Ho avy ny loza - hafatra farany ho an'ny Malagasy

21. Nehemiah ( 31/12/2012 07:03)

asdepique:

>>Nehemiah
Resaka réincarnation :
Andriamanitra dia mpamorona ary tamin'ny voalohany dia Izy irery fa tsy nisy anjely, tsy nisy ny univers, tsy nisy olombelona fa noforonin'Andriamanitra daholo izany.

Resaka réincarnation dia azo raisina ohatra amin'izany i Elia.

Malakia 3:23 Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra.

Iza nefa no nolazain'i Jesosy fa Elia? Tsy iza io fa i Jaona satria izy no mampody ny fon'ny Ray amin'ny zanaka sy ny fon'ny zanaka amin'ny Ray amin'ny alalan'ny fanaovana batisa. Nampifandray indray ny olombelona tamin'Andriamanitra.

Ny olona rehetra alefan'Andriamanitra hanao asa ety an-tany dia tsy maintsy mandalo izay andalovan'ny zanak'olombelona rehetra dia ny fahaterana, fitomboana @ nofo ary miafara amin'ny fahafatesana.

Adinonao kosa ny Heb. 9:27 : "Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana". Ny andininy omenao dia tsy milaza fa hiverina hanao réincarnation i Elia satria mbola velona izy t@'izy niakatra tany an-danitra. Raha misy tokoa ny réincarnation, avy taiza kay ny olona vaovao BDB nahatonga ny isan'ny olona eran'izao tontolo izao hitombo ? Efa napetrako izay fanontaniana izay fa mbola tsy voavalinao. Farafaharatsiny, nahoana no tsy mba manana fitondran-tena ny biby fa ny instinct no mitarika azy ireo ?

Ny Baiboly dia tsy milaza fa i Elia ihany i Jaona Mpanao Batisa, fa milaza fa tonga t@ herin'i Elia i Jaona Mpanao Batisa. Rehefa milaza ny olona fa "Napoléon de l'antiquité" ny faraona Touthmosis III, izany angaha midika fa ni-se réincarner t@ Napoléon i Touthmosis III ?
Ekeo kosa fa tsy mifandraika @ fampianaran'ny Baiboly ny réincarnation. Raha tena misy tokoa izany, dia inona fotsiny no niavian'i Jesoa Kristy tety ambony tany raha afaka miaina fiainana marobe hanatsara ny tenany ny olombelona ?
asdepique:
Resaka OVNI :
Ny porofo amin'ny resaka fiainana ivelan'ny tany dia efa be dia be ny porofo fa isika no minia tsy miraharaha an'ireny porofo ireny.
Fantatrao ve fa ny anjely dia tsy mba manana sexe? Tsy misy lahy tsy misy vavy?
Ka raha tsy anjely ireo lazaina fa zanak'Andriamanitra ao amin'ny Genesisy 6 dia iza izy ireo?

Genesisy 6
1 Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro,
2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.

Fantatrao ve fa afaka mitafy vatan'olombelona ny anjely rehefa midina ety ambony tany, tahaky ny anjely 3 niara-nisakafo t@ Abrahama ? Ka tsy mitombina ny hevitrao. Ny fiheveran'ny ankabetsahan'ny manam-pahaizana an'ireo andininy ireo dia :
_ na lehilahy mahery nanonon-tena ho zanak'Andriamanitra (tahaky ny Faraona sy ny Incas),
_ na anjely lavo (izany hoe demony) izay nanao ratsy diso tafahoatra t@ nametavetany zazavavy mba hiteraka Nefilima ka hahatonga ny taranaka hiteraka ny Mesia hivarilavo (ary ireny angamba no resahin'ny 2 Pet. 2:4-5 : "Fa raha tsy navelan’ Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin’ ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina [Na: (nafatony tamin’ ny gadra fahamaizinana)] mba hotehirizina ho amin’ ny fitsarana, ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an’ i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin’ ny ratsy fanahy teo amin’ izao tontolo izao", ka ny teny izay nadika hoe "helo" dia "tartarus" izay hafan'ny hadesy andehanan'ny maty izay tsy nino an'i Kristy, ka angamba toeram-pijaliana manokana izany, satria ratsy indrindra ny zavatra nataony. Mety izay koa no antony iray nandefasan'Andriamanitra ny safodrano : mba handravana ny Nefilima).
asdepique:
Jereo koa amin'ny youtube na amin'ny Internet fa mitantara ny expérience niainany sy ny zavatra fantany mahalasika ny ET i Buzz Aldrin, ilay cosmonaute faharoa nanitsaka ny volana. Na teo Analakely aza dia efa nisy OVNI nandalo tamin'ny taona 1954 ary manontania olona niaina izany expérience izany fa tonga dia maty daholo hono ny jiro tao Analakely ary toa izany koa ny fiara ary samy nahita zavatra teny ambonin'Analakely ny olona. Vao lasa ilay izy dia samy velona daholo indray ny fiara avy eo.
Be dia be ny porofo azo ambara fa ny olana amintsika olombelona matetika efa manana zavatra mipetraka ao an-doha ka na inona na inona porofo omena dia matetika ny fandavana an'ilay zava-misy no lasa aloha.

