Islamo

21. RBNIR ( 21/10/2016 00:48)

rhaj0:

RBNIR:
Mety v raha toa ka tsy manetry tena ny olona hanompo ILAY NAHARY AZY???

Ka asio sira indray koa hoe azany ireto ry RBNIR:

3- Tena i Andrmntra izany no "nahary" anao RBNIR ao io?
"nohariany" tahaka ny nihariany an'i Adama, avy t@ fota-mandry, ianao, sa toa ny nihariany an'i Eva, avy @ taolana?

4- Sao kosa, ny reninao (sy rainao) tao no nanao anao atao?
Dia... ahoana moa no nanaovan'i Jesosy an-dreniny, ilay hoe, "zovy koa izay ianao miteniteny Ahy".. aiza ilay fantsinao a@ izany hoe "ny fanetre-tena sy ny Ampiasao ny saina e! ..."

Dia ireto mbola tsy nahazo sira fa mba ampazahoy ho'a eee...

1- ny Andrmntrao izany ve ry RBNIR dia handripaka ny Moslimo? Izay no tianao tenenina, sa diso izany?

2- dia hihomehy ianao rahefa ringana zareo ireo?

3 et 4 Koa satria moa ianareo "tia " mampiasa saina dia mba ampiasampiasao ihany ary ny fisainana...
Aleo mihitsy ary aloha hiverina hampianarin'i junior isika...

http://sciencejunior.fr/animaux/la-reproduction-animale

Izao no voasoratra ao: La reproduction peut être sexuée ou asexuée.

Ay v tsy voatery hoe sexuée ihany fomba fitomboana taranaka e???

Vao namorona ny tany Andriamanitra dia izao no nolazainy tamin'i Eva...« Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao. » (Genesisy 3:16)

Nisy "fomba" hafa azon'Andriamanitra natao mba hampitomboana taranaka ny olombelona.....

Koa hoy ianao hoe ny reninao sy ny rainao v? dia hoy aho hoe afaka nataon'Andriamanitra tsy ny reniko sy ny raiko io rhajo a!!!

1 & 2 ny FAMINANIANA VOASORATRA REHETRA HOY AHO TSY MAINTSY HO TANTERAKA....

Fa io araka ilay fomba nitenenan'i Jesosy an'i Jodasy ihany hoe ....« Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory. » (Marka 14:21).....

22. endriny ( 21/10/2016 02:57)

RBNIR:

Vao namorona ny tany Andriamanitra dia izao no nolazainy tamin'i Eva...« Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao. » (Genesisy 3:16)

Itony izany izao ilay santionany amin'ny maha-sadikadikan-draha ny Atr'i RBNIR a... tsy vitan'ny hoe mandringana, sy manafay mandrakizay, tsy vitan'ny mandatsa-dra fa vehivavy aza dia ampahoriana. Dia faly ery izy.

Kanefa ny anay gasikely ny vehivavy tahiana ery fa loharano nipoirana.

Tsy mila fampiasana saina akory dia efa mahatakatra an'izany.

Ranakombe a, mifohaza ianao tao ampasana tao fa lanin'olona ny vomanga
23. RBNIR ( 21/10/2016 04:52)
endriny:

Ranakombe a, mifohaza ianao tao ampasana tao fa lanin'olona ny vomanga

Fohazy mafy ao ihany marina tokoa aloha izy sao mbola matory e,
Sa sao dia variana loatra manokona ho azy sy ry zareo ao izy dia adinony ianareo ry endriny....

Dia miandrasa aza an-drazaka tsy hi.....ao foana e, ny Ahy kosa dia « Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy] » (2 Timoty 1:12)

Matoa aho mijoro dia satria....« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)

Ary efa noporofoiny fa tena nitsangana izy satria hatramin'izay ka hatramin'izao dia efa maro ireo nijoro vavolombelona tamin'izany ary nisy mihitsy aza nijoro hatramin'ny fahafatesana...

Ary izao manokana koa dia nomeny porofo notanterahany tamiko ireto teny ireo....« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

AFAKA MINO IANAO AFAKA TSY MINO FA DIA MANAO NY ADIDIKO ALOHA HOA SATRIA MAFY IHANY IZANY HOE AFOBE IZANY ARY TSY TE HAHITA OLONA HANENINA AHO ANY AORIANA ANY!!!

