Inona marina no tanjon'ny fivavahana ankehitriny:fahagagana,fitahiana,...sa fitondrana ny olona ho any an-danitra

21. RBNIR ( 10/04/2013 09:08)
smileyah:

Ny fanontaniana tokony hipetraka miaraka amin'io koa dia hoe: inona marina ny tanjonan'ireo olona izay voasarik'ireo fiangonana maniry toy ny anana ireo?


Faly miarahaba anao namana,

Raha ho ahy manokana dia ity no valiny namana,
http://forum.serasera.org/forum/message/m4f27eb8ce4cd6
Ary sahiko ny milaza fa tsy nanenina aho satria hitako ilay làlana ary azoko ireo tanjona,

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
22. sitlo ( 11/04/2013 10:13)
RBNIR:

sitlo:

Za nefa izao nahita fahagagana lehibe dia ahoana izany?

Faly miarahaba namana,
Tsy ny fahagagana akory no ratsy (raha fantatry ny olona tsara ny antony ampiasain'Andriamanitra azy ireny) http://forum.serasera.org/forum/message/m4ffe73717ce13
Ny tanjon'ireny fahagagana ireny dia ny mba hampiorina tsara ny finoan'ny olona fa tena misy tokoa Andriamanitra ka tokony hibebaka sy hanao ny sitrapony ny olona.
Tsy tanjona anefa ny fahagagana sy ny fitahiana.
Fa ny tena tanjona araka ilay Mat.6:33 ery ambony dia :
1- Fahamarinan'Andriamanitra (Inona marina ny zavatra takian'Andriamanitra @ olona) Inona marina ny Sitrapon'Andriamanitra tokony hotanterahina mba ho ankasitrahany ny vavaka ataon-tsika?).
2- Ny tanjona lehibe indrindra dia ny fanjakan'Andriamanitra « Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.» (Lio.17:21)
Misy fiovana lehibe andrandraina ao anaty ao izay tsy inona fa « Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Eze.36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Eze.36:27)

Ny fiangonana raha iantso olona dia tokony hahay mampahafantatra ny olona ireo tanjona ireo fa tsy tokony hamily ny olona amin'ny tanjona hafa.

Misy ny làlana tsy maintsy arahina vao tonga amin'ireo tanjona ireo ny olona.

Ny fiangonana koa araka izany dia tokony hahay mampahafantatra tsara ny làlana tokony arahina.

Ny tanjona dia mba tsy hihazakazaka anjambany ny mpino (na hamely totohondry @ rivotra) fa mba ho "fantany tsara izay inoany".

Rehefa izay no tafita dia na ho mora na ho mafy itondran'Andriamanitra ny olona dia tsy mba ho voahozongozona mandrakizay izy fa hijoro amin'ny finoany.

Raha sitrapon'Andriamanitra dia mbola ho velabelarina eto ilay làlana tsy maintsy haleha mba hahatongavana amin'ireo tanjona 2 lehibe ireo namana.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana

Raha ireo nataoko mangamanga ireo fotsiny no jerena akaiky dia izao, Andriamanitra no manao ny sitrapo fa tsy mila isalovanin'ny olona.
Ka iverenako amin'ny nolazaiko hoe endrika fanandrata-tenan'ny olombelona ny filazana fa tahaka izao sy izao Andriamanitra sy ny tiany atao...

