I Adama ihany ve i Jesoa?

1. voromailala ( 19/09/2013 15:25)
I Adama no olona voalohany teto antany, noho izany izy no zanaka voalohany sady tokan''Andriamanitra satria izy ihany no naharian'Andriamanitra.

I Jesoa koa anefa voalaza fa zanaka lahitokan'Andriamanitra.

Sao ary dia ny ReIncarné tao anatin'i Jesoa ny fanahin'i Adama, izay fototry ny fahotana tamin'ny fototra, ka nahatonga azy nanolotra ny tenany teo amin'ny hazo fijaliana mba hanalaza izay fahotana izay?

Ary i Jesoa mihintsy no niteny tao amin'ny baiboly fa efa nisy izy talohan'i Abrahama.

Ahoana ny hevitrao?

novalian'i jajajaly ny 02/10/2013 11:04
2. barnasha ( 19/09/2013 16:54)
Tsy haiko aloha fa ny Ebyonim (Ebionte), izay Jiosy Esséniens nilaza fa nanaraka ny fampianaran'i Yehoshoua avy any Nazareta (ilay antsoin'ny tandrefana hoe "Jesus Christ") no nitazona an'io fiheverana lazainao io hoe "réincarnation" an'i Adama ny messia. "Fa ny sasany amin-dry zareo (Ebionita) dia milaza fa i Adama [ihany] ilay mesia izay namboarina voalohany ary nanatsofoana ny fofonain' Andriamanitra" hoy i Epiphane ao amin'ny panarion 30: 3:3

3. Nehemiah ( 20/09/2013 05:58)
Dia mahagaga ahy ity fironan'ny tsi-mpino hahita réincarnation isaky ny mihetsika...

Ny dikan'ny hoe Jesoa no Adama farany voalaza @ 1 Kor 15 dia tsy midika mihitsy fa réincarnation-ny Izy, fa midika fa mitovy ny asany na dia mifanohitra aza, izany hoe nahatonga ny fahafatesana ho an'izay eo ambaniny i Adama ary nahatonga fiainana mandrakizay ho an'izay eo ambaniny i Kristy.
Ny mampitovy an'i Adama sy Jesoa dia samy tsy nanana ray ara-batana izy roa, fa saingy samy olombelona izy roa, ka samy tsy nanana ota t@ nahaterahany, samy niharan'ny fakam-panahy izy roa ary samy nitarika vokatra goavana be ho an'ny olombelona rehetra ny zavatra nataony.

Nilaza ny tenany ho nisy talohan'i Abrahama Izy satria "Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." (Jn. 1:1), izany ve dia sarotra be ?

Farany, ho an'ny resaka réincarnation dia efa namelabelatra ny momba an'izay aho ka nataoko mazava fa na @ lafiny ara-Baiboly (iz. manokana ny Heb. 9:27 hoe : ry tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,) na @ lafiny ara-tsiansa dia tsy misy ilay izy.
4. voromailala ( 20/09/2013 08:05)

barnasha:

Tsy haiko aloha fa ny Ebyonim (Ebionte), izay Jiosy Esséniens nilaza fa nanaraka ny fampianaran'i Yehoshoua avy any Nazareta (ilay antsoin'ny tandrefana hoe "Jesus Christ") no nitazona an'io fiheverana lazainao io hoe "réincarnation" an'i Adama ny messia. "Fa ny sasany amin-dry zareo (Ebionita) dia milaza fa i Adama [ihany] ilay mesia izay namboarina voalohany ary nanatsofoana ny fofonain' Andriamanitra" hoy i Epiphane ao amin'ny panarion 30: 3:3


Misaotra anao amin'izay valiteny izay fa nahitana zavatra vaovao.
Ary raha ny fikarohana izay hita tao Qumran koa dia nilaza fa i Jesoa dia Esseniens ary ny Renibeany Anna dia Essenienne raha teo.
5. Nehemiah ( 20/09/2013 08:12)
F'angaha tsy antontan-taratasy momba ny Testamenta Taloha ihany ny @ Qumran :-) ?
6. voromailala ( 20/09/2013 08:12)
Nehemiah> Ilay resaka reincarnation moa efa niadiantsika hevitra taloha fa tsy hiverenako intsony.

