. Natao ihany izao hevitra paika am-pitaka sy fanovàna anarana rehetra izao (MINDAOZY aho e, ... mahafinaritra ny resakao fa mba mahaliana ahy ny anaran'ny mesianao e...) fa ny lainga kely mba nafenina indray aza no noloaran'ny sasany. Jereo ange ny anaovan'i endriny anao ao @ page 4 ao e! Ny mahatonga izany dia izao: sadasada manan-tsoratra ilay fanahy (mpandainga) ao anatinao ka lazainao fa taranak'i Davida araka ny nofo ny mesian'ny TESTAMENTA VAOVAO(NAO) nefa lazainao fa araka ny fanahy indray, dia ianao ihany no mamatotra ny tenanao fa tsy mba hehezin'ny akoho tokana anaka intsony. Ny TV inoanao no tsy inoako (dikan-teny tsy fanta-pototra) dia lazainao fa izaho no mandà ny filazantsara (mdr!!).
Ny olona maramara toa izany dia tsy mba azo omena zavatra tsara (anaran'ny Mesia ohatra) satria hifotitra aminao izy avy eo ka sao hamiravira. Anarana mesian'olona hafa indray angatahina fa ny toerana misy anareo efa fantatra e: kilasin'ny mpandainga. Raha misy olona milaza fa Jesosy mandrava D10 sy LM no mesia arahiny nefa avy eo lazainy fa devoly tampoka io dia hoy aho hoe: ny olona tsy dia salama saina loatra no manao toa izany.
63. RA TAN ( 06/04/2017 05:17)
Ra vao mitandrina didy folo ianao dia tsy maintsy manao ampahafolon-karena, dia tsy maintsy manao sorona omby sy osy ary fanatitra alatsa-dra, ...

Fanontaniana mipetraka @ nareo mpitandrina didy folo: MBA EFA NANAO SORONA SY FANATITRA ALATSA-DRA VE NAREO??? Fa voasoratra hoe "JAK,2:10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra"
64. stahtam ( 06/04/2017 07:21)

[quote=RA TAN]
Ra vao mitandrina didy folo ianao dia tsy maintsy manao ampahafolon-karena, dia tsy maintsy manao sorona omby sy osy ary fanatitra alatsa-dra, ...

Fanontaniana mipetraka @ nareo mpitandrina didy folo: MBA EFA NANAO SORONA SY FANATITRA ALATSA-DRA VE NAREO??? Fa voasoratra hoe "JAK,2:10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra"

[quote=stahtam]
D10, ampahafolon-karena, sorona, fanatitra alatsa-drà...: boky nomena ny Israeliana (Sal 147/19, 20) no milaza ireo. Ny Israeliana irery ihany no afaka manazava izany. Boky efa "copie" (dikan-teny) no ampifanandrifindrifianao sy ampitovianao mason-daomy eto, ka aza mitady fanazavana @ zavatra tsy natokana ho anareo. Logique be ny fanangananareo fiangonana mandà ny Israeliana sy ny finoanareo boky avy @ jentilisa satria io no mety aminareo dia mba mionona @ io, fa ny lalàna sy ny mpaminany ary ny salamo tsy hainareo fa haranany!
65. RBNIR ( 06/04/2017 07:42)
RA TAN:

Ra vao mitandrina didy folo ianao dia tsy maintsy manao ampahafolon-karena, dia tsy maintsy manao sorona omby sy osy ary fanatitra alatsa-dra, ...

Izay koa no anisan'ny mahavoafatotra anareo ao RA TAN, ny sorona taloha rehetra dia tadindon'ilay sorona tokana vitan'i JEsosy,

Taloha isan'andro no manao sorona, amin'ny fanekena vaovao kosa dia indray mandeha ihany ary efa vitan'i Jesosy izany....

« Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra, » (Hebreo 7:26)
« Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy. » (Hebreo 7:27)

Mila mianatra isika RA TAN an!!!
66. RA TAN ( 06/04/2017 08:33)
stahtam:



[quote=stahtam]
D10, ampahafolon-karena, sorona, fanatitra alatsa-drà...: boky nomena ny Israeliana (Sal 147/19, 20) no milaza ireo. Ny Israeliana irery ihany no afaka manazava izany. ...
... fa ny lalàna sy ny mpaminany ary ny salamo tsy hainareo fa haranany!


