Inona marina no tanjon'ny fivavahana ankehitriny:fahagagana,fitahiana,...sa fitondrana ny olona ho any an-danitra

41. Nehemiah ( 16/04/2013 13:23)
Angamba tsy azoko tsara ny 1 fa ny 2 aloha no izy mazava ho azy.

Tsy ny olona rehetra izay manao kimono sy fehikibo mainty no azo lazaina ho karateka, fa ny mampihatra ny karateny @ fiainany ka tsy manao tontaboka be fotsiny rehefa tonga ny fotoanan'ny kumite (na ny combat de rue).
42. Miharena ( 16/04/2013 14:04)
Izay indrindra, marina ny anao momba ilay faharoa.

Fa matoa tsy azonao ilay voalohany dia angamba azo lazaina fa efa mpino miorimpaka ianao fa ny olana kely fotsiny dia toa manao fomban'ilay voalohany ianao matetika : Manasohaso AZY sy manamporofo hoe IZY no IZY. Fa tsy tonga dia manaiky fa IZY IZY ary tsapa ao anaty ny fisiaNY, tsy porofoina ivelany intsony satria mpiombon'aina amin'ny Mpino.
43. Nehemiah ( 16/04/2013 14:28)
Ay ve izay no eritreretinao :) ? Izaho aloha dia mazava ho azy fa tsy ny porofo no mahatonga ahy hino fa ny filako ny famonjena.

Fa misy kosa ny olona izay misalasala @ finoany, ary misy koa ny mpaniratsira izay manozongozona ny finoan'ny sasany, ireo no mila ampianarina an'ireny porofo ireny. Ilaina ny apôlôjetika, tsy hahita toeram-pampianarana teôlôjika mendriky ny anarany izay tsy mampianatra apôlôjetika izany ianao, ary ny mahavoa ny fiangonana @'izao fotoan'andro izao dia tsy ampy ny fampianarany apôlôjetika.
44. Miharena ( 17/04/2013 03:44)
Ny hitako misy tsininy indray dia diso apolojetika loatra ka hany ka lasa ilay sakafontsaina no betsaka fa tsy ny sakafom-panahy. Mahay mamerinteny fa tsy manana finoana.

Ianao moa dia somary sorena rehefa nilazana hoe ny fitsaran'ny Silamo antsika Kristianina dia satria olon'ny boky. Nefa dia mazava be fa izany mihitsy ny mpamerin-teny, mahay mandahatra fa tsy manome vokatra mivaingana eo amin'ireo hampitàna izany laha-teny izany. Ny mahatonga izany dia tsy ilay FOTOTRA no ampianarina voalohany fa fiheverana. Io dia lasa hita taratra eo amin'ny teolojiana ka manjary tsy ananan'ny mpino fo torotoro sy mangorakoraka.

Izay no mahatogna ny fiangonana zandriny lasa miroborobo sy mafana kokoa. Sa ahoana ny fandinihinao azy?
45. Nehemiah ( 17/04/2013 06:28)
Isika gasy dia za-dratsin'ny "minoa fotsiny ihany" be loatra. Rehefa niteny an'izay i Jesoa tsy niteny mihitsy izy hoe : "Aza mampiasa saina". Raha tsy ilaina ny porofo dia nahoana i Jesoa no nanao famantarana betsaka ? Averiko foana fa finoana ara-pisainana ny finoana kristiana, ary ny gasy olon'ny fo fa tsy olon'ny saina no mahatonga azy ho mora taomin'ny sekta, satria ny fony no mibaiko ny sainy fa tsy mitoboka izy 2, tahaky ny mpitaingin-tsoavaly entin'ny sitrapon'ny soavaliny. Rebireben'ny sainy @ fiheveran-diso izy ireo satria tsy mandinika manokana ny Baiboly fa izay lazain'ny olona misaina noho izy no ekeny fa tsy mba manao tahaky ny Beriana tsara fanahy izy ireo.

Tsy iverenako ilay resaka Silamo satria izy ireo no tena olon'ny bokiny (Kôrana) fa tsy ny kristiana, ary efa niteny an'izay aho.
46. Miharena ( 17/04/2013 07:33)

Averiko foana fa finoana ara-pisainana ny finoana kristiana, ary ny gasy olon'ny fo fa tsy olon'ny saina no mahatonga azy ho mora taomin'ny sekta


Izay izany no tsy mahatafita ny kristianisma 100% eto Madagasikara ve?
47. Nehemiah ( 17/04/2013 08:19)
Ie, izay no anisan'ny zava-dehibe tsy maha-miorim-paka ny finoana kristiana aty : "Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?" (Jer. 17:9)
48. Miharena ( 17/04/2013 08:26)
Andriamanitra no mamantatra ny voa sy ny fo ka! Sao dia lasa tanisa Jeremia indray ilay izy fa tsy hoe ampahafantaro ahy RAY ny foko sy ny voako hahalalako ANAO bebe kokoa!!

Ny tiana tenenina dia hoe ; tsy tafita sy hiorimpaka mihitsy io raha saina izany no entina mitondra azy. Ny FO ihany no mila volavolaina sy fantarina vao misy fiorenam-paka. Ary ny tanisa tsy mampiorina finoana mihitsy fa ny fahatsapana ihany.
49. Nehemiah ( 17/04/2013 08:31)
Disoako tanteraka ianao eto : "Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" (Mt. 22:37, Mk. 12:30, Lk. 10:27) fa tsy hoe "ario @ zôrdira ny ati-dohanao alohan'ny idirana ny fiangonana".

