MIBEBAHA DAHOLO RY NAMANA ISANY MATAHORA AN ANDRIAMANITRA

1. RBNIR ( 12/07/2012 06:49)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Raha Kristianina ianao mamaky ity dia hoy aho hoe MIBEBAHA,
Maro ireo sitrapon'Andriamanitra nampianarina anao (tsy fantatro fa anao sy Andriamanitra irery ihany izany) ka hoy aho hoe tanteraho daholo.
Fantatrao v fa azon'Andriamanitra hadinina amin'izany ianao any am-parany any? Aza atao kitoatoa ny fanompoan'Andriamanitra ry namana isany fa izay efa fantatrao dia tanteraho (ianao sy Andriamanitra no mahafantatra hoy aho).
Raha olona tsy mpino an'Andriamanitra kosa ianao na koa finoana hafa ankoatran'ny kristianina no mamaky izao dia hoy aho hoe fantatrao v i JESOSY? Inona no antony nahatongavany tety an-tany?
Maro tokoa ry namana no tsy mino an'Andriamanitra isika (satria tsy hita maso tokoa moa) ary fantatr'Andriamanitra tsara izany ka izay indrindra no nilazany hoe « Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony. » (Isa.7:11)
11 Demande en ta faveur un signe à l'Éternel, ton Dieu; demande-le, soit dans les lieux bas, soit dans les lieux élevés.
Arak’io teny io dia nitsinjo an-tsika Andriamanitra ka niteny IZY HOE mangataha famantarana.
Izao anefa, natahotra ny haka fanahy an’Andriamanitra ny olona tamin’izany fotoana izany I Ahaza mpanjakan’ny Joda no nitenenany tamin’ny alalan’ny mpaminany atao hoe Isaia « Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah » (Isa.7:12).
Ka votratr’izay dia Andriamanitra mihitsy no nanome famantarana ho an’ny olona « Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ? » (Isa. 7:13).
Izany famantarana izany dia tsy inona akory fa : « Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hœ Imanoela [Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isa. 7:14).

Notanterahan’Andriamanitra tokoa ny fanomezana io famantarana io taty aoriana « Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hÅ“: (Mat.1:22)
« Indro, ny virijina hitœ-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hœ Imanoela (Isa.7:14), izany hœ, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Mat.1:23)

JESOSY dia tsy iza fa ilay FAMANTARANA LEHIBE nampanantenain’Andriamanitra ho an’ny olona.

Nanao fahagagana sy famantarana maro tokoa I JESOSY (vakio ny boky Matio, Marka, Lioka ary Jaona ao amin’ny Baiboly) ary tokana ny tanjona dia ny hahafantaran’ny olona fa tena misy tokoa Andriamanitra ka tokony atao ny SITRAPONY REHETRA.

Hoy tokoa mantsy i JESOSY ry namana rehefa nahavita ireo asa lehibe ireo IZY :
« Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona. » (Lio.10:13).
Ny tanjon’Andriamanitra ry namana malala isany dia tokana : hiaiky ny olona fa misy tokoa IZY tamin’ny alalan’ireny famantarana lehibe nataon’i Jesosy ireny ka mba HIBEBAKA AVOKOA HANAIKY SY HANANTANTERAKA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA.
MINOA AN’I JESOSY KRISTY TOMPO!
KOA SAMIA MIBEBAKA AVOKOA OMEO VONINAHITRA ILAY AVO INDRINDRA ARY ATAOVY NY SITRAPONY REHETRA.

Samia ho tahin’ny Tompo ry namana isany
novalian'i RBNIR ny 15/03/2013 07:20
2. didi10 ( 12/07/2012 08:50)
AMENA
3. RBNIR ( 15/03/2013 07:20)
ATOLOTRO MANOKANA NY NAMANA SITLO sy ireo mety mitovy aminy,

JESOSY KRISTY TOMPO NO FAMANTARANA LEHIBE NOMEN'ANDRIAMANITRA NY OLONA HANAPOROFOINA NY FISIANY.
NANAO ASA LEHIBE TSY VITAN'OLOMBELON I JESOSY KRISTY TOMPO, NY TANJONA MBA HIBEBAKA DAHOLO NY OLONA REHETRA KA HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA KA TSY HO VERY.

« Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana. » (Jao.20:1)
« Dia nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy. » (Jao.20:2)
« Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana. » (Jao.20:3)
« Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana. » (Jao.20:4)
« Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy. » (Jao.20:5)
« Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo, » (Jao.20:6)
« ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana. » (Jao.20:7)
« Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. » (Jao.20:8)
« Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy. » (Jao.20:9)
« Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy. » (Jao.20:10)
« Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana » (Jao.20:11)
« ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra. » (Jao.20:12)
« Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy. » (Jao.20:13)
« Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy. » (Jao.20:14)
« Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy. » (Jao.20:15)
« Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô. » (Jao.20:16)
« Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. » (Jao.20:17)
« Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy. » (Jao.20:18)
« Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. » (Jao.20:19)
« Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. » (Jao.20:20)
« Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. » (Jao.20:21)
« Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; » (Jao.20:22)
« na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany. » (Jao.20:23)
« Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy. » (Jao.20:24)
« Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho. » (Jao.20:25)
« Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. » (Jao.20:26)
« Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. » (Jao.20:27)
« Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao.20:28)
« Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. » (Jao.20:29)
« Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity; » (Jao.20:30)
« fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo. » (Jao.20:31)

Nitsangana tamin'ny maty indray JESOSY KRISTY TOMPO avy eo hanaporofoina ihany koa fa tena misy ny fitsanganan'ny Maty. Ary niseho tamin'ireo mpianany (ireo mpianany ireo no nofidin'Andriamanitra mba ho vavolombelona ho an'izao tontolo izao).

MINOA NAMANA ISANY, RAHA MINO IANAO DIA ITY NO TENY FIKASANA : « Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asa.16:31)

RAHA TSY MINO KOSA DIA MAMPALAHELO NEFA FANTARO IHANY NAMANA IRETO TENIN'ANDRIAMANITRA IRETO :

« Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy. » (1 Jao.5:10)

Ary ny zava-doza dia ity :
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apok. 21:8)


Samia ho tahin'ny Tompo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.101