VALINY:
Rehefa nolavinao ny testameta vaovao izay fahatanterahan'ny tenin'ny mpaminany sy ny lalàna ary ny salamo, dia nanontany anao aho hoe:RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY MB HAHATANTERAKA NY TENIN'NY MPAMINANY? IZA ILAY ANARAN'IZANY MESIA-NAO IZANY?
Valio aloha ireo!

Fa izaho mihintsy aza no niteny taminao tary ambadika fa an'ny jiosy irery ny didy folo sy ny lalàn'i Moshè (SAL,147:19,20 NEH,13:3 DEO,5:1 ...) fa tsis idiran'ny hafa firenena. Any israel irery ny D10 no tandremana mazava hoazy araka ny "DEO,30:11-13". Dia tsy maintsy mankany israel nareo gasy mptandrna D10 ra te ho marina @ io. Dia teo i stahtam no niraikitra dia lazainy fa mbl any amparany indray io "DEO,30:11-13" io.
67. RA TAN ( 06/04/2017 12:09)
RBNIR:

ny sorona taloha rehetra dia tadindon'ilay sorona tokana vitan'i JEsosy,


=> Tsis idian'i JEsosy ny fanekena taloha

RBNIR:

Taloha isan'andro no manao sorona, amin'ny fanekena vaovao kosa dia indray mandeha ihany ary efa vitan'i Jesosy izany....


=> DIDY FOLO (FANEKENA TALOHA) no resaka eto, fa tsy fanekena vaovao.
Fa YAHOSHUAH ilay zanak'A/tra Mpisorona be aty @ fanekena vaovao. Y.F.V (Yahoshuah Fanekena Vaovao) MANDRAVA DIDY FOLO.

RBNIR:

« Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra, » (Hebreo 7:26)


=> YAHOSHUAH ilay tsy misy tsiny sad ts misy ota, ary tsy mpanota izay miaraka aminy (1JAONA,3:5,6,9). Ary tafasaraka aminy ny mpanota; ny mpitandrina didy folo (ISAIA,59:1,2 GAL,5:4).
Fa izany jesosy miaraka aminareo izany dia miaraka @ mpanota; mampitandrina didy folo (mamerina any @ fanekena taloha izay rafitra efa nlaozan'A/tra); mampanota
68. RBNIR ( 06/04/2017 12:13)
:-)
69. RKjeanclaude ( 06/04/2017 12:33)
misy ny olona eto afa tonga any an-danitra angamba satria sahy mitsara mihitsy. Ny hita ao @ Baiboly nefa dia hoe aza mitsara mialohan'ny fotoana. Mahagaga mihitsy (etonnant).
70. RA TAN ( 06/04/2017 12:37)
Hoan'i RBNIR.

Natokana hoan'ny JIOSY ny DIDY FOLO, ary ny jiosy no tena mpitandrina D10.
Ary ra ny tena mpitandrina D10 dia tonga dia mitsipaka an'iny zanak'A/tra iny; tsy mino zanak'A/tra izany ny jiosy pure (jereo izao i stahtam fa mitomany ho jiosy pure dia tsy mino zanak'A/tra, fa tng d mitsipaka ny testameta vaovao mihintsy. Saingy ny problème an'i stahtam di tsy mety mody any israel izy). Dia tahak'izany koa ianareo, ra tena mpitandrina didy folo tokoa ianareo dia tokony tsy mino testameta vaovao koa ary tokony tsy mino zanak'A/tra. Fa maninona ianareo no mino testameta vaovao? Ary iza ity jesosy izay eritreretinareo ho zanak'A/tra ity?

Fa ny tena mpanaradia an'ilay tena zanak'A/tra kosa dia MANDRAVA DIDY FOLO (Ny apostoly sy ny mpianany ary izay miaraka @ ambasadaoran'i Yahoshuah Samuelson Edward).

=> Mpitandrina didy folo sampona be nareo, fa mampiasa testameta vaovao. Tokony hanao hoatran'i stahtam ianareo; fa i stahtam koa aza tokony mody any israel.
71. RA TAN ( 06/04/2017 12:54)

RKjeanclaude:

misy ny olona eto afa tonga any an-danitra angamba satria sahy mitsara mihitsy. Ny hita ao @ Baiboly nefa dia hoe aza mitsara mialohan'ny fotoana. Mahagaga mihitsy (etonnant).


==> TENA EFA ANY ANDANITRA mihintsy izahay aty @ YAHOSHUAH izao velona izao(fa tsy hoe rehefa maty akory): "EFER,2:6 niara-natsangany isika ka niara-napetrany any andanitra ao amin'i Yahoshuah".
Ra mba te hoany andanitra koa ianareo dia ndao hiaraka aminay.

