Lasan'i Patric ve ny kil?

1. endriny ( 28/11/2014 10:05)
Mety betsaka angamba ny tao amin'ny FJKM Analakely sy ny Fiangonana manodidina no nanara-dia an'i Voahangy sy Patrick ao amin'ny Roxy, ka dia miala any indray ny filazana hoe: "666" ireo e, Masaonika ireo e...

Fa ny mahafinaritra ahy dia ny hoe: manana ny maha izy azy ireto olona 4-mi sy mpangataka eto Analakely ireto, ka tsy voarebireby amin'ny itony fisolokiana avo lenta itony.
novalian'i gasy1zay ny 09/12/2014 15:32
2. rekinbelo ( 28/11/2014 11:11)
salama namana
Ny any 4-mi mety eee, na oe tsy manana sakafo sy trano tsara toa ny sasany aza izy dia mahatsapa fa fisandohana sy fanasana ati-doha fotsiny ny fivavahana.
Aleo anie tsy mahalala mitsy toy izay makany @ zvt diso eeeee.
fjkm sy katolika moa efa hitanao fa tsy ho ela tsony de ho foana eto an-tany fa tantara sisa no hoenoiny taranaka any aoriana any ka normal ny olona raha miala tao daholo ee.
Mahereza namana aa
3. hafahafa ( 28/11/2014 14:23)

rekinbelo:

Miarahaba namana a!
Marina tsis azo lavina ny baiboly satri dia indro fa mitranga tsikelikely ireo zay voalaza.
Maro ny olona zay ilaza fa ho avy aminy anaran'ilay Andriamanitra avo indrindra.
N'aiza n'aiza nge ry namana fiangonana ivavahana de ny Andriamanitra iray iany e, ny lalana no mety ho samy hafa fa ny tanjona dia ny hazahoana famonjena sy iadana amin' fitiavan'Andriamanitra e!
Izaho aloha dia sahy milaza fa raha aminy firenena 1 no bobaka mpanompo sampy dia tsy maintsy ahitana fandringanana sy loza fona.
Raha ny tantara no zohiana dia mbola niadana taminy fitiavan'Andriamanitra i Madagasikara(tsy mbola hita teto na teto aminay zany tsounami izany ,tsy mbola nahafaty olona maro ny horohorontany, tsis ny la neige sy ny sisa tsy voatanisa). mba firy % mo ny fiangonana sahy mijoro ho tsy manompo an'Andriamanitra eto? ref tsy katolika anie d protestant daholo e! hi3
4. rhaj0 ( 28/11/2014 15:53)
Raha ny fahitako azy, dia "miala @ fiangonana tradisionaly" ny olona satria ... TSY mahavaly ny zavatra tadiaviny ireo..

Inona moa no tadiavin'ny olona ?

Raha ny fahitako azy, rahefa olona roboka @ "finoana", dia mitady "voa tsy hary". Ka hain'iretsy izany, na tradisionaly izy na ikafetsy, ary dia ampanantenainy "voa tsy hary" ao tokoany, ary dia io resy lahatra dia roboka io tokoany.

Ny fampanantenana "voa tsy hary" ataon'ny fiangonana tradisionaly izany efa tsy mandaitra intsony, ka dia izay no hivarinan'ny olona @ iretsy Ikafetsy.

Loza io, ary mampalahelo ny olona fa dia ambakain'ny Itsimatahotody.

Na aty Kanada azany, ireo marefo (fragile) ka mivarina @ "finoana" rahefa "TSY mahavaly ny zavatra tadiaviny" na ny fiangonana tradisionaly na ny Siansa, dia ireo marefo ireo dia lasa mivarina @ sekta (toa ny any io), ao ny mivarina @ tarot sy ny karazany (mamaky karatra, mamaky tsaramaso mamaky crystal), ao ny astrolozia (horoscope), ets...

Ka ny fanontaniako dia hoe : inona ireto "voa tsy hary" tadiavin'ny "mpino" lava ireto eee ?
"lanitra" ? "fiainana mandrakizay" ? sa fotsiny, fahasalamana ? fahasambarana ? harena ? ... ?

