Hanomboka tsy ho ela @ izay ve i 2012?

1. lagoon ( 12/03/2011 12:01)
Ity alerte ity dia efa t@ voalohany volana Martsa no nivoaka ka halefako ho anareo eto.
hampitao ny hafatra.
vitsy ny olona hino.ary marobe kosa no hilaza fa minomino foana ny sasany.
Efa ela aho no nahafantatra ity alerte ity,ary alefako eto androany fa fampitandremana iny tany Japon iny.
Tadidio tsara ireo posts nalefako teo aloa momba ilay 2012 sy ilay AntiKristy.Misy hifandraisany daholo.

http://consciencedupeuple2007.blog.mongenie.com/index.php?idblogp=991022
novalian'i Miharena ny 25/03/2011 19:07
2. AndriambyII ( 12/03/2011 21:01)
Eka ouzzz !! avelao ho avy izay ho avy !!!Misy mandika vilana an' io analyse scientifique farany izay tsotra io eto antany !!! mampihidy ouzzz ny masna ny fandehan-javatra !!
Mbola mipetraka ny fanontaniana ! 2012 =Fin du monde ? sa 2012=Transformation et debut d' une autre mutation naturelle ?
3. rijadolly ( 13/03/2011 06:36)
Raha izaho manokana aloha ry Lagoon sy AndriambyII dia efa tamin' taona nisian' Jesoa Kristy ohatra dia efa fantatrany zavatra hitranga. Tany amin' Isaia ohatra. Tsotra tsy misy ahiahy anefa ny zavatra takiana, kanefa dia mbola miroaroa saina ihany ny zanak'olombelona. Mitady an'zato sy mila fiarovana amin'zaroa. Tsy mandiso ny fikaroana nataon' zanak'olombelona aho akory na hoe hanamarina ilay izy fa kosa hita be hoe tsy maharo tena ny fahaizana kely ananatsika. Vao ny famatarana fotsiny no miseho dia efa taraiky be ny fampilazana ilay ora, ora hoy aho fa tsy mn na segondra a! Eny ataoko hoe volana mihitsy aza mba tsy ilazako hoe ny taona raha eo amin'ilay tena farany voalazan'I Jesoa Kristy.

Raha izaho manoka dia tsy ilaina ny fikarohana ahalala ilay fotoana sy ora amin'ny maha Kristianina ahy. Ny zavatra takiana amiko dia Ny Fihembenana sy ny mivavaka mba tsy ho andro ririnina izay andro izay. Ny famatarana rehetra dia efa hitako ny 30% mba hisy ihomanako handraisana amin'izay fotoanako izay. Zarako aza anio dia anio ihany, izay midika fahavononako hatreto aloha, raha mijery sy mitsara ny etat-ko aho. ihihihihi! mivavaka mafy aho mba tsy amin' Andro ririninako izay andro izay.

Mihambena!
4. vale ( 13/03/2011 17:17)
Raha izaho manoka dia tsy ilaina ny fikarohana ahalala ilay fotoana sy ora amin'ny maha Kristianina ahy. Ny zavatra takiana amiko dia Ny Fihembenana sy ny mivavaka ...
------------------------------------
Rijadolly> miombon-kevitra aminao aho, hamenoako anaz dia efa manambara fa efa akaiky ny farany, ireo famantarana rehetra voalaza anaty baiboly efa miseho avokoa, fa ny hoe misy date voafaritra ho amin'izany andro farany izany kosa alou, za mitazona ny voalazan'ny baiboly hatrany Fa: ho avy toy ny mpangalatra ny Tompo; noho izany miambena, fa tsy misy fotoana hiomananao sy fotoana voafaritra izany izay manambara izany andro farany izany,dia ny Haramagedona izay voalaza ao anaty ny baiboly,.. non!
5. lagoon ( 13/03/2011 20:02)
Io alerte io ange tsy midika fa io andro no andro farany e.
Milaza fontsiny io fa hisy horonhorontany goavana noho iny tany Japan iny.
Ary vao manomboka ity ny lalao goavana f'aza taitra isika.

