Ze souyii Sariliha

1. rhaj0 ( 09/01/2015 13:51)
Ka hoe ny isan'ny tena nahatonga @ izao tranga izao dia ny "satire" (bilagy mi-critique no sady maneso) atao @ Fivavahana/Finoana. Eto izany ny Islamo no nasiana, ary dia tezitra ny "sasany", nivangongo ny hatezerana, ary dia io no niafarany.

Ka eto izany hoe, mitady hanindry ny fahafahana sy fahalalahana miteny ry extremista... Fa mila ampatsiahivina ihany fa tsy tokony hadino koa fa efa nandalo teo koa ny Kristiana. Jereo eto ny wikipedia.

Tany amintsika izao dia Jesus de Nazareth moa izy teo, dia TSY navela hojeren'ny mpokona.. Fa @ io gtranga io, dia ny "extremista" (kristiana) no nitana ny fahefana, ary dia "tapaka" ny fahalalahan'ny artista mizara ny revireviny... censurE.. (ny t@ caricatures de Mahomet, dia voatsindry ho censurE, na hanao auto-censure ny artista)

novalian'i rhaj0 ny 15/01/2015 13:44
2. gasy1zay ( 09/01/2015 14:38)
Amiko aloha dia tsara ny liberté d'expression fa kosa tokony hisy ny fifanajana sy fandanjalanjana ny vokatry ny teny na fanehoankevitra havoakanao, amiko izao ohatra dia tena olona tsy misaina loatra raha mpanao gazety amerikana ohatra hamoaka secret défense naparitak'i Snowden nefa mety hitarika "attaque terroriste" any USA.

Mikasika an-dry charlia indray dia ny azy ny "provocation" no mahafinaritra azy ka dia izy moa nihevitra hoe olona mahataty vazivazy sy fandrangitana daoly ny be sy ny maro ary tsy hisy afaka hanakana azy hanao izany au nom de la liberté d'expression kanjo... Ny mampalahelo @ ny tranga ohatran'izao dia ny habibian'ireo mpamono aloha no tena hita ary tena lasa "heros" aza ireto mpananihany sy mpandrangitra ny hafa nefa amiko na dia tsy rariny aza ny nanjo azy ireo dia misy "part de responsabilité" ihany avy aminy niteraka fankahalana avy @ ireto silamo mahery fihetsika ireto.
Tsy hisy hianatra izany ireo caricaturiste hafa hoe sao dia mba tokony handinika isika hoe mba aleo asiana auto-censure mba hialana @ tranga ohatran'ireny fa toa vao maika ho rangitina ireo silamo mahery fihetsika hafa. Asa moa fa dia izay izany ny liberté d'expression hono.
3. rhaj0 ( 09/01/2015 14:58)
ilay fahafahana sy fahalalahana ny hiteny aloha dia sarotra. Io izao toa antsika sy ny ankizy eto @ internety eto ihany. Lazaina foana fa.... raha ny resaka ampitainao ka:

1- azon'i Nenibe vakiana... i Nenibe ilay manana soatoavina/traikefa mety hafa noho ny anao, ary mety ho voarangotra ny eritreriny na ny fony
2- azon'i Kotokely vakiana... i Kotokely ilay mbola zaza ka manidina ny eritreriny ka mety handray ny resaka @ lafiny tsy noeritreretinao izy

Rahefa tsy eo ireo, dia eritrereto fanin-2, ary raha ilaina dia fehezo ny penina sy ny tanana ary dia resaka an-jorony anaovana azy.


Fanefa kosa anefa...
1- indraidray mila hotsonkotsonina i Nenibe fa efa 2000 ny taona...
2- Ary mila hotsonkotsonina i Kotokely fa mila atombo ho matotra ny sainy..

ka dia .. tsy hita ihany izy ity, fa raha izaho aloha, dia alefako ny resaka, reveko ny fahalalahako sy fahafahako, fa rahefa misy tohina dia ho hita eo eee... tsy tapahina ny resaka (communication)...