Mila azavaina/toroina/ampianarina/.. izy hoe, misy "voa tsy hary" anie izany tadiavinao izany, ary misy ny "voa afaka controler-nao" ao @ fiainanao io, fa dia raiso an-tanana ny fiainanao dia aza manaiky rebireben'ny sasany eo intsony...
5. gasy1zay ( 28/11/2014 16:13)
Amiko matoa ny olona maika hamonjy ireny fivavahana de prospérité ireny dia izy ireny toa manangasanga anao fahombiazana, fanasitranana, sns nefa toa tsy mitaky fibebahana na fialana @ fahotana akory , any @ fiangonana sasany mety tsy dia tian'ny sasany loatra ilay hoe mibebaha miala @ fahotanao raha tianao hahita ny fahasoavan'Andriamanitra.

Misy koa izany ireo olona diso ady, @ mahakristianina dia tokony hiady @ fakampanahy, asan'ny nofo, ny devoly sns fa tsy hiady @ fiainana akory satria voalaza fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra fa hanaraka ho anao ny zava-drehetra.

Tsy tokony mahataitra anefa zany fa efa voasoratra.
6. Fiffi ( 28/11/2014 20:02)

rekinbelo:

fjkm sy katolika moa efa hitanao fa tsy ho ela tsony de ho foana eto an-tany fa tantara sisa no hoenoiny taranaka any aoriana any ka normal ny olona raha miala tao daholo ee.

de maninn nefa miteniteny foana tahak'zao ? ntsssss vraiment n'importe quoi !
7. rekinbelo ( 29/11/2014 04:20)
Misy raha tsy hainao fiffi, ifody vavano io refa tonga tokoa io fotoana io ary tsy ela io fa tena d'ici 5ans d'efa tantara sisa eeee, marina moa eee
8. RBNIR ( 01/12/2014 12:43)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
« Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara. » (Lio.6:43)
« Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy* amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.[*aviavimbazaha] » (Lio.6:44)

Io no famantarana tsy mandainga,

Voa = tenin'Andriamanitra torian'ilay olona « Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. » (Lio.8:11)

Jesosy dia namafy voa fahiny, izay mamafy ny voa mitovy 100%amin'ny nafafin'i Jesosy no izy,

Tsy sarotra vakio ny baiboly, mitovy 100% amin'ny nafafin'i Jesosy v ny afafiny?

aza misalasala : izy izy izay,

Raha tsy izay kosa....dia mino aho fa fantatrao avy hatrany na izy izy na tsia.

Ny fampianaran'i Jesosy dia ampitainy mivantana amin'izay olona tiany hampianarina (taloha dia ireo apostoly)

Toy izany ihany koa ankehitriny, misy olona izay ampianariny mivantana indray ary dia mampianatra 100% ny fampianarany fahiny.

Vakio ato : ity misy iray,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
9. gasy1zay ( 02/12/2014 11:29)

RBNIR:

RBNIR > mba saika hanitsy kely ny voalazanao aho, samy hafa ilay voa afafy eny antanimboly sy ilay voan'ny hazo = voankazo (fruit) voalaza @ ilay fanoharana nataon'i Jesoa hoe ny voany no hahafantarana ny hazo.
Ilay voalohany dia marina ny teninao hoe ny voa afafy dia ny tenin'Andriamanitra ao ny misy mandray, ao ny tsy mandray.

Ilay faharoa kosa dia tsy tenin'Andriamanitra fa vokatry na asan'ny Fanahy Masina eo @ olona iray, tadidio fa resaka fanahy mamitaka na mpisandoka no nahatonga an'i Jesoa nilaza io, raha hazavaina tsotsotra ny tiany ambara t@ io dia hoe raha tianareo ho fantatra hoe ny Fanahin'Andriamanitra tokoa na ny Fanahy Masina no miasa @ olona ireo dia jereo ny vokatry ny Fanahy ao aminy: Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
Raha mpitory teny tsy manao fahamarinana izany dia efa azo atao hoe mpisandoka, raha olona mbola tsy niala t@ fanaony taloha koa dia tsy mbola izy.
10. rhaj0 ( 02/12/2014 13:16)
Ny @ ilay "voany" koa dia ... hanontanio an'i Hery na ny Katolika hoe, inona hoe ny dikan'ny hoe « Duos habet et bene pendentes » ...

