JIOSY VE NY MALAGASY?

1. zokieva ( 27/12/2011 11:20)
Mba asio resaka kely aloha io e! fa izaho dia resy lahatra fa tena JIOSY ny razambentsika ary misy porofo betsaka tsy azo lavina izany ka izany no anton'izao rehetra mitranga eto @ firenena izao!
2. didi10 ( 27/12/2011 12:55)
Tsara ny Tompo

Namana Zokieva

Ara-baiboly, raha talohan'ny nahatongavan'i Jesosy ho olombelona sy nandraisan'ny mpianatra ny Fanahy Masina dia mizara roa ny olombelona:
1/ Ny jiosy
2/ Ny hafa firenena (Jentilisa)

Taty aorian'ny fampianarana Kristianina dia mbola nizara 2 indray
1/ Ny mpianatry ny Tompo (Kristiana): Tsy mifidy fihaviana na foko na taranaka...
2/ Ny hafa tsy Kristianina (Jentilisa): Tsy mifidy fihaviana na foko na taranaka...

Gal 3 : 28
28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.

Ka raha tsy ao amin'i Kristy Jesosy ianao dia Jiosy marina tokoa, ilay namantsika an'i Jesosy noho ny fahotany nefa tsy mety mino ny famonjena natolotra azy fa mbola miandry Mesia hafa.



3. rijadolly ( 27/12/2011 17:01)
Raha eo amin'ny famonjena dia misy iraisako hevitra ny voalazan' Didifolo, fa raha ohatra kosa eo amin'ny hoe Jiosy sa tsia dia ireto misy hevitra azo raisina tsara.

Samy manao sorona na ny Malagasy na ny Jiosy, Samy midio amin' rano avokoa na ny Malagasy na ny Jiosy alohany ihaonana amin'Andriamanitra, Samy manaja ny zokiolona na ny Malagasy na ny jiosy,samy nandalina ny fahendrena sy fahalalana na ny Malagasy na ny Jiosy,Samy miakatra eny ambony tendrombohitra rehefa mivavaka na ny Malagasy na ny Jiosy, Samy nanao alitara vato noho ny fiaonany an'Andriamanitra na ny Malagasy na ny Jiosy (nampiasa menaka), Samy namafy ran'ilay biby amin' alitara na ny Malagasy na ny Jiosy, Samy foraina na ny Malagasy na ny Jiosy, Samy miantso amin' feo mahery an'Andriamanitra na ny Malagasy na ny Jiosy, SAMY NATAHOTRA AN' ANDRIAMANITRA NA NY MALAGASY NA NY JIOSY, Samy niaiky fa Fanahy Andriamanitra na ny Malagasy na ny Jiosy........Ankehitriny SAMY MINO AN' JESOA KRISTY NA NY MALAGASY NA NY JIOSY.
4. bichette ( 28/12/2011 09:07)

zokieva:

Mba asio resaka kely aloha io e! fa izaho dia resy lahatra fa tena JIOSY ny razambentsika ary misy porofo betsaka tsy azo lavina izany ka izany no anton'izao rehetra mitranga eto @ firenena izao!


Eny, misy rà jiosy ny malagasy, fa avy eo amin'izay hoe ny rehetra ve sa ny sasantsasany fotsiny ihany raha ny hevitro : I Rabiby dia jiosy http://mg.wikipedia.org/wiki/Rabiby ary i Ralambo dia zafikeliny. I rabiby fotsiny indrisy fa naka ny fomba fanaon'ny tany egipta ary liana mafy dia mafy tamin'ny kintana sy ny volana izy : mpanandro izy.d'ou l'expression "mahita volana alohan'i rabiby".
5. nyadala ( 28/12/2011 10:09)


zokieva:

Mba asio resaka kely aloha io e! fa izaho dia resy lahatra fa tena JIOSY ny razambentsika ary misy porofo betsaka tsy azo lavina izany ka izany no anton'izao rehetra mitranga eto @ firenena izao!