4. gasy1zay ( 09/01/2015 15:44)
Ny hitako tsy mety @ ilay fahalalahana hiteny dia izy io lalàna tandrefana (occidental) ny mamehy azy hoe izao no azonao lazaina na ambara mifanaraka ny lalàna fa izao kosa tsy azo atao fa mampigadra na mety handoavana lamandy, ny olona kendren'ny fanankianana sy vazivazin-ndry charlie anefa tsy olona avy @ firenena tandrefana ihany izay tsy afaka ny hanakombona ny vavan'ndry charlie @ fitoriana eny @ tribonaly sns... Tsy tsapan'zareo nametraka lalàna hoe tsy mitovy ny degré de sensibilité sy tolérance ny tsirairay avy @ blague/satire/fanankianana sns... fa izay hitany ho zakan'ny fiaraha-monina teo aminy no nanaovany ny lalàna, any occident anefa efa betsaka ireo mpifindra monina tsy mitovy fijery @ ireo tompon-tany intsony, ny lalàna tsy mbola niova. Ny fanatontoloana koa etsy andaniny manaparitaka ny zavabitan-ndry Charlie ohatra. Niezaka nitory ihany ireo silamo tao Frantsa fa toa tsy nahita rariny.
5. Fiffi ( 09/01/2015 17:34)
na dé nanao dessins provocateurs azy ry zareo....rariny ve we aleo hanaovana massacre tahak'zao ?

lasa firy zao ny isan'olona maty am zao isika miteny zao ?

.....maninn raha i charlie irery no novonohina raha tsy mahatanty fa maninn ary naninn azy ireo ireo olona tsy misy idiran'zany ?

tsy anjarany koh ny maka aina an'olona....

(assassins va ....) grrrrrrr
6. rhaj0 ( 09/01/2015 17:34)
Ny fahitako azy, dia ny olana, dia "intrinseque" @ Finoana/Fivavahana ny "extremisme". Tsy ilaozan'ny "extremisme" ny Finoana/Fivavahana.

Fa ny "extremisme"-nao soa, fa ny an'ny hafa, kisoa.


Rahefa "manaiky-tsisy-porofo" (mino) ianao, dia tena "tsisy-ady-hevitra" izany fa dia io Ibaotsimivily io. Dia raha vao miteny zavatra hafa ny olona, dia hitsin'Ibaotsimivily, ary mety hoseny, h@ hoe vonoiny.


Jereo fa rahefa Siansa no resaka, dia mifandresy lahatra amina porofo ny olona. Ny porofo dia
- fact... iarahan'ny rehetra, andaniny sy ankilany, mahita sy manaiky
- miaraka amina methode (siantifika) iarahan'ny rehetra, andaniny sy ankilany, mahita sy manaiky
- voamarina indepedently


Fa ianao "mino" dia TSY mila "porofo"... ara-pamaritana.

7. gasy1zay ( 09/01/2015 17:54)

rhaj0:

Ny fahitako azy, dia ny olana, dia "intrinseque" @ Finoana/Fivavahana ny "extremisme". Tsy ilaozan'ny "extremisme" ny Finoana/Fivavahana.

Fa ny "extremisme"-nao soa, fa ny an'ny hafa, kisoa.


Rahefa "manaiky-tsisy-porofo" (mino) ianao, dia tena "tsisy-ady-hevitra" izany fa dia io Ibaotsimivily io. Dia raha vao miteny zavatra hafa ny olona, dia hitsin'Ibaotsimivily, ary mety hoseny, h@ hoe vonoiny.


Jereo fa rahefa Siansa no resaka, dia mifandresy lahatra amina porofo ny olona. Ny porofo dia
- fact... iarahan'ny rehetra, andaniny sy ankilany, mahita sy manaiky
- miaraka amina methode (siantifika) iarahan'ny rehetra, andaniny sy ankilany, mahita sy manaiky
- voamarina indepedently


Fa ianao "mino" dia TSY mila "porofo"... ara-pamaritana.




Izay indray rhaj0, efa resaka silamo mahery fihetsika no resahina dia mahita irika foana ampidirana ny mpino rehetra anaty tantara
8. 5laody ( 09/01/2015 18:02)

Salama daholo,

Aiza ary ny tena fetrany ry zalahy raha heverina ho tsy azo ilazan-javatra daholo ny vahoaka?

