Vision 2020

1. rhaj0 ( 26/02/2016 12:13)
Tsy hoe tany @ dokotera maso io, fa fibanjinan'ny Tanora ny ho avy @ taona 2020.

http://money.cnn.com/2016/02/12/technology/recycling-carbon-dioxide-liquid-light/index.html?iid=ob_homepage_tech_pool&iid=obnetwork
I am a scientist ... Liquid Light is the first company that's developed a catalyst (a combination of water, sunlight, electricity and other chemicals) to make other chemicals out of carbon dioxide.

Ka namorona kompania izany i ramatoakely, ary ny tanjony dia ny hanodina ny CO2 ho kemikaly azo ampiasaina hamboarana zavatra (ohatra tavoahangy plasitika)

http://money.cnn.com/video/technology/2016/02/23/shyam-gollakota-ambient-backscatter.cnnmoney
I am a computer scientist ... This tech powers devices without batteries.

Ka ny angovo efa eny ho eny ihany izany no ahodin'ilay ranamana Karana eto, mba ho angovon'ny zavatra manodidina eo

http://money.cnn.com/video/technology/2016/02/12/quoc-le-artificial-intelligence.cnnmoney
I am a research scientist... Using artificial intelligence to solve the world's problems

ka ny artifisialy intelizansa no hamaha ny olana mahazo antsika, hozy ilay ranama vietnamiana.

Ka dia tena mahavelom-bolo sy mahavelom-panantenana ny ataon'ny Tanora eee..

Fa inona no hidiran'ny Fivavahana/Finoana @ izany... ny fanontaniako dia, mba ahoana kosa hozy ny Kristiana @ fibanjinan'ny taona 2020 ??? Ngo dia, sanatriavin'ny vava ladian'ny lela, ka hoe:

"Izaho Kristiana... mamaky Baiboly sy mivavaka isan'andro mihiratra.. miasa mafy mba ahita ny "fiainana mandrakizay" ho ahy, sy ny havako ary ny namako."
2. RBNIR ( 26/02/2016 12:32)
http://forum.serasera.org/forum/message/m56cd43584f655

Araho tsara fa iankinan'ny fiainanao rahampitso sy ny mandrakizay.....
3. rhaj0 ( 26/02/2016 14:12)
Iray minitra fotsiny no angatahiko anao, ka ireritreretanao hoe, (raha) tena "imagination" fotsiny tokoany ireo Tantara-Anganom-Baiboly nampinoana anao io.

Iray minitra fotsiny...

Dia tsy hitanao dia very anjavony fotsiny ve, na fotoana, na vola, na angovo @ izany resaka "imagination" izany???

Soa ho'a fa ny Ankizy efa tonga saina eee... Ka dia velom-bolo sy velom-panantenana k'lou raha izaho.

Fa nareo moa, raha te-hihiboka sy hihidy @ finoanareo ao, dia ... ao izany ianareo ee... be teoria sy imagination ao, nefany mikatsentsitra tsy an-kenatra ny zavatra m(if)anohitra @ finoanareo.

4. rhaj0 ( 26/02/2016 14:27)
Dia mba heverevereto, fa ilay ramatoakely dia Siantista aho, hoz'izy.. Ao @ ilay hoe 80 sa 90%-n'ny Siantista TSY-mino. Na koa ilay Karana dia Siantista koa, ary fara-faharatsiny hindoista; na koa ilay Vietnamiana Siantista, izay fara-faharatsiny Bodista. Afa-tsy ilay Kristiana izany, izay mandany andro, vola, fotoana, angovo, ressource @ ... imagination-be-vata...
5. rhaj0 ( 26/02/2016 16:24)
Ohatra izao ny tantaran'i Noah izay inoan'i RBNIR sy ry Tealala, ary ifikirany mafy ao.. mifandrary tsara @ siansa (sy ny toe-tsaina saintifika) ve izy io sa...

Genesisy 6:13 Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Noa...
14 Koa manaova sambo-fiara ...
15 Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato
ny lavan’ ny sambo-fiara, ...
Genesisy 7:1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Noa: ...
2 Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao
ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy
madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;....

