Inona marina no tanjon'ny fivavahana ankehitriny:fahagagana,fitahiana,...sa fitondrana ny olona ho any an-danitra
1. diniho
(
06/04/2013 19:09)
Ankehitriny,raha mahita ny takelaka na afisy na maheno ireo fanambarana @ haino aman-jery ataon'ny fiangonana ankehitriny isika dia mametraka fanontaniana hoe:fahagagana,fitahiana tokoa ve no tena tanjon'ny fanatonana an'Andriamanitra sa ny mba handovana ny lanitra.Toa zary adinon'ny olona ny momba ny fanahiny fa izay hahasoa ny nofony no mahamaika azy.Aoka ho fantatsika anefa fa tsy ny fahavitana fahagagana,fansitranana,no hanaporofoana fa misy an'Andriamanitra(satria na ny devoly koa aza mba mahavita fahagagana hamitahany ny olona(2Tesaloniana2:8-11)),fa ny fampianarana ihany no amantarana izany 2Jaona1:9.
Manasa antsika ary mba tsy ho voataona fotsiny @ fahagagana sy famantarana fa aoka mba hanamarina raha fampianarana avy ao anaty baiboly tokoa no ampianariny na tsia.

novalian'i Miharena ny 18/04/2013 09:05
2. andrywui
(
07/04/2013 07:20)
Marina izany ,nefa ilaina ko ny fitahiana anefa , hotahiana enao ety antany ary hotahiana any andanitra , mila manana ny ampy ko ety antany afaka hanaovana asan'Andriamanitra goavana toy ireo évangéliste lehibe ,fa tokony tsy ho ambaninjavatra koa ny fitarihana ny olona ho any andanitra marina . Raha ny eto M/car aloha dia io fitahiana ,fahagagana io no jono atao isintonana olona satria mahantra ny olona dia mirohatra sitrany ahay .
3. RBNIR
(
07/04/2013 08:43)
andrywui:

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
andrywui>>
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)
Araka io teny io dia gadoa (cadeau) efa nampanantenain'ny Tompo fa "hanampy" ireny. Tsy mila angatahina intsony.
Ny tokony ho laharampahamehina ho an'ny tsi11 dia ny mikatsaka ny fanjakany sy ny fahamarinany.
Misaotra betsaka ny namana nanokatra ity lohahevitra fampiheritreretana ity.
Samia ho tahin'ny Tompo daholo
5. nilex
(
08/04/2013 06:51)
Ny tokony ho tanjon'ny fiangonana dia tsotra fotsiny raha jerena:hitory ny tenin'Atra amin'ny olona rehetra ary hitaona ny olona mba hiverina amin'Atra.Ny mampalahelo anefa dia maro ireo mpitondra fivavahana no manao io fiangonana io ho fitaovana hitadiavana na bizina hoy isika.Ireo pasitera na fiangonana manao ireny fanambarana fahagagana ,fahasitranana ,sns ireny amiko dia tsy dia voako loatra ireny fa amiko dia tsotra ny antony.Ny pasitera dia tokony mpammpianatra ny tenin'Atra araka ny tokony ho izy fotsiny,mamerina ny olona ho zanak'Atra indray na mitaona ihany koa.Rehefa mandray an'i Kristy ny olona avy eo dia tonga ho azy tsy mila lazaina akory ireny fitahitana maro be ireny.Fa amiko ny pasitera na fiangona miantso ireny fivoriam-bavaka misy fahagagana ireny dia mitovy amin'ny publicité ireny.
Izaho dia tia mihaino toriteny na iza na iza no mitery teny fa anjarako fotsiny no mandinika na tena milaza ny sitrapon'Atra marina ilay olona na manao pub fotsiny.
Ohatra iray tena mivaingana ity:
Maro ireo pasitera mitory teny ankehitriny indrindra ami'itony fiangonana vaovao itony no tsy mitory ny tenin'Atra fa milaza ny heviny no ataony ao izany hoe miborosy lohan'olona ny ataony.
Izao no antony mahatonga ahy hiteny izany.Vao manomboka totsiny izy no mamaky baiboly fa avy eo izy miteniteny lava be eo mandritra ny fotoana maharitra mihintsy fa tsy manohatra ny hevitra laziny amin'ny tenin'Atra itsony izy ka ny dikan'izay dia ny heviny no toriany fa tsy an'ny Tompo.
Raha ny marina mantsy dia isaky ny milaza hevitra iray ianao dia tokony ho tohanana amin'ny tenin'Atra ao anaty baiboly izany mba ilazana fa mifanaraka amin'ny tenin'Atra marina ny teny toriana.Sahirana ny vahoaka ankehitriny ka lasa voarebirebin'ilay hoe fahagagana fotsiny fa tsy mitady an'Atra marina ka rehefa tsy mahita ao izy dia lasa mitady fiangonana hafa indray.

