FIAINAN-TSI-HITA

1. RBNIR ( 12/02/2015 16:48)
Ry namana isany, betska ny zavatra nafenina an-tsika hatramin'izay, satria ny tanjon'ny devoly dia ny hahavery ny taranak'olombelona rehetra...

Nafenina tamin-tsika ny fisian'izany atao hoe "Fiainan-tsi-hita" izany (helo na koa toerana fanomboan'ny fijalian'ireo olona rehetra izay tsy ho voavonjy)
Tsy Afobe akory io fiainan-tsi-hita io fa mbola santatra ambavarano ihany (karazana mandat dépot na koa hoe violon ngamba no marimarina kokoa)

Misy marina v io toeram-pijaliana io?

Hoy ny fitantaran'i JEsosy fony izy tonga tety an-tany 2000 taona lasa izay :

« Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; » (Lio.16:22)
« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lio.16:23)
« Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity. » (Lio.16:24)

1- Tena misy ilay fiainan-tsi-hita
2- fadiranovana izay lasa any...
3- misy lelafo any....

Aiza marina no misy azy io :
« Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo. » (Nom.16:30)
« Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny; » (Nom.16:31)
« eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra. » (Nom.16:32)

Ireo lehilahy ireo dia ireo izay anisan'ny nanohitra an'i Mosesy ilay mpanompon'Andriamnitra Avo indrindra fahiny,

Mnoa an'i JEsosy ry namana isany, ny antony niaviany tety an-tany dia ny hanambara ny Marina rehetra....« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

Tena misy ny fiainan-tsi-hita ......MATAHORA AN'ANDRIAMANITRA!!!!! OMEO VONINAHITRA ILAY AVO INDRINDRA!!!!! TANTERAHO NY SITRAPONY REHETRA!!!!!!



Samia ho tahin'ny Tompo namana.......
novalian'i RBNIR ny 02/03/2015 22:56
2. endriny ( 12/02/2015 17:05)
Ilay lohateny izany FIAINAN-TSI-HITA, kanefa ilay izy toa vita video tany Siberia. Dia hita izany ilay izy dia tokony tsy inoana intsony ve, satria efa voaporofo?

Ho an'ny Japoney sy ny Italianina ary ny Hawaiian dia Andriamanitra ny volokano

Fa izao no ambarako aminao, raha tsy misy ireo ranom-bolokano ao ambanin'ny tany ireo dia efa tsy nisy zavatra afaka niaina teto amin'ity tany ity. Fa tsy hoe io no atao hoe helo ho an'ny mpanota.

Raha tianao ny handala ny finoana kristianina dia ianaro aloha ny niaviany ay ny fomban'ilay tany niaviany.
3. Tefigasy ( 12/02/2015 20:01)
Torohevitra kely fotsiny: raha te handalina ny fiainana aorian'ny fahafatesana ianao dia ny baiboly @ dikateny orizinaly ampiasaina (hebreo : TT sy grika: TV). Na farafaharatsiny mampiasa baiboly @ dikateny hafa. Ny antony dia satria @ baiboly dika-teny malagasy dia fiaina-tsy hita ihany no etiny andikana ny toerana tsy hay sy maizimaizina rehetra! Hafahafa sy mazava kokoa anefa raha hoe sheol na hades na ....no ampiasaina
Farany, apetraho tsara ao anaty vanim-potoana ilay izy!
4. RBNIR ( 13/02/2015 05:34)
« Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao. » (Lio.10:15)
5. RBNIR ( 13/02/2015 05:44)
1- Misy olona lasa marina v any amin'io fiainan-tsi-hita io?

« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apok.20:13)

2- Ahoana no hiafaran'io fiainan-tsihita io?

« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.  » (Apok.20:14)

Hatsipy any amin'ilay atao hoe farihi afo na Afobe ny hiafaran'io fiainan-tsi-hita (helo) io...