Ka 300 metatra izany no halavan'ny sambo fiara. Dia hoz'enao Mpivavaka-Alahady, tena mety izany, satria Imahaganga no anaran'Atra, ary i Noah vavolombelona.

Fa rahefa Alatsinainy va ianao, dia milaza fa misy efa ho 8 millions ny especes animales eto an-tany, fa resak'adala izany sambo fiara 300 metatra izany.

Sa mbola "mino" ianao fa mety izany fanasesehana ny biby madio sy tsy madio anaty sambo hety izany, satria nataon'Imahaganga nifintina ireo biby be, ka dia ao @ ataonao ao koa, dia hoz'enao hoe, akimpio ny maso dia ndao hivavaka, fa ho ataon'Imahagaga hifintina koa ireto omby ho entina any @ abattoir..
6. endriny ( 26/02/2016 18:33)
Sambo-Fiara: Tamin'ny andron'ingahy Ratsiraka no mba nahitako izany sambo fiara izany rehefa misy matso teo Mahamasina: Kamio misy kodiarana avo izay ilay izy, ary azo alefa ao anaty rano dia mitsingevana. Dia natao andrana teny Ambohibao, naseho tamin'ny TVM...

Fa tsy misy tsy hain'Atra tsy atao hono: Io izao mety sambo kely fotsiny no nataon'i Noah, fa arakaraky ny ampidirany biby ao anatiny dia mitombo habe sy halavana ho azy iilay sambo... Sambo mahagaga e

Dia ahoana indray hoy ianao no nanangonan'i Noah ny biby rehetra eran-tany? i Noah ve tonga tany Siberia sy teto Madagasikara?
Tsy misy tsy hain'Atra tsy atao: Nandefa kalesin-danitra misy afo izy nitondra an'i Noah nirifatra toa ny fize ary poa toa izay dia voahangony ny biby rehetra: Iray herinandro monja...

Dia ahoana no nifehezan'i Noah ny Liona tsy hihinana ny omby tao anaty sambo hoy ianao? Vao miditra ny sambo mahagaga ny biby rehetra dia miova toetra daholo ka ny mpihinana biby tsy mihinana afa tsy vilona sisa...

Fa taiza no nahita vilona eny ambony sambo? Tsotra dia tsotra: kay moa tsy mety tokoa izany fa vao miditra ny sambo ny biby dia matory noho ny herin'Atra, ka tsy nifoha ireo raha tsy efa roa andro talohan'ny naharitra ny rano...

Fanontaniana manaraka raha misy o? Misaotra anao manontany
7. RBNIR ( 27/02/2016 23:52)
rhaj0:

Dia tsy hitanao dia very anjavony fotsiny ve, na fotoana, na vola, na angovo @ izany resaka "imagination" izany???

Tena marina dia marina ity fanamarihina nataon'i rhajo ity,
Very maina fotsiny mihitsy.....
« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Kor.15:13)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Kor.15:14)

Araka ny nambarako hoy aho tsy imagination fa réel no tonga amiko ankehitriny......
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jao.14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jao.14:18)

Nitory ilay pasteur hoe tena misy IZY ary tonga tao aminy nampianatra azy....Izaho koa ankehitriny dia milaza aminao hoe tena misy IZY satria tanteraka amiko io teny eo ambony io...
Afaka mino anefa ianao, afaka tsy mino fa izany no marina ary hoy ny bokin'ny apokalipsy hoe « ....... ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apok.21:8)

koa aoka ho lozako raha mandainga ny amin'izany aho....