Tamin'ny mbola vao nianatra ny Soratra Masina, dia nanontaniako ilay pasitera hoe: inona marina moa no fahadisoan'i Jodasy? Efa fantatra dieny mialoha ny ho ataony. Ary izy dia kiho nahatanterahana ilay famonjena nampanantenaina taloha.
Dia namaly ilay mpampianatra fa tsy nahatohitra ilay fanontaniako... Satria raha io tantara io no jerena dia nanao izay ahatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra izy.
23. andrywui ( 11/04/2013 10:23)
Stylo ...))hosana ,hosana zany ho an'i jodasy fa raha tsisy azy de tsy tanteraka ny famonjena antsika ??!!
24. sitlo ( 11/04/2013 10:38)
Ka diso ary ve izany?
Jereo koa ny tantaran'i Mosesy sy Pharaon
25. Nehemiah ( 11/04/2013 12:27)
Rehefa milalao échecs ianareo ary manao mouvement diso izay mahatonga anareo mandresy ny adversaire-nareo, midika ve izany fa nanampy anareo handresy ny adversaire-nareo ?
26. Miharena ( 11/04/2013 16:44)
Ilay fomba fampianarana mampfoha ny tsirairay indray no hitako mety tsy mahomby rehefa tonga amin'ny fanavahana olona ny Kristianina. Izany hoe tsy tafita mihitsy ilay maha-iray ny olon-drehetra, ilay noresahan'i Jesoa hoe : tiava ny fahavalonareo. Lasa hoatry ny manava-tena ireo Kristianina ka izay tsy ao anatiny dia avahana toa tsiparifary, ary atao mihitsy aza izay tsy iraisana amin'ireo olona tsy kritianina fa manana finoana "hafa" anaty farango sosona. Atao hoe farango sosona satria tsy fantatra hoe iza amin'ny finoana misy eran-tany no tena IZY fa samy maneho ny heviny ho marina avy ny antokony avy.
27. Miharena ( 11/04/2013 16:47)
Ilay fomba fampianarana mampfoha ny tsirairay indray no hitako mety tsy mahomby rehefa tonga amin'ny fanavahana olona ny Kristianina. Izany hoe tsy tafita mihitsy ilay maha-iray ny olon-drehetra, ilay noresahan'i Jesoa hoe : tiava ny fahavalonareo. Lasa hoatry ny manava-tena ireo Kristianina ka izay tsy ao anatiny dia avahana toa tsiparifary, ary atao mihitsy aza izay tsy iraisana amin'ireo olona tsy kritianina fa manana finoana "hafa" anaty farango sosona. Atao hoe farango sosona satria tsy fantatra hoe iza amin'ny finoana misy eran-tany no tena IZY fa samy maneho ny heviny ho marina avy ny antokony avy. Ary io fananana fefy io no fandoto iray tandroka mety tian'ny Tompo lazaina.
28. nilex ( 12/04/2013 05:39)
Marina ny teninao aloha e.
misy tenin'ny soratra masina izay manao hoe"5 Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo.
KORINTIANA FAHAROA 13 5 - 5
Ny tiako hambara dia izao,tsy mahagaga ny fanamarihano teo ambony satria vitsy dia vitsy tokoa ange ny olona tena miteotra amin'ny finoana.izany hoe maro be ny mitonona ho kristianina fa vitsy dia vitsy ny efa nandray an'i Kristy teo amin'ny fiainany.Ilay tena izy io fa tsy am-bava fotsiny a.Maro be tokoa ny olona no mivavaka fa ny mampalahelo fa lasa fomba ivelany fotsiny ireny.Sarotra ho an'ny olona maro ny mandray io teniko io nefa io no tena marina.Tsy mahafoy ny fiainan'izao tontolo izao ny olona.
Tsy mahagaga noho izany raha miteny ianao ry namana hoe :ny kristianina dia manana toetra manavakavaka.Maro be koa ny toetran'ny kristianina.
Izay no nifidianako io teny eo ambony io fa maro ny Kristianina tsy mitoetra amin'ny finoana.
29. bor2lais ( 12/04/2013 09:21)
Miombon-kevitra amin'ny voalazan'i nilex aho eto !

SAINGY eo indrindra isika : aiza moa no sehatra tokony ampianarina ny olona itoetra amin'ny finoana izany ? Amiko dia manana andraikitra lehibe amin'izany ny Fiangonana ! Atao ahoana no fahay raha tsy misy mampianatra ? :-)

nilex:

maro be ny mitonona ho kristianina fa vitsy dia vitsy ny efa nandray an'i Kristy teo amin'ny fiainany


Hita taratra amin'io teninao io fa be ny mpiditra am-piangonana saingy vitsy tsy voataiza amin'ny tokony ho izy ! Ary isan'izany ny mpitondra firenena izay zanaky ny Fiangonana ny ankamaroany ! :-)
30. Miharena ( 12/04/2013 14:05)
Raha mpitondra firenena indray no resahana dia olombelona ihany koa izy ireo ary betsaka kokoa ny vesatra mihatra aminy raha toa ka izy no tompoèteny farany amin'ny sehatra vaventy eto amin'ny firenena. Ny tsara kokoa dia olona mahay miara-miasa amin'ny mpiray firenena fa tsy hoe mpitondra firenena no tokony hitaizany tena sy fanahy. Ary io koa tsy hoe ny fiangonana no tokony homentsiny fa izay olona mahay mandray na tsia ary mahay mampihatra na tsia no itarafana hoe manam-panahy sa voavilivily ilay mpiandraikitra nomem-panompoana fara -tampony isam-pirenena. Ilay hazon-damosina mihitsy izany no tiana tarafina isaky ny mpiandraikitra e!
31. Nehemiah ( 12/04/2013 14:47)
Fomba fijeriko manokana aloha izany, fa heveriko fa manan-tsiny tokoa ny fiangonana, satria anjarany indrindra ny fitaizana ara-panahin'ny sarambabembahoaka.
32. Nehemiah ( 13/04/2013 07:04)
sitlo:
Tamin'ny mbola vao nianatra ny Soratra Masina, dia nanontaniako ilay pasitera hoe: inona marina moa no fahadisoan'i Jodasy? Efa fantatra dieny mialoha ny ho ataony. Ary izy dia kiho nahatanterahana ilay famonjena nampanantenaina taloha.
Dia namaly ilay mpampianatra fa tsy nahatohitra ilay fanontaniako... Satria raha io tantara io no jerena dia nanao izay ahatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra izy.

