Vision 2020

21. rhaj0 ( 04/03/2016 14:21)
Dia ilay Jaona koa dia parabaolina nataon'i Jesosy.. ka ilay sampan-kazo no, literallement, atsipy anaty afo, fa tsy izay olona izay tsy miray @ Jesosy.

Fa mba violent kosany ny parabaolin'i polifikiana raha mba ny fahitako azy eee...

Ka tena ny parabaolina no violent, sa izy mihintsy no violent, fa mody malefaka eo?

Asa ianao, fa raha izaho k'lou mampianatra, na an-janako fotsiny ohatra, dia tsy mba hisafidy ohatra na hoe parallel na parabaolina violent be toa izany eee...
22. rhaj0 ( 04/03/2016 15:28)
RBNIR:
Jesosy v namono olona sy nampamono olona?????

Matio 10: 34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ ny rafozanivavy;
36 ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony [Mik. 7. 6] .
37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.

AtaoNY inona hono SABATRA eee ???? iharatany ny volombavany ???

Dia aiza ho aiza @ ireo, sabatra, mampifandrafy, aiza ho aiza @ izany ilay milaza-tena, na indrahindraina, hoe BE FITIAVANA eee ????
23. RBNIR ( 07/03/2016 07:52)
Tsy mpamono olona Jesosy averina hatrany....

Mat.10:34 (ny hovonoina amin'ny sabatra) eto dia ireo kristianina ary ny mpamono dia ireo tsy handray ilay fahamarinana
Mat.10:35 ao amin'ny fianakaviana iray ; raha ohatra ka tsy mpino avokoa dia tsy maintsy hanenjika ireo tsy mpino ary tsy maintsy ireo mpino no iaran'ny fanenjehana...

Atao inona sabatra? Efa voazava eo ambony ireo, Tsy ny kristianina mihitsy no lazaina fa hamely amin'ny sabatra eo fa ny mpanenjika azy...

Porofo:

« Raha misy mamabo, dia mba hobaboina* kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina. [* Na: Raha misy ho amin'ny fahababoana, dia ho amin'ny fahababoana izy] » (Apokalypsy 13:10)

Tena mampirisika ny kristianina hamely amin'ny sabatra marina v IZY raha io teny io?

24. rhaj0 ( 07/03/2016 13:15)
RBNIR:
raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra

Ka dia rahefa vita ny kaonty dia m(amp)amono olona ihany izany ny (Jesosy) Kristiana eee...

jereo anefa ny maoderina, fa raha namono olona ilay meloka, dia TSISY condamnation a mort eo, ary rehabilitation akoriny azany mety eritreretina...

Fa ny tena tsy takatro dia hoe, fa maninona no mitady mafy ny manaporofo (ara-Baiboly) @ izany jesosy tsy m(amp)amono olona izany ianao ry RBNIR. Zavatra ao @ soatoavin'ny Baiboly (de l'an zero) izany; izay ilay fomba "tsisy maharatsy" azy, koa terenao toa voalobo-jaza hoe TSY toa izay ilay fomba. Manaiky aho fa revolisionera t@ fotoanany i Jesosy, nefa koa mbola ao @ ilay soatoavina-de-l'an-zero, ka hoe m(amp)amono sy mandripaka izay (heverina ho) fahavalo.. toa ny TSY nofo aman-drA mantsy ireo fahavalo ireo.
25. RBNIR ( 07/03/2016 13:20)

rhaj0:

Satria diso ny fandraisanao ny tenin'i Jesosy namana rhajo a!
26. rhaj0 ( 07/03/2016 13:27)
RBNIR:
Satria diso ny fandraisanao ny tenin'i Jesosy namana rhajo a!

hoe TSY araky ny "fandraisaNAO", eny fandraisana ataonao, ianao irery ao, hoe ilay izy eee...
27. RBNIR ( 07/03/2016 13:30)

rhaj0:

RBNIR:
Satria diso ny fandraisanao ny tenin'i Jesosy namana rhajo a!

hoe TSY araky ny "fandraisaNAO", eny fandraisana ataonao, ianao irery ao, hoe ilay izy eee...

Misy lojika ilay izy e, raha marina fa nampaniraka ny olona hamono amin'ny sabatra IZY, tsy hampitandriana indray kosa avy eo hoe izay mamono amin'ny sabatra dia hovonoina amin'ny sabatra....
28. RBNIR ( 07/03/2016 13:31)
« Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; » (Lioka 6:27)
29. RBNIR ( 07/03/2016 13:36)
« Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany. » (Lio.23:34)

Iza no nitenenany an'io? tsy ireo olona nandefona sy nampijaly Azy???