Ary inona kay no dikan'izao "tanisa Jeremia" izao ? Andriamanitra no nampiteny an'i Jeremia eto. Raha ivelan'ny contexte no nangalako azy dia porofoy, fa raha tsy izay aza hamavoina ny tenin'Andriamanitra !
50. Miharena ( 17/04/2013 08:54)
Tsy ny Tenin'Andriamanitra no hamavoina namana fa ny fandraisana azy no misy mibirioka.

Rehefa atao amin'ny saina ny fandraisana azy dia mibirioka izy. Raha amin'ny fo dia mazava tsara satria lasa IRAY feo AMINY ny olona mandray azy ary ampahalalaNY zava-miafina (tsy hita taratra ami'nny teny voasoratra).
51. bor2lais ( 17/04/2013 09:26)
Aleo asiana "pause" kely raha sitrakareo ! :-)
Miharena:

Izay no mahatogna ny fiangonana zandriny lasa miroborobo sy mafana kokoa.

Matetika ny fitadiavana Fiangonana "tonga lafatra" no mahatonga ny olona mandao ny Fiangonana nahazatra azy ! Ny olana anefa dia rehefa miditra ao amin'ilay heverinao fa "tonga lafatra" ianao dia lasa "tsy tonga lafatra" intsony ilay izy satria ianao "tsy tonga lafatra" (no nahatonga izany) ! :-)

Tapitra ny pause ô ! :-)
52. RBNIR ( 17/04/2013 10:06)
bor2lais:

Ny olana anefa dia rehefa miditra ao amin'ilay heverinao fa "tonga lafatra" ianao dia lasa "tsy tonga lafatra" intsony ilay izy satria ianao "tsy tonga lafatra" (no nahatonga izany) ! :-)

:-) tena marina ny voalazanao namana :-)
Ohatra iray ny emperora constatin: http://fr.wikipedia.org/wiki/Sabbat_%28christianisme%29 L'empereur romain Constantin Ier, converti au christianisme, appréciait également le culte solaire4. Il imposa le dimanche comme jour de repos dans l'Empire romain par décret le 7 mars 321. Ainsi le jour du soleil chez les romains devient le jour du seigneur. Samuele Bacchiocchi montre l'importance du culte solaire dans le choix du dimanche.
Ny tena marina dia ity: tsy tena hanompo an'Andriamanitra no nidirany tao fa miaro tetika miafina (saindalin'i satana nentina nandravana ny fahamarinana tsy misy kilema nisy tao amin'ny fiangonana voalohany tany Roma).
Fa raha olona tena hivavaka tsy ho tratra otran'azy kosa e,
Otran'ny hoe hihomehezantsika ilay izy fa zava-doza eo anatrehan'Andriamanitra ny toy izany
Samia ho tahin'ny Tompo namana
53. Nehemiah ( 17/04/2013 12:29)
Tsy ho tody mihitsy ny resaka raha tsy mitovy ny fandraisantsika ny fahefan'ny Soratra Masina...
54. Miharena ( 18/04/2013 01:16)
Ka tsy ho tody mihitsy io namana Nehemiah raha toa ka eo ami'n'ny fahaleovan-tenan'ny tsirairay samy manana ny fandraisany azy avy no hampitàna azy. Io ilay lazain'ny namana Bor2lais hoe : tsy tonga lafatra ilay fiangonana satria ilay olona mamaky ilay Soratra Masina aza tsy tonga lafatra.

Hoy i Jesoa hoe raha tsy mihoatra noho ny Fariseo sy ny Mpanora-dalàna ianareo tsy hiditra ny Fanjakan'ny lanitra.

Fehiny, tsy ny Soratra Masina no olana fa ny olona.
55. Nehemiah ( 18/04/2013 06:14)
Ka izay mihitsy anie. Tsy avelan'ny olona miresaka @ ny Baiboly fa ampandaloviny ny filtre-n'ny fiheverany @ maha-mpanota mety diso azy, na manizingizina tapany 1 @ Baiboly kanefa tsy asiany fiheverany akory ny tapany hafa izay mandiso ny tsoa-keviny. Izay no anaovako hoe mavesa-danja ny Soratra Masina @ maha-tenin'Andriamanitra azy.
Ny hermeneotika marim-pototra no fanafody sekta :) .
56. Miharena ( 18/04/2013 09:05)
Izaho indray mahita hoe ny fanafoanana ny tenantsika no hahafantarana ny marina sy ny sitrapon'Andriamanitra. Ka na mamaky Baiboly aza dia tsy ho diso fandray izay voalaza ao. Ny mitovy fijery moa no resahana, ka matoa ny Baboly tsy manome fijery UNIVERSEL dia mbola betsaka ny fandikan-kevitra miainga avy ao samy manana ny azy.

Manaiky anao amin'ilay hermeneotika saingy raha tsy samy manaiky fa misy FOTOTRA IRAY ao ary fahatsapana iraisana izany dia tsy misy fahamarinana azo resahana hoe tena IRAY tsy mivaky.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8367