FIAINAN-TSI-HITA

81. rhaj0 ( 24/02/2015 17:19)
Io nge hotry ny hoe dia tena tsy miditra mihintsy ilay resaka fa ahoana azany...

- aiza ho aiza @ ilay izy iana(re)o no "voavonjy" ? nisy lisitra efa nivoaka angaha any ? ka hoe hita na re ny eto an-tany ? eny ? tsia ? ...

- fa dia "voavonjy" izany nareo hoz'nareo... fa dia "ao @ imagination"-na(re)o irery manokana ao re izany nareo no "voavonjy" e. TSY ato @ imagination-nay... ary TSY hita na re-n'ny eto an-tany.

- Ka rahefa tia hamonjy anay izany nareo, dia ataovy "voavonjy" koa zahay "ao @ imagination-nareo" ao e... ataovy ao @ "TSY hita na re-n'ny eto an-tany ao"
82. gasy1zay ( 24/02/2015 18:16)

rhaj0:

Io dia ohatrany mizara hevitra na zavatra mahasoa hoan'ny namana ry rhaj0, izaho ohatra sitrana raha nihinana voasary makirana sy tantely t@ nikohaka dia manambara ny hafa aho hoe ianareo mikohaka izao no nataoko dia sitrana aho, safidinao ny mino na tsy mino, manaraka ny torohevitra na tsia, io tsy misy porofo hitanao hoe narary aho dia avy eo sitrana ka dia mety hiteny tokoa ianao hoe "tsy narary izany akory io" na hoe "Tsy ilay fanafody no nahasitrana azy" ary tsy misy fanerena ilay izy fa dia hoe mampalahelo ahy ny mahita ny hafa mikohaka dia mba zaraiko aminy izay nahasitrana ahy, avy eo ...ny safidy hihaino sy hanaraka dia azy samy irery.
Dia tahaka izay ilay izy hoe mampalahelo ahy ianareo tsy mino an'Andriamanitra dia lazaiko hoe misy izy, mampalaelo ahy ianareo tsy manankiateherana rehefa tena ady sarotra tsy vitan'ny vola aman-karena, ny hery sy ny fahalalan'olombelona dia zaraiko aminareo Jesoa, mampalaelo ahy ianareo tsy mba manankatenaina rehefa miala ety ( mihevitra ny ho lasa kankana ny sasany ) dia zaraiko aminareo ny lalana ny hahazoana fiainana mandrakizay. Fizarana mamaimpoana ny ahy fa tsy afaka ny hanery anareo anefa aho fa dia safidy malalaka hoan'ny olombelona rehetra ny handray na tsia.
83. rhaj0 ( 24/02/2015 19:14)
Io ho'a (imaginer-o) teneno an'izany koa i Einstein, dia i Dalai-Lama koa...
84. gasy1zay ( 24/02/2015 20:48)

rhaj0:

Io ho'a (imaginer-o) teneno an'izany koa i Einstein, dia i Dalai-Lama koa...

I Einstein efa lasa tsy azo hanarina intsony, dia i Dalai-Lama tsy mahay teny gasy izaho tsy mahay teny sinoa na tibetain :) asa raha mba mety niova fo izy raha tafaresaka izay!
85. rhaj0 ( 25/02/2015 01:02)
Bien sur... bien sur... mety ho hainao hanarina zareo ireo dia resinao lahatra zareo ireo..

Izaho kosa aloha TSY mi-imaginer na dia 1 minitra hoe aharesy lahatra ny Papa e.. Dia raha mi-imaginer miresaka aminy aho, dia ho hozy aho hoe, mahasoava aminao ao azany e... (rahefa mba afaka miteny izay fomba fijeriko koa aho @ raharaha isan-karazany zava-misy eto)
86. endriny ( 28/02/2015 07:51)

gasy1zay:

rhaj0:

Io ho'a (imaginer-o) teneno an'izany koa i Einstein, dia i Dalai-Lama koa...

I Einstein efa lasa tsy azo hanarina intsony, dia i Dalai-Lama tsy mahay teny gasy izaho tsy mahay teny sinoa na tibetain :) asa raha mba mety niova fo izy raha tafaresaka izay!

E mbola tsy ampy fanahy masina ianao izany, fa rehefa tonga ao aminao hono ny fanahy masina dia hohainao ny fiteny tsy hainao taloha a....