Tena manana razana jiosy tokoa ny malagasy , ary hita amin'ny fomba fiteny, fombafomba, amin'ny arkeolojia, amin'ny lovantsofina ary amin'ny jenetika.

raha amin'ny lafin'ny teny dia maro dia maro ny teny hebreo sy teny semitika amin'ny teny malagasy. efa misy 1000 mots ou méme plus any mihitsy ny teny hebreo amin'ny teny malagasy araky ny tatitr'ireo mpandalina.
ireto misy ohatra vitsivitsy:
parasy -Parosh
soa-shoua
kala-kala
ariva-erev/arev
andro-ad or (moment de la lumière)
toraka-torakh
mikomy-koum
madeha (leha)-lekh
voly-boul

raha amin'ny fombafomba indray dia tena maro mihisty ny fombafomba jiosy arahinny malagasy.
ireto koa misy ohatra vitsivitsy:
-Ny sorona fanaon'ny malagasy zay manaraka ny levitikosy tok faha 3
-Ny vokatra zay hita ao amin'ny deoteronomia 14:28
-ny ranom-bolamena sy ranon-tsoratra zay hita ao amin'ny nomeria 5:2
-Ny fetin'ny rantsan-kazo zay atao hoe "soukot" amin'ny Jiosy
-Ny famorana /didim-poitra : brit milah amin'ny Jiosy
-Ny finoana andriamanitra iray ihany "Zanahary" avy @ teny hoe "Yah nahary", Yah zay andriamanitry ny Jiosy.
-Ny calendrier lunaire zay tena fanaon'ny Jiosy taloha tokoa
-Ny santatra zay atao hoe "bikourim" amin'ny Jiosy.
ary dia mbola maro, ary ataoko fanamarihana fa eto Imerina no tena ahitana fomba jiosy be indrindra, indrindra fa ireo fombafomba fanaon'ny mpisorona Jiosy taloha.

raha amin'ny lafiny arkeolojia dia ahitana soratra ebreo tranainy maro eto, toy ilay soratra ao nosy mangabe ohatra na ilay soratra paleo-hebreo ao alakamisin'ambohimaha.

amin'ny lafin'ny jenetika indray dia ahitana an'ireo haplogroupes J,J2,R1b, R1a ary E1b1b et madagasilara, indra indrindra fa ny eto Imerina zay ahitana taux ambony indrindra an'ireo haplogroupes ireo. ary iraisana amin'ny Jiosy izy ireo.



6. nyadala ( 28/12/2011 10:14)
ary porofo farany goavana dia ny hoe ireo Gola ny razan'ny malagasy, hita izany amin'ny teny hoe "andro fahagola" sy "fahagolatany", io dia avy @ teny hebreo taloha hoe Golah midika hoe "Jiosy babo tany babilona/assyria" , ary raha izany marina dia tena manana razana Jiosy tokoa ny malagasy.
7. nyadala ( 28/12/2011 10:22)
ary amin'ny lafin'ny lovantsofina indray dia maro ireo lovantsofina mitatitra ny fahatongavan'ny Jiosy teo, ary tsy un seule fois akory fa tena nisy multiples migrations juives teto.

Ny voalohany dia ao amin'ny lovantsofina antandroy zay milaza ny première migration juive teto, Jiosy zay razan'olona maro et madagasikara.

Ny faharoa dia ny lovantsofina zafimamy notanterin'i Pastora Emmanuel Ramilison zay milaza ny maha jiosy an' Andriantomara (Tomar anarana hebreo) zay razan'ny andriana merina .

Ny fahatelo dia ireo anakara , Jiosy avy any arabia zay tonga teto, araky ny lovantsofina notanterin'ireo zanaka'anakara toy i Fernand kasanga sy Romabaka.
8. rijadolly ( 28/12/2011 10:48)
Voamarina fa fiheren'ny pirate taty Madagasikara izay tsy hita mihitsy.