"Soleil levant" no fiantso an'i Japan.Iny niainga tao Japan iny ny Fanavotana.
D'accord @nareo fa efa marobe ireo famantarana rehetra,eny fa na ilay 4ème Cavalier de l'Apocalypse ary dia hita sary t@ rotaka tao Egypta ireny.

Ny ahy koa aza dia zarako anio dia anio dia raikitra izy ity.Izahay telo mianaka dia efa vonona.

Izaho manokana aloa ry zareo dia efa ela no nandao fiangonana,nentiko irery ny ahy,ary izaho sy Andriamanitra irery no nifampidinika ilay izy.
Ka gaga aho rehefa miresaka @ ireto olona mpiaangona lalandava,ny an-dry zareo dia mivavaka mafy mba tsy hisy izany Armagedona sy ny Gidragidra final.
Dia manontany tena aho e fa inona marina ny fampianarana avy any am-piangonana sy toriteny.
6. vale ( 14/03/2011 12:19)
Io alerte io ange tsy midika fa io andro no andro farany e.
Milaza fontsiny io fa hisy horonhorontany goavana noho iny tany Japan iny
-------------------------------
mai j'ai cru entendre fa c la fin du monde ny 2012, de nisy reportage izay itako mampiseo le oul efa miomana ireny, manao logement sous les sols, etc, etc, manao provisions nourritures eaux...mdr!

Lagoon< tena mba mahagaga marina izany oul mandeha am-piangonana lalandava tsy mahalala ny voalazan'ny anaty baiboly izany, zà manokana ankoatry ny tam mbola kely mbola teo @ R&R, tsy mahavita mande ampiangonana lava, anefa miezaka mamaky sy mianatra ny baiboly ahalallàko ny ten amarina, satria samy manana ny version -ny dol, ny fantatro aou dia ny baiboly , ny coran, iny indray tsy fantatro fa ny hinoako sy fantatro h@ izao alou dia ny fisian'ny ilay ady antsoina hoe : HARAMAGEDONA, izay Ady ifanaovan'ny mpitondra fanjakan'ny tany, ny mpanao sciences , ary ireo olona marobe izay tsy maintsy hiady amin'izany amin'Andriamanitra.
Ametraka versets eto ihany za fa tsy tadidiko an-doha, mantsy, fa tena mahaliana ny mianatra ny voalaza ao anaty baiboly ao a!
7. Miharena ( 14/03/2011 14:50)
Miarahaba anareo rehetra indray. Elaela tsy nisera fa be asa loatra.

Raha ny resaka farany amiko dia tsy misy izany raha Andriamanitra koa Andriamanitra. Sombin'aiNY isika sy izay voariNY rehetra koa noho izany dia tsy misy hasiaNY very na iray aza. Raha miaiky isika fa IZY no Mandrakizay dia mazava fa ananantsika koa izany toetra izany ka ny resaka farany dia tsy mitombna velively eo amin'ny famoronana. Fiovan-toetra no misy fa tsy misy zavatra mifarana. Indrindra moa fa ny momba ny fanahintsika izay miverina Aminy ary Izy no hitaiza azy amin'ny manaraka rehetra.

Momba ny 2012 indray dia mazava fa mandalo fotoana iray izay mavesatra tokoa ny olombelona ankehitriny. Saingy fahaterahana vaovao no ao ambadik'izany fanaintainana izany. Ny mety raha miresaka isika dia tsy ny mampitahotra amin'ny fisian'ny fahalasanana maro toy ny tany japon sy ny hafa izay mbola mety hitranga fa ny fahavononana sy ny fampitomboana ny fahalalantsika fa tsy misy ny farany fa fiovan'endrika no misy.

