Samy (manana ny) Masina an-Taniny

61. RBNIR ( 19/01/2016 13:07)
Mba alefaso ihany zalahy ny fisainana a! lojika v isika dia tsy hahatakatra hoe mitombina v sa tsia zavatra lazaina fa nitrangra 13 milliard d'année hono ny bing bang dia iry ambony iry indray lazaina fa nitranga 600 millions d'année????,
Olona iza no afaka hitoky tena fatratra fa tena marina izany???
Dia izany v no handeha hitokiana e? Zavatra lazaina fa nitranga taona vitsivitsy aza mbola misy manakiana na dia efa misy documentation mipetraka aza??
2000 taona lasa izay nanome ilay "famantarana" nampanantenainy ny olona, Andriamanitra mba hinoan'ny olona ny amin'ny fisiany...
Ary nifidy 12 lahy IZY mba ho vavolombelon'ny fahamarinan'izany dia mbola nifidy iray hafa koa izy tamin'ireo mpanohitra azy (i paoly apostoly io) mba hahamafy orina ilay famantarana,....
Atsipy ny tady eny antandroky ny omby dia atsipy ny teny e!!!
62. rhaj0 ( 19/01/2016 13:21)
raha ny fahitako azy, dia mila mi-compr ny hoe, inona ny siansa sy izay ataony ao @ ity fiainana ity. RAha ny fahazoako azy, dia ny siansa dia miezaka ny hanazava ny zava-misy rehetra eto. Tsy hary ho efa voazava daholo ny zava-drehetra, fa "work in progress'" foana ho'a io :

- Rahefa manaiky ianao (sy ny sainao) fa ny work #123, dia mifototra @ work #1 h@ #122, dia nefa indray ilay #124 mety nandiso ny #123-nao teo, dia OK izany eee... Fa izany tsy midika hoe, ho arianao daholo ny work #1 h@ #122 ho'a.

- Rehefa manaiky ianao (sy ny sainao) fa ny work #130, izay mbola tsy vita, dia (mety) hitondra fanazavana bebe kokoa, ary dia "mandry" ny sainao" eo ampiandrasana an'izay, dia OK izany eee...

Fa ny (anareo) ao @ Finoana, raha ny fahitako azy ihany, dia ny affirmation #123 ohatra, izay consequence-n'ny affirmation #122, izay nololohavina an-tampon'ny loha, dia hita fa tsy mitombona. Dia nefa ikiriana biby ao, na koa, spin-ner-na gaigy ao, dia mbola ifikirana ao foana, fa hoe "affirmation" io, ary ny filazana hoe, "hita fa tsy mitombona", dia incomprehension-n'ilay "affirmation", fa ny "affirmation" dia "affirmation" tsisy iadian-kevitra?

Fa raha "mahasambatra" ana(re)o (sy ny sainareo) ao moa izany, dia OK ho'a eee. Ifalio dia reveo ao.. Fa rehefa manomboka mandrangorangotra ny fiainan'ny fiaraha-monina, indrindra koa ny fi(s)ainan'ny Ankizy, na koa ireo fragile (ara-fo-saina-fahalalana-filana-...), dia tsy maintsy miteny aho eee...
63. RBNIR ( 19/01/2016 22:28)
Ho an'izay tsy mahafantatra dia vakio ato fa ho fantatrao hoe IZA marina io famantarana nomen'Andriamanitra io.....
Jesosy no ILAY FAMANTARANA nomen'Andriamanitra ho an'ny olona...Ary hoy i Jesosy fony IZY tonga tety...« ......... Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

NY HANAMBARA NY MARINA izay no antony nihaviany tety....

Mba hahamafy horina ilay "Fanambarana" dia nifidy 12 lahy IZY, ary ireo 12 lahy ireo dia tsy nilaza zavatra hafa afats'izay hitany sy reny ihany (nisy ny nanoratra tamin'izy 12 lahy ireo ary dia voaporofo fa dia zavatra iray ihany marina tokoa no nosoratan'izireo)...

Tsy vitan'izay fa taty aoriana dia mbola nifidy olona 1 hafa ihany koa izy dia tsy iza fa i paoly apostoly (olona iray tamin'ireo nanenjika Azy sy ireo mpanaradia Azy) Vakio ny Asan'ny apostoly toko faha 9......

Ny zavatra nitovizan'ireo olona nofidiny ho vavolombelona ireo dia tokana : ILAY MARINA nambaran'i Jesosy ihany no MARINA nambaran'izireo ary nampianariny hatraiza hatraiza.....

Ary na dia ankehitriny aza dia mbola porofoin'Andriamanitra ny fitiavany sy fitsinjovany ny zanak'olombelona ka dia mbola mifidy olona mivantana hatrany IZY (ENTINA HANAPOROFOINA NY FISIANY) ary dia mbola IO MARINA TOKANA nolazain'i Jesosy fahiny io ihany koa no hampianarin'izany olona izany fa tsy hafa akory.......