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
6. Strong3 ( 13/02/2015 07:39)

Tefigasy:

Torohevitra kely fotsiny: raha te handalina ny fiainana aorian'ny fahafatesana ianao dia ny baiboly @ dikateny orizinaly ampiasaina (hebreo : TT sy grika: TV). Na farafaharatsiny mampiasa baiboly @ dikateny hafa. Ny antony dia satria @ baiboly dika-teny malagasy dia fiaina-tsy hita ihany no etiny andikana ny toerana tsy hay sy maizimaizina rehetra! Hafahafa sy mazava kokoa anefa raha hoe sheol na hades na ....no ampiasaina
Farany, apetraho tsara ao anaty vanim-potoana ilay izy!



Fahamarinana io
7. endriny ( 13/02/2015 13:04)
Izaho moa tsy mino izany helo izany satria, fomba fampitahorana ny olona fanaon'ny Israelita taloha io. Ary taloha rehefa olona nanao rats tamin'ny Israelita dia tsy nalevina raha maty fa nodorana...

Fa rehefa taty aoriana dia lasa fomba fiteny ilay hoe dorana any amin'ny afobe.... Dia niova ka lasa finoana ny hoe any amin'ny afobe ny fanahinao raha manao ratsy ianao?

Fa raha ny boky no itokiana dia betsaka ihany koa ange ny boky azo vakiana ohatran'ny hoe TARZAN, MOGLI, dia ireny koa azo itokiana e...

Fa io fampitahorana no marina, hany ka ny mpitondra fivavahana sasany milaza aminao mihintsy fa "raha nisy fahotana nataonao dia teninao amin'ilay mpitondra fivavahana fotsiny mandritr'ilay atao hoe Kaonfesy" dia afaka....

Kay isaky ny mikonfesy ianao dia ataon-dry moperna any amin'ny Data Base ny heloka nataonao mba anaovany Strategy vaovao amaritana ireo harato vaovao sao mitsaoka ny trondo..

Enga anie aho ho lanin'ny kankana rehefa maty ka hanome hery vaovao indray ireo mbola miaina na biby na hazo na mikraoba...
8. booboo ( 14/02/2015 11:57)
(Enga anie aho ho lanin'ny kankana rehefa maty ka hanome hery vaovao indray ireo mbola miaina na biby na hazo na mikraoba...). +1, io ny ahy no lazaiko @ zanako hoe mankaiza rehefa gli, E.T mihitsy izy @ namany :-D :-D:-D.
9. Strong3 ( 16/02/2015 06:42)
oh ry zareo ôh!..

fa nga ny israely ihany no mino ity afo be ity eh? __ ny mythe Grika izay efa talohan'i JC nga tsy mba efa novakiana?
izay ilay lazaiko hoe : velaro tsara ny fizarana eto fa aza faly hanohitra fotsiny fa tsy misy soa azontsika eto raha toa ka ; toa irony olona miady antsena irony fotsiny isika.

10. rhaj0 ( 16/02/2015 12:19)
hi hi hi... samy manana ny afobe-ny ao @ imagination-ny ao tokoany re ry Strong3 a... Dia rahefa mampiady imagiination "ianareo" (samy mpino), dia hoe..

:-) ialahy ry Strong3, ato @ imagination-ko aty, ka mijafajafa ao anaty rano mangotraka fa TSY mino ny Allah-nay an... (hoz'ilay moslimo)
;-) ialahy ry moslimo, ato @ imagination-ko ato, ka mijafajafa ao anaty la cheminee fa TSY mino ny Atr'i Israelinay an ... (hoz'i Strong3)

Ka mitovy ihany re izany e... Mety hoe samy tao @ ilay vilanibe misy rano mangotraka ianareo mitsamy, fa ilay moslimo izany nakipak'i Strong3 dia latsaka tany ivelany ...
11. Strong3 ( 16/02/2015 13:13)
:p mah...!

sanatria raha misy mitovy lasitra hihihih

ny zavatra mbola tsy hita tsy mba itopoan-teny fantatra lohatra... ny boky no manambara azy fa mbola ho vohaina izy io ka eo isika mahita izy. finoana izany
12. endriny ( 16/02/2015 13:54)
Iza taminareo no efa nahita ny fiainan-tsy hita?