Fa tadidio fa tsy very maina akory n fotoana laniko taminareo teto a, fa FITSARANA IZAO MANDEHA IZAO.

YAHOSHUAH ilay zanak'A/tra. Mino ianao dia tsara, tsy mino ianao; ny aza mba maty e! Ho hitako ianao izay ho gfaka eo.
72. RBNIR ( 06/04/2017 13:26)
RA TAN:

Hoan'i RBNIR.

Natokana hoan'ny JIOSY ny DIDY FOLO, ary ny jiosy no tena mpitandrina D10.
Ary ra ny tena mpitandrina D10 dia tonga dia mitsipaka an'iny zanak'A/tra iny; tsy mino zanak'A/tra izany ny jiosy pure (jereo izao i stahtam fa mitomany ho jiosy pure dia tsy mino zanak'A/tra, fa tng d mitsipaka ny testameta vaovao mihintsy. Saingy ny problème an'i stahtam di tsy mety mody any israel izy). Dia tahak'izany koa ianareo, ra tena mpitandrina didy folo tokoa ianareo dia tokony tsy mino testameta vaovao koa ary tokony tsy mino zanak'A/tra. Fa maninona ianareo no mino testameta vaovao? Ary iza ity jesosy izay eritreretinareo ho zanak'A/tra ity?

Fa ny tena mpanaradia an'ilay tena zanak'A/tra kosa dia MANDRAVA DIDY FOLO (Ny apostoly sy ny mpianany ary izay miaraka @ ambasadaoran'i Yahoshuah Samuelson Edward).

=> Mpitandrina didy folo sampona be nareo, fa mampiasa testameta vaovao. Tokony hanao hoatran'i stahtam ianareo; fa i stahtam koa aza tokony mody any israel.

Tsy misy didy rava izany, satria IZY mihitsy no nilaza nanao hoe : « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

Tsy ravaina ilay lalàna teo aloha fa hotanterahina...

Inona ary no niova???? « ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kolosiana 2:14)

Ilay soratra hita ety ivelany no novonoiny....

Fa nosoloina kosa......« "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," » (Hebreo 10:16)

Novainy ho soratra ao anatin'ilay olona ilay izy....

Ilay didy akory tsy rava (fa au lieu de soratra hita ety ivelany tahaka ny taloha) dia novaina ho soratra ao anatin'ilay olona ilay izy....

Ilay olona manaraka ny fanekena vaovao araka izany dia lasa olona "marina" : haka ohatra aho....Taloha izy raha tsy tenenina hoe aza mangalatra tsy mangalatra fa amin'ilay fanekena vaovao kosa tsy ilaina intsony ny miteny azy hoe aza mangalatra satria ilay olona ao anatiny mihtsy no efa novaina tsy ho mpangalatra.....

Fehiny ilay didy tsy rava fa vao maika miorina tsara amin'ny fanekena vaovao....Izay no mahatonga an'i paoly niteny hoe « Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Romana 3:31)

Sa ao aminareo ao RA TAN misy olona mpangalatra (na koa mpijangajanga sns....?????

Dia otran'izay daholo no tokony handraisana ireo didy ireo
73. RBNIR ( 06/04/2017 13:29)
Ilay soratra hita tety ivelany atao tonga soratra ao anaty, : Fiainana vaovao (kristy velona ao anaty).....

Ka tsy fiteny mihitsy ny hoe RAVA NY DIDY.....fa ny fiteny dia hoe ilay soratra ivelany novaina ho soratra anatiny satria ilay didy eo ihany sady tanterahina ihany....

sa hoy aho misy mpangalatra , na mpamono olona, na mpijangajanga ao aminareo?????
74. endriny ( 06/04/2017 13:29)

RA TAN:

Fa tadidio fa tsy very maina akory n fotoana laniko taminareo teto a, fa FITSARANA IZAO MANDEHA IZAO.


Marina izany fa tsy very maina ny Yahnao, kanefa ny Yahnay tsy ho votsotra ihany koa.

Raha azoko izany dia mandray tambikarama isaky ny manoratra eto ny namana RA TAN. Tsara kosa aloha izany e!