6. leea
(
08/04/2013 06:53)
Fa rehefa tsy misy fitahiana mihintsy koa, lasa ihany ny saina kouh. Miserana kely foana le fanontaniana hoe "misy marina ve Andriamanitra izany, mihaino Ahy ve izy no dia izao foana no manjoa ahy."
Nehemiah:
Ekena 100%
7. Nehemiah
(
08/04/2013 07:04)
Leea >> Ka eo indrindra no ilaina ny faharetana.
I Joba mihitsy no afaka niteny hoe : "Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra [Heb. Goela] ahy" (Job. 19:25a)

8. Miharena
(
08/04/2013 14:26)
Ny fahitako azy indray dia hetaheta sy fitadiavana porofo no antony nitsirian'ny fitiavana mahazo fahagagana, na fanambinana.
Singa iray eo amin'ny olona ihany anefa no hita taratra mitady porofo io, dia ny nofo.Rehefa mahita fiovana eo amin'ny nofony ny olona dia manaiky fa tena manana fahefana izay fiangonana idirany. Ny olana dia azo lalaovina io fahatsapan'ny nofo io ary izany no lasa zary fomba fitarihana ny olona hiditra am-piangonana. Ary rehefa tena hita taratra fa mitady porofo dia misy ny mamorona izay azo atao mba hisarihana ny hafa hiditra any aminy. Na ampianarina injato inarivo ny Soratra Masina aza ny olona dia mbola voasarik'ireny fisintonana olona ireny. Tsy antsom-panahy no fiheverna izany fa fisintoanana ara-nofo ihany. Ka rehefa azo antoka fa mandeha ny ara-nofo dia mianona ao ny olona na dia misy foto-kevitra tsy miady aza ao.
Ny fomba ialàna amin'izany toe-javatra izany dia ny fanavahana ny ara-panahy sy ny ara-nofo ihany ary mijery tsara hoe inona avy no asan'izy ireo. Ny kolom-panahy dia miteraka fiovana ara-nofo sy ara-pisainana fa tsy ny ara-nofo sy ara-tsaina no mandresy lahatra ny fanahy.

10. Miharena
(
08/04/2013 18:10)
Ny fahagagana anie namana Sitlo rehefa jerena ara-panahy dia tsy fahagagàna e! Zavatra normal na ara-dalàna no ataon'ny olona hoe fahagagàna.
Ohatra, nandeha teny ambony rano Jesoa. Tsy mahataitra ny yoghi manao lévitation izany.
Phatra koa: Manasitrana Jesosy : mazava be fa fantany avokoa ny ao anatinao rehetra sy ny tsy mety ao dia amboariny fotsiny ary tsy mahagaga izany toe-javatra izany.
Asa ianao raha mba nahatsapa izany hoe afaka miditra ao anatin"ny selanao ao ny Fanahin'i Jesoa dia mandamina ny zava-drehetra ao. Rehefa tojo izany hoe miasa ao anaty izany Andriamanitra dia tsy mahagaga intsony ny zava-drehetra fa mazava be.

11. Nehemiah
(
09/04/2013 05:22)
Miharena >> Ianao ve efa nahita yogi nampitsangana olona @ maty ?
Na dia ny yogi efa nanao lévitation ve dia efa hitanao, sa honohono fotsiny ?