Mila mandalina izany ahafahana manana toe-tsaina sy toe-panahy mitombna tanteraka.
8. rijadolly ( 14/03/2011 17:46)
Miarahaba an' se Miharena

Raha ny resaka farany amiko dia tsy misy izany raha Andriamanitra koa Andriamanitra.
Sombin'aiNY isika sy izay voariNY rehetra koa noho izany dia tsy misy hasiaNY very na iray aza.

Sahiko anefa ny milaza aminao Miharena fa efa nisy ny very raha olombelona ihany. Dia ireo izay nandaha ny fanavotana( Famonjena ) na dia tamin' TESTAMETA TALOHA aza.

RAHA miaiky isika fa IZY no Mandrakizay dia mazava fa ananantsika koa izany toetra izany ka ny resaka farany dia tsy mitombna velively eo amin'ny famoronana.

Somary nataoko gras io izay mbola "mitaky" amin' tsirairay hanantateraka ilay fanekena. Manan-tsafidy ny tsirairay, ny fotoana anefa tsy maintsy tonga na tiana na tsy tiana.Ekeko fa teo amin'ny Famoronana dia tsy nanana resaka farany Andriamanitra, fa noho ny fandavana AZY izay tena niroborobo tamin' andron' Noa dia nisy ny olona novonjena manokana. Ary voalazan' Jesoa Kristy ihany koa fa tahaka izany ilay AndroNY. Ary dia nahafohezina izany noho ny Olomboafidy ihany koa.

Fiovan-toetra no misy fa tsy misy zavatra mifarana.

Tsy miray hevitra satria na ilay fiovan-toetra aza dia midika fiafaran-toetra iray.

Indrindra moa fa ny momba ny fanahintsika izay miverina Aminy ary Izy no hitaiza azy amin'ny manaraka rehetra.

Miray hevitra tanteraka koa aho.

Ny mety raha miresaka isika dia tsy ny mampitahotra amin'ny fisian'ny fahalasanana maro toy ny tany japon sy ny hafa izay mbola mety hitranga

Ny fatahorana ny Farany na ilay fahoriana be tsy mbola nisy ohatrizany ho avy aza Miharena dia tsy mandaitra ho an'ny mino. Efa fantatra izany fa tsy maintsy ho avy.

fa ny fahavononana sy ny fampitomboana ny fahalalantsika

Miray hevitra tanteraka aho raha toa ka:
Fitoriana ny Filazatsaran' Kristy, izay mitarika ny rehetra ahafantatra ilay Fiainana aorian'izao fiainana izao.

fa tsy misy ny farany fa fiovan'endrika no misy.

Azon'se hazavaina tsara ve Miharena ilay Niova endrika mba ahafantarana ilay endrika nifarana.

JAONA 10: 25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy nino hianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.26 Kanefa hianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako.
9. vale ( 14/03/2011 18:18)
Hoy i Miharena:Raha ny resaka farany amiko dia tsy misy izany raha Andriamanitra koa Andriamanitra
-----------------------------------------------------------
Marina fa tsy misy ny farany, fa TSY MAINTSY hisy kosa ilay ady hifanaovan'ny fitondram-panjakan'olombelona sy ny Fanjakan'Andriamanitra dia ilay antsoina hoe :HARAMAGEDONA izany.
10. lagoon ( 15/03/2011 07:04)
hehehe,

Miala any koa ny crack boursier international,hitontongana sy hitrifana amin'ny tany koa ny kapitalisma.
Famonjena sy fanavotana lehibe ho an'ireo vahoaka marobe mijaly eto an-tany izao fandehan'ny tantara izao.
11. AndriambyII ( 15/03/2011 10:41)
http://fr.news.yahoo.com/54/20110314/video/vwl-le-sisme-a-fait-bouger-le-japon-de-2-df14a31.html

Nihetsika ny tany ary nisy fiovana ny axe magnetique .
The BIG ONE = 2012 !!
12. Miharena ( 15/03/2011 11:48)
vale:

Marina fa tsy misy ny farany, fa TSY MAINTSY hisy kosa ilay ady hifanaovan'ny fitondram-panjakan'olombelona sy ny Fanjakan'Andriamanitra dia ilay antsoina hoe :HARAMAGEDONA izany.