Ny Baiboly dia milaza mazava tsara fa antsika olombelona irery no zavamananaina manana conscience noforonin'Andriamanitra. Ny kintana tsy tambo isaina eny anabakabaka ireny dia noforoniny mba ho vavolombelon'ny voninahiny (Sal. 19:1). Nahatonga an'izao tontolo (univers) izao hivarilavo tanteraka ny otan'i Adama (Rom. 8:22), ka ET tsy nanao inona ve dia ho tratran'izay koa ? Mifanaraka @ toetra marin'i Andriamanitra ve izany ?
Ity misy rohy @ fandinihana nataon'i Gary Bates, manam-pahaizana kristianina izay nanadihady ity resaka ET ity mahavaly an'izay hevitra izay :

http://creation.com/did-god-create-life-on-other-planets

Ity indray ny fandinihany momba ny resaka Nephilim :

http://creation.com/images/pdfs/articles/sons-of-god-genesis-6.pdf

Sady fantatsika tsara fa ny tanjon'ny voary iray manontolo dia ny hitondra Fofom-bady (ny Fiangonana) ho an'i Kristy, ka i Kristy ve dia ho polygame raha hisy Fiangonana ETs maromaro ?
Mbola nijaly imbetsaka ho an'ny ETs tsy fantampantatra ve ny Tompo mba hanafaka azy ireo ? Lazain'ny Baiboly tsara (indridra ny Epistily ho an'ny Hebreo) fa nijaly indray mandeha ihany izy ary tsy mila miverina hijaly intsony.

Izany rehetra izany dia manaporofo fa tsy mba mampianatra resaka ETs ary mampidi-doza indrindra ho an'ny Evanjely izany satria raha misy ny ETs dia tsy azo atokisana ny Tenin'Andriamanitra satria afeniny amintsika izany.

Tiako marihina fa ny mahavoa anao dia leferinao @ hevitra tsy ara-Baiboly ny Baiboly, hany ka mampiditra zavatra tsy lazain'ny Baiboly anaty Baiboly ianao. Raha manao an'izay ny olona dia azo omena justification ara-Baiboly daholo ny ratsy rehetra fanaon'ny olombelona ety ambony tany, tahaky ny mpanavakavaka volon-koditra tany Mississipi izay nanodikodina ny hevitry ny Gen. 5:27 mba hilazàna fa voaozona ny mainty hoditra ary tsy maintsy misaraka ny races.
Raha mino ianao fa Tenin'Andriamanitra tokoa ny Baiboly, dia tokony ny mifanohitra an'izay no tokony ataonao, izany hoe ny hevitra tsy ara-Baiboly (na dia niaianao aza) no leferina @ Baiboly ka hazavainao aminy.
Manazava ny momba an'izany i Bates @'ity rohy ity :

http://creation.com/christians-shaped-by-experiences-rather-than-the-bible-first-approach
asdepique:
Zavatra tena nisy ilay fianjeran'ny OVNI tao Roswell ary be dia be ny vavolombelona nanatri-maso izany. Na ireo olona teknisiana niasa ho an'ny FBI sy ny NASA t@ izany aza dia misy mitantara ny tena zava-nisy tamin'izany fotoana izany.

