Ho avy ny loza - hafatra farany ho an'ny Malagasy

1. asdepique ( 28/12/2012 05:08)
Miarahaba antsika rehetra mpiserasera,

Ho avy ny lozabe (grande tribulation) ka manasa antsika rehetra haka an'ity hafatra ity sy hi-imprime izany ary hizara izany amin'ny Malagasy rehetra fa ho avy ny lozabe.

Tsy handeha intsony mantsy ny courant atsy ho atsy, tsy hisy tahaka izany koa ny fomba ahitanao an'ity hafatra ity raha tsy imprimer-nao dieny izao izy ity.

Alohan'izany nefa dia hisy lozabe hitranga izay efa nambarako amin'ny antsipiriany ao amin'ito hafatra ito :
http://5.39.83.88/Hafatra-farany-ho-an-ny-alagasy.pdf

Tsy saingisangy ity fa intox fa zavatra tsy maintsy hitranga ka samia miomana.
novalian'i Miharena ny 08/01/2013 09:01
2. asdepique ( 28/12/2012 05:09)
3. leva2 ( 28/12/2012 07:49)
Velona Jesosy!

Voaray ny hafatra fa dia misaotra anao namana.
Marina tokoa fa ny kristiana dia tokony ho vonona mandrakariva ny amin'ny hiavian'ny Tompo.
Marina tokoa fa ny fibebahana sy fikatsahana ny fanjakan'Andriamanitra no tokony ho loha-laharana amin'ny fitoriana, fa tsy ny fahasoavana izay fanampiny fotsiny ihany rehefa tafiditra ho isan'ny zanaka sy mpandova ny fanjakan'ny lanitra isika.

Raha tsy ho tanteraka izay noresahinao namana, tsy misy fatiantoka tokoa ho an'izay niomana ny amin'ny hiavian'ny Tompo, nibebaka tokoa ary nandray ny famonjena. Fa ho anao kosa namana, tokony handini-tena ianao amin'izay fotoana izay fa "mpaminany sandoka", milaza lainga sy fitaka, ary satana no ao ambadik'izany.

Ny mampieritreritra koa dia ity : "Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana" Mar 13/32-33.
Ianao no nampahalalaiNY izany zavatra izany, mihoatra noho ny anjely any an-danitra izany ianao? mihoatra noho ny Zanaka? sa sao dia mba ianao kosa ilay Ray? fa izy ihany tsinona no mahalala?
Hafatra ho an'ny mpisera ao amin'io Marka 13 io ihany fa and 20-23 :
"Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
Ary amin’izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ; aza mino hianareo.
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.
Fa mitandrema kosa hianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra".


Tsy ny tsy nanely ny hafatrao namana asdepique no hampanenina ahy fa ny tsy hizara ny tenin'Andriamanitra ho an'ny hafa raha nahafantatra aho.
4. asdepique ( 28/12/2012 11:01)
Ny zavatra resahiko tokony iomanana dia ny fihavian'ny lozabe satria afaka andro vitsivitsy izany. Tokony hivonona ara-tsaina, ara-nofo ary ara-panahy amin'izany ny olombelona rehetra.

Na lazaina aho hoe mpaminany sandoka na avy amin'i Satana, tsy misy olana amiko izany fa rehefa voarain'ny tsirairay ny hafatra dia efa ampy ahy izay.

Averiko ihany fa ny loza dia manomboka amin'ny faran'ity taona ity fa tsy mbola amin'ny faran'ity taona ity velively no ihavian'ny Tompo satria tsy maintsy miseho aloha ireo famantarana izay voalaza ao amin'ny Matio 24 izay vao tonga Jesosy. Tsy hisy fahoriana tsy mbola nisy toa azy eto ambonin'ny tany ary tsy mbola niseho koa ilay lehilahin'ota. Amin'iny taona 2013 iny ireo vao ho tanteraka.

Ny momba ny teny hoe !
Fa ny amin’izany andro na ora izany dia...
Dia aza adino fa ANDRO sy ORA iverenan'i Jesosy no voalaza ao, izany hoe mety possible ho fantatsika izany ny siecle, ny mpino rehetra izao samy mahalala hoe amin'ity siecle ity no ihavian'i Jesosy, tahaka izany koa ny décennie, rehefa hiseho koa ny loza dia ho fantatry ny rehetra fa amin'ity décennie ity no ho tonga Jesosy. Saingy ny taona dia ireo izay mahalala ny bokin'ny Apokalipsy dia mahafantatra tsara ny chronologie-n'io boky io ary mahalala tsara fa mizara 3 taona sy tapany roa io ary mahalala hoe aiza ho aiza amin'io Jesosy no tonga ka noho izay no ahafantarana ny taona ahatongavany.

Raha ny ANDRO sy ORA indray dia tsy hisy hahalala satria tsiambaratelon'Andriamanitra iny ka Azy samy irery. Izaho tsy mbola niteny ary tsy mbola nanambara ny ANDRO sy ny ORA ahatongavan'i Jesosy mihitsy sady mazava be fa tsy misy mahalala koa izany.

