FIAINAN-TSI-HITA

21. gasy1zay ( 17/02/2015 16:34)

sitlo:

Aza avadika ny resaka ary aza mifanondro ratsan-tanana fa ady hevitra aseho ry gasy1zay.
Matoa tsy novaliako ny resaka boky 66 tatsy ry Strong3 dia tsy nilaiko loatra ny namaly azy, sady lava loatra. Dia mbola atao spam copie coller eto koa.

Zavatra tsy misaraka izany fa raha misy Andriamanitra araky ny voalazan'ny baiboly io dia mazava hoazy fa marina izany ny baiboly manambara azy, koa raha marina ny baiboly dia misy izany ny fiainan-tsy hita araky ny baiboly dia ny paradisa sy ny helo.

Izaho manambara aminareo tsy mino na misalasala fa misy ny fianantsy hita satria misy Andriamanitra ary afaka manao io expérience @ alalan'ny vavaka io ianao(reo) raha te hahita na hahatsapa ny fisiany. Sarotra ho anao ny hino ny fiainan-tsy hita raha tsy mino an'Andriamanitra ianao ka izay no ambarako hoe tadiavo aloha Andriamanitra dia manaraka ho azy ny ambiny.
22. rhaj0 ( 17/02/2015 16:38)
gasy1zay:
Inona ary ny fahalalana azonao na azon'ireo siantista ka afaka hitenenany hoe tsy misy Andriamanitra

Farafahakelin k'lou dia ireo "tantara" ao anaty Baiboly, dia hita mazava fa dia mifanipaka @ izay fahalalana efa nohadihadiana/noporofoina h@ izao.

Rahefa mitombo fahalalana "ara-siansa" ianao, ka tsy mamatotra ny sainao @ Baiboly, dia ahita ny "absurditEs" aman-taoniny ao.

ka tena tsy mety @ saina (zatra mandinika) ilay ataonao hoe... "ivereno andramo indray ilay [size=2]a b s u r d i t E[/size] fa hahazo famantarana ianao"
23. sitlo ( 17/02/2015 17:11)
gasy1zay> Maro ny olona niala tamin'ny finoana kristianina. Ary rehefa mametraka ny izany ho tohan-kevitra ny olona dia avo vava avy any ny hoe kristianina milaza fa "tsy mbola kristianina mihitsy ireny teo amin'ny androm-pianinany" matoa niala. Lasa fifanondrona sisa ilay izy hoe izahay no tena izy fa ianareo tsy izy. Ka ianao eto miteny hoe "manandrama", fa matoa "tsy mahasahy" dia matahotra. Tsy tianao tenenina ny hoe "matahotra ny hiala amin'ny ratsy fanao". Eo no teneniko hoe aza mifanondro. Tsy hoe tsy mino ny baiboly sy ny noforonina ao anatiny akory dia mpanao ratsy.
Tsy porofo velively mihitsy ny lazainao fa misy ny fiainan-tsi-hita. Fa fanondroana ny olona tsy mino ho mpanao ratsy fotsiny.
24. gasy1zay ( 17/02/2015 18:29)

Tena efa voasoratra ao @ baiboly mintsy ny hoe any aoriana any misy ny hihemotra, izany hoe efa tena kristianina no niala, ny antony no mety tsy mitovy, i Darwin hono izao vao maty ny zanany vavy dia hoy izy hoe tsy misy Andriamanitra, ny an'ny sasany tsy haiko fa mety hoe nisy tranga teo @ fiainany nampihemotra azy, izaho aloha dia miaiky fa tsy mora ny fiainana kristianina satria misy foana ny manakiana anao, misy manozongozona ny finoanao, misy fitsapana, misy ny fakam-panahy sns sns... fa rehefa mijoro ianao dia hitanao ny herin'andriamanitra miasa @ fiainanao dia miaiky ianao hoe tena hafa mintsy ny mivavaka.

