ka Fambara inona hono ity...

21. RBNIR ( 25/05/2016 05:57)
Tamin'ny andron'i Noa dia nibaliaka aoka izany ny andro, ary raha ny fijery maha olombelona dia hita fa toa "adala" marina tokoa i Noa raha nitory momba ny safo-drano,
Noa nefa nahafantatra tsara fa "tsy nanonofy" izy tamin'ny nahatongavan'Andriamanitra niresaka taminy...

Dia otran'izay ny zava-misy ankehitriny, raha ny tombatombana dia mbola ho ela dia ho ela vao mety ho maizina io masoandro io......

Anjaran'ny tsi11 moa no mino na tsy mino fa raha ny marina dia efa asehon'Andriamanitra tsikelikely ny marina fa efa tena tsy ho ela intsony dia

P.S: na dia mahay maminavina aza ny manampahaizana fa mbola amina milliard d'année vao ho maizina ny masoandro....dia nikoropaka kosa izy ireo raha vao nahita an'io tranga hafahafa io....ary ny sasany dia efa milaza sahady fa mety hiditra ère glacière tsy ho ela (2030-2040) intsony indray ny tany (ère glacière = vokatry ny fihenan'n'ny herin'ny masoandro (hatramin'ny 60% hoy ny vinavinan-drizareo).......

Ka dia anjaran'ny tsi11 io rhajo a!

Hoy ny anjely voalohany hoe « [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apok.14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apok.14:7)

Izaho koa dia mitaona an-tsika: tsy tongatonga ho azy teto amin'izao fiainana izao isika fa nisy mpamorona, ary tokony hanome voninahitra Azy ny rehetra...........
22. rhaj0 ( 25/05/2016 10:42)
RBNIR:
.. raha ny tombatombana dia mbola ho ela dia ho ela vao mety ho maizina io masoandro io......

Ny Étoile mandeha @ fusion-na hidirozena, dia efa hita, ary efa voakajy koa, hoe ho toatoan'ny ahoana ny "fiainany". Raha azonao izay, dia ... tsy miboloky ny lazain'i Jesosy @ izao "masoandro maizina" sy "kintana miraraka" izao intsony ianao.

Maninona moa raha raisina hoe kisarisary (parabole) ny nolazain'i Jesosy, fa TSY raisina ara-baki-teny vendrana toa io eee ???
- Hoe "masoandro maizina" dia midika hoe, "mahita maizina fa nikimpy" rahefa torana eee...
- Dia ny "kintana miraraka" moa, dia toa ilay "maniri-kintana" rahefa voakapoka ireny eee...
- Dia ny "fara andro" moa izany, dia ianao, eny ianao irery ao no maty, fa ny fiainana mbola mitohy... Fa io moa, toa irinao ho faty daholo koa ny rehetra...

Dia hitanao tsara io izany, fa fisainana de l'an zero no ... mbola tompotompoinao sy ivavabavahanao ao. Fa dia lazaina foana fa mba mifohaza @ izay ry RBNIR fa efa mandroso ny taona sy ny taonanao eeee.....

RBNIR:
nikoropaka kosa izy ireo raha vao nahita an'io tranga hafahafa io....

Esy e ry RBNIR... eny azany ee... Koa na ilay vatolahy nianjera fa tsy notohanan'i Rafotsibe, araka ny noafatrafaran'Imahaka azy koa azany... raha nianjera ity vatolahy, f'angaha tsy i Jesosy koa moa no efa niteny koa tao @ Baiboly, fa i Rafotsibe koa no toa hotrahotran'ny ... an...

RBNIR:
tsy tongatonga ho azy teto amin'izao fiainana izao isika fa nisy mpamorona, ary tokony hanome voninahitra Azy ny rehetra...........