Asiako condition na dia hafatra avy amin'i Jesosy aza no ampitaiko :
Ary raha tonga tokoa ny loza ry Leva nefa ianao afaka mba nanaparitaka sy nampiomana ny olona nefa tsy nanao izany dia mba ahoana?
Ireo fianakaviana, namana, mpiara-miasa sns... tokony ho nampiomaninao tsy voaomana dia ho sendra ny loza tampoka izy ireo dia ahoana?
Tsy aleonao aparitaka ihany ilay hafatra dia apetrakao fotsiny hoe iny izy iny fa tsy avy aty amiko iny fa manaparitaka fotsiny aho fa samia mandinika sy manontany ny Fanahy Masina.

Ny ahy dia vitaiko fotsiny ny iraka izay nampanaovin'i Jesosy Kristy zanak'Andriamanitra velona avy any Nazareta ahy dia anjaran'ny tsirairay ny mino na tsy mino izany.
5. bor2lais ( 28/12/2012 12:07)
ery_ambony ery:

Tsy saingisangy ity fa intox ...

no comment ! :-)
6. didi10 ( 28/12/2012 12:23)
Tsara ny Tompo

Amintsika Kristiana dia 21 desambra foana rahampitso: ny dikany tokony ho vonona lalandava.
7. bor2lais ( 28/12/2012 14:16)
ery_ambony_ery:

izany hoe mety possible ho fantatsika izany ny siecle, ny mpino rehetra izao samy mahalala hoe amin'ity siecle ity no ihavian'i Jesosy, tahaka izany koa ny décennie, rehefa hiseho koa ny loza dia ho fantatry ny rehetra fa amin'ity décennie ity no ho tonga Jesosy.

radidi:

Amintsika Kristiana dia 21 desambra foana rahampitso

:-)
8. Miharena ( 28/12/2012 15:20)
Namana Asdepique,

Tsy mamofona New Age ve ity fampitandremanao ity?

Sa New Age Kristianina koa?

Na izany na tsy izany dia azo lazaina hatrany fa tsy misy afa-tsy i Kristy no miasa ao anatin'ny olona ary hahatsapa izany avokoa aorina kely ao.

Fa raha miverina amin'ilay fampitandremena isika, tsy aleo ve ho hita eo izay hitranga fa raha ny tena fijeriko azy dia mbola safotom-piheverana avokoa aloha no voalaza ao amin'io hafatra io.

Izaho ohatra dia efa nahita fahitana momba ny telo andro sy telo alina fa izaho mihitsy no mandalo izany fa tsy ny olombelona rehetra ka hoe ny masoandro hihamaizina tokoa ara-bakiteny. Ny fahalalako izay nitranga dia hoe, ny tsirairay no handalo ilay telo andro sy telo alina maizina io ary hihavao avy eo. Tsy ivelany izany io fiovana io fa ao anaty ary i Kristy no hazava ao am-pon'ny tsirairay.

Hiaina amin'izany atao hoe transparence izany ny olona ka izay fatra-piankina amin'ny ara-materialy dia ho sahirana tokoa satria tsy hanana lanjany intsony ny materialy rehetra fa ny Fanahy maha-olona no hanjaka. Ny fivavahana dia tsy hisy intsony satria fantatra fa fahadisoana avokoa no novoizina hatrizay ho an'ny olombelona.

Fahitana avokoa aloha izany resahana izany fa asa hoe mety hisy hifandraisany amin'ny farany ve?

Fa eo ihany isika, misy mahagaga ilay hafatra satria milaza ny farany izy nefa mbola miresaka ihany koa fa hisy ireo mpitondra firenena dimy hifamadibadika hitondra. Sao dia tsy hafatr'Andriamanitra marina ity hafatra lazainao ity namana fa misy tsy mazava mihitsy. Ny Malagasy rehetra Izany tsy ho voakasik'io fahamaizinana io raha io no zohina??

Ankoatr'izay anefa mety hisy fahamarinana ihany ilay hafatrao io amin'ilay olona hotendren'Andriamanitra hanome directives. Mety ho i Tsaratsara ve io? (ilay Dahalo nisehoan'i Kristy no lazaina eto).

Ahoana ny hevitrao?
9. asdepique ( 28/12/2012 16:40)
>>bor2lais
Tsy saingisangy na intox no tiako tenenina.

>>didi
Mila mivonona tsy arak'ilay eritreretinao isika araka io hafatra nomeko io satria hisy andro mahaory aoriana kely ao. Ho tapaka ny jiro rehetra ary tsy handeha ny fiara sns...
Mila miomana amin'izany na amin'ny sakafo na ny rano madio (ara-nofo) sns...