Itony indray misy article nosoratan'i Gary Bates izay manazava ny zavatra tena nisy tany Roswell : sondes atmosphériques nalefan'ny governemanta US hiainoana ny fanandramana atomika anabakabaka mety ataon'ny URSS ny zavatra izay nianjera tany Roswell, ka rariny loatra raha nanafina an'izay ny governemanta ; tsy misy resaka ET izany eo fa ny haino aman-jery no mahita raha tenenina :

http://creation.com/article/5094
asdepique:
Ny tena marina mahakasika ny ET dia ny firenena lehibe manerana an'izao tontolo izao mihitsy no nifanaraka t@ 1950 fa samy hanafina izany zava-misy izany mandritra ny 50 taona. Amin'izao fotoana izao nefa dia samy manokatra ny dossier-ny ny firenen-dehibe.

Sci-fi.

Milaza ny Baiboly fa tsy misy ny ETs. Raha fintiniko ny zavatra hitan'i Bates, dia tena misy tokoa ny fahitàna sy tranga @ resaka ET, fa i]asa-devoly izany[/i], tahak'ireny fées, Ranakandriana, vazimba sy ny tariny. Tadidio fa mahavita miova ho anjelin'ny fahazavàna ny devoly (2 Kor. 11:14).

asdepique:
Matoatoa :

Matio 14.26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana ambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raikitahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.

Lioka 24.39 Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.


Tsy mifanipaka ve ny fisian'ny réincarnation sy ny fisian'ny angatra miaraka ?

Na izany na tsy izany dia mbola i Bates ihany no antsoantsika hamaly an'izay lol:

http://creation.com/are-ghosts-real
http://creation.com/ghost-encounters

Ny andininy nomenao anie tsy mba milaza mihitsy fa misy ny matoatoa fa milaza fotsiny fa tsy matoatoa araky ny fiheveran'ny olona @'izany i Jesoa.
Fa raha hiresaka momba ny nataon'ilay mpamosavy tany Andora dia ity indray ho anao :

http://creation.com/ghost-encounters

Averiko hatrany : mampianatra mazava tsara ny Baiboly fa tsy miverina avy @ fahafatesana ny fanahin'ny olona maty, ka midika izany fa asan-devoly ireny tranga ireny, mba hahatonga ny olona hisalasala momba ny Tenin'Andriamanitra. Izay moa no fikany hatr@ voalohany : "Hanky! efa nataon’ Andriamanitra hoe..." (Gen. 3:1)

Tokony hanan-ko vakiana mandritry ny herinandro ianao @ rohy nomeko anao. Mazotoa ;).
22. bor2lais ( 31/12/2012 09:28)
Nehemiah:

Tokony hanan-ko vakiana mandritry ny herinandro ianao @ rohy nomeko anao. Mazotoa

Asdepique mbola variana miandry ny fiandohan'ny lozabe alohan'ny faran'ity taona ity ka mety tsy hanam-potoana hamakiana ny rohy angamba ! ;-)
23. Miharena ( 01/01/2013 12:50)
Miarahaba ny namana Asdepique sy ny namana rehetra eto ami'ny serasera nahatratra ity taona 2013 ity.

Ity lohahevitra ity moa dia lasa nisy pejy betsaka ihany noho ireo adihevitra maro naposaka.
Izaho manokana dia milaza ihany hoe misy ny fampiviliana ny attention ny olona amina karazana fahitana izay tsy manome ny réalité. Ny OVNI sy izay atao hoe entités spirituelles dia tsy azo lazaina fa tsy misy fa isika koa dia anisan'ny fanahy avy amin'Andriamanitra ka tsy tokony ho voarebireby amin'ny fampihorohoroana ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-materialy. Raha mandinika isika dia fitambaran'ny faharatsiana no mahatonga ny fipoiran'ny nofy ratsy ary koa zary lasa iainana ilay izy rehefa latsaka ao anaty. Ny ady amin'izany no mila hatrehana amin'y alalan'ny maha-izy antsika, izay efa nomena ny fahefana maha-olombelona fanahy velona iray amin'i Kristy sy Andriamanitra Raintsika nipoirantsika.

Ka raha mbola hevitra na inona na inona karazany dia tsy manana fahefana maharitra ary tsy tokony ho raisina ho fahamarinana.