12. RBNIR
(
09/04/2013 06:50)
sitlo:
Za nefa izao nahita fahagagana lehibe dia ahoana izany?
Faly miarahaba namana,
Tsy ny fahagagana akory no ratsy (raha fantatry ny olona tsara ny antony ampiasain'Andriamanitra azy ireny) http://forum.serasera.org/forum/message/m4ffe73717ce13
Ny tanjon'ireny fahagagana ireny dia ny mba hampiorina tsara ny finoan'ny olona fa tena misy tokoa Andriamanitra ka tokony hibebaka sy hanao ny sitrapony ny olona.
Tsy tanjona anefa ny fahagagana sy ny fitahiana.
Fa ny tena tanjona araka ilay Mat.6:33 ery ambony dia :
1- Fahamarinan'Andriamanitra (Inona marina ny zavatra takian'Andriamanitra @ olona) Inona marina ny Sitrapon'Andriamanitra tokony hotanterahina mba ho ankasitrahany ny vavaka ataon-tsika?).
2- Ny tanjona lehibe indrindra dia ny fanjakan'Andriamanitra « Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.» (Lio.17:21)
Misy fiovana lehibe andrandraina ao anaty ao izay tsy inona fa « Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Eze.36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Eze.36:27)
Ny fiangonana raha iantso olona dia tokony hahay mampahafantatra ny olona ireo tanjona ireo fa tsy tokony hamily ny olona amin'ny tanjona hafa.
Misy ny làlana tsy maintsy arahina vao tonga amin'ireo tanjona ireo ny olona.
Ny fiangonana koa araka izany dia tokony hahay mampahafantatra tsara ny làlana tokony arahina.
Ny tanjona dia mba tsy hihazakazaka anjambany ny mpino (na hamely totohondry @ rivotra) fa mba ho "fantany tsara izay inoany".
Rehefa izay no tafita dia na ho mora na ho mafy itondran'Andriamanitra ny olona dia tsy mba ho voahozongozona mandrakizay izy fa hijoro amin'ny finoany.
Raha sitrapon'Andriamanitra dia mbola ho velabelarina eto ilay làlana tsy maintsy haleha mba hahatongavana amin'ireo tanjona 2 lehibe ireo namana.....
Samia ho tahin'ny Tompo namana
13. Miharena
(
09/04/2013 10:31)
Miharena >> Ianao ve efa nahita yogi nampitsangana olona @ maty ?
Na dia ny yogi efa nanao lévitation ve dia efa hitanao, sa honohono fotsiny
Tsy honohono izany satria fitaizan-tena efa lasa lavitra ary ianao sy izaho dia afaka manao izany lévitation izany daholo rehefa mitaiza ny ampahan'ny fanahintsika? Hoy i Jesoa izay hoe na dia kely toy ny voantsinampy aza ny finoanareo, dia mahafindra tendrombioitra.
Eo amin'ilay hoe manangana amin'y maty, tsy mahagaga izany rehefa Jesoa no manoro azy antsika. Misy anisan'ny fitaizam-panahy yogi ny famelàna ny vatana ary fiainana ny astral. Izay dia efa anisan'ny endrika fialàna amin'y vatana ary fiverenana ao indray. Ka aza atao hoe ny fananganana ami'ny maty (vatana mangatsiaka iverenan'ny aina) no tena atao hoe fananganana amin'ny maty. Ilay olona aza tsy maty akory fa ny fanahiny no niala tao fotsiny ary naverina amin'ny nofony. Fa ny fanontaniana tokony hipetraka kokoa aza dia hoe fa maninona na dia natsangana aza ny olona iray dia maty ihay avy eo?
Ny mpifoha dia tsy milaza izany hoe maty izany mihitsy fa milaza hoe : nodimandry.
Ny olanao anie namana Nehemiah dia rehefa misy milaza hoe Yogi, na Silamo na hafa finoana noho ny kristianina dia mailaka ery ianao hilaza hoe tsy izy ireny olona mino an'ireny. Ny tokony hotsaroana fotsiny dia tsy misy tsy ao anatin'ny famoronana izay mitranga eo amin'y fiainan'ny olombelona tsirairay avy tsy ankanavaka. Mety azo atao mihitsy ny miteny hoe ; voafehin'ny Baiboly izy rehetra. Ary io aza no manomboka hita taratra ankehitriny. Ny resaka fanilihana izany no tsy lojika rehef amamaky Baiboly isika e! Satria tsy misy afa-tsy fampihavanana amin'Andriamanitra Mpahary no anto"ny Baiboly ery ny olombleona rehetra no iantefan'ny hafatra fa tsy hanava-tena toa inona eo akory ny Kristianina. Izy indrindra aza no tokony hahatsapa voalohany ilay maha-iray ny olombelona rehetra.