MIBEBAHA IANAO!!! MIBEBAHA IZAY REHETRA MAHITA AN'ITY HAFATRA ITY!!! FA FITORIANA TSY MITOVY AMIN'IZAY HITANAO HATRIZAY IZAO FITORIANA ATAO ETO IZAO.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

8. rhaj0 ( 29/02/2016 18:38)
Ampian'ny resak'i Endriny io ambony io, dia ny Tantara-Anganon'i Noah sy ny sambofiarany efa noresahiina teto koa..
rhaj0:
Aiza ny lojika.. koa na zaza eny @ garabola ve ho'a tsy hikentrona dia hanontany:
- dia aiza koa no ampahomby ny biby rehetra tsi22 ao @ sambofiara.. valinteninao: lehibe Atra
- dia mila misakafo/micaca koa anie izany 40 andro/alina izany eee.. valinteninao: lehibe Atra
- dia aiza koa no ahavitana mampandeha tsi22 ny biby rehetra.. valinteninao: lehibe Atra
- dia aiza koa dia ilay boloky ve dia nanidina hatrany Aostralia, dia nihodina tany Amazonia, dia niverina tao Canaan, dia "vavolombelona" fa mbola tsy maina ny tany, fa mbola mila andefasana goaika indray izany.. valinteninao: lehibe Atra

Izay foana no mba hany valinteninao (incantation) ..

rhaj0:
Ohatra ho'a hoe, toatoa iao izany ny resak'i Noah sy ilay aide-soferan'ilay sambofiara

Noah- ahoana, efa ao ve i Jojo Lapin sy Finette teo?
Aide-chauffeur- Eny, fa vao niteraka indray i Finette teo, ka dia ho ariana izany ireto zaza, satria tsi22 ihany hozy i Andmntra
N- ahoana, ao ve ny domoina anankiroa?
A- Eny, efa ao an-kibon'ny saka, fa ho halohany izany rahefa maina ny tany
N- ahoana, ao ve parasy anankiroa?
A- Eny, efa ao anaty salaka, mampangidihidy ny kitapon'aina..
.

Fa tohizana @ "Miteraka nefa tsy niray", ny tantara-anganon'i Maria Virijiny izany ny Vision 2020 eee..
http://forum.serasera.org/forum/message/m56d438786cfdc
9. RBNIR ( 01/03/2016 00:02)
rhaj0:

Fa tohizana @ "Miteraka nefa tsy niray", ny tantara-anganon'i Maria Virijiny izany ny Vision 2020 eee..
http://forum.serasera.org/forum/message/m56d438786cfdc

Andriamanitra tsy nanao zavatra kitoatoa fa efa voadinika tsara avokoa....
Tena marina fa raha amin'izao fotoana izao no nitranga ilay izy dia ekena fa tsy afaka raisina ho famantarana ilay virijiny niteraka...

Fa ilay izy anie nitranga tamin'ny taona 0 e!!!

Apetrao ihany koa ny fanontaniana hoe tamin'ny fomba ahoana no nahafantaran'i Jesosy fa rehefa maizina ny masoandro dia tsy hazava ny volana (tsy horesahiko intsony ilay trou noir aloha fa mahabe adihevitra...)???
« Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. » (Mat.24:29)
10. rhaj0 ( 01/03/2016 00:43)
rhaj0:

RBNIR:
Andriamanitra tsy nanao zavatra kitoatoa fa efa voadinika tsara avokoa....

Eny ho'a... tsisy kitoatoa daholo ny @ Codom sy Chrisna, i Horus sy i Plato ary i Jesosy..
(nota bene: samy nanana ny Andrmntrany ireo).

Sa moa aminao ny an'i Jesosy ihany no "tena izy", fa ny an'ny hafa rehetra paiso kitoatoa daholo.

Dia mampihomehy anefa fa, hozy ny mpandinika, fa toatoa naka tahaka ny an'ny Hindu izany ny an'ny Kristiana... Sahala @ John Lennon sy Georges Harrison nanaraka ny revin'i Maharishi.. :-)

Hono ho'a, ianao ve mirevy an-dry Beatles tokoany k'lou eeee.. hi hi hi.. mety teny anglisy ilay izy taloha, dia tsy takatrao, fa nihirahira nandrevy gaigy an-dreo tao ihany ianao, o bla di, o bla da et blah blah blah... fa izao jereo google sy wiki, dia anaovy translatation raha ilaina, fa izao ny reviny :
https://en.wikipedia.org/wiki/Religious_views_of_the_Beatles
McCartney: "We probably seem antireligious because of the fact that none of us believe in God."
Lennon: "If you say you don't believe in God, everybody assumes you're antireligious, and you probably think that's what we mean by that. We're not quite sure 'what' we are, but I know that we're more agnostic than atheistic."

