Ny fifadiana Kisoa

1. hafahafa ( 29/01/2015 07:07)
Miarahaba antsika namana rehetra ndray e!
Hono hoa ry zareo:
-Ny fiarahana aminy Jesosy Kristy ve misy fombafomba?
1-Inona marina no tena Tsy hinanan'Ireo namana sasany ny Kisoa?
Ireo kisoa bobaka b atraminizao ve de mbola misy Devoly daholo sa misy zavatra hafa na mistery hafa fonosiny akoantrio no tsy hinanany namana sasany azy?
Raha misy mistery marina d mba zarao eto e?
Misokatra oantsika rehetra ny adihevitra.
2. Strong3 ( 29/01/2015 07:35)
« Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena. » (1 Korintiana 6:13)


___ fijery tsy mitombina aloha ilay hoe : kisoa misy devoly
___ Andriamanitra no nanavaka ireo biby hisy malto sy madio

ny nahagaga anefa fa talohan'ny safo-drano dia tsy fanatatra izany fihasamihafana izany; fa noho ireo taranaka voavidy , neverin'Atra fa ho hendry sy azo itokisana dia tao no nametrahany ny lalana sy didy 623; ka isan'ireny ny fitandremana ireo biby maloto hoy ny Tompo Atra

rehefa dinihina anefa ny « Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. » (Asan'ny Apostoly 10:13)
« Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. » (Asan'ny Apostoly 10:14)
« Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. » (Asan'ny Apostoly 10:15)
« Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao; » (Asan'ny Apostoly 10:19)
« Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. » (Asan'ny Apostoly 10:28)
« Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; » (Asan'ny Apostoly 10:34)
dia hita fa tsy FANADIOVANA NY BIBY VOALAZA HO MALOTO IO RESAKA IO; fa fanoharana ireo Jentilisa ho TOIN'NY BIBY MALOTO

Donku; tsy misy VERSET milaza mihitsy hoe nodiovina ny biby maloto.

fa inona no antony ilazan'i Paoly hoe : ny zavatra rehetra azo atao nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso na mahasoa??

Mistery izany raha mbola malemy ny finoan'ny kristiana ary ota izany eo anatrehan'ny olona tsy mino fa MPANARA-DALANA.

__ ny zavatra azo ambara amintsika eto dia izao ihany. Ataovy aloha izay azahoanao antoka fa tena ao anatinao Jesosy . fa Izy no hampianatra anao ny zavatra rehetra.
hanala anao amin'ny OTA IZY; ary raha amin'izay fotoana izay ianao no asoriny amin'ny fihinana kisoa dia araho izany fa raha toa ka tsy mbola miteny anao izy dia aza manamelo tena fa MANANA NY FOTOANY NY ZAVATRA REHETRA

°° misy dinga maro ny finoana ka tsy afaka ho zakan'daholo be ny fanazavana mitsambikina.
afaka miresaka amin'ny hafatra miafina anefa izay liana :-)
3. hafahafa ( 29/01/2015 07:47)
Misaotra ny namany strong3 nizara ny heviny
4. Strong3 ( 29/01/2015 08:04)

hafahafa:

Misaotra ny namany strong3 nizara ny heviny


Izy no mendrika izany
5. bor2lais ( 29/01/2015 08:46)
Izany hoe rehefa fantatrao fa tsy mihinan-kisoa ilay vahininao dia tsara raha mba tsy atao hena kisoa ny laoka na koa mba hanaovanao laoka hafa izy ! :-)
6. Strong3 ( 29/01/2015 08:50)
hihihi tsy mampianatra anao hiatsaravela tsiny ny Soratra Masina; fa mandidy anao hanampahendrena;

Ny fitomboanao anefa dia mitarika anao ho amin'ny marina hatrany. ka tsy tokony hosimba amin'ny fihinana na tsy ny sainao
7. booboo ( 29/01/2015 09:09)
tsisy hidirany ^_^, fa nijery Dr House zà vao fantatro hoe tena ilaina beeee ho an'ny olona mila mandio rà ny ràn'ny kisoa kay. ankoatra izay, anaty yaourt aux fruits matetika misy gélatine de porc. Comme quoi, tout est bon dans le cochon tokoa hihihihihihi.
8. bor2lais ( 29/01/2015 09:14)
Ny adalana amiko dia ny MANERY ilay vahiny hihinan-kisoa nefa efa fantatra izao fa tsy hety izy ! :-)
9. Strong3 ( 29/01/2015 10:10)
na ratsy na tsra ny kisoa dia fantaro ny marina dia ny marina tsy manery anao
10. rhaj0 ( 29/01/2015 13:33)
Ilay "fady" sy izay "fomba" sy "didy" na avy tamina "verset" izany... raha ny fahitako azy aloha dia "fombafomba t@ fotoan'androny" fotsiny ee..

