Faminaniana

1. rhaj0 ( 15/04/2015 10:36)
Ka @ resaka Finoana, @ ankapobeny, dia misy ilay hoe "faminaniana", na hoe iilay mahafantatra talohan'ny fotoanany. Tena manitika ny saina (imagination) ilay izy. Raha izaho aloha, dia ny fahitako an'ireny "faminaniana" ireny, dia "imagination fertile" an'i raolona fotsiny. Ka rahefa mifanojo @ ho avy dia mankalaza, fa rahefa tsy mifanojo, dia lazaina hoe mbola ho avy (hozy ireo mbola te-hino).

Fa androany moa andro iraisam-pirenena ny zava-kanto (Arts), ka dia ny artista koa no tena manidina be ny imagination-ny, ka azo lazaina hoe "faminaniana" ny zavatra ataony, izay toa tsy @ fotoanany...

Ny malaza izao dia ilay zaridaina ao Japana...
http://www.citylab.com/design/2015/03/tokyos-new-floating-flower-garden


Dia ny nametrahako an'io eto, dia ... "mino" aho fa (mety) hisy hilaza hoe... tena "tanteraka ny faminaniana", fa tena toa io mihintsy ny ... paradisa :-)

[size=8](sangisangy ny ahy, fa tena tiako zaraina fotsiny ity zaridaina zaponey mitsingevana ity fa tena manja be... toa "paradisa"... nefa ny Zaponey TSY Kristiana, na 1% amin'Zaponey ihany no Kristiana)[/size]
novalian'i endriny ny 08/05/2015 11:57
2. rhaj0 ( 15/04/2015 12:45)
K'le izy izany toa "sahan'i Edena" sa "zaridainan'i Babylona", fa dia io tanteraka io zany 'le izy e... :-)
[size=8](hi hi hi... ary TSY Kristiana, na olo TSY mahalala an'i Kristy na ny Baiboly akoriny, theoriquement, no nahatanteraka azy)[/size]

---

Fa ity indray azany "faminaniana" hafa koa.. Raha ny marina dia tombatombana indray ity fa TSY "faminaniana".. fa ataontsika "faminaniana" ihany fa io no manitikitika ny imagination. Ka ahoana azany ny "faminanianao":

... INONA no Fivavahana/Finoana be mpanaraka indrindra r@ 2050 ? ...

3. rhaj0 ( 15/04/2015 16:23)
Eo @ ~1/3-n'ny eto an-tany izany no ho Kristiana, dia ~1/3 koa no ho Moslimo.. raha 9 milliards no ho isan-draolona r@ 2050, hoy ny "faminaniana".

http://www.cnn.com/2015/04/02/living/pew-study-religion/index.html
Islam, the world's fastest-growing faith, will leap from 1.6 billion (in 2010) to 2.76 billion by 2050, according to the Pew study..
Christianity is expected to grow, too, but not at Islam's explosive rate. The Pew study predicts Christians will increase from 2.17 billion to 2.92 billion..
This means that by 2050, more than 6 out of 10 people on Earth will be Christian or Muslim.


4. rhaj0 ( 15/04/2015 17:56)
Dia mitohy kely ny "faminaniana".. mihena ampitoerana toa fen'antitra ny Kristianisma: lasa ny olona (106 millions), ary mitombo ny TSY-mpino (16 to 26%) ao US ao..

http://www.cnn.com/2015/04/02/living/pew-study-religion/index.html
-- In the coming decades, 106 million people are projected to leave Christianity. (46 million will convert to Christianity, offsetting the losses a little.)
-- Atheists, agnostics and religiously unaffiliated people will increase in the United States (from 16% to 26%) but decline as a share of the total worldwide population.
-- Also in the United States, Christians will drop from 78% to 66% of population...
5. Strong3 ( 16/04/2015 10:53)
rehefa ny sainao irery no mamakafaka ao dia mpaminany sandoka ny anaranao fa rehefa Atra no miteny aminao dia izao no atao hoe faminaniana marina.
6. rhaj0 ( 16/04/2015 13:29)
(bible definition) A prophet (nabi [ayib"n]) is one who receives a word from God

Ka ahoana..
- raha mi-"receives a word from God" izany ianao dia profeta ?? Ianao toa mitono-tena fa ampazahoany (matetika) mantsy..
- toa hotrhotrn'ny TSY profeta nefa ianao..
- Ka TSISY mi-"receives a word from God" izany satria ny profeta ihany no resahiny ?