14. Nehemiah
(
09/04/2013 12:47)
Miharena:
Tsy honohono izany satria fitaizan-tena efa lasa lavitra ary ianao sy izaho dia afaka manao izany lévitation izany daholo rehefa mitaiza ny ampahan'ny fanahintsika?
Izay ny fampanantenana pôkatin'ny menarana hatr@ Gen. 3:5
Miharena:
Hoy i Jesoa izay hoe na dia kely toy ny voantsinampy aza ny finoanareo, dia mahafindra tendrombioitra.
Finoana no resahin'i Jesoa eto fa tsy fanaovana fikotranana occulte.
Miharena:
Eo amin'ilay hoe manangana amin'y maty, tsy mahagaga izany rehefa Jesoa no manoro azy antsika. Misy anisan'ny fitaizam-panahy yogi ny famelàna ny vatana ary fiainana ny astral. Izay dia efa anisan'ny endrika fialàna amin'y vatana ary fiverenana ao indray. Ka aza atao hoe ny fananganana ami'ny maty (vatana mangatsiaka iverenan'ny aina) no tena atao hoe fananganana amin'ny maty. Ilay olona aza tsy maty akory fa ny fanahiny no niala tao fotsiny ary naverina amin'ny nofony. Fa ny fanontaniana tokony hipetraka kokoa aza dia hoe fa maninona na dia natsangana aza ny olona iray dia maty ihay avy eo?
Ny mpifoha dia tsy milaza izany hoe maty izany mihitsy fa milaza hoe : nodimandry.
Tsy ao mihitsy ianao. Naneho ny heriny @ maha-Mpahary azy i Jesoa t@'Izy namerina @ laoniny ny vatan'i Lazarosy efa lo ka naveriny t@ ny fofon'aina. Mahavita an'izay ve ny yogi ? Mahavita mibaiko ny tafio-drivotra sy mampitombo mofo sy hazan-drano ve ny yogi ?
15. Miharena
(
09/04/2013 14:24)
Ilay fanontanianao mihitsy no lasa mivoana. Ny resaka atao dia hoe inona no mandrafitra ny olombelona iray hahafahna maneho ny fipetrahan'ny aina ao aminy ary ny firafitry ny fanahiny sy ny vatany ankotry ny nofony.
Dia ireo no efa tsapan'ny Yogi ka tsy mahagaga azy reo intsony ny fahagagàna isan-tokony miseho ao amin'ny Baiboly toy ny fananganana amin'ny maty sy ny fampitomboana ny mofo. Misy endrika famolahana ny matière azon'ny singa ananan'ny olombelona tsirairay.
Ny momba ny hoe Jesoa nanao izany démonstration izany indray: tsy ny hampahafantatra antsika fa IZY no Andriamanitra no antony fa ny fanehoana amintsika ny fiverenana amin'Andriamanitra hahazoantsika ny lova izay tapaka noho ny fanotoran'ny familivikiana ny marina ka niteraka tsy fahafantarana AZY Andriamanitra Tokana sady Marina sy IZY iraka (Jn 17:3).
Misy finoana tsy azo hozongozonina eo amin'ny olona mahafantatra ny momba azy sy ny nanamboarana azy ary io no nilazan'i Jesoa hoe : eto amin'izao tontolo izao no misy anareo nefa tsarovy fa tsy avy amin'izao tontolo izao ianareo. Io no midika hoe ; tsy fanahy avy eto isika fa avy amin'Andriamanitra ary fohazina ny amin'izany fahatsiarovana izany sao matory.
Ka tsy kotrana io namana fa fifohazana a! Mety tsy ho fantatrareo hoe aiza moa ny hiafaran'ny kotrana occulte? Ny ody gasy be dia be ireny aiza moa no iafarany? Tsy lasa mahita an'i Kristy ihay ve? I Saoly nanenjika AZY, tsy notsenainy ve?
Asa hoe inona no mampisalasala anao na mahatonga anao avy hatrany dia manipaka izay lazaiko eto fa fahatsapana ny ahy ary ohara velona no entiko eto raha resaka fahagagàna no lazaina.

