JIOSY VE NY MALAGASY?

61. danielio ( 16/01/2012 05:47)
Amiko manokana dia aleo milaza hoe tsy jiosy ny Malagasy satria ny Apok2:9 sy Apok3:9 misy ny filazana izay milaza ny teneny ho jiosy.
62. amboditsiry ( 16/01/2012 15:51)
Ny gasy ranga samy ty tena daholo na mpivavaka io na iza na iza fa lasa fitadiavna ko tony fivavahana tony ka lasa makaleo be ny pastera sy ny birao no deba fa enao de enao ihany e
63. ndenn ( 16/01/2012 21:24)

danielio:

Amiko manokana dia aleo milaza hoe tsy jiosy ny Malagasy satria ny Apok2:9 sy Apok3:9 misy ny filazana izay milaza ny teneny ho jiosy.

F'angaha manana safidy @ maha izy azy isika olombelona ? rehefa taranany dia taranany !! Mila mizaka ny ziogan' ny tantara !
64. bor2lais ( 17/01/2012 08:52)
ndenn:

F'angaha manana safidy @ maha izy azy isika olombelona ? rehefa taranany dia taranany !! Mila mizaka ny ziogan' ny tantara !

Ka tsy izay ve ilay atao hoe "manao fialan'ny jiosy" ? :-)
65. zokieva ( 18/01/2012 11:25)
Jiosy mahay miala pa mihitsy an! lol
66. danielio ( 18/01/2012 11:37)
Tena mampiomehy sady mampalahelo ity resaka jiosy ry zareo satria mazava manjavozavo ilay izy, ra oharina @ sakafo angambany dia hotrany hoe tono hena masaka tsy masaka tsara
67. zokieva ( 19/01/2012 12:32)
mbola ho ela vao hazava tsara @tsika ny ttara
68. bor2lais ( 19/01/2012 15:45)
zokieva:

mbola ho ela vao hazava tsara @tsika ny ttara

H.S
Raha rohitina tokoa mantsy ity resaka ity dia METY ho tonga hatramin'ny hoe : ny jiosy no nitondra ny fanompoan-tsampy teto Madagasikara e ! ;-)
H.S-tapitra
69. bichette ( 19/01/2012 16:05)
ka na jiosy na tsy jiosy tsy misy olana mihitsy anie izany ry reto e ! na taranak'iza ny razambe, na nanompy sampy, IANAO dia afaka mivavaka mangataka ho afa-keloka eo anatrehan'Andriamanitra. Na mpisorona nanompy sampy aza ny razambe ;-) isika manana halalana ny hanantona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny jesosy Kristy ary mangataka famelan-keloka dia ho afaka.

izay vao tena H-S tapitra o ! hihihihih
70. Miharena ( 19/01/2012 16:13)
Tsy H.S. ny an'i Bor2lais fa marina. Ny fanompoantsampy dia ireo fomba taloha izay nolavin'ny Kristiana ankehitriny ary voasoratra ao anaty Testamenta taloha mihitsy ilay resaka fandavan'Andriamanitra ny fanatitra dorana sy alatsa-drĂ . Asa tokoa hoe inona no mbola anohizan'ny maro io fomba io eto Madagasikara.
Ny an'i Cohen Rivolala aza dia manao io sorona eny an-tendrombohitra io ihany izy hatramin'izao isika miresaka izao. Ny fomba Malagasy mihitsy no miverina ary na ny mpanao sorona Malagasy aza rehefa manatrika azy koa isika dia mihira hira Masina sy mamaky Baiboly.

Ka asa aloha na mifangaro izany ilay resaka na izay mihitsy no tena fomba fanompoana an'i Jehovah fa eo isika mila mandalina tsara satria dia fomba Jiosy izay voasoratra mihitsy no ataon'ny Gasy ary mahazo vokany ihany izy amin'izany fomba izany.

