ka Fambara inona hono ity...

1. rhaj0 ( 18/05/2016 12:17)
Nisy zavatra toa ny "voatavo", rahefa jerena avy lavitra, ary "midorehitra" be, nilatsaka avy "tao ambony tao" omaly, araka ny notaterina tato;
http://www.amsmeteors.org/2016/05/huge-fireball-over-northeastern-us/

io ambany io ny youtube.. ka @ Finoana/Fivavahana, inona indray moa izao ny andro omaly, ary dia "fambara inona hono ity" eee...


novalian'i lahindroy ny 04/06/2016 16:20
2. RBNIR ( 18/05/2016 13:46)
météorite tafiditra ao anaty atmosifèra ny fijeriko azy......
3. rhaj0 ( 18/05/2016 14:54)
Dia ahoana... Alatsinain'ny Pentekoty io andro io.. zahavo hoe raha misy resaka ifandraisan'io sy ny fiainan-draolombelona indray ao @ Baiboly? na tonga dia hanontanio mihintsy i Herinirina eee?? :-)
4. RBNIR ( 19/05/2016 05:37)
rhaj0:

Dia ahoana... Alatsinain'ny Pentekoty io andro io.. zahavo hoe raha misy resaka ifandraisan'io sy ny fiainan-draolombelona indray ao @ Baiboly? na tonga dia hanontanio mihintsy i Herinirina eee?? :-)


Eto ny fijeriko azy dia méteorita tsotra ihany tafiditra anaty atmosifera....

Saingy ny baiboly dia efa nanambara fa....

« Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka; » (Asa.2:19)
« Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza; » (Asa.2:20)

Ary i Jesosy koa dia nanamafy an'izany......

« Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. » (Mat.24:29)
« Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. » (Mat.24:30)

Mbola tsy tonga any aloha isika izao saingy tsy ho ela intsony izany zavatra izany dia hotonga....
5. rhaj0 ( 19/05/2016 14:12)
RBNIR:
Eto ny fijeriko azy dia méteorita tsotra ihany tafiditra anaty atmosifera...
Ka tena TSY "fambara" n'inon'inona izany iny t@ alatsinainy iny, hoy RBNIR ee..

Fa toatoa an'iny azany ve ilay fambara lazain'i Jesosy, ka hoe, ny "ny kintana hiraraka avy any an-danitra", sa ??...
6. RBNIR ( 20/05/2016 04:37)
rhaj0:

RBNIR:
Eto ny fijeriko azy dia méteorita tsotra ihany tafiditra anaty atmosifera...
Ka tena TSY "fambara" n'inon'inona izany iny t@ alatsinainy iny, hoy RBNIR ee..

Fa toatoa an'iny azany ve ilay fambara lazain'i Jesosy, ka hoe, ny "ny kintana hiraraka avy any an-danitra", sa ??...

Samihafa.....
7. RBNIR ( 20/05/2016 05:14)
Amin'ny andro farany ny kintana hiraraka dia...
* ho maro be fa tsy tokana
* hirimorimo mafy be.....
8. lahindroy ( 20/05/2016 07:25)

Salama tompokolahy , salanitra tompokovavy

"...tsy ho ela intsony izany zavatra izany dia ho tonga "
"TENA EFA ANTOMOTRA NY FOTOANA!!!"

Araky ny hevitsika , im-piry ny fanambarana toy itony no efa nodradraina nandritrin'izay ...2 000 taona lasa izay ?
Rahoviana ary amin'ny fomba ahoana kosa no heverin'ny vinavina ara-tsiansa ny mety ho potika ity tany honenantsika ity ? Misy porofo ve mahakasika an'izany sa ...finoanoampoana fotsiny koa ?
9. RBNIR ( 20/05/2016 07:45)
Moa tsy velona sy mahery v ilay tenin'Andriamanitra???

« efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany » (2 Pet.3:3)
« ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza. » (2 Pet.3:4)
10. RBNIR ( 20/05/2016 08:25)
Fa maninona no mbola tsy tanterahana ny teny fikasana???

« Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, » (2 Pet.3:9)

Mahari-po Izy, .....tsy tiany hisy ho very fa mba to tonga amin'ny fibebahana izy rehetra........

