FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?

1. RBNIR ( 11/03/2011 06:54)
FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA? HO VONJENA AMIN'INONA TOKOA MOA NY OLONA?? MANINONA RAHA MIJANONA AMIN'IZAO FA TSY MITADY NA HANDRAY IZANY FAMONJENA IZANY??
TOETSAINA MANAO AHOANA TOKOA MOA NO TAKIAN'ANDRIAMANITRA AMIN-TSIKA IZAY TE HOVONJENA MARINA??

Samy ho tahian'ny Tompo anie isika rehetra
novalian'i Miharena ny 04/04/2011 14:36
2. lagoon ( 11/03/2011 18:13)
144000 no ho voavonjy hoy ny Baiboly.

mazava ho azy ny compte e!!
3. rijadolly ( 11/03/2011 19:16)

FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?

Natokana ho an'izay mila vonjy.

HO VONJENA AMIN'INONA TOKOA MOA NY OLONA??

MARKA 2: 17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

MANINONA RAHA MIJANONA AMIN'IZAO FA TSY MITADY NA HANDRAY IZANY FAMONJENA IZANY??

HIHIHIHIHIHI! Ny mpanamarin-tena no tsy mila famonjena. Mihevitra ny tenany ho tonga lafatra.

TOETSAINA MANAO AHOANA TOKOA MOA NO TAKIAN'ANDRIAMANITRA AMIN-TSIKA IZAY TE HOVONJENA MARINA??

Toe-tsaina vonon-kandresy ny fahavalon'Andriamanitra.Manantateraka ny sitrapoNy.
4. vale ( 13/03/2011 17:28)

lagoon:

144000 no ho voavonjy hoy ny Baiboly.

mazava ho azy ny compte e!!

-----------------------------
Lagoon> tandremo, fa tsy :144000 ihany no ho voavonjy akory, fa IREO no isan'ireo izay voatokana hiaraka amin'i Jesoa kristy hanorina na hitantana ny fanjakan'Andriamanitra.

Ny olon-drehetra kosa anefa, dia afaka manana fanantenana ny ho amin'ny fitsanganana amin'ny maty, izay efa fantatsika fa: ireo izay nanao ny sitrapon'A/tra izany, ary koa ireo izay tsy mba nahalala na nahampahafantarina ny sitrapon'Andriamanitra, mbola afaka hanana chance ho amin'ny fitsanganana koa izy ireo, ary hisy ARIVO ( 1000 ans) taona indray hahampahafantarana azy ireo ny sitrapon'Andriamanitra. Ao anaty baiboly avokoa izany.
Ireo izay ho faty mandrakizay kosa, dia ireo izay nahalala anefa ninia tsy nanao ny sitrapony.
tandremo, Aza afangaro. :)
5. vale ( 13/03/2011 17:34)

RBNIR:

FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA? HO VONJENA AMIN'INONA TOKOA MOA NY OLONA?? MANINONA RAHA MIJANONA AMIN'IZAO FA TSY MITADY NA HANDRAY IZANY FAMONJENA IZANY??
TOETSAINA MANAO AHOANA TOKOA MOA NO TAKIAN'ANDRIAMANITRA AMIN-TSIKA IZAY TE HOVONJENA MARINA??

Samy ho tahian'ny Tompo anie isika rehetra

-----------------------------

*Ny atao hoe, famonjena, dia ny hahafaka antsika amin'ny fahafatesana izay nolovaina tamin'i Adama sy Eva, rehefa nandika ny didin'Atra izy ireo (dia ny fiainana mandrakizay izany, izay efa azo antoka fa ho azontsika rehefa nanolo-tena natao sorona hanasa antsika indray amin'ny fahotàna tamin'ny fototra i Jesoa kristy).

*Mijanona na tsia hoy ianao: io indray dia samy manana izay safidiny avokoa.

*Ny toe-tsaina takian'Andriamanitra dia toe-tsaina matahotra azy, izany hoe mitandrina ny didiny sy mankatoa azy.
6. RBNIR ( 14/03/2011 07:55)
vale:

*Ny toe-tsaina takian'Andriamanitra dia toe-tsaina matahotra azy, izany hoe mitandrina ny didiny sy mankatoa azy.