Mila mifankafantatra toy ny voalaza etsy ambony. ary tsy mifampakatra hatezerana.

Raha i Rajh0 indray aloha fantatro hoe mahatanty raha anlàn-dRy zalahy hoe:

hanontsokontsona an'i Kotokely?

9. rhaj0 ( 09/01/2015 18:09)
gasy1zay:
Izay indray rhaj0, efa resaka silamo mahery fihetsika no resahina dia mahita irika foana ampidirana ny mpino rehetra anaty tantara

ka midanadana ny harato kouh... :-)

Rahefa zohina hatrany ifotony dia zohina re ry Gasy1zay fa tsy izay superficielle eo no dridradridraina a...
10. endriny ( 09/01/2015 18:54)
Mahagaga tokoa aloha hoe maninona i Joseph Kony na ry Bob Denard no tsy antsoina hoe mpampihorohoro? Na ireo ireo tarika mpisitaka ka mamono olona any Espagne? Sa ve hoe tsy mainsty Silamo vao atao hoe mpampihorohoro?

Eto aza moa ny mpampihorohoro atao hoe Dahalo dia omena vola ho tambin'ny vitany koa... Aoka marina e
11. gasy1zay ( 09/01/2015 18:54)

rhaj0:

gasy1zay:
Izay indray rhaj0, efa resaka silamo mahery fihetsika no resahina dia mahita irika foana ampidirana ny mpino rehetra anaty tantara

ka midanadana ny harato kouh... :-)

Rahefa zohina hatrany ifotony dia zohina re ry Gasy1zay fa tsy izay superficielle eo no dridradridraina a...


Ianao zao raha nolazain'ilay mompera frantsay iny hoe kanosa ny gasy dia niaka-pofona be :) io ilay lazaiko hoe samy manana ny mampihomehy sy mahatezitra azy.

Fiffi > tsy misy manome rariny ny famonoana olona akory izahay fa mba mifanakalo hevitra hoe fa ahoana loatra no dia misy tranga ohatran'ireny.
12. rhaj0 ( 09/01/2015 18:58)
Ka ahoana ohatra ny "extremisme"-nao ry Gasy1zay.. rahefa ilay mba manao Ibaotsimivily iny ianao:
- hitsinao, sa hosenao, sa
- ahilikao, sa avakavahanao, sa
- ialanao toa ny pesta, sa iavonavonanao, sa
- vonoinao, sa ..

Satria ilay olona TSY (manao) arak'ilay "resaka-tsisy-adi-hevitra"...
13. rhaj0 ( 09/01/2015 19:03)
gasy1zay:
Ianao zao raha nolazain'ilay mompera frantsay iny hoe kanosa ny gasy dia niaka-pofona be :)

tena mampiaka-pofona ahy ianao zany :-)

Fa iny kosa miloko Finoana (mopera no manindry) ka dia niaka-pofona tokoany aho. Fa tsy adi-hevitra sy fifanazavana ve no natao(ko), sa ve izaho lazainao fa nanao Ibaotsimivily ka nanosy na nanavakavaka na ets...
14. gasy1zay ( 09/01/2015 19:21)

rhaj0:

gasy1zay:
Ianao zao raha nolazain'ilay mompera frantsay iny hoe kanosa ny gasy dia niaka-pofona be :)

tena mampiaka-pofona ahy ianao zany :-)

Fa iny kosa miloko Finoana (mopera no manindry) ka dia niaka-pofona tokoany aho. Fa tsy adi-hevitra sy fifanazavana ve no natao(ko), sa ve izaho lazainao fa nanao Ibaotsimivily ka nanosy na nanavakavaka na ets...


Tena tsoriko aloha fa nanontany tena aho hoe toy iny ve ny fihetsikao raha tsy fantatrao hoe anisan'ny nanoratra ilai lahatsoratra ilay mompera.

