Ho avy ny loza - hafatra farany ho an'ny Malagasy
41. Nehemiah
(
05/01/2013 05:11)
Miharena:
Izaho moa dia milaza amin'ny olona ny famakiana ireny boky toy ny 3è Testament ireny hahafahana mahazo mazava izay tena avy amin'i Jesoa fa tsy sandoka.
Inona indray izao 3e testament izao ? Bokin'ny Mormons ?
42. asdepique
(
05/01/2013 06:12)
Hafatry ny vondron'ny mpaminany :
Dia mbola akimpiho ihany ny maso; dia mbola lazao ihany fa izaho ihany no mpampatahotra fa aoriana kely ao dia hambara isam-piangonana ny ampahany amin'ny zavatra izay nambarako teto.
Tongava saina fa antomotra ny andro.

43. methode
(
05/01/2013 06:47)
Tsy olona avy niofana teo Ampasampito akaikin'ny Gamo eo ve reo olona lazaina fa mpaminany reo? Miara-manompo moa izy io raha tsy diso za!!!
44. asdepique
(
05/01/2013 07:49)
Mpaminany avy amin'ny fiangonana kristiana marobe ireo no mivondrona ao, misy FJKM ao, misy FLM sns... ary misy avy amin'ny fiangonana zandriny maro.
Izay no maha-vondron'ny mpaminany kristiana azy fa tsy vondron'ny mpaminany miara-manompo.
Izay no maha-vondron'ny mpaminany kristiana azy fa tsy vondron'ny mpaminany miara-manompo.
45. methode
(
05/01/2013 08:04)
asdepique:
Mpaminany avy amin'ny fiangonana kristiana marobe ireo no mivondrona ao, misy FJKM ao, misy FLM sns... ary misy avy amin'ny fiangonana zandriny maro.
Izay no maha-vondron'ny mpaminany kristiana azy fa tsy vondron'ny mpaminany miara-manompo.
Ka ny Sectes rehetra ange tsy avy aiza fa olona avy amin'ireo karazam-piangonana ireo e! De tsy maintsy ho avy amini'ireo koa zany ny mpaminany sandoka!
Fa ireo olona niala tao ireo tsy azo ato intsony hoe FJKM na FLM sy ny sisa!Ea nivily lalana!
46. asdepique
(
05/01/2013 08:20)
io conférence de presse natao omaly io dia ny hampita hafatra fotsiny ny tanjona fa tsy hanangana fiangonana akory ary misy amin'ireo olona ireo aza pasitera avy amin'ny fiangonana.
Zavatra mety hisy ve ity ry methode :
Tonga eo amin'ny fitsarana hono ny olona iray :
- Mpitsara : Taiza no fiangonana nisy anao teny ambonin'ny tany?
- Olona tsaraina : Tao @ Miara-manompo aho tompoko no nivavaka?
- Mpitsara : Any @ helo no mendrika anao, sekta io nivavahanao io ka tsy mendrika ny hiditra aty amin'ny fanjakan'ny lanitra ianao.

47. bor2lais
(
05/01/2013 11:24)
Ahitan-javatra mihitsy itony internet itony ka ! :-)
Dia nitsangana izany ny "vondron'ny mpaminany" a !
Amiko izany vondrona izany dia tahaka ny association na syndicat rehetra ihany : miaro ny tombon-tsoan'ny mpikambana ao aminy, sns ... ! ;-)
Dia ahoana hono no atao hidirana mpikambana ao amin'io vondrona io ? Iza no sefo hatreto ? :-)
Ilay resaka "fibebahana faobe" : f'angaha azo teren-ko masaka (amin'ny alalan'ny fampitahorana) tahaka ny voalobo-jaza izy izany ? ;-)

48. asdepique
(
05/01/2013 19:24)
Hay izay koa izany no tanjon'ny vondron'ny mpanohitra (resaka politika)?
