Islamo

1. rhaj0 ( 19/10/2016 01:42)
http://geopolis.francetvinfo.fr/madagascar-terre-fertile-pour-l-islam-radical-119777
La Gazette de Madagascar le 20 Septembre 2016.

«Ils font tout pour créer des écoles coraniques. Ils prennent en charge ceux qui les fréquentent pour apprendre le coran. Tout est pris en charge. Même l’hébergement et la restauration sont garantis... Une bible était reprise moyennant 100 euros. Les livres de chants évangéliques pour 25 euros. Des groupes de musulmans parmi lesquels de nombreux étrangers ont sillonné la région. »

Selon un rapport publié par l’Institut français des relations internationales, quelque 160.000 malgaches ont été convertis à l’Islam pour la seule année 2013. L’auteur du rapport estime que si ce chiffre est sans doute excessif parce qu’il intègre des individus ayant proclamé leur conversion dans l’unique but de bénéficier des donations d’associations religieuses...



ka raha ny feo mandehandeha kosa ve hoe
- raha mivavaka any @ Silamo hono ny olona, dia @ ilay mamela kiraro ao am-baraavrana, dia rahefa mody, dia misy drala ao anaty Kiraro
- raha mivavaka any @ FFKM anefa, dia ny vola am-posy indray no miala @ rakitra in-10 kely miditra
- raha mivavaka any @ sekta (toa ny an-dry RBNIR) azany, vao mainka ny 1/10-karena no manaraka
novalian'i endriny ny 01/02/2017 17:28
2. endriny ( 19/10/2016 05:18)
Mialona be ilay kristianina koa, hatrany Chine mihintsy io a
3. RBNIR ( 19/10/2016 08:11)

endriny:

Mialona be ilay kristianina koa, hatrany Chine mihintsy io a


VAKIO ATO.....EFA MANOMBOKA MANDRAVA AN'ILAY BABYLONA LEHIBE ANDRIAMANITRA!!!

Babylona lehibe = ilay renin'ny fijangajangana....rehefa rava ny reniny: ho rava ho azy daholo ireo zanany rehetra ireo.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

AZA GAGA aoriana kely ao fa TOKANA SISA NO FIVAVAHANA HISY ETO AMIN'ITY IZAO TONTOLO IZAO ITY!!!

NY FAMINANIANA TSY MAINTSY HO TANTERAKA!!!
4. rhaj0 ( 19/10/2016 10:36)
Institut français des relations internationales:
...quelque 160.000 malgaches ont été convertis à l’Islam pour la seule année 2013.

RBNIR:
VAKIO ATO.....EFA MANOMBOKA MANDRAVA AN'ILAY BABYLONA LEHIBE ANDRIAMANITRA!!!

Dia nanome rohy moai RBNIR io, ary dia nohajaiko no jereko hoe mba inona no lazain-dry RBNIR ao :
RBNIR:
Ny anjely voalohany dia hitaona ny olona hiankohoka amin'ilay Andriamanitra tena Izy

Ka hono ho'a ry RBNIR... efa ho rava izany ny baby laona fatareo Kristiana sy Sekta-Herinirina, ary io manomboka miankohoka @ Andrmtnra "tena izy" io ny gasy 160.000 t@ 2013 teo?

5. RBNIR ( 19/10/2016 10:46)
Izay ilay fomba fijerin-tsika olombelona izay rhajo, na inona na inona miseho, ny faminaniana tsy maintsy ho tanteraka!!!

Efa manomboka ny fandravana izao ary efa manomboka miàla tao ny olony...« Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apokalypsy 18:4)

http://lmgtfy.com/?q=des+milliers+de+musulman+convertis+en+chretien
6. RBNIR ( 19/10/2016 11:12)
http://lmgtfy.com/?q=interdiction+de+l%27islam+une+affaire+mondiale

Fantaro ny zava-misy any angola, Vienne, France sns.......
7. RBNIR ( 19/10/2016 12:38)
Efa manomboka miray saina izao tontolo izao handrava an'i babylona lehibe....« Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Hebreo 4:12)

Ny faminaniana rehetra dia tsy maintsy ho tanteraka!!!

Tsy maintsy ho RAVA I BABYLONA LEHIBE (ASAN'NY ANJELY FAHAROA) ARY TSY MAINTSY HISANDRATRA ILAY ANDRIAMANITRA TENA IZY (ASAN'NY ANJELY VOALOHANY)
ARY IZAO TONTOLO IZAO DIA TSY MAINTSY HIZOTRA MANKANY AMIN'NY FANOMPOANA ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA!!!
8. rhaj0 ( 19/10/2016 14:51)
O ry RBNIR.. hainao ve hoe nahazo prix nobel (de la littérature) i Bob Dylan t@ herinandro lasa teo?
Dia inona no ifandraisan'i Bob sy i Janet Jackson ohatra, na koa i Cassius Clay sy i Shaquille O'Neal?

