Hanomboka tsy ho ela @ izay ve i 2012?
41. vale
(
19/03/2011 00:22)
NY MPANDEFITRA NO HANDOVA NY TANY salamo 37, ka ho lo anao mankaiza?! MANAONAO FOANA IZANY NY OLONA REHEFA MANAO ILAY FIVAVAHANA HOE : Izaho mino, ny fitsanganan-ko velona...???. tsarovy fa i satana no mitondra izao tontolo izao ity, mbola afaka hanana fanantenana hiaina mandrakizay eto an-tany kosa anefa (aza ampidirana fanazavàna ara, tscientifique aloha zafady? SATRIA NY ARA-BAIBOLY NO AMBARAKO ETO SY IZAY HINOAKO !) ireo izay nanao ny sitrapon'Andriamanitra, hisy ihany kosa ireo izay ho faty mandrakizay, izay alefa any amin'ny toerana antsoina hoe GEHENA no misy azy ireo, toerana fanariana ny fatin'ireo olondratsy taloha io toerana antsoina hoe GEHENA io izay nalaina mba ho sariteny fa tsy hoe natsipy any ara-bakiteny tsy akory.
42. Miharena
(
19/03/2011 04:30)
Ilay endrika fitsanganan-ko velona no tiana tsindriana angamba fa tsy hoe tsy misy ny fitsanganan-ko velona.
Eo amin'ny famaritana ny hoe maty mihitsy no tokony hiverenana kely hoe rehefa mandao ny nofo ve dia maty? Ary tsy ampianarina ao anaty Baiboly ve ny fanahy sy fiainana mandrakizay sy ny hoe vovoka ny nofo ka hody vovoka? Raha ny Hindou no lazaina na ny fahendrena tatsinanana dia ny réincarnation no fahaveloman'ny fanahy ao anaty nofo vaovao koa mba azonao hazavaina hoe ahoana indray àry ny endrika hitsanganan'ny nofo efa lasa vovoka?
Eo amin'ny famaritana ny hoe maty mihitsy no tokony hiverenana kely hoe rehefa mandao ny nofo ve dia maty? Ary tsy ampianarina ao anaty Baiboly ve ny fanahy sy fiainana mandrakizay sy ny hoe vovoka ny nofo ka hody vovoka? Raha ny Hindou no lazaina na ny fahendrena tatsinanana dia ny réincarnation no fahaveloman'ny fanahy ao anaty nofo vaovao koa mba azonao hazavaina hoe ahoana indray àry ny endrika hitsanganan'ny nofo efa lasa vovoka?
43. AndriambyII
(
19/03/2011 23:20)
Miharena , na ny vovoka aza anie ka hiotrehan' ny fanahy hoy ny ntaolo ! Ny 99% ny fiainana dia avy @ vovoka daholo ( ny vovon- tany ).
44. AndriambyII
(
19/03/2011 23:31)
Mila manavaka ilay fitenenana hoe " vovoka ianao teo ampiandohana , ary vovoka no hiafaranao , ireo izay tonga @ toerana ho mpandalina sy mpikaroka ary mpanabe eto @ ity fiainana ity ! Mila mahatsapa fa novolavolain' Atra haka tahaka ny endriny isika , noho ny antony maro tsy ho fantasika raha tsy eo anoloan' ny vavahadim- paradisa .
45. Miharena
(
20/03/2011 04:27)
Andriambyll:
Mila manavaka ilay fitenenana hoe " vovoka ianao teo ampiandohana , ary vovoka no hiafaranao , ireo izay tonga @ toerana ho mpandalina sy mpikaroka ary mpanabe eto @ ity fiainana ity ! Mila mahatsapa fa novolavolain' Atra haka tahaka ny endriny isika , noho ny antony maro tsy ho fantasika raha tsy eo anoloan' ny vavahadim- paradisa .
Iombonako hevitra ity voalazanao ity saingy eo amin'ilay hoe vavahdim-paradisa dia tsy ho avy intsony no tokony hamaritana azy fa ankehitriny satria ny FO no vavahady ary efa ananatsika izany ka rehefa mampandroso AZY ao am-po na manana fahadiovam-po dia hiseho ho azy ny VoninahiNY ka hazava isika izay tonga amin'izany sehatra fototra izany. Izy ity dia tsy tadiavina ivelany na lavitra fa izay mbola mijery lavitra no mametraka efitra na kobona ao am-pony mampisaraka azy amin'ny Tompo.
46. rijadolly
(
21/03/2011 03:10)
Izy ity dia tsy tadiavina ivelany na lavitra fa izay mbola mijery lavitra no mametraka efitra na kobona ao am-pony mampisaraka azy amin'ny Tompo.