Hoy tokoa mantsy i paoly apostoly hoe : « Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Korintiana 9:16)

LOZAKO RAHA TSY MITORY AHO!!!

24. endriny ( 21/10/2016 05:32)
Aza manao jery tongilana ry RBNIR a, efa mpampijaly olom-belona izao ilay Atr'Israely dia mbola lazaina fa be fitiavana ihany.

Efa ny ankamaroan'ny olona no hoe ho alefany any amin'ny afobe mandrakizay, dia mbola lazaina fa be fitiavana ihany

Efa manao sorona olom-belona, indrindra moa fa ny zanany, dia mbola lazaina fa be fitiavana ihany.

Aleoko ihany Ranakombe, ho anay gasikely ho'a rehefa tsy mitahy ny razana dia mifoha tao izy miady vomanga. Efa vitan'i Ranakombe izany, ary mbola ho ataony tokoa moa izany.

Dia raha mitsangana amin'ny maty ny lolo vokatra dia lazaina fa devoly.

I Devoly foana no omena tsiny, kanefa ho'a mba vakio ange ny baiboly e:

im-piry ianao no nahita devoly namono na nandringana olona tao?

Fa ilay Atr'Israely, aleo ataoko mazava aminao ATR'ISRAELY, fa tsy Atrao akory (fa ianao misora-tena ho tompony fotsiny) dia mpamono sy mpialona ny hafa fotsiny.

Ho avy Ranakombe
25. endriny ( 21/10/2016 05:35)

RBNIR:

AFAKA MINO IANAO AFAKA TSY MINO FA DIA MANAO NY ADIDIKO ALOHA HOA SATRIA MAFY IHANY IZANY HOE AFOBE IZANY ARY TSY TE HAHITA OLONA HANENINA AHO ANY AORIANA ANY!!!

Rahoviana ho'a io AFOBE io no aterinao aty aminay fa tena mba mila an'io aho izao. Tena sahirana be izahay mianakavy ato amin'ity saribao lafo vidy sy lena ity. Fa raha mba mandala izao io afobe io dia mba ny vilany sisa no mba ataonay tsaratsara.
26. RBNIR ( 21/10/2016 05:53)
endriny:

Fa ilay Atr'Israely, aleo ataoko mazava aminao ATR'ISRAELY, fa tsy Atrao akory (fa ianao misora-tena ho tompony fotsiny) dia mpamono sy mpialona ny hafa fotsiny.

Tsy izao no te hisoratena fa IZY no efa nanokatra ny tanany...

« [Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora - » (Efesiana 2:11)
« eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao; » (Efesiana 2:12)
« fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy. » (Efesiana 2:13)
« Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, » (Efesiana 2:14)
« fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, » (Efesiana 2:15)
« ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. » (Efesiana 2:16)
« Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary fihavanana* tamin'izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19] » (Efesiana 2:17)
« Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray. » (Efesiana 2:18)
« Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, » (Efesiana 2:19)

Ny jentilisa voalaza eto dia ireo olona hafa firenena (ankoatran'ny Jiosy)

Raha taloha dia marina : vahiny aho fa ankehitriny dia tsy izay intsony fa efa "tompon-tany sy mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra....
27. endriny ( 21/10/2016 06:03)
Aiza ary I Ranakombe amin'ity fiainana ity, fa lasa midelira daholo ny gasikely: misy milaza fa notoloran'Atr'Israely tanana mihintsy, Ny sasany te hitovy amin'i Jesosy, sy hafa te ho Israelita, ny hafa te ho Hebreo.

Naorimaly raha mitotongana I Magadasikara.

I Madagasikara izay efa nafoin'i Zanahary ho Nosy ho an'ny Vazimba. Saingy nitsofohan'ireto Malagasy tsy manam-pitombenana fa mpisavika ireto.

Indrisy mantsy
28. RBNIR ( 21/10/2016 11:16)
endriny:

Naorimaly raha mitotongana I Magadasikara.

Ny fijeriko azy dia tsy ampy hery ilay ranakombe hianteheranao endriny ka izay no olana,
Aleo mitoky amin'ny MAHERY E!!!
29. endriny ( 21/10/2016 15:33)

RBNIR:

endriny:

Naorimaly raha mitotongana I Magadasikara.