Ry namana rehetra eto @ serasera, jereo tsara ity : izay ny vokatry ny tsy fahaizana apôlôjetika !
33. bor2lais ( 15/04/2013 09:04)
Amin'i Miharena izany dia tsy tokony hisy fifandraisany ny fitaizana ara-panahy sy ny fitondran-tena an-davanandro e ! :-)

Raha azoko tsara koa dia tsy mampaninona anao mihitsy fa fitondran-tena manara-penitra tsara ilay zary fitenenana hoe : "miditra am-piangonana alahady dia mangalatra akoho alatsinainy" a ! :-)
34. Miharena ( 15/04/2013 10:33)
Sao dia diso famaky ny namana Bor2lais.

Tsy izay mihitsy no tiana ambara fa miainga avy amin'ny fahombiazan'ny fitaizam-panahy no mampahomby ny fitondran-tena.
35. bor2lais ( 15/04/2013 12:14)
Miharena > hay izaho mihitsy no diso famaky raha izany ! :-)
36. Miharena ( 16/04/2013 03:37)
sitlo)))Tamin'ny mbola vao nianatra ny Soratra Masina, dia nanontaniako ilay pasitera hoe: inona marina moa no fahadisoan'i Jodasy? Efa fantatra dieny mialoha ny ho ataony. Ary izy dia kiho nahatanterahana ilay famonjena nampanantenaina taloha.
Dia namaly ilay mpampianatra fa tsy nahatohitra ilay fanontaniako... Satria raha io tantara io no jerena dia nanao izay ahatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra izy.


Nehemiah:

Ry namana rehetra eto @ serasera, jereo tsara ity : izay ny vokatry ny tsy fahaizana apôlôjetika !


Azonao faritana ve ilay apolojetika?

Ankoatr'izay, raha mianatra ny momba ny tantaran'i Jesoa isika, tsy mendrika omena valiny mazava ve io resaky ny namana Sitlo io? Ary isika milaza mahay ny fivoaran'ny zava-panahy mihitsy no tokony hamaly azy?
37. Nehemiah ( 16/04/2013 07:03)
Efa nomeko ny valiny ary fanontaniana no nentiko anaovana azy, tahaky ny fanaon'ny raby t@ andron'i Jesoa.

Ny apôlôjetika kristiana dia voafehin'ny 1 Pet. 3:15 : " fa manamasìna an’ i Kristy ho Tompo ao am-ponareo [Isa. 8.12, 13] ; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana" sy ny 2 Kor. 10:5 : "fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy".

Tsy efa nomeko anao ve izay famaritana izay ?

Mila fahaizana ny fampianarana izay vontoatin'ny finoana kristiana izany (Famoronana, Fahalavoana, Famonjena, Famerenana). Ny tanjona dia ny hanaporofoana fa marim-pototra sy ara-pisainana ny finoana kristiana (Mt. 22:37, Mk. 12:30, Lk. 10:27) ka manome valiny ho an'izay mitady valiny am-panetren-tena ary ny hanohitra ny mpaniratsira ny finoana kristiana.
38. RBNIR ( 16/04/2013 08:43)
Somary ahitsiko ilay rohy namana bor2lais,

tsindrio eto

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
39. bor2lais ( 16/04/2013 08:55)
Misaotra anao namana RBNIR nanitsy ny rohy mikasika ilay resaka Jodasy izay efa nandeha teto ! :-)
Mirary soa ho anao ! :-)
40. Miharena ( 16/04/2013 11:55)
Nehemiah:

Ny apôlôjetika kristiana dia voafehin'ny 1 Pet. 3:15 : " fa manamasìna an’ i Kristy ho Tompo ao am-ponareo


Marina fa ny teny hoe ao amponareo no asa na mitovy fijery na fahatsapana azy isika na tsia.

1- Misy ilay iray manao hoe : migonongonona ao am-po hoe masina Ianao Jesoa na manaiky fa masina IZY, dia ampy
2- Misy koa anefa ilay iray manao hoe : manamasina AZY izay ao am-po. Izany hoe IZY miaina ao anaty no hamasinina.

Ka iza amin'ireo no apolojetika tena krisitianina?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086