Tena marina mihitsy izany ry vale, mila matahotra Azy tokoa isika ary mila mitandrina ny didiny.
Ary izao koa, isika v rehefa nandre ilay teny famonjena atolotra an-tsika, moa v mba efa nametraka ity fanontaniana ity? Fanontaniana izay napetrak’ireo olona marobe eto ambany raha vao nandre ilay teny famonjena izy : "Inona ny ataoko mba hovonjena aho"?
Jereo angeh fa io no fanontaniana io avokoa no napetrak'ireto olona ireto raha vao nandre ny teny Famonjena izy e:
« Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? » (Asan'ny Apostoly 16:30)
« Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hœ: inona ary no hataonay? » (Lioka 3:10)
« Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hÅ“: Mpampianatra ô, inona no hataonay? » (Lioka 3:12)
« Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hœ: Ary inona kosa no mba hataonay? …... » (Lioka 3:14)

Ny valiny v hoy ianao??? Vakio ny Mat.7:21 « Tsy izay rehetra manao amiko hœ: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21) .
Eny, tsara ny manao Azy hoe Tompoko satria marina tokoa fa dia Tompo Izy, nefa tsy ampy izay arak'izay voasoratra ao, fa mila mianatra sy manao ny sitrapon'Andriamanitra ihany koa isika.
Rehefa mahatsapa isika manantanteraka io sitrapon’Andriamanitra io dia tanteraka amin-tsika marina tokoa ilay famonjena.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.
7. Miharena ( 14/03/2011 15:08)
Efa ela no nitadiavana ny famaliana ny fanontaniana apetraky ny lohahevitra eto fa ny mahagaga dia tsy misy mahazo valiny mahafa-po loatra ka sao dia faut problème aza ny fanontaniana?

Ny olona mametraka an'Andriamanitra ho lavitra azy no mametraka io fanontaniana io amiko ka raha mamaly Kristy ny hoe handondona ny fontsika dia ny hiditra ao anatintsika izany no heviNY. Tsy mitombina intsony ny fanontaniana rehefa nampidirina ao am-po Kristy satria Andriamanitra Velona ao anatintsika IZY. Dia izay angamba no mamaly io fanontaniana io kokoa fa ny kitsimpona manalavitra ny Tompo dia mahavery ihany fa tandremo.
Misy zavatra tsotra izay tokony hotazonina mandrakariva eo amin'ny foto-pisainana mba tsy handavahana any amin'ny tsy izy ny hevitr'Andriamanitra nentin"i Kristy.
8. rijadolly ( 14/03/2011 18:09)

Ny olona mametraka an'Andriamanitra ho lavitra azy no mametraka io fanontaniana io amiko

Marina tokoa izany hevitry Miharena izany. Misy tokoa ny olona izay mametraka an'Andriamanitra tsy hiara-dia aminy. Noho ireo olona ireo anefa dia tsy maintsy apetraka ho hita ihany ireo Fanontaniana ireo satria tsy mazava aminy na tsy miampita any aminy ilay hevitra. Mino aho fa tsy i RBNIR izay nametraka ilay fanontaniana akory no mila valiny fa izay manana hevitra manjavozavo izay ao anatiny ka manakana azy tsy hiroso, na ho diso lalana. Izay ilay forum, Milaza ny hevitro aho ahitsin' Miharena raha diso ny hevitro sy ny fitondrako ny Finoako. Izaho manoka izao dia miandry an'i RBNIR hanitsy ahy satria fantatro fa manana hevitra tsara izy matoa manao io Loha hevitra io. Izay no antony tsy hanekeko ilay hoe " faut problème" ilay mipetraka.

ka raha mamaly Kristy ny hoe handondona ny fontsika dia ny hiditra ao anatintsika izany no heviNY. Tsy mitombina intsony ny fanontaniana rehefa nampidirina ao am-po Kristy satria Andriamanitra Velona ao anatintsika IZY.

Izay mantsy, raha nampidirina ao am-po Kristy. Mitombina indray anefa ilay izy ho an'ireo izay tsy nandray an' Kristy. Izay no nahatonga ilay Kitsipona nataoko eo ambony hoe: MARKA 2: 17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

fa ny kitsimpona manalavitra ny Tompo dia mahavery ihany fa tandremo.