>>Miharena
- New Age -
Be dia be ny zavatra nolalovan'ny zanak'olombelona fa ny olana amin'ny kristiana matetika raha vao zavatra tsy hitany ao anaty baiboly dia lasa raisina ho tsy avy amin'Andriamanitra foana nefa tsarovy fa Andriamanitra no namorona ny zavatra rehetra sy mahalala ny zavatra rehetra.
Ny kristiana izao tsy miresaka réincarnation izany nefa zava-misy izany.
Ny kristiana tsy miresaka OVNI nefa réalité izany.
Ny kristiana koa maro no tsy mino ny matoatoa nefa ao amin'ny baiboly aza dia misy resaka an'izany.
Betsaka ny zavatra tsy mbola fantatry ny kristiana ary mila misokatra kely isika kristiana amin'ny zavatra manodidina antsika, izaho kosa nefa tsy miteny hoe mandika ny didin'Andriamanitra fa ny tiako tenenina dia hoe : fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara.

- Fa raha miverina amin'ilay fampitandremena isika, tsy aleo ve ho hita eo izay hitranga -
Tena tsy mety dia tsy mety satria ny mba hiomanana mihitsy no tanjona amin'izao hafatra izao fa tsy hiandry ny zava-mitranga vao hikoropaka. Efa tara loatra.


- Izaho ohatra dia efa nahita fahitana momba ny telo andro sy telo alina -
Ny telo andro sy telo alina dia antsoin'ny baiboly hoe "andron'i Jehovah" satria amin'io andro io dia hisy loza be tsy mbola nisy toa azy. Ao amin'ny Isaia 26:20-21 dia manambara mihitsy aza Jehovah hoe mihere aloha.


- Fa eo ihany isika, misy mahagaga ilay hafatra satria milaza ny farany izy nefa mbola miresaka ihany koa fa hisy ireo mpitondra firenena dimy hifamadibadika hitondra. -
Raha namaky tsara an'ilay hafatra ianao dia ho hitanao fa mbola misy arivo taona mahery ity tany ity vao ho levona ary ny fiainana eto an-tany dia mbola mitohy foana aorian'ny fandalovan'i Jesosy. Ny millenium dia manomboka ny taona 2027 ka hatramin'ny taona 3027.
Ny olombelona maneran-tany dia voakasik'io daholo tsy misy ankanavaka. Na any Bugarach na aiza na aiza fa izay manana an'i Jesosy kosa dia harovany amin'ny loza ary manomboka amin'ny faran'io taona io dia tena havahan'Andriamanitra ny manompo Azy sy ny tsy manompo Azy.

Ny momba an'i Tsaratsara dia izao :
Olona roa no nirahin'Andriamanitra hitondra ny hafatra farany ho an'ny mponin'ny tany dia i Tsaratsara sy i Mikaela izay hitanareo tamin'ny gazety Malaza androany.
Ankoatra an'io dia misy olona iray izay efa nosafidian'Andriamanitra handrindra an'izany fialana nenina farany ho an'ny mponin'ny tany izany (tsy izaho aloha io). Ny asa napetrak'Andriamanitra tamiko dia ny hanambara aminareo ny chronologie-n'ny zavatra ho avy sy ny fiomanana tokony atao.
Marina ny teninao mahakasika an'i Tsaratsara satria izy no nirahin'Andriamanitra hampihavana ny Malagasy rehetra.

Efa nandeha im-betsaka na tamin'ny RNM na tamin'ny TVM ny momba an'i Tsaratsara fa ho an'izay tsy mbola nandre dia ity misy fijoroana vavolombelona iray :
http://5.39.83.88/miambena/Tsaratsara.mp3
MP3 izy io ary 189Mo ny lanjany.

Tsy takatry ny sainareo ny zavatra hitranga eo fa aleo miambina ihany na dia tsy mino aza sao dia anenenana.
10. Miharena ( 29/12/2012 01:11)
Misaotra ny namana Asdepique amin'ny fanazavana.

Isika sy ianao mety hitovy fomba fijery ihany saingy te-hanambara ihany aho hoe misy lalana hafa azo hampiomanana ny olona. Mety tsy amin'ny fiomanana ara-nofo fa ny fiomanana ara-panahy (ao anaty). Efa maro isika no azo kasihina ny fanahy ary tsy mivoana mierikerika ara-nofo intsony. Io no fiomanana amin'izao fotoana izao ary ilaina io. Ny toe-javatra tsy takatry ny saina dia maro ary efa nolalovan'izany avokoa ny Malagasy. Na io resaka fanonganam-panjakana tamin'ny 2009 io aza dia efa fantatra fa misy ambadika ara-pihavaozana.

Raha toa isika mahita ankehitriny fa mbola betsaka ny Malagasy tsy voaronjona fa mbola mazava fo sy saina dia misy fiarovana ara-panahy lehibe ifandraisan'ny tsirairay amin'ny Mpahary. Io no mahatonga ny tahotra tsy dia hita eo amin'ny Malagasy ary mahagaga izy io satria na ny hafatra milaza loza resahanao aza dia tsy manana fiantraikany mafy ao am-pon'ny olona loatra. Efa zatra miaina amin'ny tsindry ampibabena antsika isika ka izany no mahatonga antsika ho efa vita vakisiny.