Ka soa ho an'iza ny tsy mbola hahatanterahan'ny teny fikasana????
11. rhaj0 ( 22/05/2016 11:55)
[size=8]esy e.. mihirahira toko aman'andininy sisa ity i RBNIR fa tsy hita izay fanontaniana valiany.. [/size]:-)

Ka ireo meteorites "hiraraka avy any an-danitra" (sahala @ voanjobory) eto an-tany, araka ny "fambaran'i Jesosy", dia... vakivakio k'lou google, dia ho hitanao eo, fa .. inona no idiran'i Jesosy, t@ taona zero, sy ny meteorites izay efa nihodikodina ato systeme solaire efa an-tapitrisan-taonany, ka hoe, mibiriioka dia tafiditra ety @ planeta Latera ny sasany @ ireto meteorita.. tsindraidray.

https://www.google.ca/webhp?sourceid=chrome-instant&ion=1&espv=2&ie=UTF-8#q=where%20does%20meteorites%20come%20from
All meteorites come from inside our solar system. Most of them are fragments of asteroids that broke apart long ago in the asteroid belt, located between Mars and Jupiter. Such fragments orbit the Sun for some time-often millions of years-before colliding with Earth
12. lahindroy ( 22/05/2016 13:16)
Salama daholo

Ny fanontanina roa napetrako dia hoe :

-...im-piry ny fanambarana toy itony no efa nodradraina nandritrin'izay 2 000 taona lasa izay ?
-Rahoviana ary amin'ny fomba ahoana kosa no heverin'ny vinavina ara-tsiansa ny mety ho potika ity tany honenantsika ity ? Misy porofo ve mahakasika an'izany sa finoanoampoana fotsiny koa ?

Hisarika ny saintsika :
-hijery izay efa mety nitranga mahakasika ireo lazaina ho fambara mahakasika ny fara andro teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona
na koa
-handinika izay mety ho voalaza ny siansa mahakasika ny ho hoavin'ny masoandrotsika sy ireo planeta mihodikodina manodidina azy (raha toa ka misy izany vinavina izany ary miaraka amin'ny porofo arosony)

Ny valinteny nomen'ny namana sasany eto aloha hatreto dia mitaratra ..."fanasana atidoha" izay hita matetika teo amin'ny sehatra politika ohatra (fanaovana tsianjery ny boky mena tany amin'ny taona 1980 tany ho any ) na koa eo amin'ny fomba amam-panaon'ireo sekta (vavolombelon'i jehovah , mpanao djiady ...izay tsy misaina afa tsy amin'ny alalan'ny toko sy andiny ao anaty baiboly na coran ... )

Araky ny hevitro , ny ifanakalozan-kevitra dia ny afahan'ny tsirairay mivelatra sy mikaroka sy mandalina , mamakafaka ny efa nisy ...mampitovy , manamarina na mandiso ...
Raha toa ka heverin'ilay mpamaky fa tsy mitombina ny fanontaniana napetraka na koa tsy marina ny fanambarana naroso dia omena porofo sy antony maha resy lahatra mba afahana mandroso miaraka
Sehatra hafa na lohahevitra vaovao iarahana mandalina indray ny mahakasika ny toko sy andiny notsoahina avy ao anaty baiboly na coran na boki-pinona hafa ...fa tsy atao tsianjery maimbo tsy mahavaly na inona na inona amin'ireo fanontaniana napetraka!
13. RBNIR ( 23/05/2016 05:33)
Ohatra iray izay tokony ho takatry ny be sy ny maro fotsiny no alaiko tamin'ny fomba ahoana no nahafantaran'i Jesosy fa rehefa maizina ny masoandro dia tsy hazava ny volana???? tsy mbola nisy fianarana mikasika izany, tsy mbola nisy telescope, tsy nisy vidéo satelitte???
14. rhaj0 ( 23/05/2016 12:43)
RBNIR:
tamin'ny fomba ahoana no nahafantaran'i Jesosy fa rehefa maizina ny masoandro dia tsy hazava ny volana????

ka rehefa eklipsa solera, dia "maizina ny masoandro". Dia ahoana hozy i Jesosy?

Takatrao kosany ry RBNIR fa TSISY ifandraisany ny fahazavan'ny volana sy ny Eklipsa Solera an... i Jesosy de l'an zero no mety tsy mahatakatra an'izany :-)


Fa ivereno tsara ho'a ireo meteorites eee... Hitakitako ery izany ny tantarain'i RBNIR @ Ankiziny ao ...

1- Ka atsy @ ilay asteroid belt, located between Mars and Jupiter izany feno taim-bainga (meteorites)... (ireny ho'a no mibirioka mankaty @ planeta Latera.. tsindraidray).