Izaho indray dia tsotra ny hevitro momba ny fivavahana, fantatro hoe misy Andriamanitra raha tsy mino ny hafa dia hiezahako ampahafantarina ny famonjena voalazan'ny baiboly raha azoko atao rehefa tsy mbola mino moa dia tsy azo "forcena", manaratsy fivavahana ny olona na mananihany? Raha azo anarina dia anariko fa rehefa tsy manaiky moa izy dia izaho mangina fa Andriamanitra no hitsara azy.
Izaho aloha raha @ mahakristianina ahy dia miezaka araka izay tratrako hoe ny baiboly aloha ny fototra izay vao ny ambaran'ny mpitarika fivavahana izay mety olombelona manana ny fahalemeny ihany na mety diso fandray ny voasoratra.

15. rhaj0 ( 09/01/2015 20:34)
gasy1zay:
Tena tsoriko aloha fa nanontany tena aho hoe toy iny ve ny fihetsikao raha tsy fantatrao hoe anisan'ny nanoratra ilai lahatsoratra ilay mompera.

Nisy gasy koa anie tao @ mpanoratra iny lahatsoratra iny e.. fa i Raorifera no, raha n yfahazoako azy, no deba voalohany @ lahatsoratra (izy no voatonona farany).

Fa na gasy koa no namely an'iny dia "hiaka-pofona" koa aho kah.. Fa iny kosa aloha sady frantsay... sady ilay frantsay kolonialista ireny ny fahatakarako azy... ka dia tena nampiaka-peo tokoany aho.

Fa tsisy ifandraisany @ hoe "noho ny finoana tsisy adi-hevitra" izany.. Fa misy argument no narosoko.. fa tsy hoe (tsy) minoa fotsiny ihany fa mopera no miteny...
16. rhaj0 ( 10/01/2015 15:19)
tsy matiko lolo ity fantsin'i Gasy1zay. Raha ny fahitako azy dia mbola fantsy mifototra amina superficiel no ataon'i Gasy1zay. HOe raha vao "miaka-pofona" dia mitovy daholo.

Ny reaction-ko angaha nifototra tamina "finoana" ? (finoana hoe ny gasy dia TSY kanosa, ary tsisy-adi-hevitra izany) ?

17. rhaj0 ( 12/01/2015 13:45)
ka ahoana aby azany ny analizy any @ misy anareo tsi11 any..

ny aty, ny noraisiko dia hoe... tena ilay "critique" k'lou dia tena ilaina eo @ fiaraha-monina, ary mila arovana sy ampirisihina akoriny azany ny mpi-kiritika. Mety lasa lavitra ilay satire (miampy fanesoana), fa na izany aza, azo raisina hoe, manainga ny fifanakalozan-kevitra (dialogue sociale) hono izato izy. Sady ilay satire arahin-kehy... (fa tsy hoe ilay serieux ka hoe aina no fetra). Raha tsy izany samy mihidy ao amin'azy (sy ny finoany-tsisy-adi-hevitra) ao. Indrindra moa fa misy dia tena @ ilay revy "tsisy-adi-hevitra", dondrona-be tsy mihaino izay raison sy raisonnement, fa "minoa fotsiny" ao... ka dia tsy maintsy ... "hotsonkotsonina"

Dia nefa indray, samy nanamarika hono, fa ireo namono olona anie, ka tsy dia hoe ilay "mpino" tradisionely (hilaza ianao izao hoe "tsy mpino tena izy" zareo ireny), satria tokoany dia matetika TSY mpino zareo t@ fahazazany, nisy azany, ohatra taty, dia hoe, athee hono ny r-a-d.. Fa rahefa mandalo @ fotoana maha-marefo (fragile) azy izy, ka hoe misy fanontaniana/filana.. tsy ahitam-baliny/vahaolana ao @ fiainany manokana ao, ary dia hain'ireo mpitarika-fivavahana-misavoana ny mampisavoana koa ny saina aman'eritreritr'ireto olona ireto...

ka dia inona azany hono ny vaha-olana... hi hi hi.. hozy ny Mopera Raorifera hoe... "ledukasio kontra la peera"

18. gasy1zay ( 12/01/2015 14:34)
rhaj0 > misy ny critique constructif fa misy ny critique natao mba hi-choquer-na na hanehoana ankolaka ny tsy fankatoavana na ny fanajana ny hafa, ireny indraindray dia tena tsisy fetra rehetra tsy mametra azy ny lalàna.
Ny sangy mihoatra ny loha amiko dia tsy misy hafa @ bullying any ampianarana na any ampiasana, ary mbola "pire" aza satria ny harcelement morale voararan' ny lalàna fa itony satire itony dia tsia satria liberté d'expression hono.

