Andao ataontsika hoe noravan'i Jesosy ny didy 10, fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo

1. endriny ( 06/04/2017 15:52)
1) na 1 sy 2) (arakaraky ny fiangonana) Tiavo ny Sampinao, Tiavo ny manao sary amin'ny rindrindra ry Atr'Israely, Tiavo ny miankohoka amin'i Samuel Edward, sy Razanakolona ary ny ambaratonga ambony rehetra.
2 na 3) Tiavo ny manonona ny anaran'i Jehovah amin'ny zavatra rehetra
3 na 4) Tiavo ny andro alahady fa sady tsy miasa aho no mibalady
4 na 5) Tiavo manaraka ny revy misy, fa Baina sy Baofy tsy maharaka mihintsy
5 na 6) Tiavo ilay Jesosy natao sorona, ary tiavo ny manao sorona ny ainao mba tsy ho very ny fanahinao
6 na 7) Tiavo ny firaisana (fa tsy commune a), fa ho toy ny isan'ny kintana ny isan'ny taranakao
7 na 8) Tiavo ny maka ny 1/10 amin'ny olona trotraky ny fiainana, fa aza miveraka
8 na 9) Tiavo ny mamitak izay rehetra miraikiraiky
9 na 10) Tiavo ny miaraka amin'ny vadin'ny namanao, fa tsara ny mizara fitiavana.
10) Tiavo ny manana toa izay ananan'ny namanao, fa manjary oainina ianao raha mbola fozaorana no ampiasainao fa tsy taktila

Vita tompoko
novalian'i endriny ny 30/04/2017 04:13
2. rhaj0 ( 06/04/2017 17:01)
Ka izao anie ilay izy, raha ny fahazoako azy ee..

Ilay hoe "minoa fotsiny dia avotra", izay no fototr'ilay izy.

Koa raha "mino" tokoany hono ianao, dia
- vita ho azy, fa tsy mila ilay hoe "mitandrina tsy manota" intsony tsy mila "didy 10" izany intsony; tsy mila ilay hoe aza manao an'izao sy izao intosny.
- Satria hitsotsorika aminao ho azy ao ny "fahendrena", na hoe, hain'I Jesosy fa "mino" tokoany ianao, ary dia atsotsoriny aminao ny fahendrena


Koa raha mbola "manota" ianao, na hoe miseho fa "tsy manaraka ny didy 10", dia satria TSY mbola "tena mino" ianao.


ka io "minoa fotsiny dia avotra" io ho'a efa dogma ofisialin'ny katolika sy protestanta.

Nefa moa eto, ary izay notena mahatsikaiky, dia i RA TAN indray no toa mino an'izany, fa ry Katolika sy Protestanta iringiriny toa an-dry RBNIR sy RKjeanclaude toa tsy any akoriny, fa sendran'ny mpampianatra-tsy-mahay ao @ misy azy aby ao. Efa noresahina io.

NY DOGMAN'NY MINOU FOUTSY:

.. salvation comes through faith alone?
Valiny: Protestants have traditionally held up the doctrine of 'sola fide'

Izany hoe, hoan'ny Protestanta, "mino" dia basy. Rahefa "mino" (tena mino) ianao hono dia tonga dia "avotra", fa tsy mila izany hoe "tsy manota" izany.


Dia taty aoriana dia mba lasa @ izay koa ny an'ny Katolika
In 1999, however, the Catholic Church signed ... : "Together we confess: By grace alone, in faith in Christ's saving work and not because of any merit on our part, we are accepted by God...

3. rhaj0 ( 06/04/2017 19:46)
Tena mila averimberina ity DOGMAN'NY MINOU FOUTSY ity, fa tena TSY azon'ny Kristiana akoriny, nefa dogme ofisialy.

Izany no alehany rahefa "mpino", dia TSY mba mandinika tsara izay re ao, fa izay toriana aminy dia ekeny, na dia TSY azony akoriny azany ny dikany lalina. Ary @ io, na ilay Rapasy/Damopra azany dia mivaralila TSY mahatakatra an'ilay izy akoriny.

Ka dia averina fanin-2-ny izany eee...

NY DOGMAN'NY MINOU FOUTSY:

.. salvation comes through faith alone?
Valiny: Protestants have traditionally held up the doctrine of 'sola fide'

Izany hoe, hoan'ny Protestanta, "mino" dia basy. Rahefa "mino" (tena mino) ianao hono dia tonga dia "avotra", fa tsy mila izany hoe "tsy manota" izany, TSY mila "didy 10" izany, fa hitsotsorika aminao ho azy eo ny fahendrena.


