I Adama ihany ve i Jesoa?

61. ratsirano ( 01/10/2013 07:04)
Voromailala > I Adama no olona voalohany teto antany, noho izany izy no zanaka voalohany sady tokan''Andriamanitra satria izy ihany no naharian'Andriamanitra.
I Jesoa koa anefa voalaza fa zanaka lahitokan'Andriamanitra.
Sao ary dia ny ReIncarné tao anatin'i Jesoa ny fanahin'i Adama, izay fototry ny fahotana tamin'ny fototra, ka nahatonga azy nanolotra ny tenany teo amin'ny hazo fijaliana mba hanalaza izay fahotana izay?
Ary i Jesoa mihintsy no niteny tao amin'ny baiboly fa efa nisy izy talohan'i Abrahama.
Ahoana ny hevitrao?

Valiny :

I Adama no raintsika rehetra. Lavorary izy tamin’ny voalohany fa nohon’ny tsy fankatoavany an’Andriamanitra dia nanjary niharan’ny fahanterana sy ny fahafatesana izy, dia izay no nolovantsika (Romana 5 :12).

Tsy ho afaka amin’izay voka-dratsy ny fahafatesana izay isika raha tsy manana ray lavorary izay tsy nandova ny ota avy amin’i Adama.

Nohon’ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra dia nalefany tety an-tany ny Zanany lahy mba hisolo an’i Adama satria mila ray lavorary indray isika raha te-hahazo ny tombotsoa rehetra izay verin’i Adama nohon’ny tsy fankatoavany an’Andriamanitra. Izany no mahatonga ny Baiboly milaza fa misy Adama voalohany ary misy koa ny Adama farany ao amin’ny Korintiana voalohany 15 :45 47.

Arakan’ny Matio 20:28 dia natao sorona ho antsika i Jesosy dia noho izany dia afaka amin’ny fanamelohana nolovaina tamin’i Adama isika nohon’ny vidim-panavotana tamin’ny aina lavorary nomen’I Jesosy (Romana 5:18,19).

Izay tombotsoa rehetra nananan’i Adama tamin’ny voalohany izany, dia ny fiainana mandrakizay, ny paradisa tao Edena, ets…., dia ho azontsika indray amin’ny alalan’i Jesosy ary izany no iantsoana an’i Jesosy hoe “Rain’ny mandrakizay” ao amin’ny Isaïa 9:5 satria avy aminy no hahazoantsika indray ny fiainana mandrakizay.

Noho izany dia tokony ho zava-dehibe ho antsika ny mankasitraka ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny nandefasany ny Zanany, dia i Jesosy Kristy izay nanaiky koa ho atao sorona hamonjy antsika. Ary omeny antsika ny tokony hatao mba hahazoana izay fiainana mandrakizay izay ao amin’ny Jaona 17:3. Arak’io andininteny io dia ilaintsika ny mahafantatra hoe iza marina ilay Andriamanitra tokana sady marina ary iza marina i Jesosy Kristy ilay nirahiny.

Mirary soa.

62. jajajaly ( 02/10/2013 11:04)
Voromailala>>>I Adama ihany ve i Jesoa?

TSIA. Resahan'ny Baiboly fa namorona an'i Jesosy aloha i Jehovah izay vao namorona an'i Adama.
Toy izao no santionany voaresaka mahakasika ny namoranan'i Jehovah an'i Jesosy: “I Jehovah no namorona ahy ho fiandohan’ny asa famoronany, ho voalohany indrindra amin’ny zava-bitany fahiny. 23 Efa hatramin’ny fotoana tsy voafetra no nametrahana ahy teo amin’ny toerako, hatrany am-piandohana, talohan’ny nisian’ny tany. 24 Mbola tsy nisy ny rano lalina, dia efa nateraka aho, ary mbola tsy nisy koa ny loharano miboiboika. 25 Mbola tsy nisy ny tendrombohitra, ary mbola tsy noforonina ny havoana, dia efa nateraka aho. 26 Mbola tsy nanao ny tany izy tamin’izany, na ny tanety na ny baingan-tany voalohany tamin’ny tany lonaka. 27 Efa teo aho rehefa nanao ny lanitra izy. Tamin’izy nandidy ny hisian’ny faribolana manodidina ny rano lalina, 28 sy nanamafy orina ny andian-drahona eny ambony, sy nampiboiboika mafy an’ireo loharano avy amin’ny rano lalina, 29 sy nanome baiko ny ranomasina mba tsy hihoatra an’izay efa nandidiany, sy namoaka didy mba hisian’ny fototry ny tany, 30 dia mpiasa tena mahay teo anilany aho, ary tena tia ahy isan’andro isan’andro izy. Falifaly foana aho teo anatrehany, 31 eny, nahafaly ahy ny tany lonaka teo amin’ny tany noforoniny. Ary tena tiako izay rehetra mombamomba ny zanak’olombelona. (Ohabolana 8:22-30)

Taty afara i Jehovah Andriamanitra vao niteny tamin'i Jesosy izay noforonony (na naterany) hoe : "Ary hoy koa Andriamanitra: “Andeha isika (Jehovah sy Jesosy) hanao olona araka ny endritsika, misy itovizana amintsika" (Gen 1:26)

I ADAMA ihany ary ve izany no Jesosy?


La Victoria, any Venezoelà?—Manasa olona hianatra Baiboly maimaim-poana ao an-tranony


Chambo, any Ekoatera?—Manolotra bokikely amin’ny teny quechua

www.jw.org/mg/“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.”—Matio 24:14.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1161