11. endriny ( 01/03/2016 04:32)

RBNIR:

MIBEBAHA IANAO!!! MIBEBAHA IZAY REHETRA MAHITA AN'ITY HAFATRA ITY!!! FA FITORIANA TSY MITOVY AMIN'IZAY HITANAO HATRIZAY IZAO FITORIANA ATAO ETO IZAO.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

Angaha? Ary nataoko fa ny fitoriana nataon'ingahy Jesosy no fitoriana lehibe indrindra, kay mbola misy ihany koa izao... Maty aho randriakaky o!
12. RBNIR ( 01/03/2016 06:37)
rhaj0:

rhaj0:

RBNIR:
Andriamanitra tsy nanao zavatra kitoatoa fa efa voadinika tsara avokoa....

Eny ho'a... tsisy kitoatoa daholo ny @ Codom sy Chrisna, i Horus sy i Plato ary i Jesosy..
(nota bene: samy nanana ny Andrmntrany ireo).

Sa moa aminao ny an'i Jesosy ihany no "tena izy", fa ny an'ny hafa rehetra paiso kitoatoa daholo.

Dia mampihomehy anefa fa, hozy ny mpandinika, fa toatoa naka tahaka ny an'ny Hindu izany ny an'ny Kristiana... Sahala @ John Lennon sy Georges Harrison nanaraka ny revin'i Maharishi.. :-)

Hono ho'a, ianao ve mirevy an-dry Beatles tokoany k'lou eeee.. hi hi hi.. mety teny anglisy ilay izy taloha, dia tsy takatrao, fa nihirahira nandrevy gaigy an-dreo tao ihany ianao, o bla di, o bla da et blah blah blah... fa izao jereo google sy wiki, dia anaovy translatation raha ilaina, fa izao ny reviny :
https://en.wikipedia.org/wiki/Religious_views_of_the_Beatles
McCartney: "We probably seem antireligious because of the fact that none of us believe in God."
Lennon: "If you say you don't believe in God, everybody assumes you're antireligious, and you probably think that's what we mean by that. We're not quite sure 'what' we are, but I know that we're more agnostic than atheistic."

Tsy misy hitovizany mihitsy ireo ry rhajo a!
Raha mitovy ireo tsy hanenjika kristiainina mihitsy ny olona any amin'izao fotoan aizao....

Fampieritreretana: Dia everinao v fa tsy mora amin'ireo olona ireo no miteny hoe aleo aho hivadika fa tsy mampaninona e!!!
Matoa
13. rhaj0 ( 02/03/2016 16:00)
Ny ao Inde anie misy olana be dia be eee... h@ lonilony moslimo sy hindu, na koa bodista, ka h@ resaka intouchables, ary koa ny vehivavy, ary koa ny homosekisoaly sns...

ka mivoaha tao @ (fisainana) box-kely ao ho'a, ary izao dieny izao mihintsy, ary inty vakiana ny @ India :-)

https://www.amnesty.org/en/countries/asia-and-the-pacific/india/report-india/
14. rhaj0 ( 02/03/2016 18:26)
Ka hono ho'a ry RBNIR

- hiady ho an'ny intouchables sy ny vehivavy ary ny homosekisoaly koa va re ianao? ary misy koa molsimo enjehin'ny hidus extremista..

- mba nanontani-tena ve ianao, taorian'ny namakianao ny tatitry nny Amnesty International, fa toa tsy dia misy resaka momba ny fanenjehana ny Kristiana tao ?