Inona ny vahaolana ho anay Miharena? Ahoana ny hatongavanay amin'izany Miharena? Iza izany Tompo izany Miharena?
47. Miharena
(
21/03/2011 05:24)
rijadolly - 21/03/2011 04:10
Citation
Izy ity dia tsy tadiavina ivelany na lavitra fa izay mbola mijery lavitra no mametraka efitra na kobona ao am-pony mampisaraka azy amin'ny Tompo.
Inona ny vahaolana ho anay Miharena? Ahoana ny hatongavanay amin'izany Miharena? Iza izany Tompo izany Miharena?
Iza izany Tompo izany hoy ianao? Izy ilay manome fofonaina anao, iainanao isanandro, mampitempo ny fonao, ao anatin"ny zava-drehetra IZY. Raha tsy IZY tsy mahefa na inona na inona ianao (na fahefanao manao tsara io na fahefanao manao ratsy). Izy no ambonin'ny zava-drehetra sy mpanompo ny zava-drehetra (Kristy nanasa ny tongotry ny mpianatra). Rehefa fantatrao izay dia fantatrao tsara IZY. Koa mila mahatsiaro tena fa IZY no miaina anatintsika sy ampiasaintsika noho ny fahamoram-poNY izay manatanteraka ny sitrapontsika rehetra tsy an-kanavaka.
48. Fox40
(
21/03/2011 06:50)
O ry Vale a mba vakio kely ange ny (I Koritiana 15 :50-58) ka tsindriko tsara mba ho dinihinao ny And 51-53 mba diniho tsara azafady. fa marina io voalazan'ny mpanao Salamo noteneninao io ary ahitsiko ny voalazanao fa hoy ny salamo 37: 9b hoe "izay miandry an`i Jehovah no handova ny tany" fa tsy io valazanao io dia mba vakio koa ny contexte manodidina azy fa aza mandray antendrony ny Tenin'Andriamanitra fa manjary madiso ny heviny. Ny Tompo anie homba anao
49. rijadolly
(
21/03/2011 15:38)
Miharena:
Koa mila mahatsiaro tena fa IZY no miaina anatintsika sy ampiasaintsika noho ny fahamoram-poNY izay manatanteraka ny sitrapontsika rehetra tsy an-kanavaka.
koa raha tsy mahatsiaro tena mihitsy izany ilay olona dia ahoana? ohatr'ilay iray teo an'ilan'Jesoa Kristy.
50. Miharena
(
21/03/2011 16:03)
Rijadolly:
koa raha tsy mahatsiaro tena mihitsy izany ilay olona dia ahoana? ohatr'ilay iray teo an'ilan'Jesoa Kristy.
Mazava fa tsy ho very izy satria izy aza izany tsy mahalala fa mandeha ho azy ko no!
Endrika fiainana iray no napetrany tamin'ny maha-nofo azy ka izay sisa tavela amin'ny fanahiny dia havotana araka ny fivoaran'ny fanahy aorian'ny fandaozana ny nofo izay hoy indray aho hoe adidin'Ilay Mpamorona fa tsy adidin'ny mpisoloky na olombelona io na ataontsika hoe anjely mivadika.
Fa eo ihany isika, ilay fanontanianao dia fametrak'ireo izay mihevotra fa tsy hisy lalan-kivoahana mihitsy ny mpanota tsy mibebaka.
Ny amin'ny fandravana tanteraka foto-pisainana iray manavaka ny tsy mitovy amin'ny tena no nalaina ohatra tao amin'ny Baiboly, ka asa na afaka hanana izany fomba fijery izany ny Kristiana na tsia, na mbola hivoy hatrany ny hoe very any amin'ny helo izay tsy mibebaka. Arakaraka ny fametrahana io resaka io manko no hitako mampihemotra ny olona heverina hampidirina ao am-bala.
Ilay resaka nataon'i Kristy momba ireo izay nilaza fa efa nandroaka devoly tamin'ny anarany sy nanompo azy hatrany anie dia manazava tsara fa tsy ireo milaza mahalalalala azy dia mpianany mahafatrapo, fa ny tsy mahalala na nikatsaka Azy aza dia raisiNY soa aman-tsara.
Fa na izany na tsy izany dia mahasarona ota maro ny FITIAVANA ka IZY no manana io.
Amiko ny famaritana toetra tonga lafatra omena an'i Kristy tsy tazonin'ny Kristiana ao am-po no mampisalasala azy ka mandrodana tanteraka ny zavatra inoany rehefa misy teny mifandika fotsiny resahan'ny mpitory ny Baiboly manao izay saim-pantany (izay manam-petra ihany) avy.
51. rijadolly
(
21/03/2011 16:41)
Miharena:
Mazava fa tsy ho very izy satria izy aza izany tsy mahalala fa mandeha ho azy ko no!
ary ahoana indray ilay nanaiky an'Jesoa Kristy?