Raha tsy hamaly ny fanontaniana, fa hanesika ny baby laonanao ao foana ihany (toa ny mahazatra), dia efa apetrako azany ny valiny ee ... santionan-na Kristiana nivadika ho Moslimo ireo.


Fa inty misy fanadihadiana ny @ io fivadihan'ny Kristiana ho Moslimo io. Jereo tsara fa Kristiana toa anao ihany no nanao ny fanadihadiana. Tsingolohako eto ny zava-dehibe lazainy.

http://www1.cbn.com/spirituallife/why-are-so-many-westerners-converting-to-islam
What is motivating people to turn to Islam? ... main reasons given for becoming Muslim:
1- Islam's doctrine is simple and rational,
2- all believers are equal,
3- it is a "practical" religion,
4- lacks a priesthood
5- racism in the church
6- Islam--is direction and discipline
7- Islam offers a conversion experience and the opportunity to get one's life in order, without needing to confess ones sin and need of salvation.



Dia na hivazavaza lava an'izao "mibaby laona" foana izao azany izany re ianao ry RBNIR, dia ... hi hi hi... tsisy mpihaino intsony eeee...

Dia fanamarihana: izaho atheista k'lou dia mahita an'io hoe, miala an'Ankatso dia Ambohidempona... Fa dia mbola lava ny lalana ivoahana @ ireo fahamaizinan-tsaina ireo..

Fa soa ihany ho'a fa hozy ny hira hoe
Soa Fa Nisy... Ny Interinety
9. RBNIR ( 20/10/2016 04:45)
Tsy asiana ady hevitra Be fa dia Ny ho avy "TSY HO ELA INTSONY" no hitsara azy rhajo!!!

Tsy maintsy hisy ny fepetra "mondial" ho raisina atsy ho atsy mikasika azy io....

Enga anie ka mba hino amin'izay ianao fa tena teny avy amin'Andriamanitra marina tokoa ireo hafatra nataon'ny anjely telo ao amin'ny bokin'ny apokalipsy ireo....

Raha amin'izay moa ianao mbola tsy mino ihany dia atao akory e!!! tsy anisan'ireo "voafidy" marina ngamba ianao.......
10. endriny ( 20/10/2016 07:09)
Aleo ho avy ho atrehina e. Tokony tsy dia olana izany. Sambatra isika fa mba ahita ny faraandro koa. Seho indray mandeha monja amin'ny fiainan'ny tany izany. Izaho dia faly raha mba mahita an'izany e.

Saingy indrisy fa mbola misy 5 lavitrisa taona vao hitranga izany, ka tsy hohitan'ny zafiko akory
11. RBNIR ( 20/10/2016 08:30)

endriny:

Aleo ho avy ho atrehina e. Tokony tsy dia olana izany. Sambatra isika fa mba ahita ny faraandro koa. Seho indray mandeha monja amin'ny fiainan'ny tany izany. Izaho dia faly raha mba mahita an'izany e.

Saingy indrisy fa mbola misy 5 lavitrisa taona vao hitranga izany, ka tsy hohitan'ny zafiko akory

Ny firariko dia mba ho tonga saina alohan'ny hahatongavan'izany ny rehetra....

Satria tena misy fetrany ny fiantson'Andriamanitra......

« Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; » (Ohabolana 1:24)
« Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: » (Ohabolana 1:25)
« Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)
« Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, » (Ohabolana 1:27)
« Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. » (Ohabolana 1:28)
« Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah, » (Ohabolana 1:29)
« Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, » (Ohabolana 1:30)
« Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. » (Ohabolana 1:31)
« Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy. » (Ohabolana 1:32)
12. rhaj0 ( 20/10/2016 13:02)
RBNIR:
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo

Giravy ilay toe-tsaina eeee ... giravy!...
13. RBNIR ( 20/10/2016 13:23)
Manana fanetretena rhajo manoloana ilay mpamorona anao a! Io problemanao io ange efa problema nisy hatramin'ny nitoriana ny filazan-tsara tany amboalohany e!