Noheveriko fa mba hiaro ny tombotsoan'ny Malagasy hay hiaro ny tombotsoan'ny mpikambana ao aminy.
Noheveriko fa mba hiaro ny tombotsoan'ny Malagasy hay hiaro ny tombotsoan'ny mpikambana ao aminy.
49. Miharena
(
06/01/2013 13:58)
Namana Nehemia,
Raha te-handalina bebe kokoa ny momba ny finoana ianao dia tsy mahazo mihodinkodina eo amin'ny zavatra efa hitanao fa tsy manome izay tian'ny Tompo ambara toy ny firehana isan-karazany izay ataon'y olombelona nandray izay voalazan'ny Baiboly araka ny heviiny avy fa mila mahafantatra hoe inona avy no hafatra fanazavàna aty aoriana izay ambaran'yTompo mivantana. Anisan'izany ilay 3è Testament.
Tsy io ihany no manamarina izay tin'I Jesoa ambara fa ao amin'ny site Ascension planétaire koa dia isan'ny manazava ny tena fototry ny fahatongavaNY teto an-tany IZY ary mazava ny fanambarany.Ohatra : ny olona ihany no mamboly devoly ao aminy amin'ny alalan'ny fanaovana mythe an'i Jehovah sy Satana. Manambara amintsika IZY ny hianantsika ao amin'ny réalité dia ny maha-avy amin'Andriamanitra antsika tsirairay avy ary ao anatintsika Andriamanitra fa tsy tadiavina lavitra.
Asa hoe raha manana izany fitiavana lehibe izany isika miaina ao anatintsika ary manana fahefana handresy ny fahalavoana noho ny fiheverana tsy mahomby rehetra nihatra tamintsika sy mboal heverintsika hotohizana, mety mbola hisy ve ny loza? Mbola azo heverina ve izay lazain'ny mpaminany milaza loza? Aiza ny fahazavana nozaraina hatrizay? Aiza ilya fanadiovana efa nodradraina hatrizay araka ny Teny malaza hoe : sambatra izay madio am-po, fa azy ny fanjakan'ny lanitra?

50. Nehemiah
(
07/01/2013 05:32)

Ka ny Ap. 22:18 anie manao hoe : "Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ ity boky ity ho azy". Efa ampy ny Baiboly. Izay rehetra te-hiseho azy ho fanambarana avy @'Andriamanitra ankoatran'izay dia mandainga. Marina fa tsy mila miankina @ firehana etsy na eroa antsika, ka izay no anaovako hoe ny Baiboly no hany mari-pandrefesantsika.
51. bor2lais
(
07/01/2013 09:55)
asdepique:
Hay izay koa izany no tanjon'ny vondron'ny mpanohitra (resaka politika)?
Noheveriko fa mba hiaro ny tombotsoan'ny Malagasy hay hiaro ny tombotsoan'ny mpikambana ao aminy.
Raha mamaky tsara ny zavatra nosoratako ianao dia tokony mahita fa nasiako "sns". ;-)
Manomboka miteny tsy anontaniana (ny tanjonareo) ihany ange ianareo izany ry asdepique e : resaka politika ! ;-)
Fa toa tsy valianao kosa ny fanontaniana napetrako e :
- ahoana ny fidirana ho mpikambana na koa hoe ahoana no amaritanareo fa mpaminany ny olona iray (misy jury de sélection ve) ?
- iza no sefo na iza avy no birao raha tianao ? ;-)
52. Miharena
(
07/01/2013 11:47)
Nehemia:
Ka ny Ap. 22:18 anie manao hoe : "Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ ity boky ity ho azy". Efa ampy ny Baiboly. Izay rehetra te-hiseho azy ho fanambarana avy @'Andriamanitra ankoatran'izay dia mandainga. Marina fa tsy mila miankina @ firehana etsy na eroa antsika, ka izay no anaovako hoe ny Baiboly no hany mari-pandrefesantsika.