Zavatra azo porofoina ny an'Andriamanitra ary nataony mba ho mora takarina fa tsy théorie misavoana amin'ny resaka 13 milliard d'année sy 600 millions d'année???? (na dia zazakely aza v dia tsy hahatsapa hoe DISO ANGE IZANY E!!!! IZA no afaka hanaporofo an'izany????)

Ka hoy aho hoe IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
64. rhaj0 ( 20/01/2016 00:36)
RBNIR:
Misy theorie vaovao indray ity mikasika ny amin'ny fiforonan'ny "vie" teo amin'ity tany ity....
http://www.maxisciences.com/evolution/l-039-homme-pourrait-ne-pas-exister-si-un-accident-n-039-etait-pas-survenu-il-y-a-600-millions-d-039-annees_art36972.html

Dia foana teo indray izany ny bing bang ..

Ianao koa anie mampihomehy ry RBNIR eee.. toa tsy mamaky tsara ianao fa maikabe vao mahita chiffres roa samy hafa.
- ny 13 milliards dia big-bang, ny toetran'izao tontolo izao t@ izany ...
- ny 600 millions d'années lazainy dia ny niforonan'ny "vie".. ao anatin'izao tontolo izao (izay nivoatra avy t@ ilay 13 milliards d'années)
65. RBNIR ( 20/01/2016 07:22)

rhaj0:

Tsy maninona raha izay azany e, fa "saino" kely fotsiny, tsy zazakely hoy aho isika ka tsy hahatakatra.....13 milliards d'années???? 600 millions d'années??? O ry zalahy a! iza no afaka hanaporofo fa izany marina no nitranga tany????
Ny an'Andriamanitra anefa nasiany vavolombelona hatrany ny zavatra nataony dia fanampiny mbola tsy nijanona hatreo fa mitohy mandraka androany ny fifidianany vavolombelona amin'ny fisiany!!!
66. rhaj0 ( 20/01/2016 11:19)
RBNIR:
...fa "saino" kely fotsiny, tsy zazakely hoy aho isika ka tsy hahatakatra.....13 milliards d'années???? 600 millions d'années??? O ry zalahy a! iza no afaka hanaporofo fa izany marina no nitranga tany????

Io ve ry RBNIR tsy efa noresahina teto foana a? Ka hoe, alefaso dihy miverina (ahemotra ny famataran'andro), ka dia "saino" hoe inona ny t@ 2000, dia 1500, dia 1000, dia ... -60.000, ... dia -1.000.000, dia etsetra... Dia io h'a rahefa tsy takatrao, eny ianao, dia ... ianao no tsy mahatakatra, fa ny olona hafa mahatakatra, na hahatakatra eee... Fa ny anao izany, satria ianao no tsy mahatakatra, eny ianao sy ny "sainao", dia akapokao ho Andrmntra fotsiny, dia izay ny anao ilay "sainao'... aoka ho'a...

RBNIR:
Ny an'Andriamanitra anefa nasiany vavolombelona hatrany ny zavatra nataony dia fanampiny mbola tsy nijanona hatreo fa mitohy mandraka androany ny fifidianany vavolombelona amin'ny fisiany!!!

Io ve ry RBNIR tsy efa nivanitihina gilady teto foana a? Ka hoe, dia tena nisy "vavolombelona" izany i Andrmntra "namorona izao tontolo izao", ary dia izay noraketina an-tsoratra tao @ Genesisy izao io... aoka ho'a...
67. RBNIR ( 20/01/2016 11:39)

1- Mahagaga no hinoan'ny olona izay zavatra nolazaina fa hoe tena nisy (hono) 13 milliard d'année sy 600 milliard d'année tany aloha tany....
2- Na tsy hita aza ny tany aloha dia ny taty aoriana kosa voamarina (noho ireo vavolombelona nofidiny taty aoriana) ary izay no entina anatsohana hevitra fa tena marina avokoa izay fanambarana rehetra tany aloha (raha tsy hoe misaina indray ngah ny olona fa mpandainga IZY)....
68. RBNIR ( 20/01/2016 11:41)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jao.3:33)

Sa misy amin-tsika eto mihevitra fa "mpandainga" Izy????
69. rhaj0 ( 20/01/2016 12:14)
RBNIR:
Na tsy hita aza ny tany aloha dia ny taty aoriana kosa voamarina (noho ireo vavolombelona nofidiny taty aoriana)
Sa misy amin-tsika eto mihevitra fa "mpandainga" Izy????
i Atra no namorona an'i Atra, ary Atra no n(amp)anoratra ny Baiboly.
Ary ny Baiboly no manamarina ny fisian'Atra. Ary ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.
70. RBNIR ( 20/01/2016 12:16)
RBNIR:

Fa ny anao izany, satria ianao no tsy mahatakatra, eny ianao sy ny "sainao", dia akapokao ho Andrmntra fotsiny, dia izay ny anao ilay "sainao'... aoka ho'a...