Raha efa kristianina enao no niala dia safidinao izany fa tsy misy manery olona hivavaka izany fa tsy sitrak'Andriamanitra izany. Tsy afaka hanaporofo anao ny fisian'ny fiainan-tsy hita aho fa io resaka finoana daoly, fa haveriko hoe raha mamaly vavaka Andriamanitra dia misy izy, raha misy Andriamanitra dia misy koa ilay fianan-tsy hita nambarany, tsy misy option 2 possibles ny @ izany ry sitlo fa tena tsotra be :

Option 1: Misy Andriamanitra dia misy ny fianan-tsy hita nambarany
Option 2: Tsy misy Andriamanitra dia tsy misy ny fiainan-tsy hita nambarany

Ka dia ianao no misafidy izay hinoanao, izahay manambara ny zavatra tsapanay teo @ fiainanay, mba hizara aminareo ny fahasoavana azonay, raha tsy nahasoa anao moa ilay izy tsy afaka ny hanery izahay.

25. sitlo ( 17/02/2015 18:46)
Nahoana no hoe "mihemotra" ny miala amin'ny finoana kristianina? Tokony koa hoe "mandroso".
Ilay izy koa angamba tsy dia misy idiran'ny hoe "fahasoavana azonareo". Fa resaka fiain-tsi-hita.

Izay dinika mivoaka rehetra dia "mivavaha fa amin'izay ohatran'an'ahy", za mahalala fa tsy hiteny fa raha te hahalala ohatran'an'ahy dia mivavaha, sa matahotra sns.
26. gasy1zay ( 17/02/2015 19:50)

"Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny." Mety nahita tompo hafa ve izany ianao matoa nihemotra t@ fanarahana an'i Jesoa Kristy, tsy haiko fa ianao mahalala ny valiny.

Efa navaliko anao anie ny momba ny fiainan-tsy hita fa tsy nafeniko akory e! efa nambarako hoe mino ny fisian'ny fianan-tsy hita aho toy ny finoako hoe misy Andriamanitra ary mamaly vavaka izy, mino ny fitsanganan'ny tena @ maty aho, ny fiainana mandrakizay, ny afobe saingy tsy afaka ny hanaporofo aho na hijoro vavolombelona hoe efa tany na hoe ny masoko mintsy no nahita, mino aho satria resy lahatra ny amin'ny fisian'Andriamanitra, mino aho satria resy lahatra fa marina ny voalazan'ny baiboly.

Raha hilaza i sitlo hoe boky nosoratana fotsiny ny baiboly dia mba andramo indray ento ny baiboly iray dia ento any amin'ireny mpilalao ody ireny dia vakio rehefa izy miantso ny masina(ny) iny dia ho hitanao ny heriny :)
27. sitlo ( 17/02/2015 20:09)
Adinoko marina fa ny baiboly dia mankalaza ny resaka fanompoana ka izaho aza lazainy fa nahita tompo hafa. Tsy dia hivakiko loha loatra.

Raha ilay hoe izaho "mino" bla bla sy mino bla bla indray dia tsy ianao manokana no raharahiko fa ny zavatra lazainao momba ny fiainan-tsi-hita. Fa fantatro fa hanao copie coller baiboly eto indray ka dia aleo ijanona.

Raha resaka mitondra baiboly amin'ny mpilalao ody indray dia ialako tsiny aminao fa tsy dia mampiady olona loatra aho. Fa raha ohatra ianao ka hifampiseho tahaka ny nataon'ny misionera nanota fadin'ny malagasy fahiny dia afaka mifanao fotoana isika handoro baiboly dia jerena raha tsy taratasy nivoaka tamin'ny imprimante ihany iny.

Noho izany ny resaka ideologie ao anatiny no ilaina. Raha misy mpanoko sikidy eo milaza hoe aza hanina io akoho io (nefa fantany fa efa io sisa no mba an'ilay olona), dia eo indray misy kristianina tsy miraharaha izany fa ny hanohitra ilay mpanoko sikidy fotsiny. Dia aleoko manohana an'ilay mpanoko sikidy. Maro ny tsara tsy fambara hono, fa ny an'ny kristianina dia izay takatry ny baiboly kely eo ihany no asesiny. Aminy izay simba vokatr'izany dia vokatry ny fahalovana avokoa fa mbola hisy paradisa milay be avy eo.