Ka eo indrindra no tsy mampety ny fitondrantenan'ny Krisitianina sy ny Silamo matetika, rehefa tsy ao anaty Baiboly na tsy ao anaty Korana dia lazaina fa tsy izy.
Raha tsy nosoratana ao anaty Baiboly ohatra ve ny fanambaoarana kojakoja (ataontsika hoe fiarakodia), dia tsy azo ekena?
Hoy ny Silamo mantsy ny Kristianina hoe olon'ny soratra hono isika fa ry zareo no olon'ny finoana izay nampianarin'ny mpaminany farany dia i Mahometa.Ka aiza ho aiza isika amin'izany ?
Misy koa lettre dictée par Jésus ohatra milaza fa IZY sy Mahomet dia iray ihany toy ny mahairay AZY sy Bouddha sy ny sisa rehetra azo lazaina fa Maitre.
Adalàna ny antsika milaza fa izay tsy voasoratra ao anaty Baiboly dia tsy izy satria na IZY tenany aza nilaza fa sarotra ny fomba nampidirana ny tena fampianarana marina tsy misy kilema tamin'ny fotoan'Andrio satria efa olona feno finoana izay nolazain'ny razana taminy ny olona tamin'izany.
Ny Baiboly dia nanjary nisy fofon'ireo finoana teo aloha toy ny maso efai-maso, ny fandraràna marobe. Fa ny vontoatiny milaza hoe Andriamanitra dia Fitiavana dia nafangaro amin'ny hoe Jehovah mpanafay. Raha ny marina dia isika ihany no manafay antsika araka ny conviction nampidirina tamintsika, izay olombelona mifampitarika samy jamba ihany no nahaterahan'izany rehetra izany, dia ny korontana izany, izay nateraky ny finoanoam-poana.
Raha miverina amin'ny lohahevitra indray isika, dia misy ny loza fa tsy avy amin'Andriamanitra izany fa avy amin'ny olombelona ihany, izay niaina tamin'ny tsy fahatanterahana. Fa na izany na tsy izany, dia efa maro ireo mifoha ka tsy hamela ny loza hitranga satria efa fantatra ny FOTOTRA izay mandresy izany, dia isika izay manaiky fa zanak'Andriamanitra feno miaraka amini' Kristy.
Rehefa tsy ekentsika izay dia miteraka fiheveran-diso maro.
53. Nehemiah
(
07/01/2013 12:53)
Miharena:
Ka eo indrindra no tsy mampety ny fitondrantenan'ny Krisitianina sy ny Silamo matetika, rehefa tsy ao anaty Baiboly na tsy ao anaty Korana dia lazaina fa tsy izy.
Raha tsy nosoratana ao anaty Baiboly ohatra ve ny fanambaoarana kojakoja (ataontsika hoe fiarakodia), dia tsy azo ekena?
Hoy ny Silamo mantsy ny Kristianina hoe olon'ny soratra hono isika fa ry zareo no olon'ny finoana izay nampianarin'ny mpaminany farany dia i Mahometa.Ka aiza ho aiza isika amin'izany ?
Misy koa lettre dictée par Jésus ohatra milaza fa IZY sy Mahomet dia iray ihany toy ny mahairay AZY sy Bouddha sy ny sisa rehetra azo lazaina fa Maitre.
Tsy azoko loatra izay tokony iraharahian'ny Kristianina ny fitsaratsaran'ny tsi-kristianina, fa lany andro fotsiny ianao t@'iny valiny iray manontolo iny, satria tsy nilaza mihitsy aho fa "rehefa tsy ao anaty Baiboly na tsy ao anaty Korana dia [...] fa tsy izy", fa rehefa mifanohitra @ Tenin'Andriamanitra dia TSY IZY !
Miharena:
Adalàna ny antsika milaza fa izay tsy voasoratra ao anaty Baiboly dia tsy izy satria na IZY tenany aza nilaza fa sarotra ny fomba nampidirana ny tena fampianarana marina tsy misy kilema tamin'ny fotoan'Andrio satria efa olona feno finoana izay nolazain'ny razana taminy ny olona tamin'izany.