Dia taty aoriana dia mba lasa @ izay koa ny an'ny Katolika
In 1999, however, the Catholic Church signed ... : "Together we confess: By grace alone, in faith in Christ's saving work and not because of any merit on our part, we are accepted by God...

4. RBNIR ( 07/04/2017 05:04)

endriny:

1) na 1 sy 2) (arakaraky ny fiangonana) Tiavo ny Sampinao, Tiavo ny manao sary amin'ny rindrindra ry Atr'Israely, Tiavo ny miankohoka amin'i Samuel Edward, sy Razanakolona ary ny ambaratonga ambony rehetra.
2 na 3) Tiavo ny manonona ny anaran'i Jehovah amin'ny zavatra rehetra
3 na 4) Tiavo ny andro alahady fa sady tsy miasa aho no mibalady
4 na 5) Tiavo manaraka ny revy misy, fa Baina sy Baofy tsy maharaka mihintsy
5 na 6) Tiavo ilay Jesosy natao sorona, ary tiavo ny manao sorona ny ainao mba tsy ho very ny fanahinao
6 na 7) Tiavo ny firaisana (fa tsy commune a), fa ho toy ny isan'ny kintana ny isan'ny taranakao
7 na 8) Tiavo ny maka ny 1/10 amin'ny olona trotraky ny fiainana, fa aza miveraka
8 na 9) Tiavo ny mamitak izay rehetra miraikiraiky
9 na 10) Tiavo ny miaraka amin'ny vadin'ny namanao, fa tsara ny mizara fitiavana.
10) Tiavo ny manana toa izay ananan'ny namanao, fa manjary oainina ianao raha mbola fozaorana no ampiasainao fa tsy taktila

Vita tompoko


Izao no vokany rehefa mivohy ny RAVA RAVA NY DIDY FOLO......manana andraikitra BE eo anatrehan'Andriamanitra ireny mpandrava DIDY FOLO IRENY REHEFA HIFANATRIKA AMINY RAHATRIZAY.......
5. irakiraka ( 07/04/2017 06:18)
Misy ftoana mandeha taxi be. Sendran’lé alefan’zareo mafy le hira, mihezaka ihany hoe tsy mieno fa heno ihany lé tononina ee hih
Dia tena mampatsiahy anareo 2 lé hira tsy haiko ny titre sy ny mpihira azy fa misy an’zao any anatinatiny any:

…..mifoka miafina eeee……( nareo kosa lo tsy mifoka ngambany ee, aiza kooosa ee)

6. RKjeanclaude ( 07/04/2017 06:31)
Tsy mahay ve ny mpampianatra anay !? eny e, subjectif koa anie ny point de vue e! Rehefa tsy tianao dia tsy mahay e. Izay ngamba ny psycho nampianarin'i Freud.

Sady izaho mbola tsy niteny teto mihitsy hoe izao na izatsy no atao dia mino. Tsy izay any @ google any no saiko fa eritreritrao manokana iny. Manontany aloha vao mi-confirme fa manjary diso ny tsoa-kevitra (interpretation), na lasa lehibe loatra ny fahadisoana ankapobeny( erreur standard). Tsy manankery avy eo ny valiny.

PS: tsy protestant araka ny terme ahalalan'ny maro azy aho!
7. RKjeanclaude ( 07/04/2017 06:33)
rhaj0 no tiako omena valiny @ le teo a!
8. rhaj0 ( 07/04/2017 12:35)
RKjeanclaude:
PS: tsy protestant araka ny terme ahalalan'ny maro azy aho!

Hono ho'a ry RKjeanclaude.. Inona ny vokatr'io lazainao io, hoe, tsy sahala @ iretsy Protestanta (namanao Kristiana) iretsy ianao:
- @ izay inoanao ao? Hoe "manaja didy 10" ve ianao, sa "mino tsara fotsiny dia avotra"
- @ izay ataonao ao? Ireo fombafomba Katolika tsy kapoakanao, sa ny manataka 1/10-karenan'olona toy an-dRBNIR tsy ataonao, ets...
- @ izay heverinao ho alehanao? ny vatanao mitafy akanjo fotsy no manatrika ny Zanak'Ondry, sa ny fanahinao ihany no miakatra
- @ inona no maha-samy hafa anareo izany ee???
9. endriny ( 07/04/2017 13:29)

irakiraka:

…..mifoka miafina eeee……( nareo kosa lo tsy mifoka ngambany ee, aiza kooosa ee)


Ary tsy hainareo ve ilay hira any ampiangonana manao hoe: "Tsy rongony mampatory, mampanao antsolava "

Dia nampatsiahy ahy ilay hoe zava-mahadomelina ny finoana. Tsy mila mifoka akory dia efa domelina
10. irakiraka ( 11/04/2017 06:56)
Tezitra nga ki ndry. Azafady akia fa mba mananihany koa nge ndraindray euu ;)
Fa misy finoanoam-poana mahadomelina tokoa alo ee.
Fa raha mino an'i Jesosy Tompo kosa, ny olona domelina ara misava tanteraka an.