Marina izany vale fa raha mandinika isika ny amin'ny hoe tsy hisy ho very na dia iray aza ny voarin'Andriamanitra dia efa misy ny toerana izay hametrahana ireo izay mbola tsy tonga saina momba ny fahariana izao tontolo izao fa mbola mikombona fisainana. Izay manana ny toe-tsaina fa IRAY izao rehetra izao no ho tafavoaka amin'ny foto-pisainana marina araka ny tian'Andriamanitra hananan'ny olombelona.
Koa ny haramagedona dia anisan'ny endrika farany hialan'ny mpanasaratsaraka aina satria fitiavan-tena no tiany hanjakana, kanefa efa hitan'ny olombelona rehetra fa tsy hey intsony izany amin'izao andro iposahan'ny mazava izao.
13. Miharena ( 15/03/2011 16:34)
Andriambyll, marina izany resaka izany raha ny fihetsiky ny zava-drehetra ankehitriny. Tsara ihany angamba ny manaraka ny messages izay alefan'ireo Anjely sy ireo olona voalaza amin'ny Baiboly rehetra ao amin'ny site terre nouvelle raha toa ka te-hanaraka tsara izay anton'izao zava-mitranga rehetra izao.
Ny azo marihina fotsiny amin'ny famakiana ireo dia raha manaiky isika fa tena misy ireo personnage rehetra voalazan'ny Baiboly ary velona ireo ankehitriny ary miteny amintsika dia mora ny fandraisana izay voalaza ao amin'io site io.
14. AndriambyII ( 15/03/2011 21:31)
Miharena a ! Aza dia hamaivanina ny fidiranay @ itony Blog itony . Matoa nanaiky ny hiady hevitra izahay dia fantatray fa tsy voafehinay ilay resaka momba ny tena faran' ny farany .Raha hipoaka hiparitaka tsy hisy intsony ity planeta tany ity ! Moa ve mbola hino ny voasoratry ny tanan' olombelona ihany isika ? fantatra fa tsy ho lafatra na oviana na oviana ny fahaizan' olombelona ?
Tsy mpiandry aho na , mpandray fototra , na mpandàla lalàna , na camerlingue , na apprentis moine ,... fa kosa , ny zavatra tsapako , dia tsy hisy intsony ny atao hoe olombelona ao aoriana kely ao , hivoatra ny natiora , ary hisy fipoiran-javamanan' aina hafa fisehoana hameno sy hamehy ny tany aman-danitra . Tsy nahatontosa adidy ny olombelona araka ny fampanantenana nomen ' ny lanitra ho antsika satria ,natao ho mpandalo daholo isika olombelona rehetra teto @ ity tany ity .
Ny filozofia sousterrain' i terre nouvelle aleo hijanona ho azy . Tsy misy antoka hamehezana ny fahalalàna akory izany . Chacun pour soi , et dieu pour tous .
15. vale ( 16/03/2011 00:14)
dia tsy hisy intsony ny atao hoe olombelona ao aoriana kely ao , hivoatra ny natiora , ary hisy fipoiran-javamanan' aina hafa fisehoana hameno sy hamehy ny tany aman-danitra . Tsy nahatontosa adidy ny olombelona araka ny fampanantenana nomen ' ny lanitra ho antsika satria ,natao ho mpandalo daholo isika olombelona rehetra teto @ ity tany ity
----------------------------------------

tsy fantatro ny sources nahazoanao io infos ireo ry Andriambyll, fa raha ny zavatra nampianarina ahy mikasika ny faminanina ao amin'ny baiboly ao dia tsy mitombona mints ireo voalazanao ireo, attends, izao no voalaza:
momba ny fitsanganana indray amin'ny fahafatesana, résurréctions: la bible enseigne que jehovah est impatient de le faire. le fidèl Job a demandé: "SI UN HOMME ROBUSTE MEURT PEUT IL REVIVRE? iL PARLAIT D'ATTENDRE DANS LA TOMBE le moment ou Dieu se souviendrait de lui; il a dit à Jehovah: " Tu appelleras, et moi je te répondrait. Tu languiras après l'oeuvre de tes mains" - Job 14:13-15