Sa ahoana hoy ianao?
24. Tefigasy ( 02/01/2013 06:04)
asdepique:

...

Faly miarahaba anao mbola nomen'Andriamanitra tombon'andro indray noho ity taona vaovao ity,
alohan'ny hanomezako hafatra ho anao dia mba te hametraka fanontaniana kely aho: ianao ihany ve no blagueur (pseudo @ forum hafa fa tsy ato @ namana.serasera) ?
Raha Eny no valiny, fitiavako anao no hanomezako anao izao teny izao hoe : aleo tsy manely lainga fa izay fahamarinana avy amin'Andriamanitra ihany ambara sy toriana. Satria mino aho fa tsy atoro anao hoe iza izany rain'ny lainga izany !
Raha Tsia kosa ny valiny dia ataovy ho toa ny tsy nisy ireo nambarako eo ambony ireo a!
@+
25. bor2lais ( 02/01/2013 13:20)
Tefigasy->asdepique:

ianao ihany ve no blagueur ...

asdepique:

Tsy saingisangy ity fa intox

:-)
26. methode ( 02/01/2013 13:39)
Hay marina moa efa mazava be hoe intox ko!Ny olona fotsiny no miesona eto!
27. leva2 ( 02/01/2013 19:54)
Velona Jesosy, ary mandrakizay ny famindram-pony!

Miarahaba ny namana mpisera rehetra e, dia ho taona hanaovantsika dingana goavana eo amin'ny fanompoana ny Tompo, sy handrosoana ho amin'ny fahalehibeazana ara-panahy anie ity taona 2013 ity!

Efa azokazoko daholo ihany aloha hoe iza avy ireo namana marivo finoana mety ho nanangona labozia sy afokasika tato amin'ny serasera tato.

Ho anao kosa namana asdepique, raha toa ka mpandrongony ianao fahiny no niova fo dia tsy de hanome tsiny anao loatra aho. Na izany aza anefa, mba te hanampy anao ihany aho amin'ireto zavatra roa lazaiko ireto :
1- Jereo tsara fa misy virus ny disc dur (fo, fa tsy saina) nampidiranao ny famakianao baiboly. Tokony scanne-na, na formatena mihitsy aza no tena tsara, ary Jesosy (ilay tena izy, fa tsy ilay nampandainga anao) irery ihany no mahay manao ny formatage.
2- Tokony ho tsapanao izao fa tsy Jesosy velively no nampiteny anao ireo fanambarana ireo fa "ilay amboadia" no nitafy "hodi-janak'ondry" ka namitaka anao. Miverena any an-doharano namana fa raha tena mikatsaka ilay Marina ianao dia hahita Azy tokoa.

Mirary soa e!
28. asdepique ( 04/01/2013 02:40)
Ho an'ny rehetra :

Ny mpahay baiboly rehetra dia samy mahalala an'ity teny ity :
------------------------
Matio 12.31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
------------------------
Ary mahafantatra tsara an'io teny io aho fa raha tsy avy amin'ny Fanahy Masina ny zavatra ambarako nefa izaho milaza fa avy amin'ny Fanahy Masina ilay teny dia avy eo nefa ilay izy tsy tanteraka akory dia mampandainga ny Fanahy masina aho sady milaza fa mpandainga ny Fanahy Masina ka tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay aho.

Famindram-pon'Andriamanitra sisa no tsy mahatonga ny loza ary tsy hoe foana tsy nisy akory ilay izy fa nahemotra ary tsy nahemotra ela fa nahemotra andro vitsivitsy.

Raha tsy nanambara an'ity koa ny Jesosy dia mbola mampandainga ny Fanahy Masina koa aho :
------------------
Hoy Izy : Ry xxxx vitao ny asa nampanaovina anao, ampibebaho malaky dia malaky ny olombelona, ilazao ireo namanao, havanao, olom-patatrao mba hibebaka mafy dia mafy.
------------------
Hentitra dia hentitra Izy raha nanambara izany teny izany.

