FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?

21. RBNIR ( 16/03/2011 09:53)
[quote=rijadolly]
Izaho manoka izao dia miandry an'i RBNIR hanitsy ahy satria fantatro fa manana hevitra tsara izy matoa manao io Loha hevitra io. Izay no antony tsy hanekeko ilay hoe " faut problème" ilay mipetraka.
[quote]
Faly miarahaba rijadolly,
Hoy ianao hoe "miandry an'i RBNIR hanitsy ahy".
rijadolly, ny tenako manokana dia nahatsapa ity raha vao nanolotena ho an'Andriamanitra. Raha ohatra ka misy olona iray izay tonga mitondra Teny aminao, indrindra indrindra fa teny avy ao amin'ny soratra masina mazava tsara no entiny, dia aleo tsy miheritreritra mihitsy ilay olona eo anoloanao fa aleo tonga dia heverina hoe Andriamanitra mihitsy no nitondra iny Teny iny ho anao. Aleo mihitsy dia tsinotsinoavina toy ny tsy misy ilay olona fa aleo miheritreritra hoe Andriamanitra no te hiresaka aminao.
Andriamanitra irery ihany no afaka mamantatra ny any ampon'ny tsirairay avy, koa raha mandona ny fonao ny teny dia aoka hiaiky avy hatrany fa Izy no miteny ho anao,
rijadolly, ny tenako (izay olona mitovy aminao ihany ary mety ho tsinotsinona akory aza ngamba noho ianao raha eo imason'Andriamanitra no jerena) dia tsy mahay manitsy olona na oviana na oviana. Fa raha tahiny ka nanitsy anao ireny Tenin'Andriamanitra nozaraina teto ireny ny Tompo irery ihany homena voninahitra.
Azy irery anie ny DERA, NY LAZA ARY NY VONINAHITRA MANDRAK'IZAY,

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.
22. Miharena ( 16/03/2011 13:53)
rijadolly:

Ataon' Tompo ahoana ary aho Miharena raha hobitsihiNy nefa zao tsy handray? ny ataoko ihany ny ataoko...

Efa voariNY ianao raha mbola tsy notorontoronina tao an-kibon-dreninao noho izany dia miverina Aminy ihany ianao na hanaraka izay bitsihiNY na tsia. Ny toerana mety hisy izay tsy mahazo ny zavatra tsotra momba ny fahariana no tsy maintsy hisy fitaizana manokana ho azy rehefa tonga amin'ny endrika maha-fanahy azy izy, izany hoe rehefa mandao ny nofony ka mivelatra tsy hanam-petra kokoa ny fahatsapany rehetra.
23. rijadolly ( 16/03/2011 15:32)
RBNIR>>>> Marina ny tenin'se ary mazava tsara fa tokony Andriamanitra no heritreretina hoe miteny aminao raha misy manolo-kevitra tsara. Noho izay indriçndra anefa no antony hiandrasako hevitra avy any amin'MpanompoNY, fantatro ary voaraiko mora fotsiny ilay izy amin'izay satria iny mpanompoNY iny no ataony fitaovana hanazava ahy ilay tsy voaraiko. Mifanohana eny ny mpino RBNIR, ary tsy avelatsika ny tsy mino no hitsara izay solafaka fa isika samitsika izay manam-panahy no manarina azy.
Rijadolly:

Ataon' Tompo ahoana ary aho Miharena raha hobitsihiNy nefa zao tsy handray? ny ataoko ihany ny ataoko...

Efa voariNY ianao raha mbola tsy notorontoronina tao an-kibon-dreninao noho izany dia miverina Aminy ihany ianao na hanaraka izay bitsihiNY na tsia. Ny toerana mety hisy izay tsy mahazo ny zavatra tsotra momba ny fahariana no tsy maintsy hisy fitaizana manokana ho azy rehefa tonga amin'ny endrika maha-fanahy azy izy, izany hoe rehefa mandao ny nofony ka mivelatra tsy hanam-petra kokoa ny fahatsapany rehetra.