Mbola hisy tokoa ny fianana vaovao izay nampanantenain'Andriamanitra antsika rehefa nomeny atao sorona ny zanany lahy tokana dia i Jesoa kristy izany, izay lalana iray hahazoantsika indray ny fiainana mandrakizay. Ary tsy ho aiza izany fa ety an-tany ihany, satria ao anaty baiboly ao milaza ihany koa fa: "Ny mpandefitra no handova ny tany" jereo fa ao @ psaumes ao io, tsy tadidiko na verset firy , miala tsiny!.
Mazava tsara fa ny tany no voalaza eto fa tsy any an-danitra akory ho an'ireo izay mino fa ny fiainana mandrakizay dia any an-danitra.

Manaporofo io fanjakàn'Atra ho avy io ilay vavaka nampianarin'ny Tompo: "Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao ety an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra". Matt6: 9-13.
16. Miharena ( 16/03/2011 03:02)
Andriambyll:

Miharena a ! Aza dia hamaivanina ny fidiranay @ itony Blog itony . Matoa nanaiky ny hiady hevitra izahay dia fantatray fa tsy voafehinay ilay resaka momba ny tena faran' ny farany .Raha hipoaka hiparitaka tsy hisy intsony ity planeta tany ity ! Moa ve mbola hino ny voasoratry ny tanan' olombelona ihany isika ? fantatra fa tsy ho lafatra na oviana na oviana ny fahaizan' olombelona ?
Tsy mpiandry aho na , mpandray fototra , na mpandàla lalàna , na camerlingue , na apprentis moine ,... fa kosa , ny zavatra tsapako , dia tsy hisy intsony ny atao hoe olombelona ao aoriana kely ao , hivoatra ny natiora , ary hisy fipoiran-javamanan' aina hafa fisehoana hameno sy hamehy ny tany aman-danitra . Tsy nahatontosa adidy ny olombelona araka ny fampanantenana nomen ' ny lanitra ho antsika satria ,natao ho mpandalo daholo isika olombelona rehetra teto @ ity tany ity .
Ny filozofia sousterrain' i terre nouvelle aleo hijanona ho azy . Tsy misy antoka hamehezana ny fahalalàna akory izany . Chacun pour soi , et dieu pour tous .



Tsy manamaivana velilvely ny fitiavanao hahalala ny fahamarinana aho Andriambyll ary raha azo atao aza dia ny manampy mihitsy no atao hahafahan'ny rehetra mahalala ny tena tsingerin'ity fiainana eto an-tany sy eran'ny erana rehetra.
Amin'ilay resakao hoe tsy hisy intsony ny olombelona fa voary hafa no hisy dia ianao io indrindra no hahita azy na dia efa ilaozanao aza ny nofonao satria isika anie ka manana fiainana mandrakizay fa ny nofo dia mandalo ihany e!
Tsy resaka filozofia fehezin'ny saina fotsiny no ambaran'ireo izay te-hanampy ny olombelona fa ny FOTOTRA mihitsy, ka raha miteny aho hoe tsy misy ny farany dia fantatro fa izany no izy satria mandrakizay no nanaovana ny aina ara-panahy.
17. rijadolly ( 16/03/2011 04:34)
Raha azoko tsara izany ny tian' Miharena resahina dia ilay fitoizan'Fianana? izay midika hoe tsy mifarana?
Raha izay dia tsy maintsy misy ny faran'nofo sy ny toetsaina ananan'nofo ka io no efampendrasatsika Mpino rehetra mba hiadanana sy hanompo an' Andriamanitra mandavan'ora.
18. Fox40 ( 16/03/2011 09:09)
lagoon:

Io alerte io ange tsy midika fa io andro no andro farany e.
Milaza fontsiny io fa hisy horonhorontany goavana noho iny tany Japan iny.
Ary vao manomboka ity ny lalao goavana f'aza taitra isika.

