Vision 2020

61. rhaj0 ( 16/03/2016 12:27)
Ary ny ... talohan'i Jesosy, na koa talohan'i Madame Eva... ahoana no hamalianao an'ilay dinaozoro kely io izao ??? :-)

62. RBNIR ( 16/03/2016 13:56)
Izaho tsy mahay miresaka amin'ny biby :-) fa olona no tiako horesahina!!!

Taloha Andriamanitra dia nidina tety an-tany ary niresaka mivantana tamin'ny olona tiany resahina....
Oh : Adama sy Eva,
Abela sy kaina,
Enoka,
Abrahama, Noe,

Ekena fa tsy nisy ny rakitra an-tsoratra nefa dia tena efa nampianatra ireo lalàna ireo IZY:

Porofo v?
Hoy izy tamin'ny kaina.....« Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy. » (Gen.4:7)

Ny atao hoe ota dia fandikana ny lalàn'Andriamanitra « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jao.3:4)

Tsy hilaza ota amin'i Kaina mihitsy IZY raha tsy efa nampianatra lalàna taminy....

Abrahama koa efa nampianariny lalàna....« satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko. » (Gen. 26:5)

Noa koa....« Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; » (Gen.7:2)

Misy dikany matoa efa nampianarina azy ny biby madio sy ny tsy madio....

Tany an'efitra koa dia efa nampianarina lalàna na dia mbola tsy voasoratra aza....« Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany. » (Eks.16:26) Mbola tsy nivoaka ny didy 10 nefa efa nasaina nitandrina Sabata ny olona....

Dia izay Hatramin'ny voalohany Andriamanitra dia efa Niseho, niresaka, nampianatra, ary lova-tsofina no nisy tamin'izany.....Taty aoriana vao noraiketina an-tsoratra ireny,

Na izany aza, Andriamanitra nahatsapa foana fa ilaina ny fidinany mba hinoan'ny olona (toa anao ry rhajo tsy matoky maty raha tsy avy mandevina), ka dia tsy tamin'ny olona rehetra IZY no miseho sy miteny fa tamin'ny alalan'ny mpaminany, na iraka ary ny lehibe indrindra dia I JESOSY.......N'IZA N'IZA TSY MINO AN'I JESOSY NA HISEHO AMINY AZA ANDRIAMANITRA DIA TSY HINOANY IHANY KOA.......
« Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. » (Jao;14:8)
« Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? » (Jao;14:9)

Izay rehetra mitady porofo momba an'Andriamanitra Jereo JESOSY ampianarina ato IZY....dia ho hitanao ny Rainy.....
63. rhaj0 ( 17/03/2016 01:40)
RBNIR:
Izaho tsy mahay miresaka amin'ny biby :-) fa olona no tiako horesahina!!!

Eny azany e.. izaho resahina fa tsy ilay dinaozoro kely. Inty ny fanontanniana:

-- efa nisy ve Andrmntra t@ andron'ny Dinaozoro??

-- hi hi hi... TSY nisy Andrmntra t@ izany, satria TSISY vavolombelona :-)

-- na indray hoe, nisy izany Andrmntra, fa Andrmntry ny Dinaozoro :-) :-)

Dia io ho'a... toa ny tao @ Baiboly ihany, dia tezitra be ny Andmntry ny Dinaozoro fa lasa mpanota daholo ireto Dinaozoro, ka dia baounzoro fa narotsak'ilery ny asteroida, ary dia ripaka ny Dinaozoro.. fa ny voay kosany mbola velona..

Dia asa izao raha ny voay no "bibidia" ao anaty Baiboly na ny Dinaozoro, araka ny hitan'ireo "vavolombelona" nanoratra na notantarain'ny Baiboly :-)
64. RBNIR ( 17/03/2016 05:21)

rhaj0:

RBNIR:
Izaho tsy mahay miresaka amin'ny biby :-) fa olona no tiako horesahina!!!

Eny azany e.. izaho resahina fa tsy ilay dinaozoro kely. Inty ny fanontanniana:

-- efa nisy ve Andrmntra t@ andron'ny Dinaozoro??

-- hi hi hi... TSY nisy Andrmntra t@ izany, satria TSISY vavolombelona :-)

-- na indray hoe, nisy izany Andrmntra, fa Andrmntry ny Dinaozoro :-) :-)

Dia io ho'a... toa ny tao @ Baiboly ihany, dia tezitra be ny Andmntry ny Dinaozoro fa lasa mpanota daholo ireto Dinaozoro, ka dia baounzoro fa narotsak'ilery ny asteroida, ary dia ripaka ny Dinaozoro.. fa ny voay kosany mbola velona..

Dia asa izao raha ny voay no "bibidia" ao anaty Baiboly na ny Dinaozoro, araka ny hitan'ireo "vavolombelona" nanoratra na notantarain'ny Baiboly :-)

Voalazan'ny baiboly ny fisian'ny rapeto taloha an! Nefilima hoy izy......
65. rhaj0 ( 17/03/2016 12:41)
esy e ry RBNIR... dia nisy 'vavolombelona" koa izany ny Dinaozoro, hoz'i RBNIR, ary voarakitra ao anatin'ilay super-boky izany ??
66. RBNIR ( 17/03/2016 16:29)
Efa hoe sahala amin'ilay aborigene nametraka tantara io hoy aho,
Nametraka tantara ihany koa IZY satria tsy mety intsony ny hiaviany ho an'ny be sy ny maro noho ity teny ity....« Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. » (Gen.6:3)

Isika ihany ange no nahatonga an'izany e, raha tsy niliba tamin'ny nofo isika tsy ho tonga amin'izany fa mbola mety hoe teo foana Andriamanitra dia tsy nisy ny olana.....

« Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. » (Oha.19:3)

Ankehitriny anefa mbola mitsinjo IZY dia mifidy olona hatrany hisehoany sy ampianariny,
Mba minoa ihany hoy aho fa sao hikotronify vao hanenina e!

Izaho ange hoy aho ka manana Azy ato anatiko ato ary fantatro tsara ny fisiany toy ny fisianao e!!!!
67. rhaj0 ( 17/03/2016 19:58)
RBNIR:
Efa hoe sahala amin'ilay aborigene nametraka tantara io hoy aho,

TSy azoko kely ity fa mba ampio kely..

Nametrka tantara izany ny Jiosy/Jentilisa/Romana/ets... tao @ vallee de Canaan.
Dia nanao torak'izany koa ny Abaorizena tany Aostralia. Fa satria tontolo samy hafa, dia toa TSY mifameno... Samy nanana ny Andrmntra-ny ny Abaorizena sy ny Jiosy/Jentilisa/Romana/ets...

Izay ve ??

Dia hoe koa ve, (mety) nananana (sy nametraka) ny tantarany koa ve ny Dinaozoro, fa ny azy, ny tantarany very ??


tena tsy azoko ny lojikanao RBNIR, ary tsy azoko ny lojikam-baiboly ny @ ireo Dinaozoro, fa mba lazao eto hoe ny fazahoanao azy ry RBNIR...
68. RBNIR ( 18/03/2016 10:49)
Otran'izao ary e, misy olona manandaza iray, oh Barak Obama, nandalo teto mada ohatra, dia lasa avy eo....

Hoy izy hoe lazao amin'ny namanao tsy nahita fa nandalo teto aho.....Inona ary no porofo asehoko azireo hoy ilay olona mba hinoany fa tena nandalo teo marina ianao...

Tantarao azy daholo izay nolazaiko anao hoy izy dia omeo taratasy aho asiko autographe....

Mitantara ilay olona avy eo....Misy mino, Misy tsy mino......Ny sasany koa dia manaraby hoe izay ianao izao v dia......

Ka moa tsy otran'izany v no miseho ankehitriny????

Miseho sy miresaka amin'ny olom-bitsy Andriamanitra dia milaza IZY hoe lazao amin’ny olona fa tena misy AHO ary ampianaro azy fa tena marina izay voalazan’ny baiboly….
Ampianaro azireo I JESOSY, ary teneno aminy fa mila “mitandrina ny didiko sy mino an’I Jesosy Zanako izireo raha te hovoavonjy……

Misy MINO, Misy tsy MINO…….
69. rhaj0 ( 18/03/2016 13:36)
Izao indray ny fahitako azy..

Indray andro hono, dia nisy Ingahibe nanoratra ny autobiographie-ny, izay nafangarongaroiny t@ izay eritreriny na hoe ny Fantasme-ny tao, sy koa ny eritreriny ny @ ho avy, na hoe Fiction. Izy tenany no nataony debabe ao @ bokiny, ary nasiany koa hoe, misy na hisy debakely koa.

Dia tonga hono Ikotokely efa taty aoriana elabe, ary dia tonga dia nitono-tena izy, fa izy ilay debakely.

Koa t@ izany andro izany hono moa rankizy, dia izay gisa avo feo no inona-teny, ary dia nino sy nanaraka an'i Ikotokely daholo ny iray tanana.

Tany ankoatry ny bonga anefa, dia tsisy nahalala an'izay bokin'i Deba izany, fa kosa, nisy Iranenibe koa nanoratra ny autobiographie-ny..

Dia @ izao isika miteny izao rankizy, dia ny mahavalalanina ihany, dia mbola misy tsy te-ahalala afa-tsy ny tantaran'i Debabe sy Debakely. Ary ireo mpanaraka an'Iranenibe azany moa dia priatiny hiankohoka amin-dry Deba koa.



hi hi hi... vita tompoko :-)
70. rhaj0 ( 18/03/2016 20:09)
hi hi hi ahitsy kely indray..

Tsy Ingahibe no mpanoratra, fa ilay mpanoratra no namorona personazy fiktiva (imaginaire) atao ho Ingahibe Debabe.. Dia napetrany tao na fantasme-ny na fiction.. Fa ny zava-nisy t@ fotoan'androny no ventiventesiny tao. Ary TSY takany ny hoza-dohany ny any ambadiky ny bonga any.

Fanefa moa... ankehitrio, ny olona efa mahatakatra ny any ambadiky ny bonga, nefa ho'a dia mbola roboka mino ny lazain'ilay mpanoratra io ihany eee...

71. harenadanny ( 06/07/2016 07:01)
tena marina zany tsisy zay tsy hain'Andriamanitra tokoa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883