Ahoana ny hevitrao ?

101. gasy1zay ( 22/05/2015 15:29)

rhaj0:

"fanairana @ torimasom-panahy" hoz'ianao.. Fa ireo olona anie efa mahalala ny kabary lavanareo ee... efa mahafantatra izy fa nisafidy ny hanao izany ... dia raha izay ho'a no mahasambatra azy ao @ finoany ao, ino moa ny olanao na idiranao @ izany ?

Fa ahoana moa no ahalalanao fa tena fantany hoe tsy mety tokoa ilay izy raha ny mpitondra fivavahana any aminy aza milaza hoe Ok fa azo atao mariazy ao ampiangonana nareo. Dia io ilay hoe aza voafitaka ianareo fa ny sodomita sy ny .... dia tsy handova ny fanjakan'ny lanitra.
Io ilay olako ry rhaj0, voafitaka ny olona sasany satria mihevitra izy hoe misy pasitera manamasina ny fiarahany, miditra fiangonana sns sns izy dia hoe mety mba ho tafiditra any an-danitra, nefa voafitaka ihany ry zareo, raha "couple gay" tsy mivavaka sy tsy mino izy dia mety tsy tokony hisy idirako tokoa angambany.
102. rhaj0 ( 22/05/2015 15:37)
gasy1zay:
Fa ahoana moa no ahalalanao fa tena fantany

Aminao no mipetraka ny fanontaniana... koa zavatra efa resaka lavareny isan'andro io ve dia tsy ho fantany ? Fa ny ana(re)o moa, raha tsy hoe miova manaraka ny revina(re)o ilay olona dia tena mbola "tsy tena izy" mihintsy ny olona amina(re)o.

Nefa io olona "tsy tena izy" io anie, mety izy indrindra ho'a no avotan'i JC e...

Dia ianao manakatsakana na manilikilika, na nijery fotsiny ny sakatsakana sy ny ilikilika, ianao io izany no "nifanohitra" @ (fanapaha-kevitra faran'i) JC... Ka dia ao ianao izany eee...
103. gasy1zay ( 22/05/2015 15:58)

Ka rehefa tsy mananatra azy ny pasiterany dia aleo mba anariko izy sao mba ho voavonjy tokoa ry rhaj0 a!
104. rhaj0 ( 22/05/2015 17:21)
K'efa hoe, mety izy indrindra azany no ho voavonjy, sahala @ ilay "jiolahy" teo @ ankavian'i JC, ary tafita izy satria izy "homo", na nanananatra ianao na tsia, fa ianao be fanananatra (sy fatra-mpanilika sy mpanakatsakana) io no tara eo..
105. gasy1zay ( 22/05/2015 18:11)

rhaj0:

K'efa hoe, mety izy indrindra azany no ho voavonjy, sahala @ ilay "jiolahy" teo @ ankavian'i JC, ary tafita izy satria izy "homo", na nanananatra ianao na tsia, fa ianao be fanananatra (sy fatra-mpanilika sy mpanakatsakana) io no tara eo..

Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa hianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao.
43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.

Jereo tsara ilay tantara ry rhaj0, ianao tsy tia olona mananatra io, nga moa tsy nananatra ilay jiolahy namany ilay jiolahy navotana?

Jereo tsara dia ho tsapanao hoe inona ny dingana nataon'ity jiolahy ity nahazoany famonjena

1- Mino an'Andriamanitra izy
2- Niaiky ny fahadisoany izy ( miaiky diso ve ireo gay eritreretinao ho avotra? raha tsia iza no afaka hananatra azy hiaiky ny fahadisony raha ny tianareo atao hoe inona no olanareo @ izany? ny pasiterany aza toa tsy hiteny aminy hoe diso anie ty fiarahanareo ty ry zareo e!)
3- Nanankina ny fiainany t@ Jesoa Kristy izy
4- Nino izy fa i Jesoa no ilay Mesia zanak'Andriamanitra ary afaka ny hamonjy azy

setriny = avotra izy

Ka ny tokony atao dia ny manitsy ny olona eo @ io étape 2 io mba ho avotra izy, ny fahitako azy toa tsy tianareo ho avotra ny olona raha hoe efa diso fihevitra izy dia tsy mbola avelanareo hanarina fa dia hoe aleo izy hanao izay tiany.
106. rhaj0 ( 22/05/2015 19:03)
ok.. raha azoko izany, dia
1- nibaboka au dernier moment ilay Jiolahy,
2- ary "nibaboka" sincerement
3- ary t@ JC izy no nibaboka,
ary dia avotra...