Fa raha azoko tsara izany dia anakiroa ny zanaka lahin'Andriamanitra fa tsy tokana?
tokony hatao hoe zany Ray, Zanaka 1, Zanaka 2, Fanahy Masina?

Raha tsy Adama i Jesoa maninona ary izy tsy niteny hoe efa nisy talohan'i Adama fa tsy hoe talohan'i Abrahama?











7. Nehemiah ( 20/09/2013 08:19)

voromailala:

Nehemiah> Ilay resaka reincarnation moa efa niadiantsika hevitra taloha fa tsy hiverenako intsony.

Fa raha azoko tsara izany dia anakiroa ny zanaka lahin'Andriamanitra fa tsy tokana?
tokony hatao hoe zany Ray, Zanaka 1, Zanaka 2, Fanahy Masina?

F'angaha Andriamanitra i Adama :-) ? Izay izao dia efa manambara ny fiheveranao New Age eo ambadiny izay mieritreritra fa Andriamanitra ny olombelona.

Tsy mitovy toetra izy roa, tahaky ny tsy itovizan'ny toetran'ny zanakao sy ny robot noforoninao
voromailala:
Raha tsy Adama i Jesoa maninona ary izy tsy niteny hoe efa nisy talohan'i Adama fa tsy hoe talohan'i Abrahama?

Raha azoko tsara niteny i Jesoa hoe "Talohan'i Abrahama nisy aho" tonga dia midika automatique fa réincarnation'i Adama Izy :-)
8. voromailala ( 20/09/2013 08:27)

Nehemiah:

F'angaha tsy antontan-taratasy momba ny Testamenta Taloha ihany ny @ Qumran :-) ?

niteny an izany ve za teo?
9. voromailala ( 20/09/2013 08:32)
Nehemiah> Raha manaiky hoe Erudit ianao dia manaiky New Age aho ? raikitra?

zanak'Andriamanitra daholo ny olombelona rehetra ohatra an'i Adama sy i Jesoa, fa afaka lasa Kristy daholo isika rehetra, lasa Andriamanitra izany.

Rariny raha tsy mitovy toetra izy satria ny fanahiny nihanivoatra isaky niveriverina tety antany.

Fanahy tsy mivoatra no mitazona ny toetrany.

Matoa izy tsy ny niteny hoe talohan'i Adama dia nanomboka teo amin' Adama sy alohan'i Abrahama.



10. Nehemiah ( 20/09/2013 08:38)

voromailala:


Nehemiah:

F'angaha tsy antontan-taratasy momba ny Testamenta Taloha ihany ny @ Qumran :-) ?

niteny an izany ve za teo?

Izay aloha no hevitra azo tsoahina @ nolazainao
11. Nehemiah ( 20/09/2013 08:40)

voromailala:
Matoa izy tsy ny niteny hoe talohan'i Adama dia nanomboka teo amin' Adama sy alohan'i Abrahama.
Hafa koa izao lôjika izao :-)
12. voromailala ( 20/09/2013 08:44)
Nehemiah> izay ilay hoe samy manana ny lôjikany :-)
13. Nehemiah ( 20/09/2013 08:47)
Raha azoko tsara mety ho maina ny rano aminao :-) ?
14. voromailala ( 20/09/2013 08:49)
Nehemiah> mety ho maina ny rano rehefa tonga - 40 °C ny maripana , ary ianao koa mety ho maina indray andro any, isika rehetra moa izany :-).
15. Dreamlover14 ( 20/09/2013 09:00)
Ny fandraisako azy tsy hoe i Adama sy Eva olona ireo nanota tao @ saha edena fa adama (espèce male) sy eva (espèce femelle). Nisy olona hafa koa tao @ saha ary avy t@ ireo no niandohan'ny olombelona.
Ny saha edena dia efa nisy an'arivo taonany maro talohan'ny namoronana ny olombelona.
Ny olombelona dia niforona taorianan'ny big bang izay nahafaty ireo biby maro be toy ny dinosaures.