Ny Baiboly dia nanjary nisy fofon'ireo finoana teo aloha toy ny maso efai-maso, ny fandraràna marobe. Fa ny vontoatiny milaza hoe Andriamanitra dia Fitiavana dia nafangaro amin'ny hoe Jehovah mpanafay. Raha ny marina dia isika ihany no manafay antsika araka ny conviction nampidirina tamintsika, izay olombelona mifampitarika samy jamba ihany no nahaterahan'izany rehetra izany, dia ny korontana izany, izay nateraky ny finoanoam-poana.
"Fofon'ireo finoana teo aloha" ? Mba omeo ohatra @'izany finoana izany iray aho ange.
Mahagaga ahy ihany ianao izay mampiditra resaka Fanekena Sinaitika nefa antsika eo ambany Fanekena Vaovao. Ireny fandraràna maro samihafa ao anatin'ny Pentateuque dia nataon'Andriamanitra mba ho vahoaka masina natokana ho Azy ny Josy. Fa efa tsy manan-kery ho antsika intsony ireny, izay no lazain'ny Baiboly.
Tsarovy fa ny Baiboly dia milaza ny tenany ho Tenin'Andriamanitra, ka raha misy lainga na zavatra tsy marina na dia 1 aza dia lainga izany filazany ho Tenin'Andriamanitra. Ka raha lazaintsika fa misy zavatra "tsy tena marina" ny Baiboly, dia lazaintsika fa mpandainga i Andriamanitra.
Izaho tsy manohana ny "littéralisme", fa manohana ny Fahefana Fenon'ny Baiboly : ny hevitra tena tian'ny mpanoratra ampitaina no manam-pahefana. Ny kalo ao anatiny dia raisina ho tononkalo, fa ny fitantaràna ao anatiny dia raisina ho tantara marina. Ary tsy azo angalàna ampahany anankiray ao anatiny ny Baiboly mba hanohanana ny hevi-disontsika fa tsy maintsy ny rafitra lehiben'ny famonjena manerana ny Baiboly 1 manontolo no entina andinihana azy.
54. tsitialainga
(
07/01/2013 17:49)
asdepique:
>>Miharena
Ny fiomanana tokony atao dia :
- ara-tsaina
Mba hiomana sy hiandry ka rehefa tonga tokoa ny loza dia efa vonona ka tsy ho taitra intsony.
Raha misy olona iray manapoaka tsipoapoaka izao ka mipoaka ilay tsipoapoaka dia ireo olona izay naheno an'izany tsipoapoaka nipoaka izany dia ho taitra satria tsy nampoiziny fa ilay nanapoaka kosa dia tsy haninona akory satria fantany fa tsy maintsy hipoaka iny.
- ara-nofo
Hisy lozabe fa tokony ho efa mahafantatra ny tokony atao vao manomboka ny loza:
Miditra ao an-trano dia arindrina daholo ny varavarana rehetra ary mibebaka sy midera an'Andriamanitra no atao.
Ho tapaka koa ny jiro ary tsy hisy handeha ny zavatra mandeha herinaratra rehetra ka tokony hiomana amin'ny labozia, afokasoka, rano madio, sakafo hanina mandritra ny telo andro.
- ara-panahy
Tokony hibebaka mafy dia mafy isan'andro sy hanamasina ny tena fa izay olona maloto dia holavin'Andriamanitra ka ho tratry ny loza. Havahan'Andriamanitra ny manompo Azy sy ny tsy manompo Azy ka ho lasa halan'ny olona ireo izay manompo satria ny olona mijaly fadiranovana nefa ireo manana an'i Jesosy kosa dia milamin-tsaina aorian'ny loza.
Ny Mikaela resahako dia tsy i Mikaela Arkanjely akory fa ilay Mikaela voasoratra ao amin'ny
Daniela 12:1
Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky.