Fa ilay izy moa araka ny efa nambarako varotr'omby anaty ambiaty.

Ary nisy mpanjaka vavy iray izay nitaona ny olona sy ny firenena tao aminy, (tamin'izany mbola tsy misy tekinaolaojia, sns) mba hisitaka tamin'ny finoan-dehibe iray. Nahatsapa ilay mpanjaka efa tamin'izany a, fa bizna fotsiny ity finoana ity, ka hoy izy: "Raha samy fitadiavana ihany, dia aleo isika hamorona ny antsika". 12 taona mahery izy niady sy nifanaritaka tamin'ilay Vetikanina. Nalefa daholo na mpitsikilo na mpamono antsokosoko... fa eee... Mba nanana ny lohany sy ny hazon-damosiny koa izy...

Dia io moa anjaran'ny tsirairay no mandinika e
13. rhaj0 ( 16/02/2015 15:51)
non.. ahitsiko kely fa izao ilay izy... samy nilatsaka avy tany an-danitra, dia tafatsoropaka tanaty la cheminee i Strong3 sy ilay Moslimo ... dia i Strong3 latsaka tanatin'ilay vilany misy rano mangotraka.. fa ilay Moslimi dila kely, (500 taona taty aoriana i Mahomet io), dia latsaka tanaty afo(be)..

Dia mifampitazana avy @ samy misy azy izy mitsamy. Dia raikitra ny mifamantsy..

:-) ialahy ry Strong3, ato @ imagination-ko aty, ka mijafajafa ao anaty rano mangotraka fa TSY mino ny Allah-nay an... (hoz'ilay moslimo)
;-) ialahy ry moslimo, ato @ imagination-ko ato, ka mijafajafa ao anaty la cheminee fa TSY mino ny Atr'i Israelinay an ... (hoz'i Strong3)
14. sitlo ( 16/02/2015 19:34)
Ny olona dia anisan'ny zava-manan'aina. Ary vokatr'izany dia miaro ny ainy, tsy te ho faty ary matahotra ny ho faty. Izany no mahatonga ny omby mandositra rehefa misy liona. Izany no mahatonga ny fanday any amerika miova foana ny ADN-ny na dia ezahan'ny amerikanina mpanao OGM hofongorana aza.
Vokatry ny habehan'ny atidohan'ny olona dia nahay nampiasa fitaovana izy ka afaka nitifitra vorona. Namboatra trano iarovana amin'ny biby masika rehefa matory sns.
Ary vokatr'izany dia vitsy sisa no olona matin'ny zava-boahary.

Saingy vokatr'io sainy io ihany dia fantany fa ho faty ihany izy na inona na inona ataony. Tahaka ny fihodinan'ny fiainan'ny zava-manan'aina rehetra ihany. Teo dia teraka ny tahony ka dia namorona zavatra izy handaminany ny sainy. Dia ny hoe "tsy ho faty tsy akory ianao" sy ny "hanana ny fiainana mandrak'izay," sy ny "fiainan-tsy hita"... Raha ny baiboly fotsiny io fa ny finoana ankohatra izay mbola manginy fotsiny.

Ka io afaka mamorona daholo izay te hamorona rehefa izay no mampilamina ny sainao. Ny tsy mety fotsiny dia ny fanambaniana ny hafa tsy mino ny zavatra noforoninao na nekenao.
15. endriny ( 17/02/2015 06:18)
Ka ilay olom-belona kosa ange manam-panahy eh sy manan-tsaina dia ahoana aza no hitovy amin'ny biby sy ny kankana? ihihihiihih
16. Strong3 ( 17/02/2015 06:57)
hi!..