Mety t@ izany ny Kisoa voan'ny "barika" dia naleo mihintsy napetraka tanaty verset hoe aza mihinan-ksoa.. Fa izao mety efa hay ny manala barika dia ... hohano fa matsiro e...

Na koa ohatra ny soavaly sy ny alika dia raisin'ny tandrefana ho "akamany" ka tsy zakany ny hihinana azy. Nefa @ firenena hafa.. hohanina fa matsiro e...

Ianao izao mihinana valala, nefa ny tandrefana aty tena koditra... asa izao raha voasoratra tao @ verset hoe, rahefa mandrakotra ny tany ny valala dia hohano (na tsia)...

Dia inona no ifotoran'ny fanapaha-kevitrao hanao (na hihinana) zavatra iray ?

Aza mba fatorana @ resaka taloha-tsy-nipataloha izany ho'a k'lou ilay fi(s)ainana fa ngo dia ...
11. bor2lais ( 29/01/2015 13:44)
Na izany na tsy izany kosa rehefa misy olona tsy mihinan-kisoa ohatra (noho ny antony maro : finoana na fahasalamana, sns) dia aza terena fa tsy mety. :-)

Ka raha henan-kisoa sy amalona (na henan-kisoa sy sovaly) ny laokanao ohatra dia mba amalona (na sovaly) omena azy fa tsy asiana hena kisoa kosa e !!! Hihihi !
12. gasy1zay ( 29/01/2015 14:58)
ankoatry ireo voalazan'ny namana Strong3 ireo dia i Jesoa koa nampianatra ny mpianany hoe :"tsy izay miditra amin’ ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ ny vava, izany no mahaloto ny olona."

Midika mazava io fa tsy ny sakafo ho haninao no mampaloto na mampanota anao
13. endriny ( 29/01/2015 15:09)
Tsara aloha ilay kisoa kanefa rehefa misy olona fady biby mihinana kappa, dia aleo ho an'ny olona tia biby mihinana maloto ny fihinanana izany. Raha tsy hoe tena tany amin'ny toerana mihidy foana angamba ilay kisoa. Fa raha mbola kisoan'i Tsididy sy Fenoarivobe no mameno ny tsena dia aleo arahina ny fadin-tany...

Noho io tsy firaharahiana ny fadin-tany io izao dia maro ireo olona mararin'ny sistiserikaozy..

IO ohatran'ny hoe maninona no rarana na fady ny mihinana trondro avy eo Anosy sy Masay e...

Fa ny kristianina moa efa tsy misy fady azy intsony... rajako aza ataony laoka any Andasibe...
14. rhaj0 ( 29/01/2015 16:30)
gasy1zay:
...tsy izay miditra amin’ ny vava no mahaloto ny olona..

Dia ndana azany mihinana poizina dia ho hita eo raha "maloto" ny rA-nao e..
Dia nefa indray moa ahodinao (spin) izao ny resaka, dia hoe : "fanahy" no tiana lazaina.. Dia nefa aiza misy "fanahy miditra ny vava"... o boy.. tsy hita ihany izy ity... :-)
15. RBNIR ( 29/01/2015 16:51)
Strong3:

« Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena. » (1 Korintiana 6:13)


___ fijery tsy mitombina aloha ilay hoe : kisoa misy devoly
___ Andriamanitra no nanavaka ireo biby hisy malto sy madio

ny nahagaga anefa fa talohan'ny safo-drano dia tsy fanatatra izany fihasamihafana izany; fa noho ireo taranaka voavidy , neverin'Atra fa ho hendry sy azo itokisana dia tao no nametrahany ny lalana sy didy 623; ka isan'ireny ny fitandremana ireo biby maloto hoy ny Tompo Atra

rehefa dinihina anefa ny « Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. » (Asan'ny Apostoly 10:13)
« Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. » (Asan'ny Apostoly 10:14)
« Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. » (Asan'ny Apostoly 10:15)
« Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao; » (Asan'ny Apostoly 10:19)
« Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. » (Asan'ny Apostoly 10:28)
« Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; » (Asan'ny Apostoly 10:34)
dia hita fa tsy FANADIOVANA NY BIBY VOALAZA HO MALOTO IO RESAKA IO; fa fanoharana ireo Jentilisa ho TOIN'NY BIBY MALOTO

Donku; tsy misy VERSET milaza mihitsy hoe nodiovina ny biby maloto.

fa inona no antony ilazan'i Paoly hoe : ny zavatra rehetra azo atao nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso na mahasoa??

