Samy (manana ny) Masina an-Taniny

41. Strong3 ( 12/01/2016 08:18)
ny planiNy mahakasika izao tontolo izao dia mazava ny filazan'ny baiboly azy;
naorina tamin'ny fahatsarana sy filaminana ary fandriampahalemana

rehefa noravan'ny tsy fankatoavana Azy io planina voalohany io dia ; nanomana planina vaovao izy mba hamerenana izany indray ,
_ fanasaziana izao maditra no voalohany
_ fanalana ny tsy fankatoavana ao anatin'ny olona no faharoa
_ fanafoanana izay tsy mankatoa ny fahatelo
_ paradisa vaovao no fahaefatra

ireo no planina fototra raha mahakasika ny tontolo amin'ny akapobeny , fa misy koa ireo planina hoan'izay mino Azy

izany hoe:
raha manaraka Azy toa an'i Abrahama ny olona iray dia misy planina omeny izay hitantanany ny fiainany manokana mba hanantontosany ny planiNy amin'ny akapobeny etsy ambony (ilay fototra)
NB: raha tsy efa mino (nateraka indray hitovy natiora Aminy) dia tsy tafiditra ao amin'io planina ho an'izay mino io.

donku ! raha izay mitranga eto amin'ny serasera dia tsotra , misy manaraka ny planin'Atra amin'ny akapobeny ary misy ao anatin'ny planin'Atra ; dia ireo izay mitory araka ny sitrapony ! :-)
tonga soa rhaj0 kelin'i Jesosy ! :-)
42. RBNIR ( 12/01/2016 08:31)
rhaj0:

Hazavao @ fiainana ankehitrio, na koa izay mitranga eto @ serasera izao io hoe, ilay "planiNY" ry Strong3, fa ilay "Angano" taloha tena TSY takatry ny fonay intsony raha "fanandevozana" dia "normal" fa "anaty planinY"
rhaj0:
Ohatra izao, "planiNY" ny nanoratako ny teny "planiNY" izao io.. Dia "planiNY" ny diarrhée lava-n'i Strong3, "planiNY" ny constipation chronique-n'i... Bor2lais dokotera. Dia "planiNY" koa ny fanatisme-n'i Yahl, na koa ny maha-borné an'i Tealala @ Torah ao, na koa ny nampa-tsy tia fety an'i RBNIR... "planiNY" ny nanome anarana an'i Gasy1zay ho Mose Denis... Dia "planiNY" koa ny tsy ahatakaran'ny imagination-n'i Strong3 ny ho avy, fa hoe, mahazo torture-kitikitika-faladia aho rahatrizay.


Plan v?
Vakio ato fa misy plan ato....
http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94#m50af61542f86
43. Strong3 ( 12/01/2016 12:08)
vakio eto ... blabalbala lalal :-) :-)
44. rhaj0 ( 12/01/2016 13:34)
Ny resak'i RBNIR izany dia ilay "planiNY" globaloba. Fa ny tiako no hita dia ilay "planiNY" miantraika mivantana @ tsirairay, ohatra (ny resaka) eto @ serasera eto.

Io sahala @ politika eee.. izay politika "avo lenta" na internasionaly any toa TSY mahakasika ny valala be mandry directement.. fa aiza ilay mahakasika azy androany, dia ny politikan'ny kibony izao.


Fa na ilay politika "avo lenta"-nao anie izany ry RBNIR dia tsy zakan'i Strong3 izay Kristiana namanao malalanao eto eee...
45. Strong3 ( 13/01/2016 07:38)
ka toa mahatsikaiky kou :-) :-) :-) ... lol
46. RBNIR ( 13/01/2016 07:49)

Strong3:

vakio eto ... blabalbala lalal :-) :-)

Fahamarinana 1 ihany ka na averimberiko adika, na partageko ilay lien,
Tsy miova io ka inona moa no olana raha haverina partagena ilay lien???
Sa ny fahamarinanan'i Strong3 miova isaky ny lohahevitra???
47. RBNIR ( 13/01/2016 07:52)
rhaj0:

Fa na ilay politika "avo lenta"-nao anie izany ry RBNIR dia tsy zakan'i Strong3 izay Kristiana namanao malalanao eto eee...

Marina ihany ny fanamarihanao namana, avy any ambony io fahamarinana( fa tsy politika) io fa tsy mba noratovina avy ety an-tany....
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jaona 3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jaona 3:32)

Ka inona moa fa tsy tanteraka v izany ny tenin'Andriamanitra e! (ary ianao no nomeny ny maso matsilo hahita izay fahatanterahany izay :-) :-) :-)
48. rhaj0 ( 14/01/2016 13:27)
wah wah wah any ambony any ny resakao ry RBNIR.. Asio politikan'ny kibo ho'a, hoe inona @ izany "plan" izany no mahakasika ny fiainana izao, an'ny olona eto izao, direct.. ahoana sy ahoana ny iharany @ "politikan'ny kiboko" ohatra..