SAMOELA FAHAROA 23: 30 Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy,

TANTARA VOALOHANY 11 : Benaia Piratonita32 sy Horay, any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy
9. bor2lais ( 28/12/2011 11:20)
Sendra ni-google kely aho dia nahita ity :

"Mount Gaash was the name of a hill in ancient Israel, in the mountainous region of Ephraim. (Book of Judges 2:9) It is mentioned as a place of torrent valleys, which may refer to ravines in the vicinity. (2 Samuel 23:30). Joshua son of Nun was buried in the hill country of Ephraim, which was north of Mount Gaash (Joshua 24:30)"

"La mort de Josué
29 Après ces événements, Josué, fils de Noun, serviteur de l'Eternel, mourut à l'âge de 110 ans.
30 On l'enterra dans le domaine qu'il avait reçu pour propriété, à Timnath-Sérah, dans la région montagneuse d'Ephraïm, au nord du mont Gaach."

etsy_ambony_mantsy:

Voamarina fa fiheren'ny pirate taty Madagasikara izay tsy hita mihitsy.

SAMOELA FAHAROA 23: 30 Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy,

TANTARA VOALOHANY 11 : Benaia Piratonita32 sy Horay, any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy


:-)
10. nyadala ( 28/12/2011 11:51)
mety ho avy amin'ny teny hoe "malakh yigash" (mpiantsambo tonga) koa izany hoe "malagasy" izany. satria nandeha sambo nandeha teto madagasikara ireo jiosy voalohany tonga teto ireo .
11. rekinbelo ( 28/12/2011 12:00)
Mino aho hoe mety hisy jiosy ny razabe malagasy fa any @ 0,5% any angamba satria tadidio fa isika anie ka misy foko 18 e, ao ireo metisy arabo, metisy afrikanina, metisy aziatika, metisy magrebien. Izany hoe tsy misy manana race pure ireo karazana foko misy ireo fa mifangaro voraka be ihany.Ary koa tsy mitovy fomba avokoa anefa fa samy manana ny kolontsainany tsirairay avy. Koa Sarotra be ary ny hilazantsika hoe misy na tsy misy firazanana jiosy isika malagasy.
Fa ny zavatra azoko antoka ara-tantara dia hoe ny Mpanjaka Solomona dia taty Madagascar no naka vato saphir sy emeraude sy ny sisa. izay no nahatonga ny hoe Isalo.ary azo inoana fa mety nitantara ny fombandrazany t@ olona teto izy na hoe ireo mpanompony no niteraka t@ olona teto t@ izany.
Tsy hita porofo tena azo antoka moa izany rehetra izany fa tantara avokoa fa anjarantsika rehetra no mieritreritra sy mandinika.
Misaotra namana!
12. nyadala ( 28/12/2011 13:36)

rekinbelo:

Mino aho hoe mety hisy jiosy ny razabe malagasy fa any @ 0,5% any angamba satria tadidio fa isika anie ka misy foko 18 e, ao ireo metisy arabo, metisy afrikanina, metisy aziatika, metisy magrebien. Izany hoe tsy misy manana race pure ireo karazana foko misy ireo fa mifangaro voraka be ihany.Ary koa tsy mitovy fomba avokoa anefa fa samy manana ny kolontsainany tsirairay avy. Koa Sarotra be ary ny hilazantsika hoe misy na tsy misy firazanana jiosy isika malagasy.
Fa ny zavatra azoko antoka ara-tantara dia hoe ny Mpanjaka Solomona dia taty Madagascar no naka vato saphir sy emeraude sy ny sisa. izay no nahatonga ny hoe Isalo.ary azo inoana fa mety nitantara ny fombandrazany t@ olona teto izy na hoe ireo mpanompony no niteraka t@ olona teto t@ izany.
Tsy hita porofo tena azo antoka moa izany rehetra izany fa tantara avokoa fa anjarantsika rehetra no mieritreritra sy mandinika.
Misaotra namana!

efa henoko tokoa hoe ny fomba azo indramina sns, fa raha mijery ny jenetika isika dia eo ny confirmation an'ilay izy fa tena manana razana jiosy ny malagasy ary tsy 0.5 pour cent zany fotsiny.
raha nojerena ny lignée paternelle antsika malagasy dia hita ao ilay marqueurs génétiques J2,J,R1b,R1a, E1b1b1b zay hita tsara ao amin'ny Jiosy avokoa ireo.