Miresaka Mikaela koa moa ianao fa efa fantatra eran-tany ny asany sy ny Arkalnjely maro mampahafantatra ny olona izay tokony ho fantany, indrindra ny momba azy, izay sombin'ain'Andriamanitra, ny maha-Kristy ny tsirairay, ny famerenana aminy ny zony feno amin'ny maha-mpanjakan'ny mazava azy tsirairay avy. (Azo tarafina amin'ny fampiraisana an'i Tsaratsara amin'i Jesoa izany) tsy io vatantsika io fotsiny isika fa fanahy feno ao an-danitra sy ety an-tany).

Lalana mankany amin'y fanazavan-tsaina sy fanazavam-po izao no tokoy himasoana ary raha toa isika ka miombona amin'Andriamanitra marina dia tanteraka izay kasaintsika na ny hitàna izao tontolo izao tsy hironjona aza fa hanaraka moramora miandalana ny fivoarana sy fihavaozana hisy. Ny fanampiana ny namana marefo satria variana loatra nitodika ami'ny herin'ny natiora izay tsy hain'ny nofony sy ny eritreriny tohaina no ilaina amin'izao fotoana izao. Ny filazana ny famerenana azy ny maha-Fanahy mahery azy tsirairay avy (Ity dia ilaina ho fantatra fa araka ny Teni'Andriamanitra hoe ny Heriko dia tanterahana amin'ny fahalemena, sao dia adika vilana ny fananana fanahy mahery ka hampiseho herisetra ara-pampitahorana ny hafa ny sasany).


Na io loza lazainao io aza dia tsofina fotsiny hoy ny namana efa niomana efa ela, efa afa-tahotra satria tsy mitodika amin'y nofo intsony fa efa miaina ara-panahy feno tanteraka. Ny olona mifoha no lazaina amin'io ary mila faritana tsara ilay fifohazana fa mifandray ami'ny famerenana amin'ny laoniny izay navadiky ny fanahy mpampihorohoro sy mampitodika amin'ny maha-nofo entina hanandevozana ny olombelona hanaraka ny baikony entin"ny fitiavan-tena (izay tsy maharitra mazava ho azy satria mitodika amin'y zava-poana sy mandalo ihany).

Sa ahoana hoy ianao?
11. Nehemiah ( 29/12/2012 06:06)

asdepique:

>>bor2lais
Be dia be ny zavatra nolalovan'ny zanak'olombelona fa ny olana amin'ny kristiana matetika raha vao zavatra tsy hitany ao anaty baiboly dia lasa raisina ho tsy avy amin'Andriamanitra foana nefa tsarovy fa Andriamanitra no namorona ny zavatra rehetra sy mahalala ny zavatra rehetra.
Ny kristiana izao tsy miresaka réincarnation izany nefa zava-misy izany.

Miresaka zava-mahazendana ianao, fa ekenao kosa fa tsy ao anaty Baiboly izany. Mba te-hanontany aho : raha tena misy tokoa ny réincarnation, dia avy taiza daholo ny fanahin'ny olombelona vaovao nampitombo ny isan'ny zanak'olombelona ho 6 000 tapitrisa ?
asdepique:
Ny kristiana tsy miresaka OVNI nefa réalité izany.

Azonao hazavaina koa ny ahafahanao hitompo teny fantatra fa tena misy tokoa ny sambon-danitra netin'ny ETs izay mbola tsy hita porofo hatr@'izao niampita années-lumière aman-tapitrisa hanatona antsika mponin'ny Tany ?
asdepique:
Ny kristiana koa maro no tsy mino ny matoatoa nefa ao amin'ny baiboly aza dia misy resaka an'izany.

Azonao omena ve ny andinin'ny Soratra Masina izay heverina fa miresaka momba an'izay ?
12. methode ( 29/12/2012 21:12)
Mbola tsy teraka ny ankamaroany aminareo no efa nahare izany fampitandremana izany aho! Ny Baiboly koa efa nampitandrina ary noheverina fa tsy hoe ela zany! Hatramin'izao mbola tsy mety tonga ny farany! Araka ny novakiako tamin'ny internet dia efa faha-184 ny niandrasana ny farandro ny 21 Desambre 2012. Aleoko manao toy ilay olomasina iray izay! Hoy ny iray nanontany hoe raha fantatrao fa ho avy tsy ela ny farandro de inona no hataonao! De samy nilaza ny filazany teo: Za hivavaka any ampiangonana, za handeha any ampandriana, za hoany amin'i dadanay! De mba nanontaniana izy. Dia hoy izy: Tohiziko ihay ny kilalao ataoko!
13. asdepique ( 30/12/2012 00:20)
>>Nehemiah
Resaka réincarnation :
Andriamanitra dia mpamorona ary tamin'ny voalohany dia Izy irery fa tsy nisy anjely, tsy nisy ny univers, tsy nisy olombelona fa noforonin'Andriamanitra daholo izany.

Resaka réincarnation dia azo raisina ohatra amin'izany i Elia.

Malakia 3:23 Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra.

Iza nefa no nolazain'i Jesosy fa Elia? Tsy iza io fa i Jaona satria izy no mampody ny fon'ny Ray amin'ny zanaka sy ny fon'ny zanaka amin'ny Ray amin'ny alalan'ny fanaovana batisa. Nampifandray indray ny olombelona tamin'Andriamanitra.