Marina ny anao fa "TSY tongatonga ho azy" izao rehetra izao...
- TSY tongatonga ho azy ny "masoandro maty", fa efa fantatra ahoana ny "fiainan'ny masoandro"
- TSY tongatonga ho azy ny "kintana miraraka", fa efa fantatra ahoana ny "fiainan'ny kintana"
- koa na ianao io azany "TSY tongatonga ho azy" (toa an'i Madame Eva), fa Ibaba sy Inininao teo... :-)

Vazivazy iny, fa ity tena sérieux:

[size=14]Tena mba ahoana ny hanomezan'ny hafa voninahitra ny zavatra (tsy misy afa-tsy) ao @ imagination-nao ao ry RBNIR ??[/size]
23. RBNIR ( 25/05/2016 11:05)
Mandainga v aho raha miteny hoe mikoropaka noho ilay tranga hafahafa ny manampahaizana????

http://www.numedia.fr/eruptions-solaires-illustrent-etat-anormal-du-soleil-2396732014.html

"Le monde de la cosmologie est en pleine effervescence. Les scientifiques se disent inquiets de l’état anormal du soleil qui dure déjà depuis une dizaine de jours."
24. rhaj0 ( 25/05/2016 11:19)
Ianao anie ho'a ry RBNIR, obsédé @ izao resaka abobo nolazain'i Jesosy izao, dia izay zavatra rehetra eo, dia roriroritinao hifandray @ resaka abobon'i Jesosy lava eo foana koa..

Ireo "état anormal"-n'ny masoandro, dia "anormal" @ excès-ny ao fotsiny, fa TSY midika hoe "fara andro" io, na ho "masoandro maizina" indray, araka ny abobon'i Belazao. Dia efa nolazaina io fa "Cette situation s’est déjà produite en l’an 775", koa nefa ianao io mbola velona izao, dia mbola inona foana ity izy ity ry RBNIR aaa ???!!
25. RBNIR ( 25/05/2016 11:54)
Inona no mampikoropaka azireo???

Pourquoi les scientifiques s’inquiètent-ils ?

1- Si les scientifiques se disent inquiets sur la situation, c’est parce que celle-ci se produit alors que le soleil entre dans une phase de décroissance après un cycle de 11 ans. Les éruptions solaires pourraient alors impacter sur la qualité de la luminosité et de la chaleur émise par le soleil.

2- Une autre inquiétude des scientifiques est le fait que si l’attaque venait à s’amplifier, l’atmosphère et son bouclier magnétique pourraient ne plus pouvoir arrêter les radiations. Cette situation s’est déjà produite en l’an 775 et a failli se reproduire en juillet 2012 si la Terre a bougé de peu de son orbite.


Hoy aho tato hoe alohan'ny hamaizinana'ny masoandro dia hihahery be ity tranga ity ary dia tsy ho voasakan'ny champs magnétique intsony ka dia ho tanteraka ilay hoe :

Apok.16:8,9 :
8 Ary ny fahefatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ ny afo izy.
9 Ary main’ ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy [Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] ny anaran’ Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin’ ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voni nahitra Azy.

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

P.S : mino aho rhajo fa tsy tahaka anao daholo ny mpamaky eto, ianao koa hivavahako mba ho tonga saina alohan'ny fotoana.....
26. rhaj0 ( 25/05/2016 12:54)
RBNIR:
ka dia ho tanteraka ilay hoe : IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

Ary Izay Manana Imagination... Aza Alefa Alavitra Loatra Izy Io, Fa Ngo Dia Ianao Ihany No Mampi-Pipi-Pataloha Anao Lava Ao Izao... Ary Dia Ho Tanteraka H@ Couche
:-)
27. lahindroy ( 26/05/2016 20:24)
Salama daholo isika rehetra

"Eto azany vakivakiana raha tia ahalala ianao.." hoy i rHajo
Misaotra amin'ny fanomezanao an'ilay rohy fa ny tiako soritana kely fotsiny dia ity : ilay fanontaniana mahakasika ny mampisy na tsia ny vinavina ataon'ny siansa momba ny mety ho "fara andro" dia fanasana ny saintsika izay manoratra na mandalo mamaky eto , mba hametra-panontaniana sy hikaroka lalindalina kokoa (ny fitaovana anaovana an'izany dia efa eto am-pelatanan'ny tsirairay fa tsy sahala ny tamin'ny taloha hoe , mbola voatery mankany amin'ny tranom-boky oniversitera ohatra.
Hanampiko azy kely fotsiny angamba dia ny fanasana antsika rehetra hijery ny "fanehona an-tsarin'i Hertzsprung-Russel" izay mamintina tsara ny fivoaran'ny andro-piaianan'ny kintana ary indrindra ny masoandrotsika