An an... dia ifalio ao ny famaritana (miolikolika tsy coherent) ara-Baiboly-nao ao io, fa raha izaho k'lou dia any @ karazan-dry Ralarosy ihany aho no mijery..

prophecy = synonyms: divination, fortune-telling, crystal-gazing, prediction, second sight, prognostication, augury, soothsaying
divination = the practice of seeking knowledge of the future or the unknown by supernatural means


ka rahefa izay, dia izay manao "prediction" dia "prophet" daholo eee... :-)
7. rhaj0 ( 16/04/2015 15:06)
prophecy = synonyms: 1. divination, 2. fortune-telling, 3. crystal-gazing, 4. prediction, 5. second sight, 6. prognostication, 7. augury, 8. soothsaying

Dia sahala @ ilay famaritana ny "apostle" noresahina tato izany, dia misy karazany koa ny "prophet" eee... ka raha apostle #6 i Bor2lais ohatra, dia i Strong3 kosany prophet #7... manja an... :-)
8. rhaj0 ( 16/04/2015 22:16)
Rahefa mamerina mamaky ilay fikarohana ara-demografika (fa tsy hoe tsatok'adala na finoana/faniriana fotsiny...) nataon''i Pew io aho, dia mahita izany fa, any @ tany mandroso (US, Eoropa) dia mihena ny Mpino (efa ho 66% sisa ny ao US, ary efa saika tsy maro an'isa intsony any @ tany maro hafa, Australia, UK,..). Nefa kosa mitombo isa izy any @ tany mahantra.

Raha ny fahitako azy manokana, dia raha ara-demografika, dia io no fara-faharatsiny. Fa miaraka @ fihazakazahan'ny fahalalana sy fahalalahana eran-tany izao, miaraka @ teknolozia sy ny internety, dia "tsy mahantra", tsy hary-fahalalana sy fahalalahana intsony ireo "tany mahantra", ary dia ho maro noho izany ny ho TSY-mpino... Satria efa fantatra koa fa ny zenerasiO aty aoriana dia miha-TSY mino daholo..

Fa io k'lou izany dia hiaraha-mahita eo afaka 25 taona, r@ 2050 izany e... rahefa samy antitra eto isika, dia hita eo IZA ho'a no hihomehezan'ny ankizy...
. . .
9. Strong3 ( 17/04/2015 06:15)
hein.. dia hoe ny darosy no manana ny famaritana marina :p

ianao moa tsy mino hoe: miteny Atra , na amin'ny alalan'ny nofy na teny mivantana na fahitana...

Ka nefa ny firesahana amin'Atra ihany no mamaritra ny atao hoe faminaniana, fa raha misy olombelona tsy manana izay firesahana amin'i Atra izay dia ny zanak'atidohany ihany no mamoroporona ao hoe afaka 25 taona dia ho foana ny finoan'ny olombelona ny fisian'Atra.

10. RBNIR ( 17/04/2015 08:19)
Izao no hahafantarana raha faminaniana avy amin'i Jehovah ilay izy na tsia...« Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. » (Deot.18:22)

Raha avy amin'i Jehovah, tsy maintsy tanteraka......
11. matehotia981 ( 17/04/2015 08:24)

[quote=Strong3]
hein.. dia hoe ny darosy no manana ny famaritana marina :p

ianao moa tsy mino hoe: miteny Atra , na amin'ny alalan'ny nofy na teny mivantana na fahitana...

Ka nefa ny firesahana amin'Atra ihany no mamaritra ny atao hoe faminaniana, fa raha misy olombelona tsy manana izay firesahana amin'i Atra izay dia ny zanak'atidohany ihany no mamoroporona ao hoe afaka 25 taona dia ho foana ny finoan'ny olombelona ny fisian'Atra.


