Faminaniana

21. rhaj0 ( 27/04/2015 12:59)
Hotry ny tsy mety ho azon'i Strong3 mihintsy ilay point de vue-n'ny TSY-Mpino. Raha manoratra hoe "mino" aho eto, dia ... sarcasme, na hoe, tsy te-hiady hevitra lava, ka dia aleo ampiasaina ilay lojikan'ny mpino, dia lazaina hoe "mino" aho, izany hoe, tsy mila adi-hevitra sy fanaporofoana fa tonga dia raiso @izay.

Fa ny tena izy, dia ny TSY-Mpino dia... "TSY mino". Ka raha heverinao fa "hino ny Baiboly" na hino ny google ny TSY-Mpino dia ... eeeeee... ny olona ho'a tsy hotr'anareo mpino daholo.

Ny google sy izay vokatry ny fanadihadian'ny olona rehetra, na eto @ interinety na any @ boky siantifika, dia raisina @ izay contexte eo, ary anaovana recoupement @ source independant, rahefa tena atao ny fandalinana.

Asa raha takatrao Strong3 hoe, inona izany, ary inona no maha-samy hafa @ izany @ fomba fi(s)ainan'ny Mpino (sy ny Baibl-ny). Dia ry Strong3 manantena foana ho'a fa hoe hohamarinin'ny Siansa io Baibl-ny io, na hoe io anaovan'ny Siansa recopment io... eeeee... ny fikarohana siantifika re ho'a dia tsy manome reference Baibl fa raha tsy izany dia tena hikakakakan'ny namany eeee :-)
22. Strong3 ( 28/04/2015 11:57)
Tsy misy hoe azo na tsy azo ilay tsymino...

fa ny mpikaroka dia manaporofo fa tsy nisy nanamboatra izany izao ttlo izao fa tonga hoazy, inona no nahatonga izany idée izany ??? tsy ny famakiana ny baiboly?

inona no vavan'ilay sovietika vao mba tafita nihoatra ny atimaosifera; TSY MISY ANDRIAMANITRA IZANY ANY AMBONY ANY ... soa fa rehefa niakatra fanindroany dia tsy tafaverina intsony hihihih mpanivativa lohatra

aleo atao hoe tsy ny siantista rehetra ary ny manao izany eh , fa ireo ngeza lahi ihany
23. rhaj0 ( 28/04/2015 13:14)
Ka hono ho'a indray.. io horohoron-tany ao Nepal io izao mba ahoana hoz'ianao Kristiana..

- Tena TSY nivavaka t@ A.try ny Kristiana ve rizareo tao, ka io mifafa ny kihony, voan'ny kapok'A.try ny Kristiana io ? efa ho 10.000 no maty ao hono kouh... raha tsy lehibe toa A.try ny Kristiana anefa toa tsy ahavita izany, sa ahoana ?

- Ary ngo dia tena tanatin'ny 'Faminaniana' ao anaty Baibl akoriny azany izy io, fa raolona moa tsy mamaky tsara ny Baibl, sy tsy mihaino tsara ny apostoly, dia tsy nahita, fa rehefa io voa io izao vao mipepapepa ?

- Tena mety inspiration, à la Noah, koa ve io, ka hoe, mila mamboatra sambofiara version beta indray koa ? Ka nisy nahare feo va re ny lohandohan'ny aminareo ao ?

- Ary mba aiza ilay fo Kristiana, mba nirotsaka manampy ao koa, sahala @ Croix Rouge ve, sa ny Kristiana tsy manao tsy afa-tsy @ olony ihany ?

24. RBNIR ( 28/04/2015 13:38)
rhaj0:

Ka hono ho'a indray.. io horohoron-tany ao Nepal io izao mba ahoana hoz'ianao Kristiana..

Faly misera namana,
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. » (Mat.24:4)
« Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. » (Mat.24:5)
« Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. » (Mat.24:6)
« Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. » (Mat.24:7)
« Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28] » (Mat.24:8)
Tafiditra ao anatin'ilay hoe fiandohan'ny fahoriana daholo izany namana......
Miandoha ny fahorian-tsika olom-belona (hoy Jesosy fa tsy izaho fa ianao otran'ny diso fandray...tenin'Andriamanitra daholo no entina eto ary tsy misy fihevitro eto na 1 aza....)

Hotahin'Andriamanitra anie isika rehetra....
25. fidinirina ( 28/04/2015 13:54)
Ito ndray fa miverina, tsy hoe rehefa misy zava-mitranga dia ampangaina ho Andriamanitra ny kristiana foana no fototra.