Mistery izany raha mbola malemy ny finoan'ny kristiana ary ota izany eo anatrehan'ny olona tsy mino fa MPANARA-DALANA.

__ ny zavatra azo ambara amintsika eto dia izao ihany. Ataovy aloha izay azahoanao antoka fa tena ao anatinao Jesosy . fa Izy no hampianatra anao ny zavatra rehetra.
hanala anao amin'ny OTA IZY; ary raha amin'izay fotoana izay ianao no asoriny amin'ny fihinana kisoa dia araho izany fa raha toa ka tsy mbola miteny anao izy dia aza manamelo tena fa MANANA NY FOTOANY NY ZAVATRA REHETRA

°° misy dinga maro ny finoana ka tsy afaka ho zakan'daholo be ny fanazavana mitsambikina.
afaka miresaka amin'ny hafatra miafina anefa izay liana :-)


Misaotra namana strong3 (fa saingy hatreto aloha dia mbola tsy "sahinao" notenenina mivantana (amin'ireo zaza toa an'i hafahafa izay mila tantanana moramora amin'ny fahamarinana) ny tena marina namana!
Samia ho tahin'ny Tompo e!
16. RBNIR ( 29/01/2015 16:57)
H.S: kely dia aza gaga namana hafahafa raha sendra milaza aminao any amin'ny mp (hafatra miafina any ny namantsika strong3 fa finalement tandremana ihany ilay sabata :-) :-) :-)
17. rhaj0 ( 29/01/2015 21:37)
Strong3:
Ataovy aloha izay azahoanao antoka fa tena ao anatinao Jesosy . fa Izy no hampianatra anao ny zavatra rehetra.

Dia mba manana fotoana sy hery tsy hita pesipesenina kosa izany Izy izany, fa na ny filendalendana sy fihinanan'i Strong3 kisoa azany dia hanokanan'Izy fotoana sy hery hampianatra an'i Strong3... Dia manontani-tena aho hoe, ohatra hoe, mba manana fotoana sy hery mba hanampy ireo zazakely maty ripaky ny hanohanana ve Izy ee ? toa na ao Mada fotsiny dia efa amam-polony sa aman-jatony no maty isan'andro mihiratra... zazakely io...
18. rhaj0 ( 29/01/2015 22:55)
RBNIR:
fa finalement tandremana ihany ilay sabata

Dia rahefa "tsy mitandrina sabata" koa izany dia priiiaaaa, tapa-doha sa bory tanana sa ahoana ?

Ny fiainana efa sarotra nefa dia ze izay koa izany dia mety hahatapa-doha-tanana... giravy ihany izany
19. RBNIR ( 30/01/2015 03:29)
rhaj0:

Strong3:
Ataovy aloha izay azahoanao antoka fa tena ao anatinao Jesosy . fa Izy no hampianatra anao ny zavatra rehetra.

Dia mba manana fotoana sy hery tsy hita pesipesenina kosa izany Izy izany, fa na ny filendalendana sy fihinanan'i Strong3 kisoa azany dia hanokanan'Izy fotoana sy hery hampianatra an'i Strong3... Dia manontani-tena aho hoe, ohatra hoe, mba manana fotoana sy hery mba hanampy ireo zazakely maty ripaky ny hanohanana ve Izy ee ? toa na ao Mada fotsiny dia efa amam-polony sa aman-jatony no maty isan'andro mihiratra... zazakely io...

Tsy mba nosainin'ny olona mihitsy v fa ny nataon'ny olona ihany no nahatonga an'izany?
« Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. » (Oha.19:3)

20. RBNIR ( 30/01/2015 05:06)

rhaj0:

RBNIR:
fa finalement tandremana ihany ilay sabata

Dia rahefa "tsy mitandrina sabata" koa izany dia priiiaaaa, tapa-doha sa bory tanana sa ahoana ?

Ny fiainana efa sarotra nefa dia ze izay koa izany dia mety hahatapa-doha-tanana... giravy ihany izany


Faly misera hatrany namana rhajo,

« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana] » (Jer.29:11)

« ....Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona.....[*Gr. voavonjy] » (Lio.8:50)

« Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? » (Mat.6:31)
« Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:32)

IZY no mitondra an-tsika amin'io lalàna io ka dia matokisa Azy.

Izay anie ilay finoana nananan'i Abrahama e, tany mbola tsy hita no nampanantenaina ho azy sy ny taranany (tsy nanana fanoherana mhitsy Abrahama fa avy dia nanaiky, nandeha fa tsy nametraka souci na dia kely fotsiny aza ary nanaiky izay rehetra nangatahina taminy.......

Samia ho tahin'ny Tompo namana....


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2951