Mandiniha ny lanitra (amin'ny andro antonandro) fa efa tokony ho hitanareo eny amin'izao ilay comète izay hifandona amin'ny tany. Mety ho efa nisy taminareo nahita kintana amin'ny andro antoandro. Tsy kintana akory io fa comète izay hilatsaka ety an-tany tsy ho ela ary ny filatsahan'io no anobmohan'ny loza ary hiala amin'ny orbite-n'ny tany araka ny voalaza ao @ Isaia 13:13.
Tsy fampitahorana izany fa mba miandrandra ihany dia mandiniha fa maro no efa nahita an'izany.

Izaho dia tsy menatra ny manambara izany eto satria hafatra masina avy amin'ny Tompo no ambarako eto fa raha tsy marina izany ka mpamitaka sy mpaminany sandoka aho dia aoka ny anjelin'ny Tompo no hanatanteraka ity teny ity amiko fa tsy te hahita ny tavany akory aho :
--------------------------------
Matio 18.6 Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.
--------------------------------
Izay mino kosa fa avy amin'ny Tompo tokoa ny zavatra ambarako dia aoka izy hibebaka sy hiala amin'ny ratsy haingana dia haingana.

Mbola ho hitanareo fa maro amin'ity herinandro ity sy amin'ny herinandro manaraka no hanambara any amin'ny fiangonana tsirairay any hoe mibebaha ary raha ny androany zoma fotsiny aza dia hisy **fikambanan'ny mpaminany** avy amin'ny fiangonan-dehibe sy ny fiangonana zandriny hanao conférence de presse hanao fanambarana ofisialy ny amin'ny loza izay ho avy sy ny tokony HIBEBAHAN'ny Malagasy rehetra fa ho avy ny loza.

Ireo FIKAMBANAN'NY MPAMINANY ireo dia hanambara ny ampahany ihany amin'izay zavatra efa nambarako taminareo teto.

Hisy koa ireo olon-dehibe izay atokisan'ny olona eto amin'ny firenena dia ireo ray aman-dreny nirahin'Andriamanitra tany amin'ny firenena isan-karazany tany handalina ny baiboly sy handalina ny tena fihavian'ny Malagasy izay hanamba amin'ny média rehetra fa ho tanteraka amin'ity taona 2013 ity ny famonjena an'i Madagasikara sy ny fahatanterahan'ny programan'Andriamanitra ny amin'ny hanavotana an'i Madagasikara sy ametrahana ny rafitra izay tsy misy mpanana izay efa nambarako anareo ihany.

Ireo rehetra izay nifandray tamiko tamin'ny email dia efa nomeko fambara ny ahafantarana ny loza mialohan'ny ahatongavany ary tsy mbola tonga ireo.
Ireto avy izany :
- Voalohany aloha dia 3 andro mialohan'ny ahatongavan'io comète io sy ahatongavan'ny loza rehetra dia hanambara amin'ny Internet ireo astronome amateur fa misy comète manatona ny tany.
- Faharoa dia hisy arc-en-ciel miloko mainty sy gris ary fotsy eny amin'ny masoandro izay manambara fa holevonin'Andriamanitra amin'ny afo ny tany.
- Fahatelo dia 10mn alohan'ny ahatongavan'ny loza vao hambara amin'ny radio, télé, Internet fa tonga ny fara-andro, indrindra fa any amin'ireo tanàna mandroso toa ny any Amerika sy Eropa.

MIBEBAHA MANDRAKARIVA KA AZA MITSAHATRA FA IZAY MAHARITRA HATRAMIN'NY FARANY NO HOVONJENA!!!

Sao sanatria hoe nibebaka tamin'iny faran'ny taona iny dia tsy nisy akory ilay loza dia hanao ny fanao ratsy indray.


Mijere télé rahariva, mamakia gazety rahampitso fa ho hitanareo fa hanambara ireo fikambanan'ny mpaminany ireo fa ho avy ny lozabe ary tokony hibebaka haingana dia haingana ny Malagasy rehetra ary izy ireo aza dia hangataka hanao fibebahana nationaly.


Manomboka amin'ny alahady valiako daholo ireo hafatrareo ireo fa tena mbola be dia be ny asa asain'ny Tompo atao amin'ny herinandro ity ary be dia be ny olona nasainy nihaonanay.
29. leva2 ( 04/01/2013 04:31)
Velona Jesosy!

Mba sokafy ny maso namana asdepique a.
Jesosy (ilay tena izy) tsy mbola nandainga na oviana na oviana. Eto dia efa porofoin'i Jesosy (Ilay tena izy) fa sandoka ilay miresaka aminao, satria tsy navelany ho tanteraka ny fisolokiana Azy.