"Soleil levant" no fiantso an'i Japan.Iny niainga tao Japan iny ny Fanavotana.
D'accord @nareo fa efa marobe ireo famantarana rehetra,eny fa na ilay 4ème Cavalier de l'Apocalypse ary dia hita sary t@ rotaka tao Egypta ireny.

Ny ahy koa aza dia zarako anio dia anio dia raikitra izy ity.Izahay telo mianaka dia efa vonona.

Izaho manokana aloa ry zareo dia efa ela no nandao fiangonana,nentiko irery ny ahy,ary izaho sy Andriamanitra irery no nifampidinika ilay izy.
Ka gaga aho rehefa miresaka @ ireto olona mpiaangona lalandava,ny an-dry zareo dia mivavaka mafy mba tsy hisy izany Armagedona sy ny Gidragidra final.
Dia manontany tena aho e fa inona marina ny fampianarana avy any am-piangonana sy toriteny.
refa tsy mivavaka ianao dia anao izany iza moa no voa mafy? ary ianareo aza minomino foana ny hoe 2012 sns... fa misy olona ve mahatakatra ny fisainan'Andriamanitra? An'Andriamanitra ny tany sy izay rehatra eo aminy ka tsy olona mihintsy ho hiteny hoe @ zao na amizao ny farany.MARO NY MPAMINANY SANDOKA ary matetika dia izy ireo no henoin'ny sasany izay maro ato amity lohahevitra ity. Mioreana ary miambena tsara fa tsy ampoizinareo ny andro hiavin'i Jesoa Kristy eny @ rahon'ny lanitra.
19. Fox40 ( 16/03/2011 09:16)

vale:

Io alerte io ange tsy midika fa io andro no andro farany e.
Milaza fontsiny io fa hisy horonhorontany goavana noho iny tany Japan iny
-------------------------------
mai j'ai cru entendre fa c la fin du monde ny 2012, de nisy reportage izay itako mampiseo le oul efa miomana ireny, manao logement sous les sols, etc, etc, manao provisions nourritures eaux...mdr!

Lagoon< tena mba mahagaga marina izany oul mandeha am-piangonana lalandava tsy mahalala ny voalazan'ny anaty baiboly izany, zà manokana ankoatry ny tam mbola kely mbola teo @ R&R, tsy mahavita mande ampiangonana lava, anefa miezaka mamaky sy mianatra ny baiboly ahalallàko ny ten amarina, satria samy manana ny version -ny dol, ny fantatro aou dia ny baiboly , ny coran, iny indray tsy fantatro fa ny hinoako sy fantatro h@ izao alou dia ny fisian'ny ilay ady antsoina hoe : HARAMAGEDONA, izay Ady ifanaovan'ny mpitondra fanjakan'ny tany, ny mpanao sciences , ary ireo olona marobe izay tsy maintsy hiady amin'izany amin'Andriamanitra.
Ametraka versets eto ihany za fa tsy tadidiko an-doha, mantsy, fa tena mahaliana ny mianatra ny voalaza ao anaty baiboly ao a!
O ry Lagoon a ny devoly koa ange ka mahay ny ao amin'ny Baiboly e sao ianao de isan'izany tena mampiheritreritra ny aminao.mba omeo hoe ny toko sy andininy misy ny momba io HARAMAGEDONA teneninao io anaty baiboly azafady, ary iza moa no tia ady sy maniry ny hisian'ny ady ? NY DEVOLY !!!!!!!
20. fafa75 ( 16/03/2011 09:20)
Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filana maro, mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
Ary tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina. II Timoty 3: 1-8
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0091