11. rhaj0 ( 11/04/2017 10:50)
anaty fonosana fa ny marijuana izao aty Kanada dia efa ho ara-dalana. 32 girama hono no azo hanananana am-posy, ary ny mamon'ny rongony dia toa ny mamon'ny toaka, ka mitovitovy ny lalAna @ lozam-pifamohivohizana na koa hoe, 18 taona vao mahazo mifoka.

Ka ny "mivavaka" azany izany ry Irakiraka efa legalisE foana, nefa ho'a,
- mbola kely ny Ankizy dia efa sesefana(reo),
- ary ny lozam-piainana sy ny fanararaotana fifanambakana (toa ny 1/10) nefa tena tsisy bedy?

Mba visavisao ihany eeee....
12. irakiraka ( 11/04/2017 12:25)
Henjana ko zany.
Dia tsy miasa saina koa ny olona fa hoe mety tsara zany e. Ny miôtra ny 32 no tandremana fa ao tsara zany….Dia mila plus de 18 koa dia milamina tsara ny jerinaka e.
Izany no atao hoe malalaka saina sy mivôtra ve?
Fa raha ny Tenin’Dieu dia hoe “Midira @ vavahady ety ianareo, (=fianana manaraka ny sitra-pon’Andriamanitra); fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany @ fahaverezana, ka maro no miditra any”

Ie. Mbola kely tokoa ny ankizy dia “Zarina @ zay lalana tokony alehany, ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala @izany”
Ny ahy zao 3 ans ilay lahikely fa ankoatry ny hira any am-pianarana, (izy koa moa tia mihira be) vao maraina dia efa feno azy ny couloir mihira fiderana. Dia dedadedaka amiko ery refa tonga ao an-trano za mandaza ilay mpitaiza anazy hoe mihira hiran’zao tontolo izao hono, mihira abdouu hono hihihi. Fa tsy mampaninona ahy zany, ary tiko kely ery aza satria raha fiderana no mameno ny vavany dieny zao, mety tsy hanana olana za rehefa adolantsento izy hoe hanaraka ny fanaon’iz t iz.

Fa tsy diso ihany aloha ny tenin’RhajO. Misy fikambanana mamitaka olona tokoa. Tsy misy bedy.

Ka raha tsy misy bedy ihany dia mila ny tena no mitandrina ee. Tsy manara-drenirano fa mamakafaka. Mila tena mangetaheta ny fahamarinana.
Tsy izay tenenin-rakoto fotsiny fa izay tena tenenin’Tenin’Andriamanitra.
(Izaho manatanteraka ny 1/10. Tsy mikoroso fahana ny fiainako fa arakaraka ny fanatanterahako ny sitra-pon'Dieu, Dieu manokatra lalana.)
13. rhaj0 ( 11/04/2017 13:37)
Irakiraka:
“Zarina @ zay lalana tokony alehany, ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala @izany”

giravy tokoany ny "addiction" an... Fa io dia tsy ny olona rehetra, fa misy ihany no afaka miady @ io. Rahefa ampiasaina ny coco, dia arahina hygiene de vie, dia (mety) afaka ihany izay addiction eo ee..

Ka mba (tia) "mampiasa coco" sy manaraka "hygiene de vie" ihany va ianao ao ry Irakiraka? :-)
14. irakiraka ( 12/04/2017 06:39)
Efa nandalo ny masoko ihany ireny hygiène de vie ni-posténao t@ lohahevitra hafa ireny ka.
Mila mandefa misimisy any ianao fa mety misy torohevitra mahasoa ihany ho an'ireo mbola tsy mahalala an :)

Fa ny olona ara-panahy nge feno ee. Satria miantehitra tanteraka @ Ilay Mpampianatra tsara indrindra dia ny Fanahy Masina zany. Hainy ny manoro ny zavatra rehetra. manomboka @ bidika ndrindra (ohatra hygiene de vie raha tianao) ka hatrany @ 4ème dimension ohatra.
Ary tsy tanteraka zany raha tsy ilay saina mihintsy aloha no havaozina.