Hoy paoly apostoly namaly azireo hoe : « Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? » (Rom.9:21)
14. rhaj0 ( 20/10/2016 13:32)
Ka asio sira kely hoe izany ireto ry RBNIR:

1- ny Andrmntrao izany ve ry RBNIR dia handripaka ny Moslimo? Izay no tianao tenenina, sa diso izany?

2- dia hihomehy ianao rahefa ringana zareo ireo?
15. endriny ( 20/10/2016 13:38)

rhaj0:

RBNIR:
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo

Giravy ilay toe-tsaina eeee ... giravy!...

Indrisy mantsy ry taranaky ny anjely mihosin-dra, tsy vao izao ianareo no nandringana fa efa niomana ny handringana foana hatramin'izay. Saingy tsy naharingana ny zanak'olombelona akory.
Aleoko ihany ilay Devoly mampirevy ny fiainan'ny tany ry RBNIR a
16. RBNIR ( 20/10/2016 13:45)
endriny:

niomana ny handringana foana hatramin'izay. Saingy tsy naharingana ny zanak'olombelona akory.
Aleoko ihany ilay Devoly mampirevy ny fiainan'ny tany ry RBNIR a

Aza miteniteny foana ry endriny a, sao dia everinao ho moramora aza ny afobe....MANDRAKIZAY!!!MANDRAKIZAY!!! TSY MANAMPAHATAPERANA!!!
17. RBNIR ( 20/10/2016 13:49)
Ampiasao ny saina e! Mety v raha toa ka tsy manetry tena ny olona hanompo ILAY NAHARY AZY???

Conseil : Tiavo IZY dia ho hitanao ny tohiny.....

IZAO NO TENINY.....« Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. » (Ohabolana 8:17)


TSY ADALA AHO AKORY MIVAZAVAZA HOE MISY ZAVATRA FANTATRO TSY FANTATRAO ZAVATRA HIAINAKO TSY HIAINANAO!!!

MATOA AHO MITENY HOE KAY TENA MISY IZY ZALAHY DIA TENA MISY IZY A!!

TANTERAKA AMIKO 100% ITY TENY ITY
« Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. » (Jaona 14:15)
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

18. rhaj0 ( 20/10/2016 14:01)
RBNIR:
Mety v raha toa ka tsy manetry tena ny olona hanompo ILAY NAHARY AZY???

Ka asio sira indray koa hoe azany ireto ry RBNIR:

3- Tena i Andrmntra izany no "nahary" anao RBNIR ao io?
"nohariany" tahaka ny nihariany an'i Adama, avy t@ fota-mandry, ianao, sa toa ny nihariany an'i Eva, avy @ taolana?

4- Sao kosa, ny reninao (sy rainao) tao no nanao anao atao?
Dia... ahoana moa no nanaovan'i Jesosy an-dreniny, ilay hoe, "zovy koa izay ianao miteniteny Ahy".. aiza ilay fantsinao a@ izany hoe "ny fanetre-tena sy ny Ampiasao ny saina e! ..."


Dia ireto mbola tsy nahazo sira fa mba ampazahoy ho'a eee...

1- ny Andrmntrao izany ve ry RBNIR dia handripaka ny Moslimo? Izay no tianao tenenina, sa diso izany?

2- dia hihomehy ianao rahefa ringana zareo ireo?
19. endriny ( 20/10/2016 18:34)

RBNIR:

endriny:

Aleoko ihany ilay Devoly mampirevy ny fiainan'ny tany ry RBNIR a

Aza miteniteny foana ry endriny a, sao dia everinao ho moramora aza ny afobe....MANDRAKIZAY!!!MANDRAKIZAY!!! TSY MANAMPAHATAPERANA!!!


Fa angaha I RBNIR efa nahita izany afobe izany? Mba ilazao aho fa tena ilaiko io dia tsy mividy saribao intsony izahay mianakavy amin'ny faran'ny volana raha mety.

Fa hono ho'a ny saintsika oe voafetra kanefa ahoana no ahatsapanao izany tsy manam-pahataperana izany. Sao dia hoe "TSY MANAM-PATAPERA" andrahoina vary sy laoka aza izany.
20. endriny ( 20/10/2016 18:38)
Aiza ary I Ranakombe amin'ity fiainana ity, fa lasa midelira daholo ny gasikely: Ny sasany te hitovy amin'i Jesosy, sy hafa te ho Israelita, ny hafa te ho Hebreo. Naorimaly raha mitotongana I Magadasikara. I Madagasikara izay efa nafoin'i Zanahary ho Nosy ho an'ny Vazimba. Saingy nitsofohan'ireto Malagasy tsy manam-pitombenana fa mpisavika ireto.

Indrisy mantsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2854