Fanamarihana kely fotsiny: asa raha hainao ny fiasan'ny Amnesty International. Ny fahazoako azy aloha, izao mantsy membre kely nanaraka tao koa fahiny, dia io dia organisme international, tsy miankina (sahala @ Croix-Rouge International), ary mijery sy mitatitra ny raharaha maizina eran-tany, objectivement, ary voa-cross-check daholo ny raharaha tanteriny. Koa raha voan'ny fanenjehana ianao ohatra, dia azonao atao ny mitatitra ny raharahanao any, fa ho ampitampitainy.
15. RBNIR ( 03/03/2016 04:48)
rhaj0:

Ka hono ho'a ry RBNIR

- hiady ho an'ny intouchables sy ny vehivavy ary ny homosekisoaly koa va re ianao? ary misy koa molsimo enjehin'ny hidus extremista..

Raha ilay video teo aloha: mijery fotsiny daholo hatramin'ny fanjakana (polisy)....
16. rhaj0 ( 03/03/2016 13:29)
Ka rahefa miakatra interinety ihany ry RBNIR dia aza miangatra a...

Inty vabahao tsara ao fa "fombany" io

https://en.wikipedia.org/wiki/History_of_Christian_thought_on_persecution_and_tolerance
On 12 March 2000 Pope John Paul II prayed for forgiveness because "Christians have often denied the Gospel; yielding to a mentality of power, they have violated the rights of ethnic groups and peoples, and shown contempt for their cultures and religious traditions" [48]

Dia mahonena mihintsy anie ianao ao ry RBNIR, fa ianao (sy ny razana) ka dia VICTIME-n'ny nataon'ny Kristianisma, nefa dia mi-s'identifier @ ireo mpamely anao ao indray ity ianao eee...

Fa ny Kristiana dia nanao ny nataony koa ry RBNIR fa tsy hoe "ririinin-dasa dia tsy tsaroana" io aa.... Ny debabe efa im-10 kely manao "paridao", ary efa noresahina lava teto sy tato

rhaj0:
Rahefa ny Papa no manao paridao, dia tonga dia madio ny rano [size=4]hozy ny mpanao oye-oye[/size] satria Vatican manan-karem-be ... tsisy tsy vitan'ny vola.
17. RBNIR ( 04/03/2016 05:56)
rhaj0:

Dia mahonena mihintsy anie ianao ao ry RBNIR, fa ianao (sy ny razana) ka dia VICTIME-n'ny nataon'ny Kristianisma, nefa dia mi-s'identifier @ ireo mpamely anao ao indray ity ianao eee...

Misy ny tena kristiainina , misy ny mihevitra ny tenany ho kristianina , misy ihany koa tsy kristianina mihitsy saingy mitonona ho kristianina noho ny antony manokana,
Jesosy v namono olona sy nampamono olona?????
18. rhaj0 ( 04/03/2016 11:37)
RBNIR:
Jesosy v namono olona sy nampamono olona?????

Soa dia soa fa ianao RBNIR no nanontany an'io. Ka dia "manokatra pot" izany io ianao :-)

Mandehana mi-google, dia hahita
http://lmgtfy.com/?q=does+jesus+condone+killing

Lioka 19:27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento at?, ka vonoy eto anatrehako.

Jaona 15:6 Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.

Mampihomehy, fa i Jesosy en personne mihintsy azany koa no nanamafy fa, Izy Jesosy dia "dia olona mila voatsiary"

Lioka 19:22 Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;

19. RBNIR ( 04/03/2016 12:24)

Tsy misy resaka mihitsy eo hoe mandehana ianareo vonoy izay tsy mino na tsy mety hino anareo!!!

Ary raha mamaky tsara dia amin'ny fiverenany no hamaly (fa tsy amin'izao fiainana izao akory) ireo olona tsy nino Azy IZY fa tsy hoe amin'izao fiainana izao akory....
20. rhaj0 ( 04/03/2016 14:14)
ok ok... hay iliay ao @ Lioka dia parabaolina nataon'i Jesosy, ka ilay mpanjaka no nampiteneniny... Ka asa hoe, ilay mpanjaka ve no nampiteneniny ny tiany ho teneniny, sa inona tsara ny tiany lazaina @ ity parabaoliina..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5126