2- fa dia avy izany i Jesosy avy "any ambony any"... mandeha mandihy manao Kilalake amim-boninahitra lehibe... ary dia voatsipin'ny kapany ireto taim-bainga (meteorites)

3- ka dia izay no nahatonga ilay hoe : "ny kintana miraraka avy any an-danitra" :-)
15. RBNIR ( 24/05/2016 05:12)
ekilipsa amin'ny andro atoandro : tsy mamaly ilay fanontaniako....
16. RBNIR ( 24/05/2016 05:52)
Fanampiny: ny olona tamin'izany fotoana izany mbola tsy nisy nampianatra hoe ny volana mifanitsy amin'ny masoandro no mahatonga ny ekilipsa......
Ka averiko indray: tamin'ny fomba ahoana no namantaran'i Jesosy fa rehefa maizina ny masoandro dia tsy hazava ny volana????
17. rhaj0 ( 24/05/2016 11:35)
RBNIR:
Ka averiko indray: tamin'ny fomba ahoana no namantaran'i Jesosy fa rehefa maizina ny masoandro dia tsy hazava ny volana????

O ry RBNIR aa... raha "maizina" io masoandro io, dia efa ela no vita matavy ny planeta Latera eee... ianao izany anie dia mino mazia-mazia sahala @ zaza eny @ garabola ee.. ngo dia heverinao fa ao anatin'ny 1 minitra azany dia mipika sahala @ jiro io masoandro io.. ary dia hikorapaka eo ianao hamikitra @ Baiboly izay ataonao toa bouee de sauvetage???

Dia tena tsy haiko hoe, dia tena ianao io mihintsy ve no midogaigy, ka mandika vilana ny revirevin'i Jesosy, sa tena i Jesosy mihitnsy no... an!...
18. RBNIR ( 24/05/2016 12:31)

rhaj0:

RBNIR:
Ka averiko indray: tamin'ny fomba ahoana no namantaran'i Jesosy fa rehefa maizina ny masoandro dia tsy hazava ny volana????

O ry RBNIR aa... raha "maizina" io masoandro io, dia efa ela no vita matavy ny planeta Latera eee... ianao izany anie dia mino mazia-mazia sahala @ zaza eny @ garabola ee.. ngo dia heverinao fa ao anatin'ny 1 minitra azany dia mipika sahala @ jiro io masoandro io.. ary dia hikorapaka eo ianao hamikitra @ Baiboly izay ataonao toa bouee de sauvetage???

Dia tena tsy haiko hoe, dia tena ianao io mihintsy ve no midogaigy, ka mandika vilana ny revirevin'i Jesosy, sa tena i Jesosy mihitnsy no... an!...

Tsy mbola any ny resaka rhajo a! ny masoandro rehefa ho maizina tsy resaka hoe ao anatin'ny 1 segondra dia avy dia maizina fa mbola misy fotoana maharitraritra ao vao tena maizina tanteraka izy.....

Ny fanontaniako tsotra, tamin'ny fomba ahoana no nahafantaran'i Jesosy hoe rehefa maizina ny masoandro dia tsy hazava intsony ny volana (mbola tsy nisy nampianatra mikasika ny volana anefa, ary tsy mbola nisy telescope, tsy mbola nisy koa vidéo satélite sns.....
20. rhaj0 ( 24/05/2016 13:18)
lahindroy:
Rahoviana ary amin'ny fomba ahoana kosa no heverin'ny vinavina ara-tsiansa ny mety ho potika ity tany honenantsika ity ?

Eto azany vakivakiana raha tia ahalala ianao..
http://www.livescience.com/32879-what-happens-to-earth-when-sun-dies.html
Azo iverenana @ antsipirihany io.. fa @ ankapobeny, dia afaka 7 milliards d'années, vao ho lany ny Hidirozena manao fusion ao, ka mahatonga ny hazavana sy hafanana tonga aty @ planeta Latera io. Dia eo no lasa manomboka mibontsina ho Reg Giant ny masoandro, ary dia ho voatelina ny planeta Latera

Ilay vinavina dia mifototra @ fahalalan-draolona ny @ fiainan'ny kintana (toa ny masoandro). Dia jereo tsara foana ho'a ny échelle des temps, fa mbola amina milliards d'années izany no hitranga, ary tsy hoe in-1 mipi-maso dia .

Ka ho an'i RBNIR sy i Jesosy manokana, dia eritrereto tsara fa mbola tsy "maizina akoriny ny masoandro" dia efa "voatelina ny planeta Latera.

Inty misy youtube mety ho tsotsotra koakoa maneho an-tsary..


Koa dia avelao any @ izay ity fampitahorana lava ry RBNNIR fa efa lehibe ianao izao eee... ka aok'izay ity hoe "ho avy ny farany" lava ity, sy ny resak'adala hoe "hiraraka ny kintana" sns... Dia efa mitombo saina amam-pahalalana io ianao, dka ia ny tokony atao @ izay atao, fa aza mandany vola mividy couches sy pataloha matevina ao intsony re ry RBNIR aaaa.. :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1783