Tontolo hafa mihintsy nge ny ao @ Fanjakan'Andriamanitra ee. Raha mijery misompirana ety ivelany enao tsy ho azonao eo mihintsy ny fandehany. :)


15. RBNIR ( 12/04/2017 06:57)
« Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:23)

Aoka harovana afokoa :
1 ny fanahy
2 ny aina
3 ny tena (vatana)

Tsy hoe rehefa mivavaka dia lasa tsy mahavatena sns..........(ny mifanohitra amin'izay no tokony ho izy)...
16. rhaj0 ( 12/04/2017 10:48)
tena tsy azonao ry Irakiraka ilay hygiene de vie resahin'ny olona 2017.

Eritrereto tsara ao: inona no maha-samy hafa ny "meditation" sy ny "lamentation".
17. irakiraka ( 12/04/2017 12:51)
aay
Ny anao yoga? (tsy mety aminay nateraka indray raha iny ka)

Ny ahy ny tena ankafiziko dia ilay mitokana miaraka @ Fanahy Masina, ary raha mbola ampiana jeûne iny izy no tena mampahery.

18. rhaj0 ( 12/04/2017 13:21)
tsara raha azonao fa ny anao "lamentation" kah... raha itarina ka atao kisary, dia toa ireo fanatika izay manakapokapoka ny lohany @ ilay "mur des lamentations" ao Zerosalema ao io izany ianao ry Irakiraka..

dia oadray, ampianao "tsy misakafo" koa ve io, dia vao mainka "mampahery", hoy ianao? Ary ngo dia mbola ampianao auto-flagellation koa azany???

Raha ianao efa lehibe io moa no manao an'izany, dia vita vaksiny ao ianao, anao ny anao.

Fa raha ny Ankizy tsy mahalala no ambakainao ka fitahinao @ izany, raha maty na maratra eo.. lamentation+jeûne(+flagellation)... tandremo an... direction prison an..
19. irakiraka ( 13/04/2017 06:54)
Tinao ho savilihana daholo :) nefa tsy voatery ho takatrao nge satria vao manomboka eo @ base aza (Mino an’I Jesosy) dia efa toherinao.

Eto dia ny fiainan’ny olona ara-panahy tanteraka ny resaka: Ilaina ny vavaka sy fifadin-kanina @ fanompoana. Fanovozana hery io. Fiverenana @ Ilay Fitiavana voalohany io.
Ary Izy Tompo mihintsy no nametraka fianarana ny @ zany.

Ho anay mino ara nge, misy ny mandalo fahazazana ara-panahy, mbola omena ronono aloha. Fa avy eo mitombo eny am-pandehanana, mahazaka ventin-kanina.

Ianao tonga dia mitifitra lavitra :) ary tsy ho azonao mihintsy ny fandehany, satria ianao taraiky ety ivelany

20. rhaj0 ( 13/04/2017 11:07)
izao "fifadian-kanina"-nao izao ry Irakiraka dia tandremo ihany eee.. fahalalana-de-l'an-zero ilay izy, fa hoe, te-"hanadio" tena hono, satria izay no mba takatry ny hoza-doha t@ izany fotoana. Dia h@ izao mbola misy mitohy "mino" izany (sady afangarongarony @ siansa ao). Fa raha manarakaraka ny fahalalana-2017 ianao, dia hahita fa, tsy tsara io "jeûne"-nao io:

1- ny equilibre-n'ny flore intestinale-nao dia TSY tsara raha asavoritaky ny tsy-fisian-draha ao anaty kibo. (Mety) ilay bakteria ilay mahasalama anao iny indrindra no lasa very.

2- raha vao tsisy kasinga ao an-kibo ao, dia mamaly hetsika ny vatana, ary valin-ketsika manakorontana ny fandehany mahazatra nahasalama anao tao. Raha ilay karazan'ny olona-te-hahia ohatra ianao, dia tsarovy fa raha tsisy kasinga hohanina ny vatanao, dia hanao valin-ketsika ny hanangona (izay ilay tavy).

Raha fohifohy ny fotoana anaovanao ny fifadian-kanina, toa ny Moslimo sy ny Ramadan-ny, dia miaraka @ herin-tsaina be, na @ filaza azy hoe, herim-boa-tay, dia mety velombelon-dratsy ao ihany kosa aloha ianao eee... Fa tandremo ihany ho'a eee...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2531