Kristianina moa Rajoelina sa tsia? Raha tsy diso aho tena nihaona tamin'ny Papa mihitsy izy. Fa eny e, feno ala bois de rose any an-danitra fa simbaina daholo aloha ny tontolo iainana fa mpanjakan'ny zava-boahary hoy ny baiboly.

Fa araka ny mahazatra e, izay kristianina voakiana dia lazain'ny kristianina sasany fa tsy tena kristianina ireny. Efa nambarako teo angamba i Diego Diaz, misionera portugais izay eropeanina tonga voalohany teto Madagasikara.
28. gasy1zay ( 17/02/2015 20:31)

Tsy izaho kosa aloha no handeha hiaraka handoro baiboly aminao e, sanatria izany. Mikasika ny fiainan-tsy hita araka ny nambarako t@ ilay namantsika dia aza matahotra fa tsy ho ela dia ho hitantsika ny valiny tena marina satria ny espérance de vie hoan'ny gasy toa manodidina ny 60 taona eo, rehefa lasa isika dia mahita ny vokatry ny safidintsika tsirairay.

29. sitlo ( 17/02/2015 20:36)
Dia miverina amin'ny fanazavako ny fiainan-tsi-hita sy ny fahafatesana ihany izany. Fantatry ny olona fa ho faty izy (60 taona hoy ianao), dia manao izay handaminana ny sainy.
30. gasy1zay ( 17/02/2015 21:28)

sitlo:

Dia miverina amin'ny fanazavako ny fiainan-tsi-hita sy ny fahafatesana ihany izany. Fantatry ny olona fa ho faty izy (60 taona hoy ianao), dia manao izay handaminana ny sainy.

Ie ohatraohatran'izay koa hoe misy mandamina ny sainy hoe tsy misy ny fiainan-tsy hita dia afaka manao izay tiany izy @ fahavelony fa tsy hatahotra ny helo na afobe.
31. sitlo ( 17/02/2015 21:32)
Ka vokatr'izany dia ny fahendrena no zava-dehibe fa ny fanamarinana ny atao amin'ny alalan'ny finoana.
32. sitlo ( 17/02/2015 21:33)
fa tsy ny*
33. RBNIR ( 18/02/2015 01:40)
sitlo:

Dia miverina amin'ny fanazavako ny fiainan-tsi-hita sy ny fahafatesana ihany izany. Fantatry ny olona fa ho faty izy (60 taona hoy ianao), dia manao izay handaminana ny sainy.

Faly misera namana,

Raha ny salan'isa hitako ato amin'ny fiangonana misy ahy dia tena tanora no betsaka namana ary tsy hoe tanora tsy manan-katao fa araka ny fijoroana vavolombelona nataoko dia misy ny sokajin'olona rehetra.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana

34. sitlo ( 18/02/2015 02:42)
dia maninona moa izany?
35. RBNIR ( 18/02/2015 04:36)
sitlo:

dia maninona moa izany?

Mbola tanora, afaka misafidy malalaka tsara....Nisafidy ny hanompo azy fa tsy nanaraka ny fanaon'izao tontolo izao....
Midika zavatra lehibe izany.....

36. endriny ( 18/02/2015 05:44)

RBNIR:

sitlo:

dia maninona moa izany?

Mbola tanora, afaka misafidy malalaka tsara....Nisafidy ny hanompo azy fa tsy nanaraka ny fanaon'izao tontolo izao....
Midika zavatra lehibe izany.....

Tanora variana manompo vazaha didimaso izany ve?