Ireo "espèces" vaovao nantsoina hoe olombelona ireo no nanota. Ny hoe réincarnation na tsia, tsy dia any angamba ny olana fa satria tsy mifanalavitra t@ mission nataon'i Kristy tety antany raha ny fitantaran'ilay nanokatra sujet. Kristy tonga tety hitondra ny helotsika na réincarnation izy na tsia.
16. voromailala ( 20/09/2013 09:00)
Hiverina kely amin'ilay lohateny aho:
Avy nijery ilay Ebionisme izaho fa mahaliana ny tantarandry zareo a.

Ty zao hitako tao


Pour les ébionites, Jésus est consacré comme Messie de Dieu et revêtu de la force divine par l'adoption de l'Esprit saint présent dans l'eau de son baptême par Jean le Baptiste48. Il est une « réincarnation d'Adam, venu pour mettre un terme aux sacrifices (Épiphane de Salamine, Panarion, 30, 3, 4-6)48. » Pour eux, Jésus est un « Juste », « le seul homme ayant accompli parfaitement la Loi48. » Il est aussi le « Prophète de Vérité » semblable à Moïse annoncé dans le Deutéronome 18, 1549, « ce qui permet d'établir un parallèle complet entre les deux personnages49. » Ils en attendent l'ultime manifestation sur la terre50. Cette thémathique du Vrai pophète (Verus Propheta) est abordée de multiples fois dans la littérature pseudo-clémentine, notamment les Homélies et les Reconnaissances49.


Teto ny loharano nangalana azy....
17. voromailala ( 20/09/2013 09:07)
Dreamlover14>Misaotra anao amin'ny fandraisana anjarana. Hafa kely indray izay fijerinao izay.

Raha azoko tsara izany ny fijerinao dia efa nisy karazan'olona tao amin'ny sahan'i Edena talohan'i Adama sy Eva? ary tsy eto antany ny sahan'i Edena?

Misy hifandraisany amin'ny resaka Atlandite ve zany sa zavatra hafa mihintsy?
18. mizara ( 20/09/2013 09:45)

voromailala:

I Adama no olona voalohany teto antany, noho izany izy no zanaka voalohany sady tokan''Andriamanitra satria izy ihany no naharian'Andriamanitra.

I Jesoa koa anefa voalaza fa zanaka lahitokan'Andriamanitra.

Sao ary dia ny ReIncarné tao anatin'i Jesoa ny fanahin'i Adama, izay fototry ny fahotana tamin'ny fototra, ka nahatonga azy nanolotra ny tenany teo amin'ny hazo fijaliana mba hanalaza izay fahotana izay?

Ary i Jesoa mihintsy no niteny tao amin'ny baiboly fa efa nisy izy talohan'i Abrahama.

Ahoana ny hevitrao?




Demonstration tsotra be

Jesosy = Jehovah (no mpamonjy)= Mpahary
Adama = Nohariana

MPahary # Nohariana donc Jesosy # Adama
19. voromailala ( 20/09/2013 10:05)
mizara> Inona no porofo fa mpahary i Jesosy? na ao anaty baiboly azany tsy misy miteny mihintsy hoe izao Jesosy dia Andriamanitra ilay mpahary, tsy niteny ihany koa i Jesosy hoe izao no Andriamanitrareo ilay mpahary?

Jesosy = MPahary ??

Jesosy = Nohariana satria hoy ny salamo 2-7 7 "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao andro-any.
20. Nehemiah ( 20/09/2013 12:36)

voromailala:
mety ho maina ny rano rehefa tonga - 40 °C ny maripana
Manao kilalaon-teny ianao, ny rano mitsiranodranoka no resahiko, fa tsy ny ranomandry.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0682