[/quot

Amin'izao andro izao dia tsy misy intsony izany faminaniana izany. Efa voalazan'ny baiboly daholo ny zavatra hitranga amin'ny hoavy
12. endriny ( 17/04/2015 08:27)
Taiza koa no nisy Atra miteny e... Aza mandainga ho'a... Raha miteny Atra vaky ny apongatsofinao... Izany dia fitaky ny menarana tsotra izao..
13. Strong3 ( 17/04/2015 10:17)
mazava be izany
14. rhaj0 ( 17/04/2015 19:29)
http://lmgtfy.com/?q=jesus+unfulfilled+prophecy
Mbo jerijereo ihany ho'a Ingahy Goo 'le Gila fa tsy hoe dia Ibebela foana, fa mety ahitan'ilay saina tia karokaroka sou ihany.. Ka @ ireo izany izao, dia hita fa na ilay hoe "izay voasoratra dia voasoratra" azany votsotra, fa toa "fanirian-doza" no be dia be avy t@ ilay "nanoratra" ny Baiboly (sasany)...

Fa na i Jesosy azany izany hono dia TSY nahaporofo ny fahamarinan'izay faminaniana sasany ao anaty Baiboly.. Izany hono, na raha ny fahazoako azy, no (isan'ny) TSY inoan'ny Jiosy sy ny Moslimo hoe, Jesosy no tena role @ity tany ity. (Ny Kristiana ihany no mino an'izany, na dia samy mino ilay A.tr'i Abrahama iombonanana azany ny J sy K ary M). Nefa raha izaho mba mijerijery k'lou, dia ny Jiosy no toa ho henoiko kokoa, satria ireto dia tena serieux be @ resaka Baiboly io, sady tena @ teny Jiosy koa moa ny orizinal ao (hono)...

Ka raha i Jesosy izany hananan'ny olona mpahay azy, na fotsiny olona sasany, na koa olona mpinobe, na hoe olona voafidy akoriny koa azany, koa raha Jesosy izany TSY nahahovoka (hono).. ka dia ... ny anao no be indrindra mino(mino) izao faminaniana (sasany) rehetra izao..
15. Strong3 ( 21/04/2015 07:52)
fa i JC izany hono naminany, ... tsy mitombina mihitsy ilay filazana hoe JC naminany
Hafatra IZY fa tsy mpitondra hafatra :-)

aza miteniteny foana hoa !!!
16. rhaj0 ( 21/04/2015 12:38)
ts'haiko aloha hoe ahoana no fazahoanao ny @ JC, fa raha ny fazahoako azy, dia nisy bevinany naminany taloha elabe, hoe, ho avy ilay mpamonjy ARY hanao an'izao sy izao. Dia hozy JC hoe, izaho 'le izy fa minou fotsy. Dia nino daholo tokoany izay te-hino azy, dia ny Kristiana izany. Nefa nisy t@ faminian'ilay bevinany taloha, kay hono tsy tanterak'i JC akoriny.

Izany no TSY hiankohofan'ny Jiosy sy ny Moslimo @ i JC. Dia eo zany nareo ao kouh... Ny hafa milaza hoe "tsy-tena-izy" io iankohofanareo io, fa mbola ho avy ny tena izy (izany hoe mpisandoka n'enareo, mpisavika faminanian'ilay olombe-bevinany-taloha).. nareo milaza hoe "izy-no-izy" ary ataon(a)y mamaivay nareo..

dia raha izaho k'lou, dia eo nareo rehetra ao zany kouh... izay ifanarahanareo ao.
[size=8](hi hi hi.. rahefa mifampikapokapoka @ poketra ao ihany nareo, dia jereo anie anaty Baibla fa hoz'izy hoe, asivo biriky anaty poketra fa hotsahotsan'ny...)[/size]
17. endriny ( 21/04/2015 16:05)
Ny Meteo aza maminany foana isan'andro: "toa izao indray no mety ho toetry ny androntsika amin'ity herinandro ity..."