Ny olona rehetra alefan'Andriamanitra hanao asa ety an-tany dia tsy maintsy mandalo izay andalovan'ny zanak'olombelona rehetra dia ny fahaterana, fitomboana @ nofo ary miafara amin'ny fahafatesana.

Resaka OVNI :
Ny porofo amin'ny resaka fiainana ivelan'ny tany dia efa be dia be ny porofo fa isika no minia tsy miraharaha an'ireny porofo ireny.
Fantatrao ve fa ny anjely dia tsy mba manana sexe? Tsy misy lahy tsy misy vavy?
Ka raha tsy anjely ireo lazaina fa zanak'Andriamanitra ao amin'ny Genesisy 6 dia iza izy ireo?


Genesisy 6
1 Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro,
2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.


Jereo koa amin'ny youtube na amin'ny Internet fa mitantara ny expérience niainany sy ny zavatra fantany mahalasika ny ET i Buzz Aldrin, ilay cosmonaute faharoa nanitsaka ny volana. Na teo Analakely aza dia efa nisy OVNI nandalo tamin'ny taona 1954 ary manontania olona niaina izany expérience izany fa tonga dia maty daholo hono ny jiro tao Analakely ary toa izany koa ny fiara ary samy nahita zavatra teny ambonin'Analakely ny olona. Vao lasa ilay izy dia samy velona daholo indray ny fiara avy eo.
Be dia be ny porofo azo ambara fa ny olana amintsika olombelona matetika efa manana zavatra mipetraka ao an-doha ka na inona na inona porofo omena dia matetika ny fandavana an'ilay zava-misy no lasa aloha.

Zavatra tena nisy ilay fianjeran'ny OVNI tao Roswell ary be dia be ny vavolombelona nanatri-maso izany. Na ireo olona teknisiana niasa ho an'ny FBI sy ny NASA t@ izany aza dia misy mitantara ny tena zava-nisy tamin'izany fotoana izany.

Ny tena marina mahakasika ny ET dia ny firenena lehibe manerana an'izao tontolo izao mihitsy no nifanaraka t@ 1950 fa samy hanafina izany zava-misy izany mandritra ny 50 taona. Amin'izao fotoana izao nefa dia samy manokatra ny dossier-ny ny firenen-dehibe.

Matoatoa :

Matio 14.26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana ambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raikitahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.

Lioka 24.39 Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
14. asdepique ( 30/12/2012 00:25)
>>methode
Tamin'ireo 184 nolazainao ireo, efa nisy niteny ve hoe : Jesosy Kristy zanak'Andriamanitra velona avy any Nazareta no naniraka anay hanambara aminareo fa ho tonga ny loza?
TSIA!

Ny zava-nisy rehetra hatramin'izay dia kajikajin'olombelona daholo ihany fa tsy mbola nisy iraka avy tamin'Andriamanitra nanambara izany. Ny faminaniana tena avy amin'Andriamanitra dia tsy maintsy tanteraka.

Ankehitriny aho dia milaza fa Jesosy Kristy Velona avy any Nazareta no naniraka mba hampibebaka ny olona fa ho avy ny lozabe. Efa kely sisa.
15. asdepique ( 30/12/2012 00:43)
>>Miharena
Ny fiomanana tokony atao dia :
- ara-tsaina
Mba hiomana sy hiandry ka rehefa tonga tokoa ny loza dia efa vonona ka tsy ho taitra intsony.
Raha misy olona iray manapoaka tsipoapoaka izao ka mipoaka ilay tsipoapoaka dia ireo olona izay naheno an'izany tsipoapoaka nipoaka izany dia ho taitra satria tsy nampoiziny fa ilay nanapoaka kosa dia tsy haninona akory satria fantany fa tsy maintsy hipoaka iny.

- ara-nofo
Hisy lozabe fa tokony ho efa mahafantatra ny tokony atao vao manomboka ny loza:
Miditra ao an-trano dia arindrina daholo ny varavarana rehetra ary mibebaka sy midera an'Andriamanitra no atao.
Ho tapaka koa ny jiro ary tsy hisy handeha ny zavatra mandeha herinaratra rehetra ka tokony hiomana amin'ny labozia, afokasoka, rano madio, sakafo hanina mandritra ny telo andro.

- ara-panahy
Tokony hibebaka mafy dia mafy isan'andro sy hanamasina ny tena fa izay olona maloto dia holavin'Andriamanitra ka ho tratry ny loza. Havahan'Andriamanitra ny manompo Azy sy ny tsy manompo Azy ka ho lasa halan'ny olona ireo izay manompo satria ny olona mijaly fadiranovana nefa ireo manana an'i Jesosy kosa dia milamin-tsaina aorian'ny loza.


Ny Mikaela resahako dia tsy i Mikaela Arkanjely akory fa ilay Mikaela voasoratra ao amin'ny

Daniela 12:1
Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky.


Efa eto an-tany io Mikaela io amin'izao fotoana izao satria efa hanomboka tsy ho ela ilay teny io ambony io hoe "hisy andro fahoriana izay tsy nisy tahaka azy".