Ny mahakasika indray an'i Jesoa sy ny masoandro sy ny volana dia tsahiviko amintsika fa :
-ireo filozofy grika (Anaximandre , Anaximène . Anaxagore...) , 500 taona talohan'ny fikajin'andro iombonana , dia efa nilaza fa ny masoandro dia tsy zava-masina tahakan'ny hoe Helios akory na Apollon fa ...fonjam-by mireheitra mamaivay sy miredareda ka mandefa ny hazavany any amin'ny ...volana (marihako kely fotsiny fa izy ireo no anisan'ny vy nahitana ny foto-pisainana siantifika tamin'ny fahasahiny nijery sy namakafaka ny natiora , tsy amin'ny alalan'ny resaka andriamanitra intsony)

Ny olona na vondron'olona izay nanao ireo soratra samihafa ka natambatra ho lasa ho "testamenta vaovao" ny sasan-tsasany , taon-jato vitsy taty aoriana , kanefa dia sady nanoratra tamin'ny teny grika no efa ...tsy lavitry ny kolo-tsaina grika ny foto-pisainany !
Ankoatr'izany dia ireo Hebreo izay natao babo tany Babylona 600 taona talohan'izany -ary nanoratra koa ny pejy maro izay lasa ho natambatra ho boki-mpinonana sy ho lasa LXX taty aoriana - dia tsy ilaozan'izay tsy nahalala fa efa nanomboka tany amin'ny taona -747 no nanangona ny mahakasika ny fanakona-masoandro sy fanakonam-bolana ny mpandinika babyloniana (izay efa nahatsikaritra ny elanelan-taona manasaraka an'izany tranga izany -izay fantatra amin'ny anarana hoe "cycle de saros" taty aoriana)

Fanamarihana farany
tsy hoe isaky ny misy zavatra vaovao hita avy any "an-danitra" dia efa fambara an'iry na iroa ; manana ahiahy sy...liam-pahalalana tokoa ny mpanao fikarohana siantifika rehefa misy zavatra tsy azo
-ny ahiahy dia ny mety ho vokatr'izany zavatra tsy fantatra izany eto amintsika eto an-tany
(na eo amin'ny mety ho fahasimbany ny zavatra ampiasaina izany na koa za ny mety loza aterany eo amin'ny tontolo iainana...)
ny famakafakana izay tranga rehetra misy eo amin'ny natiora akory tsy natao hanamarina na handiso izay voalazan'ny boki-pinona isan-karazany fa kosa ...ahafantarana ny natiora sy ny fivoarany !
ka tsy hoe isaky ny misy horohorontany , na tsunami na koa "eruption solaire" mahery vaika na koa "supernova" manjelatra any an-danitra ...dia efa fambara izany !
Izay no mahatonga ahy anontany tany aloha tany hoe "efa im-piry moa teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona no efa nilazana fa ireo ny fambara ka mandana aingana ...mibebaka!
28. isma130ldm ( 03/06/2016 20:19)
Tsy mbola ho potika izany ity planète ity. Ny fara andro lazain'ny baiboly io anie fin de cycle na koa oe fin de dispensation. théoriquement anie éfa tafiditra Amin'ny dispensation vaovao isika izao (dispensation zany karazana mandat , toy ny oe mandat présidentiel , fa ity ndray période d:'administration spirituelle ataon'ny être spirituel iray voatendry, Fils Avonal de Dieu mou no mitantana ny tany nanomboka fin fin octobre 2014 ) . Fa pratiquement et réellement, am finfin 2017 no nouvelle ère? nouvelle dispensation planétaire.
29. isma130ldm ( 03/06/2016 20:19)
Tsy mbola ho potika izany ity planète ity. Ny fara andro lazain'ny baiboly io anie fin de cycle na koa oe fin de dispensation. théoriquement anie éfa tafiditra Amin'ny dispensation vaovao isika izao (dispensation zany karazana mandat , toy ny oe mandat présidentiel , fa ity ndray période d:'administration spirituelle ataon'ny être spirituel iray voatendry, Fils Avonal de Dieu mou no mitantana ny tany nanomboka fin fin octobre 2014 ) . Fa pratiquement et réellement, am finfin 2017 no nouvelle ère? nouvelle dispensation planétaire.
30. lahindroy ( 04/06/2016 16:20)

Miarahaba

Tsara ihany angamba ny mba mampiasa saina kely sy mametra-panontaniana vitsivitsy alohan'ny hiroboana amin'itony bokin'ny URANTIA sy ny forongony itony !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4772