16. Nehemiah
(
09/04/2013 14:41)
Tsy misy inona na inona "mampisalasala" ahy anie :) ! Afa-tsy ianao mikiry @ resaka occulte tatsinana angamba...
Tsy misy manana hery hamorona afa-tsy i Jehovah.
Miharena:
Dia ireo no efa tsapan'ny Yogi ka tsy mahagaga azy reo intsony ny fahagagàna isan-tokony miseho ao amin'ny Baiboly toy ny fananganana amin'ny maty sy ny fampitomboana ny mofo. Misy endrika famolahana ny matière azon'ny singa ananan'ny olombelona tsirairay.
Tsy misy manana hery hamorona afa-tsy i Jehovah.
17. Miharena
(
09/04/2013 14:48)
Tsy mikiry aho fa mamoaka ny zavamisy.
Raha i Jehovah indray, mba efa misy mangirana ve ny fahalalanao AZY?

18. bor2lais
(
10/04/2013 08:04)
Lohateny : Inona marina no tanjon'ny fivavahana ankehitriny ?
*************
Amiko, ny andraikitra lehibe tokony ataon'ny Fiangonana dia ny mitaiza ny olona ao aminy ho araka an'Andriamanitra ka ho tonga olom-pirenena vanona.
Raha voataiza araka an'Andriamanitra ny mpino dia tsy hanao velively an'i Mamôna (na ny vola) ho ambony noho Andriamanitra.
Ny fanompoana ny vola no mitarika amin'ny ratsy rehetra sady efa voalaza fa tsy mahay manompo tompo roa isika !
Ny zava-misy anefa dia ireny mpitarika (Pasitera, mpitondra fanjakana, sns) izay voalaza fa manao ny tsy mety rehetra ireny ange, ny ankamaroany (mba tsy ilazana hoe izy rehetra) ka zanaky ny Fiangonana daholo e !
Ary ny olana dia ny firehan'izy ireny (manompo an'i Mamôna) indray matetika no toa lasa manjaka ao am-piangonana ! Adino Ilay Fitiavana voalohany !
Fehiny : ny fifandraisana amin'Andriamanitra mihitsy amiko no misy tsy mety matoa misy ny mibilioka ! :-)
Fomba fijeriko ihany anefa io a ! :-)

19. smileyah
(
10/04/2013 08:38)
Ny fanontaniana tokony hipetraka miaraka amin'io koa dia hoe: inona marina ny tanjonan'ireo olona izay voasarik'ireo fiangonana maniry toy ny anana ireo? Satria raha fitiavana an'Andriamanitra no tanjona dia ho nihaino fotsiny zay lazainy ny olona ary nihazona izay tsara, fa tsy handeha hifindrafinda etsy sy eroa.
Ireo zay mpanorina fiangonana etsy sy eroa koa tokony mitory fotsiny no ataon'izy ireo fa tsy manao zay iparitahan'ny ondry etsy sy eroa; Avy @ le politika hoe: zarazarao anjakana e!Ny ankamaroan'ireo fiangonana miorina aty aoriana rehetra ireo dia vokatry ny tsy fifanarahan'ny samy mpitondra ao anatiny ihany dia mandeha mamorona fiangonana manokana ho azy izay mahatsiaro fa voatsindry. dia toa izay foana.
Raha fitadiavana an'Andriamanitra marina no tena votoatiny dia mety efa ho nitsahatra ny fananganana fiangonana vaovao. Ny sasany singan-teny iray ao anaty Baiboly no voizina hananganana fiangonana.
Aoreno tsara eo ambony vatolampy ny tranonareo mba tsy ho rava rehefa avy ny rivotry ny hevi-petsy.

20. Nehemiah
(
10/04/2013 08:44)
Ny fahasoavana avy @ finoana an'i Jesoa Kristy no hany mahavonjy.
Raha mba mitsatoka ao anatin'ny ati-dohan'ny tsirairay izay dia tsy hisy intsony ny sekta.