Fa dia tena ara-baki-teny io ... "@ voany no ahafantarana ny ... Papa" :-)
11. gasy1zay ( 02/12/2014 16:28)

rhaj0:

Ny @ ilay "voany" koa dia ... hanontanio an'i Hery na ny Katolika hoe, inona hoe ny dikan'ny hoe « Duos habet et bene pendentes » ...

Fa dia tena ara-baki-teny io ... "@ voany no ahafantarana ny ... Papa" :-)

Romana 8:14 :" Fa izay tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no zanak’ Andriamanitra"

Andriamanitra Ray no resahina eto fa tsy Papa François akory na i Papa olombelona :)

Raha tena zanak'Andriamanitra izany ny mpitory teny dia tokin'ny tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia mbola miverina @ ilay voalaza teo ambony ihany hoe tazana eo aminy ve ny asan'ny Fanahin'Andriamanitra sa tsia?
12. endriny ( 02/12/2014 17:53)
Ny fanontaniana dia hoe: "rahoviana aza vao hita ny voan'ilay hazo mba hamantarana azy?" satria mantsy dia "voa tsy ary" araka ny tenin'i Rhaj0 no tena misy. Fa "any an-danitra ny valisoanareo", izany hoe tsy misy voany ety an-tany izany, tsy misy vokatra ety an-tany....
13. rhaj0 ( 02/12/2014 18:21)

Tsy azon'i Gasy1zay ilay... resaka.

- Hoe, @ "voany" (nafafiny) no ahafantarana raha tena izy ilay olona na tsia.
- Dia io vita @ teny latina io, fa @ "voany" (anankiroa mikiraviravy tsara) koa no ahafantarana raha tena izy (tokony ho Papa) ilay olona na tsia.

Ilay teny latina io... ka i Hery na ny Katolika moa tsy manazava, dia, raha ny fahazoako azy dia ... Rahefa avy nofidiana izany ny Papa, dia tsapaina ny "voany" an'ilay Papa vaovao io, ahalalana tsara hoe lhl izy fa tsy vhv... dia mihoraka ilay mpitsapa, hoe ... ieeee... "tena misy roa ny voany ary mikirozaroza tsara..." :-)

[size=8](f'izany hoe, toa "legende" ihany koa hono io.. nandrotsirotsiana ny Katolika taloha...)[/size]
14. gasy1zay ( 02/12/2014 18:21)

endriny:

Ny fanontaniana dia hoe: "rahoviana aza vao hita ny voan'ilay hazo mba hamantarana azy?" satria mantsy dia "voa tsy ary" araka ny tenin'i Rhaj0 no tena misy. Fa "any an-danitra ny valisoanareo", izany hoe tsy misy voany ety an-tany izany, tsy misy vokatra ety an-tany....

rahoviana aza vao hita ny voan'ilay hazo mba hamantarana azy?
Rehefa TENA nibebaka sy nandray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, eo no manomboka misy ilay voa voalaza ao @ Matio 3:8 :"Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana hianareo" = ny vokatra voalaza eto zany dia fiovana fitondrantena, niala t@ fahotana sy ny fahazarandratsy, ary eo no lasa tena zanak'Andriamanitra satria manomboka tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra ny fiainanao fa tsy ny fisainanao @ mahaolombelona anao intsony

Ny ahafantarana hoe tena ny Fanahin'Andriamanitra tokoa ny miasa ao aminao dia tokony ho hita taratra eo @ fiainanao ireto :"Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana"

Ireo zavatra ireo aloha dia mbola ety an-tany dia efa tokony ho hita fa tsy miandry any an-danitra akory.
15. rhaj0 ( 02/12/2014 19:40)
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana

Fanontaniana azany:

1- ny reciprocite-ny.... raha TSY mino ny olona iray, nefany maneho ireo 7 F ireo, dia ahoana ? mba olona "tena izy" koa ve izy ? Sa tonga dia TSY izy fotsiny raha vao fotsy "fanahy" e ???