Ny fahitako azy, dia tianao ho hita koa ny toa izay, ka @ io dia IANAO no #3: tianao hibaboka AMINAO koa angaha izy, ary io harasser-nao io izany ilay homo mandra-pibaboka ???

Maninona no tsy avelanao handeha @ cheminement-ny ao izy, dia any @ JC izy no mibaboka raha hibaboka rahefa tonga ny fotoanany, fa TSY aminao ?

Ny hitako mantsy dia io sakatsakananao (na akipilinao sy avakavahanao) ary asarotinao (@ fananaraNAO, izay fijerinao sy fisainana anao manokana ao) ny fiainany sy ny finoany ao @ cheminement-ny ao !!
107. vahiny2004 ( 23/05/2015 19:52)
gasy1zay:

Izay diso t@ lalàna teo @ zanak'israely dia na novonoina ho faty na nanao fanatitra hoan'ny ota naterina tany @ mpisorona(zanak,ondry tsy misy kilema t@ izany), foana io satria efa i Kristy no nanolotra ny tenany ho faty, hisolo anao mpanota , ary izy ihany koa no naka toeran'ny zanak.ondry hanadio anao hahafahanao mihavana amin'Andriamanitra.

Ka @ izao isika miresaka izao tsy ny lalàna nampiarina t@ zanak'Israely intsony no hiainana raha diso ianao na nanota fa ny mpanalalana antsika amin'Andriamanitra dia i Jesoa Kristy nohomboina t@ hazo fijaliana no mila raisinao sy hinoanao.

Tsy toriana intsony izany ny testamenta taloha ? Sa hoe ce qui Vous arrange ?
108. endriny ( 25/05/2015 05:01)
Hihihihihi.. Efa nisy fanekena vaovao hono e... Kanefa mbola manja ny salamo a... Izay mahafinaritra ny sainy no arantiny amintsika...

Ka na ny fanaovana sorona ny zanaka lahitokana aza derainy sy hobiany... Kanefa ny mpanao joro omby enjehiny ...
109. gasy1zay ( 25/05/2015 14:21)

rhaj0:

ok.. raha azoko izany, dia
1- nibaboka au dernier moment ilay Jiolahy,
2- ary "nibaboka" sincerement
3- ary t@ JC izy no nibaboka,
ary dia avotra...

Ny fahitako azy, dia tianao ho hita koa ny toa izay, ka @ io dia IANAO no #3: tianao hibaboka AMINAO koa angaha izy, ary io harasser-nao io izany ilay homo mandra-pibaboka ???

Maninona no tsy avelanao handeha @ cheminement-ny ao izy, dia any @ JC izy no mibaboka raha hibaboka rahefa tonga ny fotoanany, fa TSY aminao ?

Ny hitako mantsy dia io sakatsakananao (na akipilinao sy avakavahanao) ary asarotinao (@ fananaraNAO, izay fijerinao sy fisainana anao manokana ao) ny fiainany sy ny finoany ao @ cheminement-ny ao !!

I Jesoa Kristy ry rhaj0 efa tsy ety an-tany ara-nofo intsony ka tsy hitovy mintsy ny cheminement-ny olona miaina @ 2015 sy ilay jiolahy niara-nohomboina taminy t@ izany, tsy izaho no tokony hibabohany fa Andriamanitra saingy ilay olon'Andriamanitra tokony hampibaboka azy amin'Andriamanitra no tsy manao ny asany fa izy aza toa mankasitraka ny tsy mety ataony, izay no antony mahatonga ahy milaza sy mijoro hoe tsy mety izany fiarahana L+L sy V+V izany satria tsy mifanaraka ny voalaza ao @ baiboly. Izay no afaka ambarako @ mahakristianina ahy fa anjaran'ny tsirairay naheno sy namaky ny baiboly no misafidy ny lalàny rehefa nampafantarany izy.
110. rhaj0 ( 25/05/2015 14:41)
gasy1zay:
ilay olon'Andriamanitra tokony hampibaboka azy..