Miharena>>>> Efa ela mihitsy izy ty no tsy mazava na tsy voaraiko tany amin'se mihitsy, na koa misy hevitra voarahiko izay mibahana tsy hanaiky ilay hevitrao.
Ny tsy azoko hatramin'izay mantsy Miharena dia ilay hoe na nandaha an' Kristy aza ve aho dia mbola ho voavonjy ihany rehefa tonga ilay Fotoana nolazain' Kristy? nefa dia tsy nanaiky hatramin'farany aho fa hoe ahavonjy izany Kristy izany,sady ilay fotoana efa nifarana an!
Ahoana ny hanazavanao ny saiko amin'izay hevitro izay Miharena, satria mantsy, tsy manana tombony mihitsy izany ny mino raha mihoatra ny tsy mino fa samy mahazo ilay Amboara Satro-boninahitra avokoa.
24. Miharena ( 16/03/2011 16:57)

Tsara fipetraka ny fanontanianao ary azo valiana tsara koa anefa. Raha Andriamanitra sy Ksity mampahafantatra Azy no misy ary manana Fitiavana mandrakizay io Andriamanitra io dia ianao voariNY anefa, na mandà Azy aza dia hahafoana ny Fitiavany mandrakizay anao ve izany? Io toy ilay zanaka adala, na dia efa nandao an-drainy tamin'ny fahadalàna aza dia voaray hatrany rehefa tonga saina.
Eo ami'nilay hoe fe-potoana lazainao, dia tsy manam-petra ny Ray be famindram-po ka na hiala aza ny fofonainao dia hiverina Aminy ihany dia holaviny ve nefa fofonaiNY rahateo?
Ny momba ny satro-boninahitra lazainao, I Kristy mihitsy no miteny hoe ny voalohny no ho farany ary ny farany no ho voalohany. Izay manetry tena no hasandratra ary izay manandra-tena no haetry. Izay mamonjy ny ainy no ho very ary izay mamery ny ainy hamonjy ny rahalahiny no hahazo azy. Midika ireo rehetra ireo fa ny Fihevitr'Andriamanitra dia tsy fihevitsika ka hilazantsika fa isika krisitianina ihany no ho voavonjy. ka raha satroboninahitra no tadiavina any an-danitra dia mahantra indrindra isika satria Fiadanana no sarobidy kokoa noho ny satro-boninahitra.
25. rijadolly ( 16/03/2011 19:09)
Heveriko fa tsy HS kosa angamba ity resatsika ity Miharena ô? Satria mantsy resaka FAMONJENA
Ok!

Tonga dia any amin'ilay Satroboninahitra aloha no ahitsiko kely fotsiny Miharena. Tsy ilay ety an-tany ny tiako lazaina amin'io fa ilay any an-danitra. Satria mantsy raha ny ety an-tany dia manaiky aho fa faran'izay mahatra indrindra isika raha izay no antony antenaitsika an' Kristy I KORINTIANA 15: 19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.

JAKOBA 1 : 12 Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
APOKALYPSY 2: 10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.

Hitan'Miharena io ambony io izay nataoko gras hoe "Homena izay tia AZY"? Izay ilay safidy izay tsy afaka ato an-tsaiko ka tsy aneko ilay voalazanao ka nahatonga ahy nandika be fahatany ilay hevitrao hoe: samy voavonjy ve izany na ny nanaiky an' Kristy na ireo izay tsy nanaiky an'Kristy?

Eo ami'nilay hoe fe-potoana lazainao, dia tsy manam-petra ny Ray be famindram-po ka na hiala aza ny fofonainao dia hiverina Aminy ihany dia holaviny ve nefa fofonaiNY rahateo?

Raha amiko manokana aloha Miharena dia tsy hiditra lalina araka ny teninao aho hoe izahay mino na isika mino ihany no tsy maintsy voavonjy fa nareo atsy na izahay aty dia very, an'Andriamanitra ny Fitsarana Farany, ary manaiky aho fa misy ny ho hamarinina, nefa kosa aleo tsy nahalala toy izay nahafantatra nefa... hazonao ny tohiny.Ahoana hoy ao amin' Jakoba izay, samy hafa ny vaikan'fitsarana ho an'tsirairay. Raha iverenako ilay hoe RAY be Famindram-po dia izao ny hevitro: Araka ilay lazainao ihany io dia ilay ohatra amin'zanaka adala, tsy misy amiko ny Famindram-po raha tsy misy ny fiaiken-keloka.Izay midika Fanekena na Finoana Ilay Mpamonjy. Noho izany dia tsy midika Fotoana ilay "TSY MANAPETRA" raha eo amin' Famindram-po fa midika Famoram-po.