Manaova aloha meditatio tsara a
87. endriny ( 28/02/2015 08:23)
Ary ilay fiainantsihita aza kay efa hitanareo sy hainareo dia ahoana koa no mbola maha fiainatsihita azy?
88. RBNIR ( 02/03/2015 06:53)
endriny:

Ary ilay fiainantsihita aza kay efa hitanareo sy hainareo dia ahoana koa no mbola maha fiainatsihita azy?

Faly misera namana,

Efa voalaza fa ny FIAINAN-TSIHITA NA NY HELO dia ao ambanin'ny tany ao, ary io toerana io dia karazana MANDAT DEPOT fotsiny ihany fa tsy mbola ilay fijaliana mandrakizay akory.
Ny fijaliana mandrakizay (na ilay lazaina koa hoe fahafatesana faharoa) kosa dia any amin'ilay atao hoe Afobe no hisy azy,

Aorian'ny fitsanganana voalohany (fitsanganan'ireo olona hovonjena)« Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. » (Apok. 20:5)
« Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apok.20:6)
, dia hisy ny fitsanganaa faharoa« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.  » (Apok.20:13)
Ireo olona avy any amin'ny helo kosa indray izay hotsaraina ary dia alefa indray kosa any amin'ilay atao hoe AFOBE....
Aiza kosa indray kosa ary ny Afobe (na fahafatesana faharoa na farihy afo) amin'izao fotoana izao??? Hovaliana raha sitrapon'ny Tompo namana...

89. rhaj0 ( 02/03/2015 11:47)
Tena tsy azoko tsara...

1- fitsanganana voalohany (fitsanganan'ireo olona hovonjena) .. (izay miriaria 1000 taona en plus)
2- fitsanganaa faharoa« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty (ireo mpanota sy ireo ahiahiana)
3- ary dia samy notsaraina araka ny asany izy (na iretsy niriaria na iretsy mpanota izany ??)

Izay ve ???

Dia avy eo.. "Ireo olona avy any amin'ny helo kosa indray izay hotsaraina ary dia alefa indray kosa any amin'ilay atao hoe AFOBE"

F'angaha tsy efa "afobe" ilay "helo" ?
Efa tapaka fa ao @ helo ireto olona, izany hoe efa nivoaka ny didim-pitsarana, dia avy eo indray ve dia ndeha hotsaraina indray dia alefa any @ Afobe ???

Tena TSY azoko hoe aiza ilay coherence-n'izany tantara izany... marina mafy tsy hotry ny faly mi-annonner fotsiny i Gasy1zay fa tsy mahita ny absurdite-n'ny resakany ao.
90. RBNIR ( 02/03/2015 12:45)

Faly misera namana rhajo,
Tsy hilahatra amin'ny anao ny filaharan'ny valiteniko fa dia hovaliako avokoa anefa:
1- Helo tsy Afobe (sady tsy afo fandiovana ihany koa)
Any amin'ny helo (na fiainan-tsihita) dia efa misy olona « Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; » (Lio. 16:22)
« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.» (Lio.16:23)

Ny Afobe kosa dia efa misy saingy amin'izao fotoana izao dia mbola tsy misy olona fa ny bibidia sy ilay mpaminaniny sandoka no hatsipy velona voalohany any rehefa hitranga marina ilay bibidia ao aoriana kely ao....« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apok.19:20)

Rehefa vita ny 1000 taona dia hatsipy any koa ny devoly hanampy ny bibidia sy ny mpaminany sandoka « Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. » (Apok.20:10)

2- Fitsanganana voalohany : fitsanganan'ireo olona maty ao amin'ny Tompo omena fahefana hitsara mandritra ny arivo taona ary tsy handalo fitsarana intsony fa tonga dia "sambatra" fa tsy ho an'isan'ireo hatsipy any amin'ny Afobe (na fahafatesana faharoa) « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apok.20:6)

3- Ny helo (na fiainan-tsihita dia) karazana mandat depot toerana izay handraisan'ny olona sahady sazy alohan'ny amindrana azireo any amin'ilay atao hoe Afobe (farihy afo sy solifara na koa hoe fahafatesana faharoa)....
4- Aorian'ilay fitsangana voalohany dia hisy ny fitsanganana faharoa ireo avy any amin'ny helo (fiainan-tsihita) izay handalo fitsarana ao amin'ilay 1000 taona indray kosa.... « Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.» (Apok.20:13)

Izao no tsarovy : na isika ho mpitsara (fitsanganana voalohany) na isika hotsaraina (fitsanganana faharoa).
Izay rehetra manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany dia afaka miarahaba tena fa voavonjy....Izay rehetra manana anjara amin'ny fitsangana faharoa kosa dia mampalahelo fa miandry didim-pitsarana fotsiny ihany sisa ho fanamelohana azireo ho any amin'ny Afobe.

