Samy (manana ny) Masina an-Taniny

1. rhaj0 ( 03/01/2016 19:43)
Rahefa tena ataoko ny bilan-dresaka eto, dia izay no fahitako azy:
Samy (manana ny) Masina an-Taniny : ny tsirairay dia samy manana ny Masina aminy.

- Ny Kristiana toa an-dry Strong3 na Gasy1zay, na koa ry Bor2lais sy ry Hery ohatra, ka h@ RBNIR izany, dia ny Testamanta vaovao sy i Kristy no masina aminy.
- Fa ny an'i RBNIR dia i Herinirina koa dia Masina.
- Ny an'i Hery dia ny Papa (Ray Masina) sy ireo masin-dahy amam-bavy koa dia Masina.
- Ny an-dry Yahl indray ohatra dia i Episcopo. Ny an'ny mpanaraka azy, dia Profeta Tsaratsara koa Masina.
- Ny an'i Tealala moa dia ny Torah indray ny azy no (Boky) Masina.
- Ny an'ny Malagasy dia... ny Razana koa masina


Ka eo foana ny fanontaniana: "Afaka Miara-Miaina Ve Isikana eeee???? "


Raha mba mijanona @ resaka sy fifanakalozan-kevitra na adi-hevitra moa izany, na hoe, mitoetra ao @ imagination-n'ny tsirairay ao fotsiny izany "Masina" aminy izany, dia tsisy ny olana, fa dia tena "Afaka Miara-Miaina Isikana", ary mifanaja fotsiny hoe, eny azany fa ""Samy (manana ny) Masina an-taniny sy any an-tsainy na any @ imagination-ny any.



Fa ny olana mantsy, raha ny fahitako azy, dia ireo tsirairay ireo, na ny sasany @ ireo, dia
- samy mitady hampiditra amboletra ny Masina azy, mba ho Masina @ hafa koa. Ary dia savisavihany ny hafa mba ho ao @ ilay lojikan'ny Masina an'azy irery ao koa.
- Fara-fahatsarany, dia tena considerer-ny hoe fara-faikany na farahidiny @ samy izay olona izay tsy manamasina ny Masina an'azy irery ao, na manana Masina tsy mitovy ny an'azy.
- Ary ny sasany azany moa dia ny manimbazimba ny Masina an'ny andaniny mihintsy koa no ataony.


Izay ny anareo "mino" rehetra ireo... dia io ilay rabirabiako hoe "(tena) mody miady" ve inareo Mpino ireo, samy vohizin'ny Masina anareo ao io, sa "(mody) tena miady" ?? Ianareo no miady (sy sain'ady), sa ve dia ilay Masina aminareo mihintsy no (mampirisika) miady io???


Fa ho an'ny Atheista (ohatra toa ahy) indray dia:

- tsisy Masina masina (inoanoana) tsisy adi-hevitra izany; fanefa kosa aloha dia hajaina fotsiny ihany anefa izany rehetra izany ee... Rahefa hoe mila ampazahoana toaka ny an-joro-trano, dia tairo izany kouh. Rahefa mila milalao saribakoly ny andro noely, dia reveo ao izany eeee... Fa raha nahipy tanana any an-danitra, na iankohokohoka @ tany, na koa hikipy maso sahala @ ireny constipé ireny kosa ianareo ao, dia .. izaho kosa aloha tsy hanao an'izany eee...

- Ny Atheista (toa ahy) koa ohatra, dia ny hi-se moquer an'ireo "finoana"(-mpoana) dia ataony tokoany. Izay ilay militant atheist. Mahatsapa ireo fa mila mijoro ho an'ny Ankizy sy ny Ho Avy, mila arovana toa anakandriamaso ny firosoana @ fahalalana sy fahalalahana. Ka raha mitsivalambalana @ fahalalana sy fahalalahana ny finoana, dia atao "mahazo" mihintsy... ivanitihana fotsiny mantsy eeee... :-)

novalian'i RBNIR ny 21/01/2016 08:21
2. RBNIR ( 04/01/2016 07:49)
rhaj0:

- Fa ny an'i RBNIR dia i Herinirina koa dia Masina.

Izay v no fijerinao azy?
Hono hoy aho ry rhajo, raha misy olona iray resy lahatra amin'ny hevitra izay atolotrao ka manambara amin'ny olon-kafa izy avy eo hoe ary misy olona tena naharesy lahatra ahy mihitsy....
Lasa masina ianao izany amin'izay sa????
3. rhaj0 ( 04/01/2016 11:17)
Marina ny anao..