Fa maninona raha mba anontaniana ny siantista tsy mitsahatra andro aman'alina manimba ny tontolo iainana sy ny tany. Inona no mba hevitry ny mpikaroka mba hiarovana ny tany ankoatry ny famoronana fitaovam-piadiana, akora simika. Iza no nanimba ny "couche d'ozone", iza no nahatonga ny "rechauffement planetaire", iza no nandoro ny ala...

Ny olombelona ihany no mitady izay aharava ny tontolo iainany.

rhaj0:
efa ho 10.000 no maty ao hono kouh... raha tsy lehibe toa A.try ny Kristiana anefa toa tsy ahavita izany, sa ahoana ?

Fanontaniana: Firy moa r'se no maty t@ Bombe atomique tao Nagasaki sy Hiroshima, fa tsy tadidiko? Nagasaki & Hiroshima
Firy no maty t@ genocide tany Afrika?Genocide Rwanda
26. rhaj0 ( 28/04/2015 14:31)
RBNIR:
Tafiditra ao anatin'ilay hoe fiandohan'ny fahoriana daholo izany...

fidinirina:
Fa maninona raha mba anontaniana ny siantista ...

Raha nanara-baovao nareo, dia efa hozy ny siantista hoe, efa hita fa mihetsika ny couche ao ambany ao; ary izay nihetsehan'ny couches tao ambany tao efa an-tapitrisan-taonany inidrindra no isan'ny nampipongatra an'i Mount Everest io. efa fantatra fa hisy ny horohoron-tany, fa ny andro sy ora hipoahany no tsy (mbola hay ho) fantatra.

hi hi hi.. .tsisy ao anaty Baibl izany fa TSY takatry ny Baibl akoriny azany hoe, misy izany Nepal izany :-)

fidinirina:
Firy moa r'se no maty t@ Bombe ... Firy no maty t@ genocide...

Dia tsy nanainga ny hohon'ankihikeliny akoriny ve ny Atry ny Kristiana... satria ve TSY Kristiana ny Zapone (ary Kristiana ny bekintana nandaroka baomba), na koa ny Amerindiana (ary Kristiana ny espaniola nandriparipaka), na koa ny Rwandais sy Soudanais ? (fa ilay peuple elu atsy moyen orient tena mitombo vahana hatrany ?)
27. rhaj0 ( 28/04/2015 16:10)
Miresaka Rwandais i Fidinirina.. asa raha mba nanadihady tsara ny @ io tokoany ianao, fa ireto misy andininy notsongaina ampieritreritra anao.. mazotoa mange-tout @ finoanao ao..

http://en.wikipedia.org/wiki/Religion_in_Rwanda
When the Roman Catholic missionaries came to Rwanda in the late 1880s, they contributed to the "Hamitic" theory of race origins, which taught that the Tutsi were a superior race. The Church has been considered to have played a significant role in fomenting racial divisions between Hutu and Tutsi... both Catholic and Protestant churches helped to make the genocide possible by giving moral sanction to the killing.

Fa misy koa ny tsy hotr'ireo ambony ireo... dia i Immaculée ...

... Immaculée Ilibagiza, a Tutsi woman, describes hiding with seven other Tutsi women for 91 days in a bathroom in the house of Pastor Murinzi...



28. fidinirina ( 29/04/2015 09:53)
Ny fanontaniako niainga t@ hoe: Dia ny Andriamanitry ny Kristianina daholo ve no nahatonga n'ireo rehetra ireo ? Tsy asan-devoly ve? Fantaro fa na ny devoly aza manaiky ny fisian'Andriamanitra sy ny heriny.
Marka 1:23-27
23 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy olona teo amin’ ny synagogany, izay azon’ ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina hianao ka mivoaha aminy.
26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan’ ilay marary, dia niantso tamin’ ny feo mahery ka niala taminy.
27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.

Raha tsy nanainga ny tanany Andriamanitra hamonjy eo no ho eo (ohatr'izay angamba raha azoko no tiana(re)o ataony), voasoratra kosa fa hisy ny fitsarana ny olona rehetra araka ny zava-bitany, any am-parany any.
Hebreo 9:27-28
27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana, 28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ ota, amin’ izay miandry Azy, ho famonjena.