Nahoana no tsy tany Isiraely i Mikaela no teraka fa taty Madagasikara?
1 - Satria ny Malagasy dia Jiosy ary avy amin'ny Jiosy no ivoahan'ny famonjena.
2 - Ny Jiosy monina any Isiraely dia tsy mino an'i Jesosy ho Mesia na dia misy aza ireo milaza ho jiosy mesianika na ny fivavahana jodaisama mesianika.

Efa nolavin'i Jesosy ny Jiosy REHETRA tao Jerosalema tamin'ny nitenenany hoe :

Matio 23.39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandrapilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.


Mbola ho avy nefa ny fotoana hanafahana ny Jiosy rehetra fa mbola hino an'ilay antekristy aloha izy ireo alohan'izany.


Ny momba ilay loza dia tena lozabe tsy mbola nisy toa izany io ka raha hiteny hoe tsofina fotsiny dia mety tsy takatry ny saintsika angamba ny tena zavatra hitranga.
Fahitana vao hitan'ny namana Malagasy iray tamin'ny alatsinainy ity :
Nasehon'Andriamanitra taminy hono ny zavatra hiseho amin'io loza io ka izao no zavatra hitany hoe : mbola samy nikenokenona hono ny olona, olona iray no naseho taminy andeha hividy hena atao laoka, tsy nisy na inona na inona fa ohatry ny nisy zavatra nanambana izany fotsiny teny amin'ny rahon'ny lanitra. Tampotampoka teo dia feno afo niraraka avy any an-danitra ary ny andro dia lasa maizina tampoka, nisy rivo-mahery be ary maizina tampoka teo ny andro. Horakoraka sy hiakiaka no re ary samy mihakazakaza amin'izay alehany avy ny olona rehetra. Ny tany amin'io mihorohoro tsy mijanona ary misy faritra nisokatra ka nandentika olona maromaro sy trano maromaro. Ny trano sasany mirehitra, ny sasany mianjera, ao ny maratra mafy ary ny maty dia tsy tambo isaina intsony. Nangovitra hono izy raha naseho izany fahitana izany.
Ka imaginer-o izany fa na ireo olona milaza azy ho mafy toa ny inona aza angamba hatahotra ihany.
16. Miharena ( 30/12/2012 02:31)
Asdepique,

Azo tokoa ny resakao momba ireo fahitana fa maro koa ny fampahalalàna sy fampiomanana tsy miditra amin'ny resaka korontana materialy.
Ohatra iray : raha miteny ianao hoe mila miomana amin'ny sakafo amin'ilay telo andro, raha olona efa zatra manao fifaidan-kanina ve heverinao hihontsona amin'izany telo andro izany?

Ny olona mahalala fa manana fanahy mahery ve tokony ho taitra sy hatahotra?

Indrindra moa fa ny Malagasy izay mahalala fa tsy misy fahafatesana (matoa atao ny famadihan-drazana dia fanahy velona no heverina karakaraina fa tsy ilay nofo raraka iny akory). Niserasera tamin'ny olona izay manana fifandraisana amin'ny Razana Malagasy aho ary nampitàiny hafatra izy ny amin'ny hanavotana ny tany satria simbain'ny olona ny tany. Nilaza izy fa ny olombelona dia tsy maty fa mitsahatra fotsiny ny fikorianan'ny rany.

Izany hoe raha azoko tsara dia tsy matahotra ny ho faty ara-nofo ny Malagasy tena hiringiriny. Izay nahazo fitaizana ara-materialy ianteherana no matahotra faafatesana ara-nofo.

Ny momba an'i Mikaela réincarné eto Madagasikara, mila fantarina izay lazainy sy ambarany hahafahana manamarina fa Mikaela tokoa izy. Mba azonao omena ve ny santionany momba azy io?

Farany,

Ny manana finoana fa tsy misy maharonjona izay manana an'Andriamanitra mitantana izao rehetra izao sy miasa ao anatiny no mahasakana ny fisian'ny lozabe hita teo amin'ny fahitana. Misy fitaizana ara-panahy izay milaza fa ny nofy dia avy amin'ny Devoly. Ka raha misary nofy toy izany koa ny fahitana loza dia mila foanana tsy ho tanteraka eo amin'ny fiainan'ny olona izany. Fiarahamiasa ny mampahafantatra ny olona ny fanavahana ny réalité sy ny nofy. Ny olana manko dia mety misy mihitsy ny manomana ny olona hangorohoro mba ho tanteraka izay fahitana loza ampandalovina ao amin'ny subconscient-ny. Efa fantatsika ihany ireo manipulation mentale efa mitady hampiroboroboina mba hamehezana ny olona. Nefa tokony tsy ho taitra amin'izany izay efa mifoha ao amin'i Kristy (fifohazana tena izy no lazaina io fa tsy fifohazana feno fampitahorana), satria fantany ny asan'ny maizina ary hainy ny manala azy homban'ny herin'i Kristy sy Mikaela izay tanterahana amin'ny fahalemena fa tsy herisetra.
17. Miharena ( 30/12/2012 03:07)
Ho fanampiny amin'y fanampiana ny olona hiomana tsy ara-nofo dia ity misy hafatra ho hitanao amin'ny rohy Heavenletterâ„¢ #4416 – 27 Décembre 2012