Koa inona no mbola hihinana hanina sy andaniana andro eto amin'ity tany be fahalovana ity raha toa ka ny lanitra no katsahina e? Maninona raha tsy mikaly dia maty haingana... amin'izay lasa any an-danitra vetivety...

Toa hitako ery izato ianao mihazakazaka mamonjy mpitsabo na hopitaly raha vao farofy kely... lalalallla hisintonana kila fotsiny ny anao fa tsy anao raha...

Inona no mba vahaolana nentinao ho an'ireo tanora mijoro toa valala voatango ireo amin'ny fitadiavan'asa sy ny fivelomana sa dia hoe manaova asa fanompoana fa ny vorona aza omen'Atr sakafo na dia tsy mamboly azany?
37. RBNIR ( 18/02/2015 07:17)
Misaotra anao namana endriny!

« Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. » (Rom.12:14)

Hitahy anao anie Izy ry namana!
38. Strong3 ( 18/02/2015 10:50)

rhaj0:

gasy1zay:
Inona ary ny fahalalana azonao na azon'ireo siantista ka afaka hitenenany hoe tsy misy Andriamanitra

Farafahakelin k'lou dia ireo "tantara" ao anaty Baiboly, dia hita mazava fa dia mifanipaka @ izay fahalalana efa nohadihadiana/noporofoina h@ izao.

Rahefa mitombo fahalalana "ara-siansa" ianao, ka tsy mamatotra ny sainao @ Baiboly, dia ahita ny "absurditEs" aman-taoniny ao.

ka tena tsy mety @ saina (zatra mandinika) ilay ataonao hoe... "ivereno andramo indray ilay [size=2]a b s u r d i t E[/size] fa hahazo famantarana ianao"

hi!.. mihemotra_mandroso __ mihodina de eo ihany

tsy toa fianarana any andakilasy ny baiboly ka hoe efa nianatra ireo zanaka kristiana de lasa tsy mpino... io ilay lazaiko hoe mpanaradrenirano fa tsy kristiana..!

ny zavatra voamariko dia izao; tsy tena athée le olona fa kamo hivavaka fotsiny de manohitra be fahatany... betsaka ireo athée miresaka amiko fa tsy manana saina toa izany izy ireo...
raha ny siansa no jerena dia masinina be no lasa iphone ...
fa raha ny finoana no jerena dia mianga amin'ny hitamaso makany amin'ny tsy hitamaso ; ka raha mbola ny zavatra hitamaso no resahina amin'ny hoe itadivana porofo dia mihodina eo amin'ny boriborin'i rhaj0 ihany...
raha tena te ho athée ny athée dia efa nikasika ny fond-n'ny baiboly vao niala toa an'i losifera
39. rhaj0 ( 18/02/2015 17:23)
Strong3:
ny zavatra voamariko dia izao; tsy tena athée le olona fa ...

Ny an'i Strong3 angaha moa tsy izany foana... "tsy tena athée le oul", "tsy tena kristiana le oul"... iiieeeeeee... marina han'izany... araka ny imagination-nao irery ao, sy izay bitsihan'i Atr'Israely aminao irery ao, ao @ imagination-nao irery ao...
40. gasy1zay ( 18/02/2015 18:25)
Ka marina kosa anie hoe toa misy athé mahatsiaro voavelively @ resaka afobe nefa raha tsy mino an'Andriamanitra tokoa izy dia tsy matatsiaro tena voateny raha lazain'i pasitera/mompera hoe raha tsy mino ianao dia hiafara any @ helo.

Raisiko indray ilay ohatra hoe misy olona mino fa misy matoatoa ny trano iray, ka raha tsy mino aho hoe misy izany matoatoa dia tsy hatahotra ny hiditra na hatory ao @ ilay trano aho, fa tsy hoe aza ampitahorina izahay fa izahay tsy mino, rehefa tsy mino ianao dia tsy mahatotra na misy mampitahotra aza.

Izay ilay hoe sao dia mba mody tsy mino aza satria refa lazaina ny fisiany toa mitady hatahotra ihany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4476