Tsy dia hoe akapoka ho Andriamanitra fotsiny fa nisy ange hoy aho vavolombelona ny amin'izany e (tsy 1 fa 12 + 1).
Tsy afaka ny hanao tsinontsinona an'ireny mihitsy aho satria ny tantara dia nipetraka...
Ary araho ity rohy ity fa hatramin'ny dia voarakitra ho tantara i kristy sy ny mpanaradia Azy (30 taona teo ho eo taorian'ny nahafatesany).....ny "daty" 18 juillet 64 no daty voarakitra mazava farany akaiky indrindra ny taona 0 mikasika an'i Kristy sy ny mpanaradia Azy (30 taona teo ho eo taorian'ny nahafatesany hoy aho)....
Sarotra ny hikipy manoloana ny fahamarinana namana
71. rhaj0 ( 20/01/2016 13:11)
Inona no hita, na ren'ireo "vavolombelona"?
Dia iza azany k'lou ireo "vavolombelona" eee...

Nojereko ny rohinao, dia ny notantarainao ao, dia ny tantaran'i Eoropa sa Moyen-Orient ao, t@ fotaoan'androny lasa tany.

Hono ho'a ry RBNIR: ao Eoropa/Moyen-Orient ao ve no nombril du monde eee ??? Dia ny Tany no nombril du system solaire ??? Dia ny system solaire no nombril du Milky Way ?? Dia ny Milky Way no nombril de l'Univers ???

Dia ianao atsy.. Isotry, izay atsy afovoan'i Mada, atsy @ ranomasina indiana atsy, ianao ve mba ao anatin'ilay Nombril du Monde ventesinao lava ao io, nefa toa misavisavika be hoe, mba ho isan'ny acteur ao @ (tohin'ny) Tantaran'ny Nombril du Monde-nao ao... aoka ho'a...
72. RBNIR ( 20/01/2016 20:51)

Izay nambaran'i Jesosy sy nataon'i Jesosy no hita sy ren'ireo vavolombelona 12 lahy ary noraiketin'ny sasany tamin'izireo antsoratra....
Izany dia mitoetra mandraka ankehitriny tsy misy mahakosoka (satria avy amin'Andriamanitra)...
Tantara voamarina (izay no anton'ireo daty précis) fa tsy mba anganongano na théorie misavoana amin'ny resaka 13 milliard d'année sns.....
73. rhaj0 ( 20/01/2016 23:22)
Ka izy 12 lahy (+1) IHANY izany no "vavolombelona", fa tsisy olon-kafa afaka mijoro hoe, "vavolombelona" koa.

Izay no maha-samy hafa ny demarche scientifique @ finoana. Rahefa mandroso petra-kevitra ny siantista, ka manao ny demonstration-ny, dia tsy maintsy misy siantista hafa, fara-faharatsiny 1, fa n'izan'iza dia afaka manao koa, afaka mamerina, indépendemment ny nataony (na observation io na experience ets..).

Dia nefa, ny anao sy ny finoanao, dia izy 12 lahy ireo anie IHANY no niaraka nifampitaritarika taorian'i Jesosy tao. Izany hoe, azo lazaina, fa "kirakira tokana" ny azy 12 lahy.

(Ny +1 indray dia aoka etsy re ry RBNIR, fa ianao irery ao ihany no voarebireby dia voafahan-dalitra @ izany +1-nao izany)

Koa raha izany no maha-salanitra ny sainao (maranitra sy matotra ary tia karokaroka), ka "kirakira tokana" no anankinanao ny fi(s)ainanao, dia reveo ao ny anao izany kouh... fa raha izaho aloha dia tsy manisy sira an'izany fanitrikitrihana ataona(re)o izany.
74. RBNIR ( 21/01/2016 08:21)
rhaj0:

Ka izy 12 lahy (+1) IHANY izany no "vavolombelona", fa tsisy olon-kafa afaka mijoro hoe, "vavolombelona" koa.

Misy hafa ka! fa ny zavatra nosoratan'ireo aloha no tena mipetraka amin'izao fotoana izao.
Ato ohatra izao misy anankiray vao "nisehoany vao aingana" ary nampianariny ilay MARINA notoriny fahiny,
Ny antony inoako fa marina ny fanambarany dia satria voaporofony fa tena 100% mitovy amin'ilay nampianarina fahiny ny fampianarany (amiko tsy nandainga izy raha nilaza fa hoe JESOSY no nampianatra azy satria tsy misy mahay an'io fampianarana efa tsy hita io intsony afatsy JESOSY irery ihany)....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2767