Boky firy no hitan'ny arkiôlôgy izay tranainy indrindra?
mba nisy tranainy noho ny baiboly ve?
ary ireo rakitrin'ny ela tao amin'ny tanin'israely moa tsy milaza ny zavatra tena nisy ve izy ireny. sa nandainga ny kaldéana sy ny babyloniana mba nirakitra izany... ary ireo anaratanana noforon'ny israeliana araka ny baiboly nahoana no mbola eny amin'ireny tanana ireny ankehitriny.
fa izy io izany rehefa ATAHORANAREO NY ZAVATRA SORATAN'NY BAIBOLY de ezahianareo itsoahana izay zava-misy ao. de io lazain'i stilo io eh...

___ efa nambarako tatsy amin'ny lohahevitra noentiko fa boky samy hafa 66 no navondrona ho baiboly iray. vanimpotoana samy hafa toerana samy hafa, mpanoratra samy hafa ... NEFA MITANTARA ZAVATRA IRAY mitohy ary manondro zavatra iray ; toa izao izany
1/ tandindona :
°a _« [Ny nanotan'i Adama sy Eva, sy izay nataon'Andriamanitra taminy] Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha? » (Genesisy 3:1)
« Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo; » (Genesisy 3:4)
« fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy. » (Genesisy 3:5)
b° _« Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy. » (Genesisy 3:21)
°d _« [Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: » (Eksodosy 12:1)

2/ varavaran'ny fahatanterahana
a°« ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] » (Matio 1:21)
b°« Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika] » (Matio 4:1)
« Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. » (Matio 4:2)
« Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. » (Matio 4:3)
« Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). » (Matio 4:4)
« Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, » (Matio 4:5)
« dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Matio 4:6)
« Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Matio 4:7)
« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Matio 4:8)
« dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. » (Matio 4:9)
« Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). » (Matio 4:10)
« Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. » (Matio 4:11)
d° _« Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana. » (Matio 26:2)
« Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa. » (Matio 26:3)
« Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy; » (Matio 26:4)
« Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra. » (Matio 26:63)
e° _« Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena. » (Jaona 18:14)
f° _« Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. » (Lioka 22:20)
« Ary rehefa afaka izany, dia fantatr'i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin'izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho. » (Jaona 19:28)
« Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. » (Jaona 19:30)


3/ fahatanterahana:
a° _« Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. » (Apokalypsy 12:10)
b° _« Ary nangoniny ho any amin'ny tany atao amin'ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny. » (Apokalypsy 16:16)
« Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita. » (Apokalypsy 16:17)
« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apokalypsy 16:18)
« Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany. » (Apokalypsy 16:19)
« Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. » (Apokalypsy 16:20)
« Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany. » (Apokalypsy 16:21)
d° _« Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy » (Apokalypsy 22:3)
« ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny. » (Apokalypsy 22:4)
« Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. » (Apokalypsy 22:5)
« [Teny farany] Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. » (Apokalypsy 22:6)
« Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity. » (Apokalypsy 22:7)
« Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. » (Apokalypsy 22:11)
« Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany. » (Apokalypsy 22:12)
« Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. » (Apokalypsy 22:13)
« Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna. » (Apokalypsy 22:14)
« Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. » (Apokalypsy 22:15)

e°_ « Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. » (Apokalypsy 22:13)
« Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. » (Apokalypsy 22:17)
« Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo! » (Apokalypsy 22:20)
« Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy* Tompo. Amena. [* Na: (Jesosy Kristy)] » (Apokalypsy 22:21)

Vanimpotoana mifanalavitra, toerana samy hafa ary olona samy hafa ireo mpanoratra ireo nefa dia tokana no IVONY __ hiverina ao amin'Atra ny olona MINO SY MANAIKY AZY , izay nolaviny fahiny Gen 6:3 ka tonga olony ireo MPAKATO araka ny bokin'ny Apokalipsy: « Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (Apokalypsy 21:3)
« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apokalypsy 21:4)
« Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. » (Apokalypsy 21:5)
« Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta. » (Apokalypsy 21:6)
« Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. » (Apokalypsy 21:7)