Mba jereo ao @ google ao koa ny "miracle"(famonjena) efa nataon'Andriamanitra teto @ izao tontolo izao. Lehibe indrindra @ ireny ny nanolorany ny Zanany Jesoa Kristy hamonjy ny olona rehetra izay mino sy mandray Azy.
29. rhaj0 ( 29/04/2015 11:36)
fidinirina:
Ny fanontaniako niainga t@ hoe: Dia ny Andriamanitry ny Kristianina daholo ve no nahatonga n'ireo rehetra ireo ? Tsy asan-devoly ve?

Ka fijerinay k'lou dia ny Devoly dia creation-n'ny... (A.try ny) Kristiana ihany. Ary ilay hoe Devoly azany dia sidekick-n'i Atra akoriny azany. Izany hoe, izay raha na action apetraka fa hoe ataon'ny Devoly, dia ny mba ahatsaratsara endrika ny raha na action ataon'A.try ny Kristiana. Ka dia solution facile, reponse facile, hitsin-dalana koa io rahefa mitady lojika ny mpanontany.

Koa na hoe, tsy manana pouvoir @ devoly sy izay ataony intsony azany i Atry ny Kristiana, dia ilay zava-bita ao koa izany tsy vitan'ny Atry ny Kristiana arenina. Dia nefa hoe omnipotence a omnipotence...

Sa moa planiNY daholo ihany izany rehetra izany... f'ianao koa dia mody ganga ao...
30. RBNIR ( 29/04/2015 12:15)
« Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny. » (Lio.13:1)
« Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy? » (Lio.13:2)
« Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. » (Lio.13:3)
Tsy miankina amin'ny hoe maham-pivavaka na tsia ny fiavian'ny loza....fa na dia mpivavaka aza ka tsy mibebaka dia mety ho tratran'ny loza mahatsiravina....

Vahaolana tokana : fibebahana (araka ilay tena takian'Andriamantra....)

IRETO IZAO MISY LOZA FITO FARANY VOALAZA FA HO AVY HANEHOAN'ANDRIAMANITRA NY FAHATEZERANY (raha tsy tianao ny ho tratran'izy ireny dia mibebaha ary MIANARA ATO......

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
31. rhaj0 ( 29/04/2015 12:46)
Ka ahoana azany ny finoanareo, na hoe ny ao @ imagination-nareo, @ io horohoron-tany io e...

- hoe, tena nakisak'ilay Devolin-doza avy tambany tany tao ilay pilaky tektonika, ary nihorohoro ny tany eraky Nepal... izay an?

- dia i Omnipotent koa @ io mba efa mahita azy mialoha tsara eo ihany, dia tsy maninon-tsy maninona fa avelany hikisaka io tokoany ity pilaky tekitonika... fa ahoana kosany aza ? Malemy angaha i Omnipotent ka tsy maha-tohitra an'ilay Devolin-doza ?

- Sa indray hoe, hozy Omnipotent hoe, avelao hikisaka ao ny pilaky, dia avelao ho faty ao ny 10,000 Nepalezy... raha tsy izany tsy mibebaka i RBNIR atsy Madagasikara...

ntsss... ahoana koa no etezan'izany... dia nefa dia minobe ao tokoany nareo... aoka ho'a...
32. RBNIR ( 29/04/2015 13:02)
rhaj0:

- Sa indray hoe, hozy Omnipotent hoe, avelao hikisaka ao ny pilaky, dia avelao ho faty ao ny 10,000 Nepalezy... raha tsy izany tsy mibebaka i RBNIR atsy Madagasikara...

Marina io ry namana....« ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,- » (2 Pet.2:6)....
33. rhaj0 ( 29/04/2015 13:54)
mba maka recul mandini-tena sy mijery obzektivema ny seho io kosany ve ianao io ry RBNIR, sa dia tena roboka lalina ao @ nombril-nao ao ka tsy mahita intsony ? aiza ve nama koa...

rhaj0:
Sa indray hoe (..) avelao ho faty ao ny 10,000 Nepalezy... raha tsy izany tsy mibebaka i RBNIR atsy Madagasikara...
RBNIR:
Marina io ry namana...


Dia ianao (sy ilay apostolinao ao) izany no anaovana sorona @ ireo 10.000 Nepalezy.. Nefa toa TSY Kristiana hotr'anao akoriny anie zareo ireo..
34. RBNIR ( 29/04/2015 13:57)
rhaj0:

mba maka recul mandini-tena sy mijery obzektivema ny seho io kosany ve ianao io ry RBNIR, sa dia tena roboka lalina ao @ nombril-nao ao ka tsy mahita intsony ? aiza ve nama koa...

rhaj0:
Sa indray hoe (..) avelao ho faty ao ny 10,000 Nepalezy... raha tsy izany tsy mibebaka i RBNIR atsy Madagasikara...
RBNIR:
Marina io ry namana...


