Ny fifadiana Kisoa

61. RBNIR ( 30/01/2015 13:19)

Strong3:

nga mamindran'i HGW faminanina izato izy ka mahita izay toerana misy ahy?

???? :-) inona no ifandraisan'io teninao io amin'ny fanamarihana nataoko hoe diso ny filazana fa ny katolika romana no babylonianina ????

Raha ny misy anao eto amin'ny serasera indray no tianao ambara dia misy historique sy alerte eto milaza fa namaly hafatra ny olona iray (mbola mety tsy hainao tsara angamba raha vaovao teto ianao)

Samia ho tahin'ny Tompo namana
62. RBNIR ( 30/01/2015 15:43)
Strong3:

nga mamindran'i HGW faminanina izato izy ka mahita izay toerana misy ahy?
MANANA FANAHINA JIOSY ; ZATRA MITORABATO SY MIAPANGA LE sakaiza ito
MBA HAINAO MOA IZA NO TONDRON'NY BAIBOLY HO MPIAPANGA?
AOKA MARINA E!!! mba izay tena resaka no ataovy fa aza miolakolaka

O r'ise a! tsy mahataty tsikera ange isika izany e, ahoana no hitohizan'ny adihevitra amin'izany?
Diso ary ko holazaiko hoe marina indray v?
Andraso fa misy marina ange ny filazan'ise sasany e, andraso fa ataoko hoe "marina" :)
Samia ho tahin'ny Tomp namana,




63. Strong3 ( 02/02/2015 08:17)
hi hi hi!!!
tsy mahataty resaka hono!... hatreto aloha dia hita ireo tsy mahataty resaka
64. Strong3 ( 02/02/2015 08:24)

RBNIR:

Tsy ny katolika romana no babyloniana......


fa ..?
65. RBNIR ( 02/02/2015 09:21)
Tsy ny katolika fa...hovaliana ihany raha sitrapon'ny Tompo namana :-)

Samia ho tahin'ny Tompo e!
66. vincent15 ( 03/02/2015 18:47)
eeee!!!!!varina miady evitra eo ianareo, namaro zavatra resahina eto dia atsika tsy miala @ten'Andriamanitra resaka kisoa ity :Tiko azavaina @nareo fadehany ,tsara amarihina hoatsika dia ny kisoa anisany biby maloto indridra,ianao dia tepolon'Andriamanitra tsiazo lotona.Araka voalazany LEVITIKOSY 11:7-8.Fanotaniana isika ve afaka madika io ten'Andriamanitra io?
Fanazavana tsotra iany kisoa anisany biby mivaky kitro ity tena hatony izy tsy madinika.
Eritrereto olona tsy masina tsy hiditra @ fiainana mandrakizay. Afatra farany tsy zavatra rehetra azo ohanina, jereo @Daniela 1:8 io tantarany daniela rehefa nomeny mpanjaka hanina izy dia tsy noaniny ilay sakafo. Vokany dia nahazo fitia t@mpanjaka i Daniela. Tahaka zany koa isika rehefa tehahazo fitia tahaka daniela ianao dia aza ohanina ireo kisoa ireny fa maloto.
67. RBNIR ( 04/02/2015 06:20)
Faly misera aminao namana vincent15.
Marina ny voalazanao namana vincent15, ary ho an'izay misalasala hoe tena nampianarin'i Jesosy v dia vakio ity teny ity « Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. » (Asa.10:14).
Araka io teny io dia i petera dia mbola tsy nihinana mihitsy talohan'ny nahitany an'io fahitana io ary tsy mbola nisy nampianatra azy mihitsy talohan'io fahitana io hoe azo hanina ny kisoa...

Dikany : i niaraka tamin'i JEsosy foana izy talohan'io fahitana io, Jesosy araka izany dia tsy nihinana kisoa ary tsy nampianatra ny olona nihinana kisoa....

Inona ary ny dikan'ilay fahitana? fanomezan-dàlana hihinana amin'izay v?
« Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. » (Asa.10:28)

Tisa tsy fanomezan-dàlana hihinana fa Ilay fahitana dia nomen'Andriamanitra mba hampahafantarana an'i petera fa "tsy misy olona azony atao hoe fady na tsy madio".