Miray hevitra tanteraka
9. vale ( 14/03/2011 22:07)

Miharena:

Efa ela no nitadiavana ny famaliana ny fanontaniana apetraky ny lohahevitra eto fa ny mahagaga dia tsy misy mahazo valiny mahafa-po loatra ka sao dia faut problème aza ny fanontaniana?

Ny olona mametraka an'Andriamanitra ho lavitra azy no mametraka io fanontaniana io amiko ka raha mamaly Kristy ny hoe handondona ny fontsika dia ny hiditra ao anatintsika izany no heviNY. Tsy mitombina intsony ny fanontaniana rehefa nampidirina ao am-po Kristy satria Andriamanitra Velona ao anatintsika IZY. Dia izay angamba no mamaly io fanontaniana io kokoa fa ny kitsimpona manalavitra ny Tompo dia mahavery ihany fa tandremo.
Misy zavatra tsotra izay tokony hotazonina mandrakariva eo amin'ny foto-pisainana mba tsy handavahana any amin'ny tsy izy ny hevitr'Andriamanitra nentin"i Kristy.


Ny fahitàko ny zavatra voalazan'i Miharena eto dia resaka fandraisana an'i Jesoa kristy ao am-po, aoka tsy atao arabakinteny izy io, fa ny tian'i Kristy hampitaina amin'izany dia ny fanekena azy ho Mpamonjy sy ny finoana ny maha-zanak'Atra azy, fa tsy hoe mitoetra ao am-pon'ny tsirairay ankory izy, io ohatry ny oe misy olntina iray dia lasa mitoetra ao ampo ny anarany sy mombamomba na fahatsiarovana ilay olontiana, fa tsy hoe ny fanahin'ilay olona no lasa tafiditra ao ampo. Asa na tafita ny tiako hazavaina eto aloha.
faharoa mbola mamaly ny fanontaniana mikasika ny famonjena indray izay napetraka ho lohatenin'ny dinika :
Nampanantena i Jesosy fa homena "fiainana mandrakizay " (io ilay famonjena), ny olona ankasitrahan'Andriamanitra, ao amin'ny tontolo vaovao ho avy. (marc10:30)
Ny tsy maintsy ataontsika kosa mba hiainana mandrakizay dia vakio: Jean3:16 et Jean17:3...Mazotoa hatrany!
10. RBNIR ( 15/03/2011 07:04)
Miharena:

Ny olona mametraka an'Andriamanitra ho lavitra azy no mametraka io fanontaniana io amiko


Faly miarahaba an-tsika rehetra indray,

Mino marina v i Miharena fa olona efa akaiky an'Andriamanitra avokoa (100%) ny mamaky ity dinika ity?

Samy ho tahin'ny Tompo
11. RBNIR ( 15/03/2011 07:32)
vale:

Nampanantena i Jesosy fa homena "fiainana mandrakizay " (io ilay famonjena), ny olona ankasitrahan'Andriamanitra, ao amin'ny tontolo vaovao ho avy. (marc10:30)
Ny tsy maintsy ataontsika kosa mba hiainana mandrakizay dia vakio: Jean3:16 et Jean17:3...Mazotoa hatrany!

Hohamafisiko kely fotsiny vale raha sitrakao.
« Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. » (Jaona 17:3)
Ilay hoe mahafantatra Anao (na hoe mahalala an'Andriamanitra) no tiako hamafisina kely « Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. » (1 Jaona 2:3)

Samy ho tahin'ny Tompo indray isika rehetra.
12. Miharena ( 15/03/2011 12:01)
RBNIR:

Mino marina v i Miharena fa olona efa akaiky an'Andriamanitra avokoa (100%) ny mamaky ity dinika ity?



Andriamanitra dia efa tao am(pontsika hatrizay hatrizay fa isika no tsy mifoha mahalala izany. Io ilay hoe Ny Fisainan'ny Tompo tsy fisainantsika satria isika dia minia ny tsy hihaino AZY ao anatintsika.
13. RBNIR ( 15/03/2011 12:30)
[/quote]
Andriamanitra dia efa tao am(pontsika hatrizay hatrizay fa isika no tsy mifoha mahalala izany. Io ilay hoe Ny Fisainan'ny Tompo tsy fisainantsika satria isika dia minia ny tsy hihaino AZY ao anatintsika.
[/quote]
Mba tsara ihany kosa raha asiana kitsipona ilay izy satria ny Tenin'Andriamanitra anie ny tokony ho fiorenan'ny finoan-tsika e, mba ialan-tsika amin'ilay hoe fihevotro na fihevitrao fa aleo mba ny fihevitriny Tompo no hiraisana e!
Sa ts'izany????