Ny fijeriko azy dia tsy ampy hery ilay ranakombe hianteheranao endriny ka izay no olana,
Aleo mitoky amin'ny MAHERY E!!!

Ianao marina moa mitavana ny 1/10 omen'ny olo sahirana fotsiny ka hohitan'ny vazan'ainao aiza ny fahasahiranana nateraky ny fisaviana fivavahan'olona eto Madagasikara.

Ny tokotaninao izao mirehitra jiro mandramaraina, kanefa ny an'ny olona tsy andry ny alaniana vary hamonoana azy sao lanin'ny faktioran'ny JIRAMA ny tokony mba ilaozana sosoa maraina
30. rhaj0 ( 21/10/2016 17:38)
RBNIR:
« Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, » (Efesiana 2:14)

O ry RBNIR aaa.. Tohizo ihany ny mi-contredire an'i Jesosy eo, mitsindrotsindroka resak'hehin'ny Efesiana any... fa tongavan"i Jesosy ao ianao an.. izay vao masaka eo. Halalino hoe, IZA no manao resaka matavy, MIFANOHITRA @ sitrapon'i Jesosy io ao @ io Efesiana io.

Fa toa izao ny sitrapon'i JEsosy:

Lioka 12: 51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.

TSY fihavanana.. fa fampisarahana no sitrapon'i Jeosy.
Averina indray:
TSY fihavanana.. fa fampisarahana no sitrapon'i Jeosy.
31. RBNIR ( 21/10/2016 22:58)
endriny:

Ianao marina moa mitavana ny 1/10 omen'ny olo sahirana fotsiny ka hohitan'ny vazan'ainao aiza ny fahasahiranana nateraky ny fisaviana fivavahan'olona eto Madagasikara.

Efa nazavaiko: ny 1/10 dia ho an'ny olona voatokana ho an'Andriamanitra
Izaho manana ny asako ary izaho koa mpandoa 1/10....
32. RBNIR ( 21/10/2016 23:04)

rhaj0:

RBNIR:
« Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, » (Efesiana 2:14)

O ry RBNIR aaa.. Tohizo ihany ny mi-contredire an'i Jesosy eo, mitsindrotsindroka resak'hehin'ny Efesiana any... fa tongavan"i Jesosy ao ianao an.. izay vao masaka eo. Halalino hoe, IZA no manao resaka matavy, MIFANOHITRA @ sitrapon'i Jesosy io ao @ io Efesiana io.

Fa toa izao ny sitrapon'i JEsosy:

Lioka 12: 51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.

TSY fihavanana.. fa fampisarahana no sitrapon'i Jeosy.
Averina indray:
TSY fihavanana.. fa fampisarahana no sitrapon'i Jeosy.

Diso fandray ianao izany : ao amin'io Efe.2:14 io dia misy antoko telo...
1 Jesosy : mpampihavana
2 roa tonta hampihavanina : tsy iza fa Andriamanitra sy ny olona (fa tsy araka ilay eritreretinao) vakio tsara hatramin'ny voalohany...

Na izany na tsy izany dia diso ihany koa ilay eritreretinao satria Jesosy mihitsy no niteny hoe :« Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. » (Matio 5:9)

Sy nampianatra hoe : « Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. » (Romana 12:18)
33. NDINDY ( 22/10/2016 12:49)
ITY MBA MISY ZAVATRA MAHAGAGA ; IZA MARINA MOA IREO OLONA MAHASAKY MANDORO BAIBOLY IREO ?ARY INONA NO TANJONA KENDRENY SA EFA TONGA ETO NY KRISTY SANDOKA SA EFA AKAIKY MARINA NY FIN DU MONDE ? MBA VALIO HOE FA TENA MAMPIERITRERITRA AN !
34. rhaj0 ( 22/10/2016 19:07)
RBNIR:
« Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, » (Efesiana 2:14)
rhaj0:

O ry RBNIR aaa.. Tohizo ihany ny mi-contredire an'i Jesosy eo, mitsindrotsindroka resak'hehin'ny Efesiana any... fa tongavan"i Jesosy ao ianao an.. izay vao masaka eo. Halalino hoe, IZA no manao resaka matavy, MIFANOHITRA @ sitrapon'i Jesosy io ao @ io Efesiana io.