Ny tena mbola tsy mazava amiko izany raha izay hevitro izay no dinihiko dia ny hoe aiza ny fihavahana manokana ho an'ny mpino sy ny tsy mino an'Jesoa Kristy.
26. Miharena ( 16/03/2011 19:18)

Ny tena mbola tsy mazava amiko izany raha izay hevitro izay no dinihiko dia ny hoe aiza ny fihavahana manokana ho an'ny mpino sy ny tsy mino an'Jesoa Kristy.

Ity angamba no azo hazavaina kely, mazava fa fitiavana tsy manam-petra no ananan'ny Ray ka amiko tsy misy fanavahana eo AMINY fa ny toe-tsain'ny olona tsirairay no miavaka. Isika dia mety manantena fa mierim-pitia amin'Andriamanitra. Izy anefa dia tsy manana io Fitiavana tys manam-petra sy tsy misy fepetra io, noho izany izay te-hahazo be kokoa tsy hahazo afa-tsy izay refesin'ny sainy ho betsaka aminy fa amin'Andriamanitra izany dia tsy manam-petra ary mandrakizay.
Ka ny mampiavaka ny ora tonta dia tsy misy satria samy manana ny toe-tsaina araka ny hiheverany azy avy izy izay manam-petra ihany.
27. niryna ( 17/03/2011 03:50)
rijadolly:

Ataon' Tompo ahoana ary aho Miharena raha hobitsihiNy nefa zao tsy handray? ny ataoko ihany ny ataoko...

Miharena:

Efa voariNY ianao raha mbola tsy notorontoronina tao an-kibon-dreninao noho izany dia miverina Aminy ihany ianao na hanaraka izay bitsihiNY na tsia.

Andriamanitra no nanome ny fofon'aina ho antsika ary dia miverina aminy ihany izany fofon'aina izany.Vovoko no niaviantsika ary hiverina ho vovoka isika.Izao no fitadidiako azy
Naninona ny anjely sasany no niaraka an'i losifera ? satria nomena safidy.Nomena safidy avokoa isika rehetra na hino azy na tsy hino azy,sa tsy izay.Notiaviny isika rehetra na nino azy na tsy nino azy(Andriamanitra io an,ilay namorona izao tontolo izao).Maro mantsy ny olona miantsoantso an'Atra na miantsoantso an'i kristy satria maheno ny kristiana miantso izy saingy rehefa anontaniana izy ireo hoe iza izany antsoinao izany dia hoe ilay andriamanitra any ambony any,tsy fantatro fa ny fantatro fotsiny hoy izy ireo dia misy izy ary dia hatreo ihany.Oh my God! Jesus!
Dia averiko indray ,nomeny safidy isika na anaraka azy na tsia,safidin'ny tsirairay io ary tsy vizaka izay mahalala ny asa mahagaga nataon'Atra tamin'ny fiainany mizara izany saingy anjaran'ny tsirairay io hoy aho.
Nomeny ny Zanany lahitokana hamonjy izao tontolo izao ary dia efa tsy misy izay tsy mahalala izany angamba isika ( Jaona 3:16) ary mitohy ihany fa ho an'izay rehetra mino Azy izany fa izay tsy mino kosa dia hoheloina hoy ny tenin'Atra.
Dia mazava ho azy izany fa misy ny tsy mino ary misy ny mino ka mila mitandrina tsara isika rehefa mizara ny tenin'Atra mba tsy hizara vilana fa manjary mandiso fanantenana olona .misaotra tompoko
[quote]
Ny toerana mety hisy izay tsy mahazo ny zavatra tsotra momba ny fahariana no tsy maintsy hisy fitaizana manokana ho azy rehefa tonga amin'ny endrika maha-fanahy azy izy,
izany hoe rehefa mandao ny nofony ka mivelatra tsy hanam-petra kokoa ny fahatsapany rehetra.
inona tsara hoe izany lazainao ? anjekaky o iza no nampianatra anao an'izany? finoana inona no milaza izany?
mandehana amin'izao tontolo izao ka mitoria ny filazantsara hoy ny Tompo( mbola velona izany ny olona no nasainy nitory an,noho izany tsy hisy ary tsy nisy maty izany hisy fitaizana manokana odrry misy very any amin'ny katesizy ato izany k'le (hialana tsiny fa dia fomba fiteny io fa tsy hoe manao tsinotsinona ny hafa aho fa hifonako an)
Raha toa ka tsy dia mahafantatra ny tenin'Atra dia tsara angamba ny manontanintany toa izay manoro vohana ny olona ,azafady indrindra e.
28. Miharena ( 17/03/2011 14:56)
Araka ny voalazan'i Niryna eo ambony dia tokony hahitsy tsara aloha angamba ny fomba fandraisana ny Teny ao amin'ny Baiboly fa tsy mizarazara fotsiny tsy manazava tsara araka ny fahatsoram-po.