Ohatra hoe eto @ serasera eto ho'a hoe...
rhaj0:
Ohatra izao, "planiNY" ny nanoratako ny teny "planiNY" izao io.. Dia "planiNY" ny diarrhée lava-n'i Strong3, "planiNY" ny constipation chronique-n'i... Bor2lais dokotera. Dia "planiNY" koa ny fanatisme-n'i Yahl, na koa ny maha-borné an'i Tealala @ Torah ao, na koa ny nampa-tsy tia fety an'i RBNIR... "planiNY" ny nanome anarana an'i Gasy1zay ho Mose Denis... Dia "planiNY" koa ny tsy ahatakaran'ny imagination-n'i Strong3 ny ho avy, fa hoe, mahazo torture-kitikitika-faladia aho rahatrizay.


Sa TSISY planiny ireo fa "saim-pantatry ny tsi11" fotsiny??

Dia raha "saim-pantatry ny tsi11" daholo ireo fa TSY planiNY, dia inona @ ilay miseho eto @ seraseraeto azany no "planiNY"??
49. RBNIR ( 14/01/2016 16:27)
rhaj0:

wah wah wah any ambony any ny resakao ry RBNIR.. Asio politikan'ny kibo ho'a, hoe inona @ izany "plan" izany no mahakasika ny fiainana izao, an'ny olona eto izao, direct.. ahoana sy ahoana ny iharany @ "politikan'ny kiboko" ohatra..

« Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? » (Mat.6:31)
« Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:32)
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)
50. rhaj0 ( 14/01/2016 18:11)
ka TSISY planiNY planiNY izany izany izay (resaka) eto @ serasera eto, fa resaky ny saim-pantatry ny tsi11 fotisny ihany ee..

i Strong3 no be diarrhée noho ny hadalany ao, i Bor2lais voan'ny constipation chronique-ny ao, na dia dokotera azany hono izy. Ny fanatisme-n'i Yahl, na koa ny maha-borné an'i Tealala @ Torah ao, na koa ny nampa-tsy tia fety an'i RBNIR... sy ny anaram-bositr'i Gasy1zay ho Mose Denis, dia sitra-po tanteraka, fa tsy hoe état nilatsaka avy any an-danitra. Dia izaho mahazo torture (kitikitika-faladia) rahatrizay moa, dia eritreritra nofy mangina.

tsisy (n)idiraNY daholo izany... Fa raha te-hanao correlation moa ianao dia tairo ao azany (ao @ imagination-nao ao).
51. RBNIR ( 15/01/2016 04:54)
rhaj0:

na koa ny nampa-tsy tia fety an'i RBNIR...

Izay v no mba hany voarainao rhajo sady amin'izay diso koa ny fandraisanao azy (tsy hoe tsy tia fety, fa mifety araka ny sitrapon'Andriamanitra.....
52. rhaj0 ( 15/01/2016 14:11)
eny azany ee... "tsy tia fety tsy araka ny sitrapon'Andrmntra" i RBNIR.

Ka "planiNY" izany sa "saim-pantatrao" fotsiny ihany?
53. RBNIR ( 18/01/2016 06:53)

rhaj0:

eny azany ee... "tsy tia fety tsy araka ny sitrapon'Andrmntra" i RBNIR.

Ka "planiNY" izany sa "saim-pantatrao" fotsiny ihany?

Tsy azoko ilay hoe planiny? tokony ho lojika be ao anatin'ny olona iray mahatsapa fa "noforonin'Andriamanitra "ny manome voninahitra Izay nanao azy....Tsy ilaina hoe misy planina na tsy misy fa raha lojika ny olona iray dia avy dia fantany ny tokony ataony.......
54. rhaj0 ( 18/01/2016 15:56)
RBNIR:
Tsy azoko ilay hoe planiny?

Ny mahaliana dia hoe, aiza ho aiza @ ity tany tity, na fotsiny hoe, eto @ serasera eto, no misy "planiNY". Hoe ameo resaka concret sy tsotra eee... Satria mantsy izay "planiNY" izay foana no arantiranty, nefa rahefa mipetraka ny fanontaniana hoe, ka "planiNY"azany ve ny tranga toa izao ee.. dia mialahoala daholo nareo..