Un Diamant Étincelant


Dieu a dit:

Vous étes, chacun, chacune, Mon trésor. Je vous tiens dans Ma main et Je vous tourne et vous retourne. Je vous regarde. Je vous admire et Je dis : « Merveilleux. » Si vous le souhaitez, vous pouvez ne pas étre d’accord avec ce que Je dis. Pourquoi est-ce que Je dis ça ? Pour le plaisir de la discussion ? Je dis que vous étes chacun, chacune, une âme merveilleuse qui travaille dur. Oui, vous aspirez à plus grand. Eh bien alors, vous allez l’obtenir. Continuez à chercher. Continuez à chercher dans Ma direction. Relevez la téte, regardez-Moi droit dans les yeux, de façon à ce que Nous soyons face à face.
Un jour, bientôt, vous allez prendre conscience de la Vérité qui vous concerne, cette vérité qui veut que vous soyez, chacun, chacune, un Diamant Étincelant, que vous soyez Mon Diamant Étincelant. Chaque jour, Je vous tiens dans la lumière du soleil, Je souffle sur vous pour vous enduire de buée comme on le fait avec une paire de lunettes que l’on souhaite nettoyer. J’ai à Ma disposition ce « polissoir d’amour » qui Me permet de vous astiquer et de vous faire briller. Mes yeux Me servent également à vous faire briller. Et chaque jour, Je souris sur vous. Chaque jour, Mon sourire vous enveloppe et vous bénit.

Et vous, pendant ce temps, vous vous fatiguez. Pendant ce temps, vous étes mécontents et mécontentes de ce Diamant étincelant qui est Mien, que Je tiens précieusement dans Ma main et qui porte votre nom.

Je reçois une joie sans nom de ces supposés vous que vous étes, chacun et chacune. Je reçois une joie sans nom de ce que vous méprisez ou que vous dédaignez. Vous dénichez en vous une petite chose sans importance que vous évaluez comme étant indigne et vous en faites un problème de taille. Voulez-vous bien commencer, dès maintenant, à adorer ce que J’adore ? Commencez, dès maintenant, à accorder de la valeur à ce à quoi J’accorde de la valeur. Vous étes tout simplement des étres humains en pleine recherche et vous étes, chacun, chacune, la Majesté de Mon cÅ“ur. Cédez, bien-aimé(e)s ! Acceptez Mon amour et reconnaissez que vous étes Mon Amour et que vous étes Ma Joie, et voulez-vous bien, également, étre votre propre joie ?

Qui étes-vous pour minimiser la merveille de ce que vous étes ? Vous étes de merveilleux étres humains qui faites face au monde chaque jour. Vous vous levez le matin et vous sortez affronter le monde, dans ses va-et-vient, dans toutes les possibilités qu’il propose. Vous étes, chacun, chacune, Mon Héros, Mon héroïne, oui vous ! Vous affrontez un millier de morts chaque jour, et malgré tout, vous parvenez à vous élever. Désormais, vous allez vous élever vers Moi. Sortez de la cacophonie qui vous entoure et installez-vous confortablement dans votre propre cÅ“ur. Sachez que vous étes, chacun et chacune, votre propre « Florence Nightingale ». Vous étes votre propre « infirmière dévouée et compétente » dès lors qu’il s’agit de soigner votre cÅ“ur. Bénissez-vous vous-mémes et bénissez toutes les âmes qui cohabitent avec vous. Bénissez votre propre courage. Bénissez-vous vous-mémes. C’est cela étre vrai(e)s envers vous-mémes. Donnez-vous un petit coup de main à vous-mémes. Donnez-vous cette impulsion qui vous permettra de monter jusqu’à Moi, de Me regarder droit dans les yeux et de savoir Qui vous étes. Élevez-vous, montez plus haut. Il vous suffit de Me renvoyer votre reflet. Notre vision devient Une. Qui regarde Qui, bien-aimé(e)s ? Regardez-vous dans le miroir de ce que vous étes, de ce Véritable Soi, celui que le monde ne voit peut-étre pas à l’heure actuelle. Mais Moi Je vois, et vous, vous pouvez voir, et ainsi Nous sommes vus, et ainsi Nous sommes aimés et Nous aimons. Il n’y a rien à ajouter à ce sujet.

Tenez-Moi devant vous comme un diamant à travers lequel vous regarderiez et voyez le monde de cette façon. Vous étes Mon Diamant Étincelant, celui que Je regarde et celui à travers lequel Je regarde. Autorisez-Moi à étre votre Diamant Étincelant, celui que vous regardez et celui à travers lequel vous regardez. Voyez ce que Mes yeux voient et soyez heureux et heureuses comme vous devez l’étre. Vous Me rendez tellement heureux ! Comme Je suis heureux de vous avoir dans Mon cÅ“ur, et comme Je suis heureux d’étre dans votre cÅ“ur ! Nous sommes si heureux d’étre Un, vous et Moi. Comme Nous sommes heureux ! Nous sommes si heureux de voir vivre l’amour dont vous étes constitué(e)s et qu’il vous suffit d’étre. Ceci est Ma Vérité et Je la proclame.