Ary nahoana no nahafantarany an' Jesoa Kristy nefa tsy adinotsika fa samy nanota izy rolahy, ary samy hafa ny fanekena nataony an!
Miharena:
Fa eo ihany isika, ilay fanontanianao dia fametrak'ireo izay mihevotra fa tsy hisy lalan-kivoahana mihitsy ny mpanota tsy mibebaka.
Mba naka hevitra tamin'namako izay hande hody aho teo hoe: ahoana hoy aho ny hevitry se amin'ty hevitry ny namako ity, Dia hoy izy sady nihomehy hoe : ie! Misy lalan-kivoahana ny mpanota tsy mibebaka hoy izy, Taitra be koa aho, fa ahoana hoy aho, dia hoy izy, "MIBEBAKA KA!"
Miharena:
fa ny tsy mahalala na nikatsaka Azy aza dia raisiNY soa aman-tsara.
Izay ilay mangetaheta AZY, dia tena ho voky tokoa. Fa ny tsy mangetaheta, ??????
Miharena:
Ny amin'ny fandravana tanteraka foto-pisainana iray manavaka ny tsy mitovy amin'ny tena no nalaina ohatra tao amin'ny Baiboly, ka asa na afaka hanana izany fomba fijery izany ny Kristiana na tsia, na mbola hivoy hatrany ny hoe very any amin'ny helo izay tsy mibebaka.
Ny Fitiavana ny fahavalo amiko dia ny mivoy hatrany ary mampahafantatra azy ny Lalana tsy ahavery azy. Izay ny iray maha Kristianina amiko.
MATIO 12 : 1 Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema hianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy.2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.
Tsy izaho Miharena no nivoy an'io an! Nefa izao dia mino ny teniNY ary tsy handiso izay nolazaiNY fa manaiky tanteraka aho satria Lalana hitondra ahy izany.
Miharena:
Amiko ny famaritana toetra tonga lafatra omena an'i Kristy tsy tazonin'ny Kristiana ao am-po no mampisalasala azy ka mandrodana tanteraka ny zavatra inoany rehefa misy teny mifandika fotsiny resahan'ny mpitory ny Baiboly manao izay saim-pantany (izay manam-petra ihany) avy.
Tsy dia azoko ny tian'se tenenina eto,...
52. Miharena
(
22/03/2011 04:13)
Rijadolly:
ary ahoana indray ilay nanaiky an'Jesoa Kristy?
Ary nahoana no nahafantarany an' Jesoa Kristy nefa tsy adinotsika fa samy nanota izy rolahy, ary samy hafa ny fanekena nataony an!
Ilay resaka nataon'ilay iray dia hoe esory eto isika raha zanak'Andriamanitra marina Ianao (resaka ara-nofo be ilay izy), fa ny an'ilay iray indray dia nitsotra hoatry ny amalomaty izy fa mpanota ary efa nanantena ny fiainana any ankoatra. Ity resaka any ankoatra ity no novoizin'i Kristy ka izay tsy mahazo dia manao ny firesak'ilay voalohany fa izay mahazo kosa dia manao ny firesak'ilay faharoa. Ka asa na aiza amin'ireo ny sehatra misy ny kristiana ankehitriny.
Fa raha hiverina kely amin'ny hoe nankaiza ary ny fanahin'ilay iray faharoa io? dia hoy aho hoe niaraka niakatra tamin'ny fanahin'i Kristy sy ilay nanaiky izy. Ny tsy voatana tamin'ny fanahiny dia ny hevitra ara-nofo diso fa ny endrik'Andriamanitra tao aminy dia miverina amin'ny Ray.
Ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy ny Tompo ary haverinao amin'ny resaka nataon'i Kristy tamin'ny mpianany ilay izy: Ny fihatsarambelatsihy dia toetra ara-nofo ihany tao amin'ny fariseo izay mety mifindra toy ny aretina noho ny fahalemen'ny nofo. Io nofo io no nofantsihina tamin'ny hazo fijaliana ary karazany telo ireo nifantsika (telo izay mahafehy ny tian'Andriamanitra ahatongavana). dia Kristy naka endrika nofo, Nofo iray izay resy lahatra ary nofo iray izay nifikitra tamin'ny nofo nefa nampiharihariana fa tsy misy antony tokony hifikirana amin'ny nofo. Noho izany rehefa voafantsika izy telo ireo dia mazava fa samy hanana ny fahatsiarovan-tena lehibe avy satria acteurs napetraka hanao io scène io mihitsy tamin'io fotoana io ahafahana manao démonstration ny sitrapon'Andriamanitra.