ary raha jerena koa ny fomba kohanika (mpisorona jiosy) ataon'ny ny merina (tsy mihinana osy, mitafy lamban'ny taranak'i Levy, tsy mikitika faty, fitafiana landy) dia tena Jiosy firazana tokoa izy, satria ny mpisorona ihany taloha no manaraka an'ireny fomba ireny, ny vahoaka jiosy hafa aza tsy manao azy ko nahoana no lasa nampianarina an'olona sady tsy jiosy no tsy mpisorona ilay fomba ?

ary tsy ny havan'solomona fotsiny aza ilay izy fa mbola misy ny anakara sy ry andriantomara (niaraka tamin'ny olona avy tao amin'ny firenen' i Joda toy ny mpisorona, zanak'andriana jiosy , ny benjaminita, ary ireo kananita taranak'i Siaha sy anak (sianaka) )). Ry andriantomara moa dia taranaka mpisorona sady taranak'andriana jiosy , arynony tonga teto izy dia nitondra ireo zavatra masina avy tao amin'ny tempoly voalohany toy ny urim sy ny tummim, afo masina sns ... ary ireo dia natao tao amin'ny tempolin'i Manjakamiadana (avy amin'ny teny hoe Yerushalayim "regner dans la paix et le bonheur" no nahazoana an'ilay hoa manjakamiadana "regner dans le bonheur") zay natao fahatsiarovana an'ny tempoly voalohan'ny Jerosalema hamarihina fa entourré de 12 collines saintes i Manjakamiadana toy i Jerosalema ka izany angamba no nanosika an'ireo hipetraka teto antananarivo.

raha te ahafantatra be be kokoa dia ato amin'ity lien ity jerena
http://fr.wikipedia.org/wiki/Migrations_juives_%C3%A0_Madagascar
13. nyadala ( 28/12/2011 13:43)
ary farany, mbola nandalo fahababoana tany babilona ireo razan'ny malagasy sasany, nefa io fahababoana (-587)io dia efa taty aorian'i Salomona (-1000), ka mazava izany fa mbola nisy jiosy hafa nandalo fahababoana tonga koa teto.
14. nyadala ( 28/12/2011 13:56)
ary raha ireo gola babo ireo tokoa ny razan'ny malagasy sasany dia tokony hita izany ao :
Nehemie 7:13 "descendants de Zattu" io no nanome an'ireo anarana toy ny hoe "ramanzato"
Esdras 8:11 "Des enfants de Bébaï," io no nanome an'ilay hoe "bebay sy lova vohitra"
Chroniques 9 : 12, Adaja, fils de Jerocham, fils de Paschhur, fils de Malkija; Maesaï (Ma'say), iono naome an'ilay hoe "marée masay"
......
15. bor2lais ( 28/12/2011 14:54)
Misaotra anareo amin'ny fizarana !
Ny manitikitika ahy dia ny tohiny : ny fifandraisan'ireo voalazanareo (Jiosy ny Malagasy) ireo amin'ny trangan-javatra eto amin'ny Firenena amin'izao fotoana izao araka ny lohahevitra !
zokieva:

Mba asio resaka kely aloha io e! fa izaho dia resy lahatra fa tena JIOSY ny razambentsika ary misy porofo betsaka tsy azo lavina izany ka izany no anton'izao rehetra mitranga eto @ firenena izao!