Samy ho tahin'ny Tompo indray
14. Miharena ( 15/03/2011 16:11)
RBNIR, raha kitsimpona dia tokana ihany no fototry ny finoana dia io Jaona 17:3 io. Tsy ampiana, tsy analàna izy io. Ary tsy ny fanindrahindrana no tian'ny Tompo ambara amin'io fa firesahana mivantana amin'ny olona izay Fofon'AINY. Ilay maha-IRAY, Tokana sady Marina Azy, ary mampiray antsika ao amin'i Kristy no tiana ambara ka asa na lavitra izany na ao anatintsika rehefa miaiky isika fa mahalala AZY izay manerana izao rehetra izao sy manome aina izao rehetra izao.
15. AndriambyII ( 15/03/2011 22:04)
Lafatra foana ny teny avy @ avo , na iza isika na iza maheno izany . Tadidio koa Rabnir fa araka ny hafatr' i Abrahama dia saro-takarina ny akon' ny Avo !
Ka sao dia manao houa houa be fahatany tsy nahatsapa ny hafatra napetrany isika fa entimpo be fahatany . @ anaran' ny Ray sy Zanaka , ary ny Fanahy Masina ! Ho tonga ny fahefan' ny lanitra ! Amen .
16. vale ( 15/03/2011 23:51)
« Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. » (1 Jaona 2:3)
---------------
miombon-kevitra za, RBNR!
17. Miharena ( 16/03/2011 03:09)
Eo amin'ilay DIDY angamba no asiako tsindry kely dia ilay didim-pitiavana mampiray izay mandray ny resaka Jaona 17:3 ihany.

Samy hobitsihin'ny Tompo izany anie ny fontsika tsirairay avy! Amen
18. rijadolly ( 16/03/2011 04:36)
Ataon' Tompo ahoana ary aho Miharena raha hobitsihiNy nefa zao tsy handray? ny ataoko ihany ny ataoko...
19. RBNIR ( 16/03/2011 05:08)
AndriambyII:

Lafatra foana ny teny avy @ avo , na iza isika na iza maheno izany . Tadidio koa Rabnir fa araka ny hafatr' i Abrahama dia saro-takarina ny akon' ny Avo !

Faly miarahaba Andriambyll,
"Lafatra foana" : tena marina izany,
"ny hafatr' i Abrahama dia saro-takarina ny akon' ny Avo " ilay otran'izay mihitsy ange Andriambyll no tokony mba ampiharahana amin'ny Tenin'Andriamanitra e! ny baiboly anie ka pejy anarivony e, ny fahalalana nampahafantarina an'iAndriambyll tsy voatery nampahafantarina ahy, ary otran'izany koa ny fahalalana nampahafantarina ahy tsy voatery ho nampahafantarina an'ny sasany, koa mba ialana amin'ny mety ho fisalasalana hoe ara-baiboly marina v izany hevitra atolotra izany dia tsara foana mba entina hoy aho ny Tenin'Andriamanitra izay hijoron'iny Finoantsika iny.
Amin'izay hoy aho mba ny fihevitr'Andriamanitra no hiraisana fa tsy hoe ny fihevitro na ny fihevitrao.
Sa tsy marina izany teniko izany????

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika e!
20. Fox40 ( 16/03/2011 09:42)
aza miteniteny foana ry Lagoon a aiza ny toko sy andininy manambara fa 144000 ny olona voavonjy. ialaho ny fampianaran'diso e, sa ianao manana baiboly nosarotanao kosa angamba @ maha mpaminany sadoka anao. MITANDREMA ISIKA MPINO FA ARETIMANDOZA HOAN'NY FANAHATSIKA ITY LAGOON ITY tena mazava ny momba azy @ firesany eto.Mampalahelo ianao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799