2- Ilay olona "tena izy" maneho ireo 7 F ireo ve, dia tena misokatra @ ireo TSY mitovy finoana aminy koa ? Ohatra hoe, Kristiana parfait io izany izy, fa tena mba maneho "fitiavana" ny Moslimo koa ve ohatra ? Dia tena misokatra @ olona TSY mitovy niveau-na finoana aminy ? ohatra hoe maneho "fahamoram-panahy" rahefa mba manao famadihana ohatra ny olona fa tsy montomontotra sy manivativa ny fombafomban'olona hafa ao ?
16. gasy1zay ( 02/12/2014 20:25)
1- raha olona tsy mino an'i Jesoa Kristy nefa miaina @ ireo 7F ireo dia tsy hitory teny momba an'i Jesoa mihintsy satria mifandimpatra @ ilay fahamarinana , ary raha mitory an'i Jesoa Kristy izy nefa tsy MINO azy ...mazava ho azy anie fa mpisandoka izy e, izy aza tsy mino dia ahoana no handreseny lahatra olona zavatra tsy hinoany?

2- Ireo olona Tena tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra ary miaina ireo vokatry ny Fanahy Ireo dia tena tokony ary mahay mitia ny mpiarabelona aminy eny fa na ny fahavalony aza, ilay misokatra eritreretinao aloha mety entre parenthèse satria tsy maintsy mananatra olona hitany fa diso izy satria fahotana ny "fankasitrahana ota" Romana 1:32:"izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
Raha ny miteny hoe aza manao izao ianareo = manivativa aminao dia mety manivativa izy izany (zone grise) :D, izaho izao miteny aminao hoe mba minoa an'i Jesoa Kristy re rhaj0! tena tsoriko aminao fa mitsikitsiky aho ato an! :)
17. rhaj0 ( 02/12/2014 20:41)
okey dokey.. MISY izany ny olona tsy mino an'i Jesoa Kristy nefa miaina @ ireo 7F ireo. D'accord.

Dia rahefa "ny miteny hoe aza manao izao ianareo" (ilay rarAna @ io dia fombafomba na revy ilay tena ifotony @ ilay olona mihintsy) dia TSY "manivativa" (@ dikany "manao tsinontsinona") izany. TSY d'accord. Satria ny reciprocitE-ny dia TSY misy amina(re)o.

18. gasy1zay ( 02/12/2014 21:15)
Fantatro fa io mintsy no tsy itiavan'ny olona sasany ny fivavahana kristianina satria ohatrany manakana azy hanao ilay tena mba mahafinaritra azy na "revy" hoy ianao, miteraka "culpabilité" hoan'ny sasany, fa misy kosa anefa olona tena tiany hitsiana izy raha diso ka aleo miteny ihany raha afaka miteny fa sao mba izay no hahavonjy ny fanahiny.
19. rhaj0 ( 02/12/2014 23:00)
Tena jamais jamais mandrakizay doria amen, raha mba mi-click an'i Gasy1zay mihintsy izany hoe reciprocité... hoe izy manao belazao @ hafa, fanefa tsy mitselika ao an-tsainy mihintsy izany hoe, ny hafa koa raha mba manao belazao aminy ...

Nefa reciprocité no fototry ny fiaraha-miaina... Fa dia asa foana ny ao aminy ao...
20. gasy1zay ( 03/12/2014 14:25)

Iza moa no milaza aminao fa tsy mbola nanao belazao tamiko ny hafa? Fa inona moa ilay mpamonany sandoka noresahina teto raha tsy olona milaza fa ny azy no tena marina fa diso ny hafa? Ary ireo athé milaza fa tsy misy Andriamanitra? Ireo TJ ? ireo mormons mandehandeha eny andalana ireny?

Raha tena resy lahatra ianao ohatra fa tsy misy Andriamanitra dia vonona ny hihaino anao aho heo inona ny antony hilazanao izany. Mba zavatra maharesy lahatra nefa ambara fa tsy hoe imagination collective dia izay :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2661