16. dadabe ( 28/12/2011 16:52)
mahafinaritra be ity loha hevitra ity

misaotra ny mpanoratra, ny Tompo anie homba antsika rehetra
17. nyadala ( 29/12/2011 06:48)
resaka propheties ve izany no tianareo lazaina eto?
izaho aloha dia milaza mialoha fa tena somary mamapatahotra ihany ny zavatra voalaza mombantsika ao amin'ny baiboly ao.

ndao ary aloha hiverina kely amin'ny tantara isika.
efa fantatry ny rehetra moa fa resaka fanopoan-tsampy no nahatonga an'ireo razantsika voaroaka tao Israely tamin'ny -597à-587. io fanopoan-tsampy resahiko eto io dia tsy inona fa ilay fanatsoana ny razana efa maty, ny fandehanana any amin'ny mpanandro sy ny dadarabe (ovot amin'ny teny hebreo), ny tsy fanarahina amin'ny antsipirihany ny lalànan Andriamanitra
2 rois 17:18, na dia teo ihany koa aza ny fomba Jiosy mba narahina.
Ny tena mampalahelo anefa dia mbola voatazon'ireo taranany teto madagasikara izany fanopoan-tsampy izany, ohatra fotsiny ilay fanatsoana ny efa maty hoe "Tompo" tena fomba fanopoan-tsampy egyptiana izany satria tena teny egyptiana io "Tum puh" i Tum/Atum zay andriamanitra mamelona sy mamono amin'ny egyptiana taloha.
na io famadihana ataon'ny malagasy io aza dia efa voateny mialoha ao amin'ny Jeremia toko faha 8.

kanefa dia milaza tsara ny baiboly fa voaozona ny Israelita tsy manaraka ny lalànany ary milaza ny baiboly fa hisy firenena hafa mantanjaka hanjanaka an'israely rehefa tsy manaraka an'io lalanan'Andriamanitra io izy. ohatra fotsiny ny fanjanahana Assyriana nahazo an'ny Samariana tamin'ny -722 na ny fanjanahana babiloniana nahazo an'ny firenen'i Joda tamin'ny -587, ary isika koa mbola anisany satria tonga ny frantsay nanjanaka antsika satria mbola nanompo sampy sy razana ireo andriana malagasy sy ny vahoakany.

na amin'izao fotoana aza dia mbola maro ny malagasy miankin-doha amin'ny sampy sy ny razana ka izany no mbola mahatonga antsika tsy mety tafavoaka io mihitsy.
18. bor2lais ( 29/12/2011 08:45)
Misaotra an'i "nyadala" manome fiandoham-panazavana !

Raha azoko tsara izany dia :

1. mpivahiny ireo "Malagasy Jiosy" ireo (izany hoe efa nisy tompon-tany talohan'izy ireo) !
2. noho ireo "Malagasy Jiosy" (satria heveriko fa tsy ny Malagasy rehetra no tianao lazaina eto !) manaraka ny fomban-tany (eto Madagasikara) izany no mahatonga antsika tsy mety tafavoaka mihitsy ?

Sa tsy izay no tianao resahina mikasika ilay "prophéties" ? ;-)
19. foroyarpower ( 29/12/2011 10:31)
agree with bor2lais
20. nyadala ( 29/12/2011 10:49)
ilay fiteny hoe "Jiosy malagasy" angamba tsy dia marina loatra satria kristiana , silamo ary mpanompo sampy ny sasany, fa aleo lazaina hoe "malagasy taranaka Jiosy".

ary marina ny hoe "tsy taranaka jiosy daholo ny malagasy" satria eo ireo vezo zay tsy mifora sy ireo Sianaka (kananita taranak'i Siaha sy anak), ankoatr'ireo dia ampahany non négligeable amin'ny population malagasy no tena taranaka Jiosy.

ary raha araky ny voalazan'ireo mpaminany dia mazava fa io fanopoan-tsampy mbola ataon'ny sasany io miampy ny fomba ratsy nataon'ireo razantsika sasany taloha ( tadidio ny voateny ao amin'ny EX 20:4) no mahatonga an'izao olana rehetra izao, fa raha miverina aminy sy maninina ny ratsy rehetra nataontsika sy ny razantsika isika dia tena ho tafavoaka ihany ary ho tanteraka daholo ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama, Isaaka, Jakoba, Mosesy sy ireo mpaminany maro hafa. fa alohan'izany rehetra izany dia mila mahafantatra ny maha izy azy aloha ny malagasy tsirairay .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083