Efa eto an-tany io Mikaela io amin'izao fotoana izao satria efa hanomboka tsy ho ela ilay teny io ambony io hoe "hisy andro fahoriana izay tsy nisy tahaka azy".
Nahoana no tsy tany Isiraely i Mikaela no teraka fa taty Madagasikara?
1 - Satria ny Malagasy dia Jiosy ary avy amin'ny Jiosy no ivoahan'ny famonjena.
2 - Ny Jiosy monina any Isiraely dia tsy mino an'i Jesosy ho Mesia na dia misy aza ireo milaza ho jiosy mesianika na ny fivavahana jodaisama mesianika.
Efa nolavin'i Jesosy ny Jiosy REHETRA tao Jerosalema tamin'ny nitenenany hoe :
Matio 23.39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandrapilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.
Mbola ho avy nefa ny fotoana hanafahana ny Jiosy rehetra fa mbola hino an'ilay antekristy aloha izy ireo alohan'izany.
Ny momba ilay loza dia tena lozabe tsy mbola nisy toa izany io ka raha hiteny hoe tsofina fotsiny dia mety tsy takatry ny saintsika angamba ny tena zavatra hitranga.
Fahitana vao hitan'ny namana Malagasy iray tamin'ny alatsinainy ity :
Nasehon'Andriamanitra taminy hono ny zavatra hiseho amin'io loza io ka izao no zavatra hitany hoe : mbola samy nikenokenona hono ny olona, olona iray no naseho taminy andeha hividy hena atao laoka, tsy nisy na inona na inona fa ohatry ny nisy zavatra nanambana izany fotsiny teny amin'ny rahon'ny lanitra. Tampotampoka teo dia feno afo niraraka avy any an-danitra ary ny andro dia lasa maizina tampoka, nisy rivo-mahery be ary maizina tampoka teo ny andro. Horakoraka sy hiakiaka no re ary samy mihakazakaza amin'izay alehany avy ny olona rehetra. Ny tany amin'io mihorohoro tsy mijanona ary misy faritra nisokatra ka nandentika olona maromaro sy trano maromaro. Ny trano sasany mirehitra, ny sasany mianjera, ao ny maratra mafy ary ny maty dia tsy tambo isaina intsony. Nangovitra hono izy raha naseho izany fahitana izany.
Ka imaginer-o izany fa na ireo olona milaza azy ho mafy toa ny inona aza angamba hatahotra ihany.
Yah! Efa lasa iny le fafy lainga momba ny 21 Decembre nataon'ny mpaminany sandoka fa izaho kosa asdepique mbola te hanamafy ny zavatra nolazainao ilay hoe jiosy ny Malagasy ka avy aminy ny famonjena.
Koa inona àry no tokony handrasan-tsika tsy hamonjena ny tenan-tsika aloha vao ny hafa indray?
Raha azoko tsara zany dia tokony hiteny foana @ zay isika rehefa mivavaka isan'andro hoe : Isaorana anie izay avy @ Anaran' i Jehovah! Raha tsy izany dia tsy hahita AZY intsony isika. Ary sao dia tsaratsara mihitsy aza @ teny jiosy manao hoe : Barukh haba beshem Haschem ?
Ary maninona mihitsy aloha raha atao izay hahafantaran'ny Malagasy fa tena jiosy izy e?
Mety ho betsaka ny tombony hoazon-tsika @ zany ankoatra ny Fanjakan'ny lanitra dia ny zavatra rehetra araka ny Mat 6/33. Amin' izay anie sady azo ny valala manatody sy ny fandria-mafana e!!!!!!! Mifoaza ry jiosy e!e!e!e!e!e!e!e!e!e!e!e!e!e!!!!!!!!!!!
55. Miharena
(
08/01/2013 09:01)
Nehemia:
"Fofon'ireo finoana teo aloha" ? Mba omeo ohatra @'izany finoana izany iray aho ange.