Fa aza asiana JAONA sy LIOKA sy MATIO intsony fa tsy izany ny anaran'ireo olona ireo tany amin'ny taniny, fa lasa manimbazimba ny anaran'ny Apostoly ianao, ka tsy mendrika ny tena fahamarinana.
75. RBNIR ( 06/04/2017 13:49)
Kristy velona ao anaty = lasa olona tsy tia ota, tsy mpanota ilay olona vaovao satria ny fiainan'i kristy no fiainany ary kristy dia tsy nanota....

dia otran'izay daholo e.....

Fa adinonareo hoy aho ity voasoratra ao amin'ny bokin'ny hebreo 4:9 ity e!!!
Mazava b ilay izy ato amin'ny dikan-teny katolika amin'ny teny angilisy.....

9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people

Mazava be io ny andro fahafito (sabatan'i Jehovah) dia mbola misy ho an'ny olon'Andriamanitra fa tsy hoe ho an'ny jiosy irery ihany...
76. RBNIR ( 06/04/2017 13:50)
http://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4

Io ilay lien ao amin'ny catholic bible RA TAN....
77. RBNIR ( 06/04/2017 14:05)
RA TAN....

NB : ilay hoe kristy velona ao anaty tsy midika mihitsy hoe lasa Andriamanitra koa isika an! fa ny dikany dia hoe ny fiainanan'i Kristy no lasa fiainanao (kristy dia tsy tia ota, tsy mpanota,....tsy mpangalatra tsy mpijangajanga sns....dia ianao koa izany tokony mitovy an'izay ihany raha tena tanteraka ao aminao ilay teny (tadidio ny nataon'i paoly sy barnabasy olona tahaka anareo ihany izahay hoy izireo raha nasandratry ny olona ho Andriamanitra izireo....)


Rehefa izay no tanteraka dia tsy mila atoro intsony ilay olona hoe aza manao an'ity na aza manao an'ity fa ity teny ity no tanteraka ao aminy...« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Hebreo 8:11)

IZAY ILAY IZY RA TAN AN TSY FITENY HOY AHO IZANY HOE RAVA RAVA NY DIDY FOLO SNS IZANY FA NY DIDY DIA EO IHANY FA NY FOMBA FANANTATERAHANA AZY NO TSY MITOVY E!!!

KOA AHITSIHO ILAY FITENY MANOMBOKA ANDROANY .....RAHA TE HITOVY FEO AMINY IANAREO ...IZAO MANTSY ILAY FEONY HOE .....« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

SY HOE .....« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)


Raha te hiditra amin'ny fiainana ianao hoy IZY dia TANDREMO ny DIDY fa tsy hoe raha te hiditra amin'ny fiainana ianao dia RAVAO NY DIDY......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
78. endriny ( 06/04/2017 15:56)

RBNIR:

IZAY ILAY IZY RA TAN AN TSY FITENY HOY AHO IZANY HOE RAVA RAVA NY DIDY FOLO SNS IZANY FA NY DIDY DIA EO IHANY FA NY FOMBA FANANTATERAHANA AZY NO TSY MITOVY E!!!


Aza mampihomehy re rey olona a

Ny didy faha 6 na faha 7: Aza mijangajanga (taloha)

Ny didy faha 6 na faha 7 : Mampiasa fimailo raha miaraka amin'ny maro ny iarahanao (ankehitriny)

Mety kosa ilay izy ry RBNIR a
79. RBNIR ( 07/04/2017 05:06)
RA TAN....

VAKIO ATSY NY VOKAN'NY FITORIANAREO LAVA AN'IO FANDRAVANA DIDY FOLONAREO IO.....

http://forum.serasera.org/forum/message/m58e66422933e0#m58e71de77e065

DIA HIFANATRIKA AMINY MARINA TOKOA MOA IANAREO RAHATRIZAY FA DIA EFA MIOMANA TSARA ......
80. RBNIR ( 07/04/2017 06:07)
endriny:


Aza mampihomehy re rey olona a

Ny didy faha 6 na faha 7: Aza mijangajanga (taloha)

Ny didy faha 6 na faha 7 : Mampiasa fimailo raha miaraka amin'ny maro ny iarahanao (ankehitriny)

Mety kosa ilay izy ry RBNIR a

Ny tiako ambara dia hoe taloha ny olona dia tsy nahasahy nijangajanga noho ilay teny hoe Aza mijangajanga, Fa amin'ny fanekena vaovao kosa dia ilay olona (anatiny) mihitsy no novaina tsy ho tia ilay fijangajangana intsony.........

Zavatra réel izany ary bdb no nandray izany fahasoavana izany....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3911