Na I Jodasy Iskariota aza any an-danitra amiko raha Andriamanitra tsy manome fahefana feno ny Devoly koa Andriamanitra.
Matahora izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.
Lavalava ilay tsimpona notanisainao fa ny tapany voalohany dia mazava fa ity farany ity no tiako hasiana fanamarihina kely (sady mba azonao ahitsy kely angamba ny toko sy andininy fa mifanipaka kely, Lioka io fa tsy Matio).
Io resaka matahora io dia maromaro ihany ao anaty Baiboly raha mandray ny rohy Baiboly Malagasy ianao ka mitady io teny io. Ny heviny amiko dia hoe MAHATSIAROVA fa tsy ny hoe MATAHORA. Ary ny amin'ny hoe manam-pahefana hanary amin'ny helo, dia hoy aho hoe manam-pahefana hanary ny fikasanao (tsy ankasitrahaNY) rehefa novonoiNY io fikasanao io.
Amiko tokony horaisina amin'io endrika fanadiovana tanteraka ny VoariNY = FofonaiNY io ny fandraisana ny Tenin'Andriamanitra fa tsy fampitahorana na fampihorohoroana. Ary mametraka oha-piainana maro Izy amin'ny alalan'ny VOARNY AVY IHANY IZAY SAMY MANANA NY TOETRANY (tsara na ratsy araka ny fijerin'olombelona fa mampandroso kosa araka ny fijerin'Andriamanitra).
Raha ny lasa dia fakana lesona fa ny mandrakizay aposaka ankehitriny no tokony hotazonina hatrany.
53. rijadolly
(
22/03/2011 15:55)
Hazon'ny miharena ve ny tsy hifanarahan'Ny hevitsika Mianadahy? Andao atao loha hevitra iray vaovao Mihitsy mba ahazoan' hafa maneho ny heviny sy manamarina ny hevitsika mba ahazava bebe kokoa amiko sy ny hafa
54. Miharena
(
22/03/2011 16:25)
Rijadolly, tsy dia hoe adihevitra loatra angamba no resahantsika eto fa fiezahana famaliana fanontaniana izay mety mibosesika ao aminao, na ao amin'ny hafa ihany koa. Asa na mahazo lesona izay mamaky na tsia fa irina ny hahazoana lesona sy hampitombo.
55. varygasy
(
24/03/2011 18:41)
Miala any koa ny crack boursier international,hitontongana sy hitrifana amin'ny tany koa ny kapitalisma.
Famonjena sy fanavotana lehibe ho an'ireo vahoaka marobe mijaly eto an-tany izao fandehan'ny tantara izao
Na hisy aza izany crack boursier international lazainao izany dia tokony hofantatrao fa "ankarabato mamonjy tsena hono izy ity ka ny aloha aloha ihany".
Ry zareo maitre du monde ve dia hanainky ho lasanao vola fotsiny eo na ny sahala @izany.Izy indray aza no mety hahita tombotsoa voalohany @izany.Tokony hofantatrao fa izy no nikirakira ny infomatique talohantsika ary eo ampelatanany ny fitaovana rehetra momba izany ny satellite sns.
raha resaka fikirakirana vola @ alalan'ny informatique sy ny puce electronique no resahina dia voany isika ,satria tarehimarika fitsiny no lalaoviny eo fa tsy ilainy antom-bola "lelavola"akory izany,dia milaza izy fa mpanambolabe manerantany sy ny sahala amin'izany.
Tsy hotratra izy é,hevitra hafa tadiavina dia mahasongona azy fa tsy ny basiny no hitifirana azy .Izy no namorona iny ka hainy ny miala iny.
56. Miharena
(
25/03/2011 19:07)
Amko indray io resak'i Bor2lais sy Varygasy io dia fausse valeur. Satria ny tena valeur dia tsy ny vola na fananana fa ny Fahendrena sy iadanam-po. Rehefa io no mipetraka, na mahantra ara-materialy aza dia mazava fa manan-karena noho izay nihary be dia be.
Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hiazakazaka hanatratra azy nihary fananana materialy fa hiezaka hitombo amin'izay eo am-pelatanana ary manana fiadanam-po maharitra.
Hitako ho betsaka manko no ho tapaka lalan-drà amin'ity resaka crash borsier ity satria diso mikatsaka zavatra ivelany fa ny ao anatiny (fandinihan-tena) tsy hitany.
Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hiazakazaka hanatratra azy nihary fananana materialy fa hiezaka hitombo amin'izay eo am-pelatanana ary manana fiadanam-po maharitra.
Hitako ho betsaka manko no ho tapaka lalan-drà amin'ity resaka crash borsier ity satria diso mikatsaka zavatra ivelany fa ny ao anatiny (fandinihan-tena) tsy hitany.