Ety an-tany no mandray ny didim-pitsarany ireo olona mitsangana ao amin'ny fitsanganana voalohany, ary didim-mpitsarana "fanafahana" no nomena azy...« Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany. » (1 Jao.3:14)

MINOA AN'I JESOSY TOMPO NAMANA!

Raha sitrapon'Andriamanitra dia hampahafantarina an-tsika eto ihany hoe aiza marina ny Afobe... (Zava-miafina izany nefa kosa tiany isika ka dia nahampafantariny antsika ny marina)....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....

91. endriny ( 02/03/2015 12:53)

rhaj0:

Dia avy eo.. "Ireo olona avy any amin'ny helo kosa indray izay hotsaraina ary dia alefa indray kosa any amin'ilay atao hoe AFOBE"

F'angaha tsy efa "afobe" ilay "helo" ?
Efa tapaka fa ao @ helo ireto olona, izany hoe efa nivoaka ny didim-pitsarana, dia avy eo indray ve dia ndeha hotsaraina indray dia alefa any @ Afobe ???

Ka ilay Helo izany ohatran'ny fonjan'Antanimora e, dia ilay afobe fonjan'i Tsiafahy... ahahahhahaha

Ilay helo afobe ihany fa kely...
92. RBNIR ( 02/03/2015 13:46)
endriny:

Ka ilay Helo izany ohatran'ny fonjan'Antanimora e, dia ilay afobe fonjan'i Tsiafahy... ahahahhahaha
Ilay helo afobe ihany fa kely...

Azonao tsara mihitsy ilay izy namana, saingy aza dia hihomehezana re fa tsy vazivazy ange izany e!
Samia ho tahin'ny Tompo namana....
93. rhaj0 ( 02/03/2015 14:55)
Ilay 2eme session izany TSY mba hotry ny @2eme session-n'ny samy izay olona, ka hoe misy afaka ihany, fa toa salle d'attente fotsiny an... Dia izay mandeha sauna izany efa manao preview an..

Fa TSY mba soatoavinareo Kristiana (na akoriny aza, an'A.tra) ve ny REHABILITATION eee???

Ny any am-ponja izao dia, atao izay mba ahafahan'ireo izay voaheloka rehetra ho tafiditra @ lalan'ny REINSERTION...

94. endriny ( 02/03/2015 16:00)
Tsy mbola tany aho fa mbola tsy nahaloa saran-dalana aloha hatreto.

Fa ny fahalalako azy ry Rhaj0 dia ilay Mpanankarena niresaka tamin'ingahy Jesosy. Io rangahy io aza nanaraka ny didy 10 ohatry ny anakandriamasony, hatramin'izy mbola kely... Dia velom-pialonana be ingahy Jesosy dia hoy izy: "Amidio daholo ny fanananao dia ho tonga any an-danitra ianao, fa moramora ho an'ny rameva no miditra ny vodifanjaitra toa izay ny mpanankarena hiditra ny fanjakan'ny lanitra"

Izany hoe ingahy Jesosy sy ny Dadany izany raha ataonao daholo aza ny fanajana ny zavatra nolazainy dia tsy maintsy ahita hirika andefasana anao any amin'ny afobe foana izy.

Fa ny afobe sy ny helo dia iray ihany fa ny fandikana teny fotsiny no samy hafa ny helo avy amin'ny hitsinteny anglisy hoe HELL, fa ny afobe no dikan'ny hell amin'ny teny Malagasy. Fa mba te himehy fotsiny aho
95. RBNIR ( 02/03/2015 22:56)

rhaj0:

Fa TSY mba soatoavinareo Kristiana (na akoriny aza, an'A.tra) ve ny REHABILITATION eee???

Ny any am-ponja izao dia, atao izay mba ahafahan'ireo izay voaheloka rehetra ho tafiditra @ lalan'ny REINSERTION...

Efa manome fotoana malalaka an-tsika IZY amin'izao fiainanana izao hibebahana namana....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0881