Dia ianao (sy ilay apostolinao ao) izany no anaovana sorona @ ireo 10.000 Nepalezy.. Nefa toa TSY Kristiana hotr'anao akoriny anie zareo ireo..

Tsy ho anay irery, fa raha mety ianao dia mba ho isan'ireo handray hanatra ihany koa...
35. rhaj0 ( 29/04/2015 14:02)
ieeee... dia rahefa maty koa ny olon-tianao na ny hava-malalanao ao, dia ho asian'ny namanao Kristiana koa ianao hoe, ieee... ho fanairana an'ireo Jiolahim-boto mpandrava hefa namono ireo flamants rose na nandripaka ny bois de rose mba hibebaka ny anton'izany... okay.
36. RBNIR ( 29/04/2015 14:07)

rhaj0:

ieeee... dia rahefa maty koa ny olon-tianao na ny hava-malalanao ao, dia ho asian'ny namanao Kristiana koa ianao hoe, ieee... ho fanairana an'ireo Jiolahim-boto mpandrava hefa namono ireo flamants rose na nandripaka ny bois de rose mba hibebaka ny anton'izany... okay.

Tsy tokony hafangaro : ny fahafatesana tsy maintsy hitranga amin'ny zanak'olombelona fa ny loza kosa azo andosirana amin'ny alalan'ny fibebehana......
37. rhaj0 ( 29/04/2015 14:19)
Dia izay tsy voan'ilay horohoron-tany teo izany dia olo nahay, arak'ilay filazan'i RBNIR azy, hoe, nahay ny "andosirana amin'ny alalan'ny fibebehana".. Fa ireo voa ary maty tao, ireo 10.000 Nepalezy, dia ... satria, arak'ilay tandra vadi-koditra hoe, nanota ?!

Dia efa hoe hoa ho'a hoe, TSY Kristiana ho'a ireo Nepalezy ireo, ary TSY mahalala ny A.tra ivavahanao ao io akoriny zareo... Ka hibebaka amin'A.tra TSY fantany ve ny olona eee ???

Sa izay tsy fahafantarany ilay A.try ny Kristiana izay indrindra no nahafaty an-dreo ?

ka dia mila miasa mafy izany ny A.try ny Kristiana fa efa ho 1 milliards ny Sinoa ary 1 milliards koa ny Karana TSY mahalala AZY...

38. RBNIR ( 29/04/2015 14:22)
tsy mahalala sa minia tsy mahalala, i rhajo koa v dia azo lazaina hoe tsy mbola mahalala ihany?....
39. RBNIR ( 29/04/2015 14:46)
Andriamanitra dia marina ary tsy mba manao am-pitaka...
« Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. » (Amosa.3:7)

Efa niala nenina mafy Izy matoa mikapoka......

« Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo! » (Lio.13:34)

Raha tsy diso ny fitadidiako sady nitomany i Jesosy no niteny an'io teny io......
40. rhaj0 ( 29/04/2015 16:38)
rhaj0:
ka dia mila miasa mafy izany ny A.try ny Kristiana fa efa ho 1 milliards ny Sinoa ary 1 milliards koa ny Karana TSY mahalala AZY...
RBNIR:
tsy mahalala sa minia tsy mahalala

Ka ahoana no fahitanao azy? Na ahoana hozy ny Apostolinao ao?

Raha ny ao Nepal izao dia hozy wiki hoe
According to the 2011 census, 84.2% of the Nepalese population was Hindu, 9.0% was Buddhist, 4.4% was Muslim, 3.0% was Kirant/Yumaist, 1.42% was Christian, and 0.9% follow other religions or no religion.

Ka hoy iana(re)o izany hoe, efa misy Kristiana 1,42% tao, fa ilay ambiny 98% mbola "minia TSY mahalala" ilay Atry ny Kristiana ihany, ka izay no niafarany, maty ripaky ny horohoron-tany, araky ny planin'ny A.try ny Kristiana ?

RBNIR:
Efa niala nenina mafy Izy matoa mikapoka......

Ka dia arak'i RBNIR io izany, dia i Atra (an'ny Kristiana) no "nikapoka" ka nahafaty an'ireo Nepalezy 10,000... okay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4401