Mampahatsiahy ahy fijoroana vavolombelona iray izay ianao namana : Nisy rangahy mpino iray nanantona ny mpitandrina, nilaza fa nisehoan'i Jesosy izay nilaza fa ataovy mibebaka ny olona. Nanoro hevitra azy ilay mpitandrina ka nanao hoe :"raha mbola miseho aminao izany dia roahy amin'ny anaran'i Jesosy, ka ho hita eo raha tena izy tokoa na sandoka". Dia niseho taminy indray ilay "Jesosy" ka rehefa noroahiny tamin'ny anaran'i Jesosy dia niova endrika toy ny biby mahatsiravina ary ningerona ka lasa nandeha. Ary tsy niseho taminy intsony izany mandrak'androany.

Adidiko ny mampitandrina namana, ary hivavaka ho anao aho.
30. Tefigasy ( 04/01/2013 04:47)
asdepique:

Mijere télé rahariva, mamakia gazety rahampitso fa ho hitanareo fa hanambara ireo fikambanan'ny mpaminany ireo fa ho avy ny lozabe ary tokony hibebaka haingana dia haingana ny Malagasy rehetra ary izy ireo aza dia hangataka hanao fibebahana nationaly.


Mar 13 : 22 "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana , ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza , raha azo atao izany ."

Mat 7 : 15 "Mitandrema ianareo , fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka , izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry , fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy ."
31. Tefigasy ( 04/01/2013 05:02)
Tsy ny mibebaka akory no ratsy, enga anie mba hibebaka daholo ny malagasy, ny olombelona rehetra, satria noho ny fahotan'izao tontolo izao ihany no nandringanan'Andriamanitra azy.

Hoy ianao hoe mibebaka satria ho avy ny loza, satria hisy loza, .... tahotry ny loza no antony hibebahana izany fa tsy fahatsapan-tena fa nanota, tsy mendrika, nania, .... Tena izany ve no atao hoe fibebahana ?
Mba tsarovy ihany fa

Jao.3:3 "raha tsy ateraka indray ny olona, (na dia mibebaka aza ) dia tsy hahita ny fanjakan'ny lanitra "


efa maro ny zavatra nolazainao ry blagueur (asdepika), tsy nisy tanteraka na dia iray aza. Hoy ny soratra masina hoe :

Deo 18 : 22 " Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany , ka tsy hefa ny zavatra , na tsy tanteraka , dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany : tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany , koa aza matahotra azy ."
32. asdepique ( 04/01/2013 05:04)
Ny ery ambony dia amin'ny alahady no hovaliako satria lavalava ihany fa ireto ambany ireo no tonga dia valiako izao :
>>>>leva2
Nampianarin'ny anjely anay hoe :
Raha misy fanahy miseho aminareo hoy izy ireo dia ny ahafantarana azy ireo hoe avy amin'izay tokoa izy ireo dia anontaniana azy ireo hoe iza no tompoinareo. Raha fanahy na anjely avy amin'i Jesosy Kristy Tompo avy any Nazareta hoy ihany ireo anjely ireo ny fanahy izay miresaka aminareo dia hanamba izy ireo fa Jesosy Kristy Tompo avy any Nazareta no Tompoinay.
Raha avy amin'i Satana kosa izy ireo (hoy ihany ireo anjely) dia tsy hamaly akory izy fa handositra.

Jesosy rehefa miseho amin'olona dia miteny foana hoe : Izaho no Jesosy Kristy Zanak'Andriamanitra velona, avy any Nazareta. Misy fotoana koa tohizany hoe : Andriamanitr'i Abrahama, Jakoba ary Isaka.


>>>Tefigasy
Amin'izao fotoana izao dia sady misy mpaminany sandoka ary misy koa mpaminany tena avy amin'Andriamanitra.
Ny ahafantarana ny mpaminany dia avy amin'ny voany, avy amin'ny tanjona tian'ilay mpaminany ahatongavana. Ny mpaminany tena avy amin'i Jehovah mitory amin'ny olona mba hialan'ny olona amin'ny ratsy, hibebahan'ny olona ka hiverenany amin'Andriamanitra.