(fa fotsiny, nataoko fa hoe, i Herinirina koa no mitana ny lakile-n'ny paradisa ... ho an'ny mpanaraka azy.. sahala @-ndry Episcopo na Tsaratsara.. raha izany kosany ve dia tsy "masina" ity izy? )

4. tealala ( 04/01/2016 11:30)
Izay andraisanao azy aloha e, inty izao misy rohy afaka vakivakina raha mazoto ianao :
http://www.terredisrael.com/infos/un-scientifique-prouve-que-dans-la-torah-tout-est-lie-par-yocheved-miriam-russo/
Ilay hoe miara miaina angamba any aorina any fa izao mbola mikorontana ny tany. Efa hatramin'ny famoronana io an.
5. rhaj0 ( 04/01/2016 12:33)
Ny reference famakin'i Tealala koa mampihomehy: misy mpitia miisa 43.. :-)

Fa na izany na tsy izany koa, I Haim Shore-nao koa anie ka tena mampihomehy ry Tealala... afangarogarony ao ny finoa(noam-poana)ny sy ny Siansa, dia hoe: " la valeur numérique des noms de couleurs apparaissant dans la Bible pouvait avoir un rapport quelconque avec leur fréquence d’onde"...

Izaho izao koa mba "nikaroka", dia ny taona nahaterahako, @ nanometer, dia mifandraika @ resolution-n'ny "laser communication".. ka tena "izaho" mihintsy izany no mpanjakan'ny komionikasio... f'angaha tsy dada ka dada :-)
6. Strong3 ( 04/01/2016 12:38)
ka ny kristiana dia Kristy no masinany eh !!!

fa ireo tehalaza amin'ny tenany sy ny pasiterany ireo dia mamorona mpampianatra metimety amin'ny imagination-any ao fotsiny...

tsy matoky tena ireo fa mila ZAVATRA HITAMASO mba hilazain'ny sainy fa tena mety sy ankasitrahan'Andriamaniny ny ataony ka izany no atokin'ny famonjena ho azireo

ohtra:
_ anaran'i Jesosy
_ apostoly 12
_ didy folo sy ny lalana 613
_ ny andro nahafatesan'i jesosy
_ ...sns

toa tsy mety mino izy ireo fa ny finoana dia tsy hita maso, fa mila hitamaso izy ireo mba hatoky tsara hoe tena manao ny mety sy ny marina

io izany ilay lazain'i paoly ao amin'ny Gal 3:1 eh ... ry galatiana adala ...

[size=5] fa hono hoa ry namana rhaj0 ah! nga lasa manao post lavabe toa surméné koa isé ity eh, sa izay ilay filamatra 2016 hihihihih :-) [/size] :-) :-) :-) HS kely iny aloha
7. rhaj0 ( 04/01/2016 13:22)
Strong3:
ka ny kristiana dia Kristy no masinany eh !!!
Rahefa tsy mamiravira ny fi(s)ainan'olona @ ireo Masina anareo ireo nareo dia OK k'lou aho eee.. sa ianao io ry Strong3 mbola any @ ilay hoe...- samy mitady hampiditra amboletra ny Masina azy, mba ho Masina @ hafa koa. Ary dia savisavihany ny hafa mba ho ao @ ilay lojikan'ny Masina an'azy irery ao koa.

Strong3:
[size=5] fa hono hoa ry namana rhaj0 ah! nga lasa manao post lavabe toa surméné koa isé ity eh, sa izay ilay filamatra 2016 hihihihih :-) [/size] :-) :-) :-)
[size=5]Mba manao bilan eee... inona ohatra no bilan-nao (sy resolution-nao).. hoe roboka maimbo tanaty finoanoam-poana tao, dia mbola ho tohizana izany, nefa ny taona(nao) ity anefa efa niampy 1 indray... ny maso(ntsainao) efa nisokatra bebe koakoa...[/size]
8. tealala ( 04/01/2016 13:46)

rhaj0:

Ny reference famakin'i Tealala koa mampihomehy: misy mpitia miisa 43.. :-)

Fa na izany na tsy izany koa, I Haim Shore-nao koa anie ka tena mampihomehy ry Tealala... afangarogarony ao ny finoa(noam-poana)ny sy ny Siansa, dia hoe: " la valeur numérique des noms de couleurs apparaissant dans la Bible pouvait avoir un rapport quelconque avec leur fréquence d’onde"...

Izaho izao koa mba "nikaroka", dia ny taona nahaterahako, @ nanometer, dia mifandraika @ resolution-n'ny "laser communication".. ka tena "izaho" mihintsy izany no mpanjakan'ny komionikasio... f'angaha tsy dada ka dada :-)

Tsy zaka tsony nga ilay izy fa maneho porofo fa ngeza noho ny siansa? Hahahaha.
9. rhaj0 ( 04/01/2016 13:59)
MIsy mihevitra hoe, rahefa mampiasa teny siantifika dia ... siantifika koa hono izany eee....