Mahagaga ahy ihany ianao izay mampiditra resaka Fanekena Sinaitika nefa antsika eo ambany Fanekena Vaovao. Ireny fandraràna maro samihafa ao anatin'ny Pentateuque dia nataon'Andriamanitra mba ho vahoaka masina natokana ho Azy ny Josy. Fa efa tsy manan-kery ho antsika intsony ireny, izay no lazain'ny Baiboly.
Tsarovy fa ny Baiboly dia milaza ny tenany ho Tenin'Andriamanitra, ka raha misy lainga na zavatra tsy marina na dia 1 aza dia lainga izany filazany ho Tenin'Andriamanitra. Ka raha lazaintsika fa misy zavatra "tsy tena marina" ny Baiboly, dia lazaintsika fa mpandainga i Andriamanitra.
Izaho tsy manohana ny "littéralisme", fa manohana ny Fahefana Fenon'ny Baiboly : ny hevitra tena tian'ny mpanoratra ampitaina no manam-pahefana. Ny kalo ao anatiny dia raisina ho tononkalo, fa ny fitantaràna ao anatiny dia raisina ho tantara marina. Ary tsy azo angalàna ampahany anankiray ao anatiny ny Baiboly mba hanohanana ny hevi-disontsika fa tsy maintsy ny rafitra lehiben'ny famonjena manerana ny Baiboly 1 manontolo no entina andinihana azy.
Ny tsy fanohananao litteralisme dia efa tsara, noho izany raha miteraka littéralisme ny famakianao Baiboly dia aleveno impito mandifotra olona ny hevitra novoizinao tao nefa tsy mifanaraka amin'ny lojikan'I Kristy sy ny RAY.
Ny olana dia efa nambara teo hoe misy Teny maro ao anaty Baiboly fa tsy midika izany fa manambara tanteraka ny zava-drehetra amin'ny hitsiny ny ao rehefa mandeha ny fotoana sy ny fiheveran'ny olona tsirairay avy ny voasoratra. Na dia ny fe-potoana teo anelanelan'ny nampianaran'i Kristy sy ny nanoratana ny Testamenta Vaovao aza dia efa misy tsy fahampiana tsy maintsy latsaka ao. Raha tsy IZY TENANY no manavao ny Teniny sy ny vontoatin'ny asaNY dia tsy marina avokoa izay lazain'ny olona.
Ny ahy moa dia lazaiko mazava fa foanako aloha ny tenako vao miressaka amin'ny Fanahy Masina na ny RAY aho. Izay vao afaka manana antoka fa mahazo izay voambara, na io ao anaty Baiboly, na io resaka mandeha, na io hafatra mivantana avy amin'i Kristy, na Anjely, na razana.
Ka asakasakao aloha raha toa ka sahy ianao hijery izany rehetra izany na hionona amin'ny fahatahorana sao dia hosazina'Andriamanitra (izay Mythe napetraky ny Jiosy momba an'i Jehovah).
Ilay mamofompofona endrika Paganisma no notoherin'i Jesoa raha tena manaraka tsara ny tena vontoatin"y fampianarany ianao. Tsy ao anaty Baiboly ihany fa ao amin''ny hafatra maro aty aoriana.
Iray ny tanjoNY, dia ny hampahalala anao fa IRAY ao amin'NY RAY IZY SY IANAO.
Azonao vakiana hoy aho ny hafatra maro izay hitanao fa avy AMINY. Manao amin'ny oogle fotsiny ianao hoe ascension planétaire ohatra dia vakiana ny Lettres Christiques dia efa mahita hoe inona no fanazavana ireo teny ao anaty Baiboly io satria IZY Tenany no manambara AZY amin'izay.
Mazotoa mitady fa ziay mitady no mahita, izay mandondona no hovohana ary izay mampiasa ny Talenta avy eo dia mahazo vokatra tsy hita pesimpesenina (na ara-pahendrena, na ara-panahy miara-miasa amin'Andriamanitra RAY.