Ny mpikirakira ny atontan'isa mahay maminany ny isan'ny mponina afaka 10 taona... Ny mpanao siansa afaka maminany ny mety hitranga raha mitohy ny hafanan'ny tany...

Ny sondazy afaka maminany ny hoe iza no handresy amin'ny fifidianana...
18. fidinirina ( 24/04/2015 04:59)
rhaj0:

ts'haiko aloha hoe ahoana no fazahoanao ny @ JC, fa raha ny fazahoako azy, dia nisy bevinany naminany taloha elabe, hoe, ho avy ilay mpamonjy ARY hanao an'izao sy izao. Dia hozy JC hoe, izaho 'le izy fa minou fotsy. Dia nino daholo tokoany izay te-hino azy, dia ny Kristiana izany. Nefa nisy t@ faminian'ilay bevinany taloha, kay hono tsy tanterak'i JC akoriny.

Izany no TSY hiankohofan'ny Jiosy sy ny Moslimo @ i JC. Dia eo zany nareo ao kouh... Ny hafa milaza hoe "tsy-tena-izy" io iankohofanareo io, fa mbola ho avy ny tena izy (izany hoe mpisandoka n'enareo, mpisavika faminanian'ilay olombe-bevinany-taloha).. nareo milaza hoe "izy-no-izy" ary ataon(a)y mamaivay nareo..

dia raha izaho k'lou, dia eo nareo rehetra ao zany kouh... izay ifanarahanareo ao.
[size=8](hi hi hi.. rahefa mifampikapokapoka @ poketra ao ihany nareo, dia jereo anie anaty Baibla fa hoz'izy hoe, asivo biriky anaty poketra fa hotsahotsan'ny...)[/size]


Mba soraty eto hoe azafady inona io faminaniana tsy tanteraka io ?? TSY MISY FAMINANIANA TSY HO TANTERAKA. (saingy tsy lavina fa misy ny mpaminany sandoka = Satana sy ny forongony)
Averiko foana ity teny ity : Andriamanitra mihitsy no hampangaina(re)o ho mpandainga ka tsy hanekenao izany lazainy rehetra. Ahoana no asahianao miteny (hitsaranao) fa bevinany ny mpaminany? Ary hoy aho hoe iza ary no manana ny fahamarinana. Andriamanitra irery ihany!
Ny faminaniana ny @ Jesoa Kristy dia efa voalazan'i Isaia tany @ taonjato 7 na 8 alohan'ny ahatongavany, saingy tsy nety nino ny olona.

Ny faminaniana ny ihavian'ny fara andro nosoratan'i Jaona ao @ Apokalypsy dia tsy maintsy ho avy ary be dia be ny fambara ahalalana fa efa manakaiky ny farany (Tsy ho lazaina aminao anefa ny daty [size=4]rhaj0[/size] sao hanao calcul eo indray hoe eto izany no tokony hibebaka - araraoty izao fotoana izao sao ho faty @ fahotanao ianao)
Galatiana 3 Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy [Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3] , tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, 3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, 4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra, 5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny
19. rhaj0 ( 24/04/2015 13:07)
Izaho k'lou tsy mahay Baiboly, fa izay mpandinika efa (nandany ny androny) any no sokiriko avy atsy @ google eee..
http://lmgtfy.com/?q=jesus+does+not+fulfill+prophecy
izay mitondra ny resaky ny Rabbi eto ohatra
http://www.aish.com/jw/s/48892792.html
na hafa koa
http://www.debunkingskeptics.com/DebunkingChristians/Page26.htm
na ny think tank kristiana
http://christianthinktank.com/falsechrist.html

Fa dia izay ifanarahanareo ao eeee...
... asivo biriky fotisny ny kopetra

20. Strong3 ( 27/04/2015 12:21)
hihihi ... ny baiboly aza tsy hinoanao kou maika fa i dadabe google sy wiki isak'izay mihetsika? dia hoe ny ao no marina na dia ovan'ny olona rhetra izao aza ny ao anatiny ao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2562