Koa dia diso ny fampianara tahaka ny hoe croisade e! Guerre Saint e!!! Tratran'ny fampianarandiso izay mirona amin'izany zavatra izany

I KRISTY tsy mpamono olona izany ary tsy nampianatra mihitsy ny olona hamono olona....

« Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona. » (1 Petera 4:15)
« Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. » (1 Jaona 3:15)

Izay ilay lazaiko foana hoe aza atao anaty sobiky 1 re ny kristianina e!!!
30. rhaj0 ( 07/03/2016 14:13)
Matio 10: 34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

RBNIR:
Tsy ny kristianina mihitsy no lazaina fa hamely amin'ny sabatra eo fa ny mpanenjika azy...

Efa mazavaBE io re ry RBNIR fa, i Jesosy no aviavy miaraka amina sabatra, ka ny olona hafa indray izany no lazainao fa "hamely @ sabatra"..

Ianao ity ry RBNIR dia latsaka ambany ireny r-a-d tia (an-jambany) ny zanany ireny.. Na dia hita fa mi-caca eo azany ilay zaza, dia ahodinao ny resaka, ary lazainao fa sOkOla iny, dia telominao ao tokoany anafenanao azy.
31. RBNIR ( 07/03/2016 14:43)
Te hilaza i Jesosy fa tsy mora ilay lalana e!!! Sao mihevitra fa ny soa ihany no horaisina amin'Andriamanitra mantsy!!!
32. rhaj0 ( 07/03/2016 15:00)
interpretation anao irery (sy ny mitovy aminao) ao izany.

Sa ve hoe, izaho no manita-dresaka @ tsy tokony ho izy.. ohatra hoe, mankany angabone hono i RBNIR nefa mitondra sotro... Dia hoz'enao hoe, ilay sotro anie, ataonao fampatsiahivana fotsiny ka ampieritreritra anao, fa ny nohaninao t@ io sotro io no mampitohana anao ao, fa tsy hoe...

ka rehefa aviavy i Jesosy, milaza hoe "mitondra sabatra", ary notsipihany akoriny koa hoe "tsy mitondra fiadanana" IZY @ io, dia ahodinao na amoromporonanao hoe, zavatra hafa no tiaNY tenenina eee..

Ny fahitako azy, dia IANAO sy ny karazanao mihintsy no m(p)ampandainga an'i Jesosy
33. RBNIR ( 07/03/2016 22:29)

Fa marina ilay hoe hitondra SABATRA IZY....saingy tsy mbola amin'izao fiainana izao fa rehefa tonga miverina indray...
« Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. » (Apok.19:15)
« Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony. » (Apok.19:21)

Izay mino moa ho afaka.....Izay tsy mino kosa no hovoan'ilay sabatra ka ho faty....
34. rhaj0 ( 07/03/2016 23:43)
RBNIR:
Izay mino moa ho afaka.....Izay tsy mino kosa no hovoan'ilay sabatra ka ho faty....

Ahitsiko kely :
- Izay "mino" fa TSY nanaraka ilay fombafomba no voan'ilay lasabatra (ao @ imagination-ny ao)
- TSY mahakasika izay TSY-mino izany rehetra izany
35. rhaj0 ( 08/03/2016 02:23)
Matio 10: 34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

RBNIR:
Fa marina ilay hoe hitondra SABATRA IZY....saingy tsy mbola amin'izao fiainana izao fa rehefa tonga miverina indray...

Vakio tsara fa hoz'i Jesosy hoe, eto "ambonin’ ny tany" no itondrany ny "sabatra" sy "ampirafiany ny mpianakavy". Ary ataoko fa (mazava fa) ny "fifanenjehana" eo @ samy olona dia "eto ambonin'ny tany".

Fa dia io sirika io indray izany ianao ry RBNIR fa mampandainga an'i Jesosy. Lazainao fa "rehefa tonga miverina indray" i Jesosy no handrangaranga ny sabatrany izany. F'angaha moa tsy rehefa "miverina" (hono) i Jesosy, dia efa eny @ tribonaly (any an-danitra na ao @ salle d'attente, fa tsy eto an-tany) daholo isika, non, ianareo mianakavy eee ????
36. RBNIR ( 08/03/2016 04:47)

rhaj0:

Matio 10: 34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

RBNIR:
Fa marina ilay hoe hitondra SABATRA IZY....saingy tsy mbola amin'izao fiainana izao fa rehefa tonga miverina indray...

Vakio tsara fa hoz'i Jesosy hoe, eto "ambonin’ ny tany" no itondrany ny "sabatra" sy "ampirafiany ny mpianakavy". Ary ataoko fa (mazava fa) ny "fifanenjehana" eo @ samy olona dia "eto ambonin'ny tany".