Traduit par: Chantal Lahanque

Copyright © Heavenletters™
Heavenlettersâ„¢ — Aider les Êtres Humains à se Rapprocher de Dieu et de Leurs Propres CÅ“urs

18. asdepique ( 30/12/2012 05:20)

Misy fitaizana ara-panahy izay milaza fa ny nofy dia avy amin'ny Devoly.

Tonga aloha dia ilay resaka nofy no anomboaho azy.
Hoy ny tenin'Andriamanitra :

Nomery12:6 Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.
Sy ny Jeremia 23:28 Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, Ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko.


Izany ny hoe ny nofy dia avy amin'ny Fanahy Masina fa tsy avy amin'ny devoly saingy fantatry ny mpaminany sandoka izany ka mody lazainy hoe nanonofy hono izy nefa Andriamanitra tsy nampanonofy azy an'izany akory.

Ilay fahitana hitan'ilay olona teneniko mahalasika ny zavatra hiseho dia tsy nofy akory fa fahitana, izany hoe tsy natory teo am-pandriana izy fa nipetraka, avy eo tonga niresaka taminy Jesosy dia avy eo nasehon'i Jesosy azy ilay fahitana. Io olona resahiko io dia ampianarin'i Jesosy isan'andro.

Ny momba an'ilay firesahana amin'ny maty indray nefa dia izao no lazain'ny baiboly :

Deotoronomia 18
10 Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
11 na manao ho masimbava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty.
12 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.


Ny finoantsika dia tokony hiorina avy amin'ny baiboly foana fa tsy avy amin'ny hevitr'olombelona.
Ny filazana izao hoe :

Nilaza izy fa ny olombelona dia tsy maty fa mitsahatra fotsiny ny fikorianan'ny rany.

Dia mifanohitra amin'ny baiboly.


Mpitoriteny 9:5-6 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy.


Ny olona iray rehefa maty dia miverina amin'Andriamanitra ilay fanahy napetrany tao ary Andriamanitra no mahalala izay andefasana azy. Iny fanahy iny nefa no mitondra ny saina fa tsy ilay vatana velively. Ny vatana dia toy ny akanjo nanaovana ihany ka rehefa miala ny fanahy dia miverina ho vovoka araka ny ambaran'ny baiboly.
Porofon'izany ny Lioka 16:19-31

Ny momba ny fiomanana ara-nofo ary efa nosoratako ao amin'io fichier pdf io dia tsy amin'io telo andro io ihany no mila manao tahiry fa amin'ny andro maromaro satria tsy hisy courant mandeha, tsy hisy jiro, tsy hisy rano, ny fiara mpitatitra tsy handeha noho izany dia hisy krizy ara-tsakafo.


Ny olona mahalala fa manana fanahy mahery ve tokony ho taitra sy hatahotra?

Aleo hitranga dia ho hita eo tokoa hoe tsy hatahotra ve ianao fa na dia Jesosy aza rehefa tonga ny fotoana hisamborana azy dia nihorohoro ihany ny Fanahiny.

Ny momba an'i Mikaela dia tsy hitako hoe inona no ambara aminao fa jereo fa nivoaka tamin'ny gazety Malaza tamin'ny zoma izy.
19. sangojy ( 30/12/2012 10:49)
bold textSamy ho tratry ny Taona vaovao eee!
Ny Loza sy ny atambo hisy foana ry zalahy fa sambatra izay tratran'ny Tompo miambina...
Inona koa no manaraka?
Tsy aleo ve miaina toy izay hifampihorohoro e
Samia mazotoa!
20. asdepique ( 30/12/2012 13:08)
Ny zavatra hitranga tsy ho ela dia voalohany hitranga amin'ny zanak'olombelona ary rehefa tapitra ireo loza ireo dia tsy hiverina intsony. Ny loza hitranga tsy hoe akory horohoron-tany in-1 mandeha na volcan in-1 mipoaka fa araka ny tenin'ny Tompo aza raha tsy nohafohezina ireo loza ireo dia ho ringana ny olona ambonin'ny tany.

Ny zavatra ataoko dia tahaka ny ataon'ny mpiasan'ny météo ihany. Rehefa hisy cyclone ho tonga amin'ny toerana iray dia milaza mialoha ny météo hoe afaka 6 ora dia ho tonga ao amin'ny faritra xxx ny cyclone ka aoka samy hiomana.
Mino aho fa raha afaka adin'ny 6 tokoa no ho tonga ao amin'ny toerana iray ny cyclone faran'izay mahery vaika dia adala izay mbola hanao hoe ny cyclone hisy foana fa aza mivaky loha amin'izany.

Ka samia miomana sy miambina ary MIBEBAKA MAFY mba tsy hanenenana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1762