SAMBATRA IZAY MINO NEFA TSY MAHITA ..! manandrama aloha mitsapa ny Heriny eh :-)
17. gasy1zay ( 17/02/2015 15:05)
Ny mampalahelo dia tsy sahy manandrana ireto namantsika ireto satria ...Izy no mahalala ny antony fa raha fahitako azy (mety ho diso aho an!) misy zavatra na fomba fiainana tsy tian'zareo ialana ao satria raha manaiky izy fa misy Andriamanitra dia tsy maintsy miova famindra raha te ho voavonjy koa. Tsy mbola vonona ny hiova izy dia aleony aloha mijoro amin'ilay hoe anaty imagination'ny mino izany Andriamanitra izany fa tsy afaka mikitikitika ny fiainany.

Raha olona te hahalala marina hoe misy ve Andriamanitra sa tsia dia zavatra tsotra kely ny ataonao, mivavaka ianao hoe raha misy ianao Andriamanitra dia omeo famantarana aho mba hinoako dia ho hitanao hoe misy mihaino ve sa tsia, misy zavatra mitranga ve sa tsia, raha misy dia misy izy tsy misy dia afaka milaza ianao hoe tsy misy izy, matoa tsy sahy manao izay dingana izay ianao dia tsy mbola te hahafantatra ny valiny na efa mahalala ihany fa tsy te hanaiky na mody tsy mahalala :)

18. rhaj0 ( 17/02/2015 15:15)
gasy1zay:
Ny mampalahelo dia tsy sahy manandrana ireto namantsika ireto..

o ry Gasy1zay a... raha anontaniana toa izany koa moa ireo Siantista mameno ny 72%-n'ny Oniversity amerikana ka TSY mino ireo, na koa ohatra h@ Einstein ?

Ny ankabeazan'ireo olona TSY-mino ireo anie ry Gasy1zay dia notaizana kristiana e.. mahalala tsara ny finaona kristiana (sy hafa) izy... fa avy eo dia ... "mitombo fahalalana" moa hoz'i Strong3 azy izay, ary io "niala" io... ka tianao hanandra inona indray ?

(hotry ny hoe... "handramo inoana indray i Tatape Noely fa ho hitanao fa ahazo kilalao manjabe ianao rahefa hendry"... aoka ho'a...)
19. gasy1zay ( 17/02/2015 15:26)

rhaj0:

gasy1zay:
Ny mampalahelo dia tsy sahy manandrana ireto namantsika ireto..

o ry Gasy1zay a... raha anontaniana toa izany koa moa ireo Siantista mameno ny 72%-n'ny Oniversity amerikana ka TSY mino ireo, na koa ohatra h@ Einstein ?

Ny ankabeazan'ireo olona TSY-mino ireo anie ry Gasy1zay dia notaizana kristiana e.. mahalala tsara ny finaona kristiana (sy hafa) izy... fa avy eo dia ... "mitombo fahalalana" moa hoz'i Strong3 azy izay, ary io "niala" io... ka tianao hanandra inona indray ?

(hotry ny hoe... "handramo inoana indray i Tatape Noely fa ho hitanao fa ahazo kilalao manjabe ianao rahefa hendry"... aoka ho'a...)


Inona ary ny fahalalana azonao na azon'ireo siantista ka afaka hitenenany hoe tsy misy Andriamanitra e! I dadabenoely efa fantatra satria ny Ray amandreninao mintsy no niaiky fa ry zareo ihany no nametraka ilay fanomezana, fa mikasika an'Andriamanitra inona ny fahalalana azonao hilazanao hoe tsy misy Andriamanitra?
20. sitlo ( 17/02/2015 15:49)
Aza avadika ny resaka ary aza mifanondro ratsan-tanana fa ady hevitra aseho ry gasy1zay.
Matoa tsy novaliako ny resaka boky 66 tatsy ry Strong3 dia tsy nilaiko loatra ny namaly azy, sady lava loatra. Dia mbola atao spam copie coller eto koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2977