Efa nazavaiko iny fa ianao tsy mino e? miresaka amin'ireo olona mpino azy izy hoe tsy maintsy ho tratran'ny sabatra ianareo hoy izy (fa sao dia mitetika hanatena fiadanana fotsiny ihany)....
37. RBNIR ( 08/03/2016 10:32)
Rhajo, araho ity rohy ity fa raha sitrapon'Andriamanitra dia haseho anao ao marina tokoa hoe amin'ny fiverenany marina vao alefany ilay sabatra voalazany ao amin'ny apok.19 ery ambony ery
38. rhaj0 ( 08/03/2016 12:21)
n'enao ho'a ve moa tsy dia izay foana: tsindrontsindrohanao izao eraky ny Baiboly izao, dia atambatambatrao ao, dia avy eo ianao hilaza "@ feo mafy" koa hoe, tena izay ilay izy.

Maninona no ampifandraisinao ny resaka atsy @ Apok sy ny resak'i Matio io ambony io??

IO ve ho'a tsy toa ilay ridicule-be fataon'i Strong3 taloha, ka nisy fanoharana hoe "eglizy = vehivavy", dia izay rehetra toko sy andininy ahitan'ilery "vehivavy" dia lazainy fa "eglizy".

Dia toa izay koa ianao RBNIR eto.

AO @ io Matio io, dia maniraka azy 12 lahy hanao zavatra (tsy fanao) i Jesosy. Eto ambony tany izy 12 lahy no ampanaovin'i Jesosy (ny tsy fanao) io. Ohatra:

Matio 10:21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.

Ka misy resaka maty ireo ry RBNIR, ary eto an-tany, rahefa bosibosehan'i JEsosy izy 12 lahy, eto an-tany ao @ Matio ireo no mitranga, fa TSY any @ Apokalipsa.

Ka misy idiran'i Jesosy ireo resaka "maty" ireo sa tsia???

Eritrereto tsara, ary eritrerto @ saina TSY miangatra, fa ianao ihany no hamaly ho ENY ny fanontanianao :
Jesosy v namono olona sy nampamono olona?????
39. RBNIR ( 08/03/2016 12:46)
Aleo ary hoentiko mihitsy ny toko sy andininy manamarina fa milaza izay hihatra amin'izy 12 lahy Jesosy rhajo a! (tsy matoky maty raha tsy avy mandevina)....Ianao ange efa fantatro e, ilay sainao mihitsy no efa voatefy otran'izay tsy manaiky raha tsy misy porofo,
Hoy Jesosy amin-dry zareo (milaza ny hahazo azireo Jesosy ary mifanohy tsara amin'ilay lazainao an)...
« Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia*; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà** tahaka ny voromailala. [* lopa] [** Gr. aoka ho tsotra] » (Mat.10:16)
« Ary mitandrema ianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany ianareo; » (Mat.10:17)
« ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa. » (Mat.10:18)
« Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo. » (Mat.10:19)
« Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo. » (Mat. 10:20)

Mba efa mazava kosa angamba izy izay fa tena hilazana amin-dry zareo marina ilay teny tery aloha hoe ny havanareo ihany no hamely anareo ary dia hasiana amin'ny sabatra tokoa ianareo.....
40. rhaj0 ( 08/03/2016 13:23)
Dia tohizo kely ry RBNIR fa eo ambanimbany no manazava tsara ny contexte aa...

Matio 10:22 Ary ho halan’ ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.

Ny contexte eo dia TSY hoe atsy @ "ho avy", ka hoe "hovonjena" @ izay ilay olona, fa iilay contexte eo, dia ETO AN-TANY : rahefa mitory izy 12 lahy, dia araka ilay Matio 10:21, dia hoe, izao no atao, anaporofoina fa "tena manaraka an'i Jesosy" ireo olona..

Matio 10:21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.

Ireo "mba ho faty" ireo izany, dia mitovy trousse @ ilay hoe, "ameo ny 1/10-karena" ETO AN-TANY raha ohatra ka tena tia hanaraka an'i Jesosy.

Sa ny an'i RBNIR, rehefa any an-danitra, na @ ilay andro jugement dernier :
- izay vao mba amenao @ izay ny 1/10 ny harembenao ao???
- izay vao "hanohitra ny reninao" ianao, na koa "hanolotra ny zanakao" ianao, fa andeha "hanaraka an'i Jesosy" ????

Fa raha izay no ataonao dia ampirisihiko mafy tokoany ianao hanao izany eee...
ahodinkodino ny tenin'i Jesosy, ary ataovy @ izay mampetimety ny baolinanao ao.
- Aza amena ny 1/10 raha tsy efa @ ilay dern iny..
- Aza hafoy ny r-a-d sy zanaka raha tsy efa @ "andro farany" eee...
Dia any koa izay ianao vao TENA manaraka an'i Jesosy, fa izao aloha, ETO AN-TANY eto, dia ampitomboy ny tavin-dresaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1858