Aiza ho aiza ao @ Baiboly no hoe, any @ "olon'A.tra no mibaboka", na hoe ny "olon'A.tra no mampibaboka" ??

Dia aiza ho aiza ao @ Baiboly koa ny famaritana hoe, iza no "olon'A.tra" @ ianareo samy olona eo ???

111. gasy1zay ( 25/05/2015 14:45)

vahiny2004:

gasy1zay:

Izay diso t@ lalàna teo @ zanak'israely dia na novonoina ho faty na nanao fanatitra hoan'ny ota naterina tany @ mpisorona(zanak,ondry tsy misy kilema t@ izany), foana io satria efa i Kristy no nanolotra ny tenany ho faty, hisolo anao mpanota , ary izy ihany koa no naka toeran'ny zanak.ondry hanadio anao hahafahanao mihavana amin'Andriamanitra.

Ka @ izao isika miresaka izao tsy ny lalàna nampiarina t@ zanak'Israely intsony no hiainana raha diso ianao na nanota fa ny mpanalalana antsika amin'Andriamanitra dia i Jesoa Kristy nohomboina t@ hazo fijaliana no mila raisinao sy hinoanao.

Tsy toriana intsony izany ny testamenta taloha ? Sa hoe ce qui Vous arrange ?

Ny baiboly na misy testamenta taloha sy testamenta vaovao aza dia boky iray, Ça forme un tout, mifandray daoly ny voalaza ao fa tsy misy hoe hafa ny taloha sy ny vaovao, fa misy antony mahatoa hoe tsy mitovy intsony ny fanompo-mpivavahana talohan'i Jesoa Kristy sy tao aorianan'ny nitsanganany t@ maty.

Manasa anao ary hamaky ireto andininy ireto fa raha mbola tsy resy lahatra ianao dia safidinao izany fa tsy misy azoko atao intsony.

Hebreo 7 no anisany manambara ny tsy mampitovy ny lalàna t@ andron'ny zanak'israely sy taorinan'i Jesoa :

andininy 12 :"Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna"

andininy 18-19 :"Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
19 (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’ Andriamanitra."

andininy 22 : "dia tahaka izany koa no nanaovana an’ i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra."

andininy 25: "koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa [Na: hatramin’ ny farany] izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy."

Ka raha hoy ianao hoe ny lalàna t@ andron'ny zanak'israely no tokony atao dia tsy mankato ny voalaza eto ianao.

Ka hitanao @ izany fa tsy hoe tsy fanaovana tsinotsinona ny voalaza ao @ testamenta taloha ny tsy fanarahana ny lalàna sasany t@ andron'ny zanak'israely, fa tena hazavaina io ambony io ny antony.

Tsy hoe "ce qui vous arrange" fa izay voalazan'ny baiboly fa izy jerena manomboka eo @ genesisy hatrany @ apokalypsy fa tsy ajanona an-tenatenany @ izay mampetipety anao.
112. rhaj0 ( 26/05/2015 14:03)
Amiko ity no mahafehy ny resaka.. fa ny sisa dia tsingolo-batita atao izay mampetimety ny baolina ao fotisny...

gasy1zay:
Ka @ izao isika miresaka izao tsy ny lalàna nampiarina t@ zanak'Israely intsony no hiainana
rhaj0:
sy hiSainana... sa ahoana ?
113. endriny ( 26/05/2015 14:24)

rhaj0:

Amiko ity no mahafehy ny resaka.. fa ny sisa dia tsingolo-batita atao izay mampetimety ny baolina ao fotisny...

gasy1zay:
Ka @ izao isika miresaka izao tsy ny lalàna nampiarina t@ zanak'Israely intsony no hiainana
rhaj0:
sy hiSainana... sa ahoana ?

Dia efa mahazo mangalatra izao
Efa mahazo maka vadin'olona
Efa mahazo maniratsira RR
Efa mahazo mikapa bois de rose
Efa mahazo manondrana volamena sy vatosoa
Efa mahazo manolana zaza tsy ampy taona
Efa mahazo mamono olona amin'ny tifitra

Efa tsy miasa intsony ny Testamenta taloha

Efa niova ilay Atr'i Abrahama fa lasa Atry ny Kristianina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2401