Mikasika ny miaka-pofona lazainao tena diso ny fandraisanao azy ka, tsy mampitovy anao @ ilay mpamono olona aho fa ny tiako hiavina dia mety misy zavatra tsy mahatezitra ny hafa mety mahatezitra anao dia "vice versa", ny vazaha zao gaga hoe ahoana ary no misy olona mahavita mamono olona raha hanaovana caricature ny fivavahany satria @ zareo izany fivavahana izany tsy misy lanjany firy eo @ fiainany nefa ireo silamo ohatra tena mahavita mamono tena raha vao resaka fivavahana io no voakitikitika.
19. rhaj0 ( 12/01/2015 16:21)
An an.. .dia mampifangaro voraka ianao ry Gasy1zay. Aleo aloha aboaka ny famaritana "iraisana" fa hotry ny dia tsindrotsindrohanao sahala @ raozy ny teny nefany toa hafahafa ny fandraisanao azhy fa tsy @ dikany "iraisana"......

satire (n.f.)
1.écrit, discours qui critique quelque chose, en s'en moquant.

critique, adjectif
Sens 1 Qui donne un jugement, une appréciation.

intimidation
Action d'intimider quelqu'un par la force, la violence, la ruse

intimider
Inspirer à quelqu'un une crainte, un trouble qui lui font perdre son assurance : Les femmes l'intimident.
Remplir quelqu'un de peur en usant de la force, de menace

bul·ly verb
use superior strength or influence to intimidate (someone), typically to force him or her to do what one wants.


ka taiza ilay caricaturiste no "nampitahotra", na koa nanao hoe "force him or her to do what one wants" ?????


(hotry ny hoe kaodikaody i Gasy1zay, fa raha vao "critiquer"-na ny Finoana, dia voarangotra koa izy, ary dia akapony ho "bullying" daholo izany...)


20. gasy1zay ( 12/01/2015 16:50)
rhaj0 > tsy haiko hoe inona ny taranja ampianarinao fa mba afaka zarainao aminay ve (H.S fa mba curieux za :) ) ny remarque religieux na raciste nga azo atao any ampianareo indray ry rhaj0 nefa ianao milaza hoe resaka joyeux noel aza toa tsy misy sahy manao? fa mba nijery ny Canada aho dia nahita hoe :

La définition du harcèlement psychologique comprise dans la Loi sur les normes du travail inclut le harcèlement sexuel au travail et le harcèlement fondé sur l’un ou l’autre des motifs énumérés dans l’article 10 de la Charte des droits et libertés de la personne : la race, la couleur, le sexe, la grossesse, l’orientation sexuelle, l’état civil, l’âge sauf dans la mesure prévue par la loi, la religion, les convictions politiques, la langue, l’origine ethnique ou nationale, la condition sociale, le handicap ou l’utilisation d’un moyen pour pallier ce handicap.

http://www.harcelement.ca/Victime/Conduites_nefastes.htm

Io site io ry rhaj0 dia milaza fa tsy ny intimidation sy menace (classé No 1) ihany no eritreretin'ny kanadiana fa harcelement fa koa :

No 2 : Déstabilisation (hono) :
Déstabilisation :
Se moquer de ses convictions, de ses goûts, de ses choix poliltiques, de ses points faibles, faire des allusions désobligeantes sans jamais les expliciter, mettre en doute les capacités de jugement et de décision.

Mbola misy tranga maro hafa tanisainy aho ambany ao

Ka raha hoy ianao hoe tsy mahay izay nanoratra ny article @ io site io fa ny definition ny bul·ly anao no izy dia manaiky aho fa diso fandray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1246