Io izao efa h@ taona zero, nony nilaza ry Magy, izay toa olon-kendry sa olona mpandalina.. rahefa nilaza ny Magy fa asitiraonaoma hono zareo, ary nandinika ny lanitra, ka ilay kintana mamirapiratra (Jupiter sy Regulus) dia manana rapport quelconque" @ fiterahan'ilay Mamirapiratra...

maninona azany ianao ry Tealala mivanitika an'i Jesosy, nefany toa miankohoka @ Haim Shore...
10. tealala ( 04/01/2016 14:08)
Ka eo foana ny fanontaniana: "Afaka Miara-Miaina Ve Isikana eeee???? "
Afaka tsara ka, fa mbola any aorina any, aleo aloha mbola tsy maika, fa mety tsy ho tinareo ilay fomba fiaraha-miaina anatin'ny imagination anay ko.
11. tealala ( 04/01/2016 14:12)
"toa miankohoka @ Haim Shore"
Ianao io ve niankohoka t@ DARWIN?
Mbola ny zavatra soratako aza dia efa hafa ny fandraisanao azy anefa izay izaho.. Tsy d be diplôma kely ty hahahahahaha
12. rhaj0 ( 04/01/2016 14:30)
eny azany fa tsy miankohoka @ Haim Shore ianao ee... ka ilay izy tsinona hotry ny raisinao tonga dia tena toa ny Torah ny lazainy ka dia nitsapa ihany aho hoe ngo izay tokoany ve...

Fa @ demarche scientifique, dia nisy scientifique hafa koa ve ni-confirmer ny resak'i Haim Shore? Sa mia ianao ilay izy? :-)
13. rhaj0 ( 04/01/2016 14:49)
tealala:
Ka eo foana ny fanontaniana: "Afaka Miara-Miaina Ve Isikana eeee???? "
Afaka tsara ka, fa mbola any aorina any, aleo aloha mbola tsy maika, fa mety tsy ho tinareo ilay fomba fiaraha-miaina anatin'ny imagination anay ko.

Ka tianao hiaina @ "fomba fiaraha-miaina anatin'ny imagination"-nao izany ny olona an...

Dia ahoana ny ao @ "imagination"-ny izany paiso sa tain-tsaka??

Raha mba guerre des imaginations moa no atao, dia mijanona any anaty imagination any moa ho'a ny resaka, dia tsy maninona ihany.. ary io ho'a, na torturer-nao kitikitika-faladia ao @ imagination-nao ao azany aho dia .. Ok izany eee...

Fa raha @ fiainana "tena izy", raha mbola anaovanao an'ilay hoe, "- samy mitady hampiditra amboletra ny Masina azy, mba ho Masina @ hafa koa. Ary dia savisavihany ny hafa mba ho ao @ ilay lojikan'ny Masina an'azy irery ao koa", dia tairo ao izany eee... izaho ve moa afaka haninona rahefa mitady "ady" na mila "miady" unilateral nareo izany ...

Ka.. " Ianareo no miady (sy sain'ady), sa ve dia ilay Masina aminareo mihintsy no (mampirisika) miady io???" ho'a eee???
14. tealala ( 04/01/2016 15:02)
Ilay imagination anie ry rhaj0 samy manana ny azy io e, ny ahy izao io voalaza fa ho avy i Ismaely haka ny tany manontolo, io izy tanteraka io fa miparitaka manerana ny tany fa tsy tsapanao, fa ny anao indray tenenina aminao ny lanjan'ny masoandro, alefa ny kajikajy rehetra hita ilay izy, fa moa ve nisy olona nampiasa mozana nandanjany ny masoandro nanaporofony fa tena io tokoa ny lanjan'ilay masoandro? fantatra ve ny isan'ireo matiera ao anatin'io kintana be io sa "imagination + formule"
15. rhaj0 ( 04/01/2016 15:38)
Hozy ny (imagination-n'ny) taloha hoe "ho avy Ismaely", dia "io tanteraka io", hoz'ianao. Tena "mino" ve ianao fa ho anjakan'ny Ismaely ny tontolo izao?? hatrany Chine (1 milliard+) sy Inde (+1milliard koa), ka hatrany Japan sy Bresil??