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
68. vincent15 ( 04/02/2015 06:33)

Mba valio azafady izay mahavaly azy.
azao tsara omeo verser misy azy.
69. RBNIR ( 04/02/2015 07:26)
Mety maro no tsy nahalala izany fahamarinana izany tsy hifanomezan-tsiny (izaho koa aza mba tao ihany koa teo aloha)
« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)
Ary averiko hatrany VAKIO ATO tsy mitovy amin'ny fitandreman'ny fariseo azy fa ataovy izay hanoratan'Andriamanitra ny lalàny ao ampon-tsika....
Ka ho tonga tsy mpihinana kisoa tahaka an'i JEsosy aho, fa tsy hoe raràna aho vao hahalala fa tsy tokony ho hanina ny kisoa....
Ka ho tonga tsy mpijangajanga tahakan'i Jesosy aho, fa tsy hoe raràna aho vao hahalala fa tsy tokony hatao ny fijangajangana;
Sns.....
Fiainana vaovao avy tamin'ny Fanahy Masina (ary mitovy amin'ny fiainanan'i Kristy) fa tsy hoe nohon'ny fandraràna avy tamin'ny lalàna....
Midira amin'ilay vavahady ety ary mandehana amin'ilay làlana (chemin) atoro anao....
Jereo ny fandaharana VITAO NY ASAN'NY FAHAMARINANA

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
70. endriny ( 06/02/2015 13:23)
Izahay tsy mihinana kisoa raha any Foul Point satria ny kisoa any mikarenjy..
71. RBNIR ( 08/02/2015 03:34)

endriny:

Izahay tsy mihinana kisoa raha any Foul Point satria ny kisoa any mikarenjy..

Namana endriny, ka inona no manakana anao tsy hanao ny sitrapon'Andriamanitra???
Efa misokatra midanadana ho anao ny fanjakan'ny lanitra...
Anao sisa....

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
72. endriny ( 11/02/2015 04:45)

RBNIR:


endriny:

Izahay tsy mihinana kisoa raha any Foul Point satria ny kisoa any mikarenjy..

Namana endriny, ka inona no manakana anao tsy hanao ny sitrapon'Andriamanitra???
Efa misokatra midanadana ho anao ny fanjakan'ny lanitra...
Anao sisa....

Samia ho tahin'ny Tompo namana...

Aza fady ry Namana fa tena tsy mbola nisy Atra niresaka tamiko mihintsy aloha hatreto a...
Izaho mbola te hijanona eto an-tany fa aza resahina lanitra aloha. Fa soava dia ianao raha vonona ny ho any sahady e
Izahay efa ela no tsy nanana mpanjaka ho Tompoina intsony... Fa manompo vazaha ety amin'ny zone indray izao a...
73. RBNIR ( 11/02/2015 06:06)
endriny:

Izahay tsy mihinana kisoa raha any Foul Point satria ny kisoa any mikarenjy..

Namana endriny, ka inona no manakana anao tsy hanao ny sitrapon'Andriamanitra???
Efa misokatra midanadana ho anao ny fanjakan'ny lanitra...
Anao sisa....

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
[/quote]
Aza fady ry Namana fa tena tsy mbola nisy Atra niresaka tamiko mihintsy aloha hatreto a...
Izaho mbola te hijanona eto an-tany fa aza resahina lanitra aloha. Fa soava dia ianao raha vonona ny ho any sahady e
Izahay efa ela no tsy nanana mpanjaka ho Tompoina intsony... Fa manompo vazaha ety amin'ny zone indray izao a...
[/quote]
Faly misera namana,
Jesosy no "famantarana" nomen'Andriamanitra ho an'ny olona,
Asa lehibe no nataon'i Jesosy tety nentina nanaporofoana ny fisian'Andriamanitra ary ankoatran'ireo asa lehibe ireo dia ny fitsanganany tamin'ny maty,

Nifidy vavolombelona 12 lahy izy tamin'izany ary ankoatran'ireo dia nisy olona hafa koa nisehoany rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana
74. endriny ( 13/02/2015 16:17)
Inona moa idiran'ny fihinana kisoa amin'ny finoana an'Atra ry RBNIR
75. NomeniavoFiderana ( 29/10/2019 15:16)
Fiadanan'i Jesosy ô! raha amiko loha de ny fomba fanarahana an'i Jesosy dia ny fankatoavana izay voalaza rehetra ao anaty baiboly: ohatra amin'izany zao ny hoe "tsy fihinanana kisoa" dia mazava tsara mihitsy ato amin'ny LEVITIKOSY 11 : ny lalàna ny amin'ny biby madio sy maloto:
"Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: mitenena amin'ny Zanak'Israely hoe: izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany :3 izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo. 4 Kanefa amin'izany mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, neta tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; 5 ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; 6 ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy; 7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy. 8 Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.. Dia izay no antony tsy hinanana kisoa sy ireo biby maloto rehetra voalaza ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1403