Ny mpaminany sandoka dia mitady voninahitra, vola sy harena sns... ho an'ny tenany na ho an'ny fiangonana izay misy azy.

Ny mpaminany avy amin'Andriamanitra dia mitady fanahy ho vonjena ho an'ny Tompony dia Jesosy Kristy Tompo.
33. Tefigasy ( 04/01/2013 05:11)
asdepique:

>>>Tefigasy
Amin'izao fotoana izao dia sady misy mpaminany sandoka ary misy koa mpaminany tena avy amin'Andriamanitra.
Ny ahafantarana ny mpaminany dia avy amin'ny voany, avy amin'ny tanjona tian'ilay mpaminany ahatongavana. Ny mpaminany tena avy amin'i Jehovah mitory amin'ny olona mba hialan'ny olona amin'ny ratsy, hibebahan'ny olona ka hiverenany amin'Andriamanitra.

Ny mpaminany sandoka dia mitady voninahitra, vola sy harena sns... ho an'ny tenany na ho an'ny fiangonana izay misy azy.

Ny mpaminany avy amin'Andriamanitra dia mitady fanahy ho vonjena ho an'ny Tompony dia Jesosy Kristy Tompo.

Mba ahoana ary ny hevitrao amin'ito Deo 18 : 22 " Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany , ka tsy hefa ny zavatra , na tsy tanteraka , dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany : tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany , koa aza matahotra azy ." manoloana ireo faminanianao rehetra tsy tanteraka ?

Tadidio ihany koa fany loza rehetra izay nambaran'ny Mosesy dia tanteraka avokoa na dia nisy hatrany aza ny famindrapon'Andriamanitra tamin'ny zanak'israely !

Koa mitandrema ihany rahalahy fa sao hanenenana izay atao a ! ise mihitsy aloha no mila mandini-tena tanteraka, manolo-tena ho an'ilay tena Jesoa fa tsy ilay Jesoa hafahafa ikelezan'ise aina , mampiteniteny foana an'ise io !
34. methode ( 04/01/2013 05:14)
Hihemotra hihemotra foana izy ity fa aleoko de manohy ny fiainako ihany! Mety hihemotra herinandro io, mety hihemotra iray volana, mety hihemotra zato taona, mety hihemotra arivo taona, mety hihemotra iray tapitrisa taona ko tsy aleo tohizana ara-dalana toy ny mahazatra ihany ny fiainana! Tsy faminaniana izany amiko fa eritreritra mandalo!
35. Nehemiah ( 04/01/2013 05:37)
asdepique:

MIBEBAHA MANDRAKARIVA KA AZA MITSAHATRA FA IZAY MAHARITRA HATRAMIN'NY FARANY NO HOVONJENA!!!

Ny teny hoe "fibebahana" dia voadika t@ teny Grika "metanoia" izay midika hoe "fiovàna fisainana". Zavatra mitranga indray mandeha monja io, rehefa mandray an'i Kristy ho Tompo antsika ka teraka fanindroany : miova tnateraka ny fisainantsika, leferintsika @'Andriamanitra ilay izy, fa tsy hoe hiova fisainana isan-tsegondra.

Raha hiseho ny tenanao hampianatra ianao dia mba tandremo ny zavatra ampianarinao fa "ho saziana mafimafy kokoa ny mpampianatra zavatra diso". Izay ihany no mahatonga ny gaboraraka @ fampianarana sy fanabeazana Malagasy.
36. leva2 ( 04/01/2013 11:01)
Velona Jesosy ary mandrakizay ny famindrampony!

Ny fandrik'i satana sy ny tanjona kendreny eto namana isany dia toy izao :
Ny hampanekeny ny olona aloha fa avy amin'Andriamanitra ity milaza azy ho mpaminany ity, avy eo dia hanaiky sy hanaraka izay lazain'ity "mpaminany" ity ireo marivo finoana.