Farany moa raha hiverina amin'ny hoe inona no mahatsara ny fahafantarana ny tantara dia hoy aho hoe mila fantarina ihany ilay tantara saingy tsy tokony ho taraiky hitanisa izany fotsiny avy eo fa mba maka izay lesona azo hivoarana.
71. bor2lais ( 19/01/2012 16:45)
bichette:

ka na jiosy na tsy jiosy tsy misy olana mihitsy anie izany ry reto e ! na taranak'iza ny razambe, na nanompo sampy, IANAO dia afaka mivavaka mangataka ho afa-keloka eo anatrehan'Andriamanitra. Na mpisorona nanompo sampy aza ny razambe isika manana halalana ny hanatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny jesosy Kristy ary mangataka famelan-keloka dia ho afaka.

Ka tsy efa hainao ihany ve ny fialan'ny jiosy e ! ;-)
H.S Tena tapitsa am'zay an !!
72. zokieva ( 24/01/2012 12:56)
miakatra ny soratra!
73. kolo ( 27/01/2012 08:01)

zokieva:

Mba asio resaka kely aloha io e! fa izaho dia resy lahatra fa tena JIOSY ny razambentsika ary misy porofo betsaka tsy azo lavina izany ka izany no anton'izao rehetra mitranga eto @ firenena izao!


Ny valiny dia TSIA , tsy jiosy ny malagasy fa MALAGASY. Efa nomen'Andriamanita olona izay malagasy teo am tanin'ny MADAGASIKARA. Porofo mivaingana ny teny gasy .
74. AndriambyII ( 27/01/2012 08:53)
Maninona koa moa raha lazaina fa hoe malagasy daholo ny jiosy rehetra eran'ny tany ? Zavatra marina tanteraka izany !!Malagasy daholo ny olombelona rehetra rehetra !!
75. AndriambyII ( 27/01/2012 09:35)
Misy olona mampifanandrina ny samy malagasy mantsy ny fahitana azy rehefa miditra @ itony sita itony , eo @ resaka fiandrianana , ny fipoiran' ny sivilizasiona malagasy voalohany indrindra " etinology , zeogirazy , paleontology , antiropology , ( ho @ tanjona inona ??? )( ==>>>>fitadiavana notorietem- pinoana sy andry politika ratsy fototra ,fitadiavana seza politika ) mivoy ny ( fifandonana ? fahafantarana ny tantara ? ) momba ny resaka etinisisma eo @ ny hoe ny aziatika no malagasy voalohany , na ny jiosy no malagasy voalohany , na ny arabo no malagasy voalohany , ets ets .. Eto @ ity sita ity aho izao dia mahita fa misy ekisitiremista katolika vitsivitsy , ( na mpandalo , na mpiandraikitra ) mankatoa ny proselitisma sy ny antisemitisma , ka aoka handinintena aloha isika vao hampiditra izany adihevitra izany , fa na ny lehilahy lehibe ohatry ry Odon Razanakolona sy ny hafa aza voafitaka noho ny fahitana adihevitra sampona toa izao .
76. mpampianatra ( 07/12/2012 08:44)
Ny BETSILEO aloha dia BETA JUIF tahaka ny FALASHAS any ethiopie. Izy ireo dia taranak'i Salomon navotan'Andriamanitra tamin'ny ady dia lasa sesitany. Maro ireo porofo maha zanak'Israel azy ireo fa ny Falashas aloha dia efa nalain'ny Israeliana nody any Israel izay te hody any Israel. Ny arabo sy ny zanak'Israel moa dia olona taranaka iray ihany. Ka rehefa tonga teto Madagasikara ny zanak'i Arabo dia Nanangana ny fihavanana izy ireo satria olona iray ihany. Na izany na tsy izany dia maro taty afara ireo karazan'olona tonga teto Madagasikara toy ny Sri-lankais, Chinois, Tailandais, Japonais, Cambodgiens, Indiens, Indonesiens, africains, russe, eoropeana, ... Raha jerena ny endrika dia samy ahitana endrika vahiny. Noho ireo dia misy milaza fa avy eto Madagasikara avokoa ny olona rehetra, nefa misy koa ny milaza fa ny olona rehetra eto ambonin'ny tany dia samy misy eto Madagasikara. Mpanoratra : Rahjal
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081