Ny aty Kanada izao, dia eny, miahiahy ny olona ny @ Etat islamique sy koa ireo djihadistes isan-karazany ireo. Fa tsisy mifezaka @ izany ny aty ee... ary mahasahy ary mahavita mandray ny Syriens akoriny azany, na dia misy mampitahotra hoe, misy djihadistes "tsy tsapanao" mandehandeha ao.

Ary 'ngo dia ny moyen-orient sy ny manodidina izay tratran'ny sambo fiaran'ny djihadistes k"lou no (mbola) ataonao hoe "ny tany manontolo" eee... aza mampa-be lelo ho'a...


Ny @ masoandro indray... O ry Tealala... dia "mizana" ihany izany aminao no "fanaporofoana ny lanja"... Fa dia tena mbola tavela any @ taona zero koa nareo izany ry Tealala.. fa dia ahoana loatra reeee....
16. tealala ( 04/01/2016 15:53)
Ay ianareo canadiens ary kay moa izany mandray an dry zareo Syriens, ny tsy kobonao anie dia ny Syriens dia taranak'Ismaely e, mba mandinika kely hoy aho.
Ny amin'ny masoandro izany moia dia tsy aazonao ny tiako lazaina normale be izany ka, satria tsy na izaho aza no ilazana zavatra tahaka izany hoe nolanjaina t@ mizana ny masoandro dia fantatra ny lanjany dia hita ilay izy aveo, na izaho aza niomehy nanoratra iny, fa ilay izy tsy mampiomehy intsony raha ohatra ka misy olona (mandeha eny amin'ny masoandro) dia manao kajikajjy araky ny CNTP sns dia maka ny "dimensions" iray manontolo dia alefany amin'izay ny kajikajy dia mahita isa izy aveo, dia porofony mivantana amin'izay ilay kajikajy ami'ny izay tsy mi-imagine intsony e?
17. rhaj0 ( 04/01/2016 16:55)
ha zalahy.. ka dia coloniser-n'ireo Syriana taranak'ismaely izany i Kanada eee... Raha izany no an'eritreritrao dia... ianao izany koa ho'a toa zaza eny @ garabola, ka manisy pensée magie magie miracle izany eee... Raha ny tena marina anie dia ho "canadianisé" ireo Syriana ireo eee :-)

Ny @ masoandro ho'a ry Tealala, dia toa efa t@ andron'i Copernic sa Newton, sa akoriny azany i Aristotle sy i Homer (Simpson) no efa vita ny kajy eee... Tena tara train nareo fa nareo ilaozanareo mihohoka ao @ boky tontan'i torah ao kouh...
18. tealala ( 04/01/2016 17:14)

rhaj0:

ha zalahy.. ka dia coloniser-n'ireo Syriana taranak'ismaely izany i Kanada eee... Raha izany no an'eritreritrao dia... ianao izany koa ho'a toa zaza eny @ garabola, ka manisy pensée magie magie miracle izany eee... Raha ny tena marina anie dia ho "canadianisé" ireo Syriana ireo eee :-)

Ny @ masoandro ho'a ry Tealala, dia toa efa t@ andron'i Copernic sa Newton, sa akoriny azany i Aristotle sy i Homer (Simpson) no efa vita ny kajy eee... Tena tara train nareo fa nareo ilaozanareo mihohoka ao @ boky tontan'i torah ao kouh...

Tsy izaho niteny izany fa ilay boky lazainao fa iankohofako ka, ilay izy moa izany lava b raha ho azavaiko amin'ny antsipirihany (tena mila fanazavana lava be)
Eny hoy aho efa fantatra ny lanjany sy ny halavirany, fa assurer nao 100% izany ilay izy?
19. tealala ( 04/01/2016 17:17)
Mba andramo metarina anie dia lanjao e
20. rhaj0 ( 04/01/2016 17:24)
Izay no argument-dry Tealala.. rahefa tsy "assuré 100%" dia.. ahoana? dia hoe ve hoe, adabohy any daholo ny resaka, f'aleo ihany ny vérité absolu-n'ny Torah.. Torah ihany ary Torah hatrany?

Ny Siansa re dia miaina ao anaty incertitudes sy pirobabilitia koa eeee... rahefa tsy zakan'ny hoza-doha izany dia... aza manao Siansa, ary aza mankafy ny vitan'ny Siansa koa izany eee... Izany no nataon'ny Amish ary tena sambatra doria zareo miaraka @ Andrmntrao.

Raha tena honnête ho'a ianao dia manoava azany toa ny Amish koa eeee...


Fa mba lazao fohifohy eto azany izany faminaniana ao @ Torah ny @ Ismaelitan'ny taona 2015 izany ee ???... (tsy mila "fanazavana lava be")
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1828