Fa toa izao ny sitrapon'i JEsosy:

Lioka 12: 51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.

TSY fihavanana.. fa fampisarahana no sitrapon'i Jeosy.
Averina indray:
TSY fihavanana.. fa fampisarahana no sitrapon'i Jeosy.
RBNIR:

Diso fandray ianao izany : ao amin'io Efe.2:14 io dia misy antoko telo...
1 Jesosy : mpampihavana

O ry RBNIR aa.. Iza no inoanao (kokoa):

1- ry Matio/Marka/Lioka/Jaona, izay nanarak'0aloka an'i Jesoa, ary nandrakitra an-tsoratra ny notatatatan'i Jesosy : TSY fihavanana.. fa fampisarahana

2- sa, i Paoly izay nanoratra ny Efesiana, ka mamalan-dresaka, satria menatra fa niteniteny foana i Jesosy, dia notereny hoe "Jesosy : mpampihavana"??
35. RBNIR ( 23/10/2016 17:38)

:« Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. » (Matio 5:9)
Tao amin'ny bokin'i matio io no nalaiko....
36. tealala ( 24/10/2016 02:45)
Rehefa manana endrika mifanohitra ny TV dia tsy mifanohitra ireo fa zava-miafina.
Dia izay tiana ho voasoratra ihany no hinoana fa ilay manimba ny fisainana maha kristianina kosa hodiana tsy misy.
37. endriny ( 24/10/2016 18:24)

NDINDY:

ITY MBA MISY ZAVATRA MAHAGAGA ; IZA MARINA MOA IREO OLONA MAHASAKY MANDORO BAIBOLY IREO ?ARY INONA NO TANJONA KENDRENY SA EFA TONGA ETO NY KRISTY SANDOKA SA EFA AKAIKY MARINA NY FIN DU MONDE ? MBA VALIO HOE FA TENA MAMPIERITRERITRA AN !

Fa iza no miteny aminao hoe tsy azo dorana ny baiboly? Sa misy an'izay moa ny toko sy andininy ao amin'io baiboly io?
38. endriny ( 26/10/2016 06:27)

tealala:

Rehefa manana endrika mifanohitra ny TV dia tsy mifanohitra ireo fa zava-miafina.
Dia izay tiana ho voasoratra ihany no hinoana fa ilay manimba ny fisainana maha kristianina kosa hodiana tsy misy.

Dia misy mifanondro avy eo hoe: "ny K., na ny P, na J, na ny T." no manao fampianaran-diso, kanefa hay sahala fa tsy mitovy fotsiny.

fa tena mbola tsy azoko aloha izany ilay tsy hinanan'ny Silamo sy Jiosy ary ny Advantista Kosher e
39. calin.brandon ( 15/11/2016 05:09)
[ endriny

Naorimaly raha mitotongana I Magadasikara. ]

Fa inona no dikan'ity " Naorimaly " ity ? Avy aiza io ? Atsy ambadika atsy ry Endriny mba mianatra ny ho be safary momba ny fiteny Malagasy, nefa tsy afa-miala amin'ny mahazatra azy dia ny fampiasany ny teny notsoahany avy amin'ny fitenin-dry Mompera. Ry Mompera izay nampianatra azy ny "teny baiko".
Indrisy ! Mampalahelo ry Endriny k'ty ! Miteny amin'ny teny tsy fantatra.
40. RBNIR ( 01/02/2017 05:15)
Hoy aho ery ambony hoe tsy maintsy ho tanteraka ilay faminaniana mikasika ilay anjely faharoa "handrava an'ilay babylone lehibe"

Ary ery ambony dia nolazaiko hoe "efa manomboka miray saina izao tontolo izao handrava an'i babylona lehibe"...

Miala any ny muslim ban.....

Zava-doza no nitranga tany canada (firenena tsy nampoizina hitrangan'izany)....

Manomboka mihetsiketsika ny any allemagne....
NY FAMINANIANA REHETRA TSY MAINTSY HO TANTERAKA!!!

MIHAMANDROSO NY FOTOANA KELY SISA!!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3321