Ka rahefa miseho ny tranga hoe, "RBNIR tsy tia fety tsy araka ny sitrapoNY" ary "maneho izay hevitra izay etoana"... ka dia hoe
- "planiNY" ve io.. mety ohatra hoe, "planiNY" ampatonga saina an'i Strong3-mpiliba...
- sa dia tena revirevin'i RBNIR samy irery ao fotsiny ity "tsy-tia-fety" ity, fa noamarinin'i RBNR ho sitrapon'Atra ny redirediny..
55. RBNIR ( 19/01/2016 06:54)

rhaj0:

RBNIR:
Tsy azoko ilay hoe planiny?

Ny mahaliana dia hoe, aiza ho aiza @ ity tany tity, na fotsiny hoe, eto @ serasera eto, no misy "planiNY". Hoe ameo resaka concret sy tsotra eee... Satria mantsy izay "planiNY" izay foana no arantiranty, nefa rahefa mipetraka ny fanontaniana hoe, ka "planiNY"azany ve ny tranga toa izao ee.. dia mialahoala daholo nareo..

Ka rahefa miseho ny tranga hoe, "RBNIR tsy tia fety tsy araka ny sitrapoNY" ary "maneho izay hevitra izay etoana"... ka dia hoe
- "planiNY" ve io.. mety ohatra hoe, "planiNY" ampatonga saina an'i Strong3-mpiliba...
- sa dia tena revirevin'i RBNIR samy irery ao fotsiny ity "tsy-tia-fety" ity, fa noamarinin'i RBNR ho sitrapon'Atra ny redirediny..

Salama rhajo a!
Hay v e? raha izay dia ity ngamba no mamintina azy raha izany...

« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.» (Jer.29:11)

Mila mino ianao amin'izay ary dia tena matoky Azy amin'ny rehetra fa tena hevitra hahatonga fiadanana marina tokoa no iheverany anao fa tsy loza akory....
56. RBNIR ( 19/01/2016 07:45)
11 Car je connais les projets que j'ai formés sur vous, dit l'Éternel, projets de paix et non de malheur, afin de vous donner un avenir et de l'espérance. Jer.29:11
57. rhaj0 ( 19/01/2016 11:12)
Strong3:
fiadanana marina
RBNIR:
projets de paix

okey dokey... io koa izany no "eto serasera eto"... hi hi hi.. ny vanitika be vata atao(ko) dia ao anatin'izany projet/planiNY izany koa, f'aza misy mikitakita intsony :-)
58. RBNIR ( 19/01/2016 11:30)
rhaj0:

f'aza misy mikitakita intsony :-)

:-) tsy azoko koa anie izay tokony hikitakitaina olona eto e! azy sy i Jesosy ny azy.....
Mino izy , azy sy ny Tompony izay, tsy hino izy azy sy ny Tompony ihany koa...

« Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo. » (Romana 14:4)

Fa izaho manokana kosa raha tsy hino ianao dia malahelo aho satria misy zavatra fantatro, indrisy tsy ho fantatrao mihitsy nefa fantatro tsara ny mety hiafaranao raha sanatria ka tsy hino ianao namana!!!
59. rhaj0 ( 19/01/2016 12:20)
et reciproquement io ry RBNIR aa.. fa dia tena be dia be ny zavatra (toa) tsy fantatrao, nefa fantatro tsara ny mety hiafaranao ao anatin'ny tsy-fahalalana ao... ary malahelo aho.. indrindra ho an;ireo ankizy izay influencer-nao sy ny namanao.. Fa optimiste aho, atria ny Ankizy mahay mi-debr sy misokatra tsara @ interinety sy ny fahalalana sy fahalalahana ho'a.. Fa ianao izany dia... ao eee...
60. RBNIR ( 19/01/2016 12:36)
Tena aleoko ato ihany rhajo toy izay hanaraka theorie miovaova tsy misy izay tena fahamarinany tahakan'itony,
Misy theorie vaovao indray ity mikasika ny amin'ny fiforonan'ny "vie" teo amin'ity tany ity....
http://www.maxisciences.com/evolution/l-039-homme-pourrait-ne-pas-exister-si-un-accident-n-039-etait-pas-survenu-il-y-a-600-millions-d-039-annees_art36972.html

Dia foana teo indray izany ny bing bang (sy ny theorie izay manambara fa niforona avy amin'ny developpement na bactérie ny vie teto an-tany)??? dia araka ilay tenin'i rhajo hoe dia ao ianareo izany fa dia izay raisinareo ao dia raiso avokoa e,
mety mbola hisy marina 100 hipoitra dia mbola mety hanaiky ihany ianareo ka dia ao marina ianareo izany e!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5662