Tandremo amin'ny "Filazana toa marina"!
37. bor2lais ( 04/01/2013 12:22)
asdepique:

Ny momba an'i Tsaratsara dia izao :
Olona roa no nirahin'Andriamanitra hitondra ny hafatra farany ho an'ny mponin'ny tany dia i Tsaratsara sy i Mikaela izay hitanareo tamin'ny gazety ... androany.
...
Marina ny teninao mahakasika an'i Tsaratsara satria izy no nirahin'Andriamanitra hampihavana ny Malagasy rehetra.

bor2lais - 20/12/2012 15:43:

Ny olana amin'ny resaka tahaka itony ange ry ... dia misy ny mihevitra fa "Paroles d'Evangile" daholo no avoakan'ilay olona milaza tena fa nahita an'i Jesoa ka tokony tsy maintsy arahina ! ...

Izaho manokana izao raha nijery ireo vidéo ("toriteny"-n'i "tsaratsara") ireo dia somary gaga ihany satria tahaka ny mahita fa tsy mifanalavitra amin'ny propagandy fanaon'ny mpanao politika ilay izy !
38. Nehemiah ( 04/01/2013 12:36)
bor2lais - 20/12/2012 15:43:

Ny olana amin'ny resaka tahaka itony ange ry ... dia misy ny mihevitra fa "Paroles d'Evangile" daholo no avoakan'ilay olona milaza tena fa nahita an'i Jesoa ka tokony tsy maintsy arahina ! ...

Tsy tongatonga ho azy ny fampitandreman'ny Tenin'Andriamanitra manao hoe : "aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao." (1 Jn. 4:1)
39. bor2lais ( 04/01/2013 13:04)
Nehemiah > eo indrindra : sarotra ho an'ny malemy sy ny osa (ara-materialy sy/na ara-panahy) ny hanana io esprit de discernement io ! ;-)

Dia ho gaga intsony ve isika amin'ny firongatry ny sekta : manjono am-bovo hoy ny fitenenana manararaotra ny fahalemen'ny sasany ! Ny Malagasy namany efa sahirana ihany no mbola ampitahorina indray : tsy Vaovao Mahafaly no toriana fa ny mifanohitra amin'izay ! :-)

Izao indray miha-mipoitra tsikelikely eny ihany ny tanjona :
1. fikambanan'ny mpaminany
(2. présidentiel ! ;-) )
40. Miharena ( 04/01/2013 15:52)
Bor2lais:

Nehemiah > eo indrindra : sarotra ho an'ny malemy sy ny osa (ara-materialy sy/na ara-panahy) ny hanana io esprit de discernement io !


Marina tokoa ity resakao ity namana Bor2lais.

Amiko izao ny olona hanana esprit de discernement dia izay ampianarina ireo karazana fitaka azo atao izay mifantoka tanteraka amin'ny filalaovana ilay resaka fibebahana sy fampitahorana ara-nofo (mahakasika ny retsika ara-nofo izay isian'ny afobe ohatra).

Ny olona mianatra ny ara-panahy dia tsy tokony ho tafiitra ao amin'io fandrika io. Izaho moa dia milaza amin'ny olona ny famakiana ireny boky toy ny 3è Testament ireny hahafahana mahazo mazava izay tena avy amin'i Jesoa fa tsy sandoka. Dia ny olona Kristianina mihitsy no mitsipaka izay voalaza anatin'ireny boky ireny.

Ankehitriny izy ireo dia mino ireo ankilany izay manambara fa misy ny helo ary hazavaina indray ny momba ny sehatra ilalaovana izany dia ny fisian'y vatana astral izay tsy fanahy tena antsika sy nanamboarana antsika hatrany amboalohany izay ifandraisantsika amin'ny RAY. Dia mbola tsy mino koa. Ny astral ohatra dia tsy tanjona fa dingana ihany eo amin'y fanahin'ny olona tsirairay saingy mety hisy fandrika azo lalaovina ao ho an'izay manana fahalalàna azy io. Io no mety hanana fahasambarana na fahoriana arakaraka ny endrika itaizana azy. Io no mifandray amin'y Ame izay antoky ny fivavahana Kristianina mila famonjena.

Mila mahalala ireo mba ahafahana mitondra tena sy fomba fiheverana momba ny fanahy marina.

Asa aloha isika na manana io fahatsapako io na tsia. Na inona moa na inona mitranga dia izay drafitra nanombohan'Andriamanitra ihany no ho tanteraka arakaraka ny fampisehoana amin'y olombelona izay nanamboarana azy sy ny maha-izy azy marina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4753