Ny feon'ny fieritreretana dia efa napetraka tao amin'ny olombelona araka ny mahavoari'n'Andriamanitra azy ary voalazanao Niryna fa miverina Aminy ny fofon'aiNY fa tsy very eny anebakebany eny ary tsy havelaNY ho very satria raha Izy Andriamntira koa no manerana izao rehetra izao dia tsy hisy hataony very na ny vitsika nohariaNY aza!!! Ny vovoka no mivadika ho zezika fa ny Fofon'Aina=fanahi'Andriamantra tsy ho faty velively.

Raha miteny ianao hoe inona no lazaiko nataonao menamena sy voatsipika tsara eo ambony dia hoy aho hoe izao mihitsy no fahazoako ny filazan'i Kristy hoe "ao antranon'ny Raiko dia misy fitoerana maro sy ny hoe "handeha aho ka hanamboatra fitoerana ho anareo". Inona ary ireo toerana ireo aminao? toeram-pitaizana sa toerana hilasilasiana??

hoy aho:

izany hoe rehefa mandao ny nofony ka mivelatra tsy hanam-petra kokoa ny fahatsapany rehetra.

Io teny io dia manambara ny fiovan'ny toetra rehefa tsy voafonon'ny nofo ny fanahin'ny olona iray ka asa na mampianatra zavatra tsy takatry ny saina aho milaza izany. Isika dia handao ny nofontsika avy araka ny fotoanany avy fa tsy tokony hanonofy ary hotsenain'ireo izay mpiandraikitra napetrak'Andriamanitra any amin'ny sehatra izay ahafahantsika tsy hanana fahoriana noho izay fandaozana nofo izay, koa raha olona niraikitra be ara-nofo izy dia manana ny anjaran-toerany alohan'ny hidirany amin'ny fahalalana tanteraka ny tena maha-izy azy dia ilay "tena fanahy" nataon'Andriamanitra ho azy izany.

Raha sendra misy diso dia mba ahitsiho araka ny kitsimpona ataonao Niryna ireo resaka ireo, dia mba manazava indray aho aloha arakaraky ny Teny voatsimponao fa mety hitombo ihany ny fahalalako ampuanao.

Misaotra betsaka Niryna

29. vale ( 17/03/2011 15:43)
Miharena> :) jereo fa nanome fanazavàna sy toko sy andininy aho atsy amin'ny dinika iray izay nisy ilay fanontaniana napetrakao mikasika ny hahaveloman'ny nofo indray , mazotoa hatrany amin'ny fianarana ny tenin'Atra fa avy amin'ny alalan'izay no ahafahantsika mino sy mankatoa azy ary indrindra manatanteraka ny sitrapony , fa indrindra hananantsika mankatoa zy indray ilay fanantenana lehibe ny hiaina mandrakizay! :)
30. niryna ( 19/03/2011 05:57)
rijadolly:

JAKOBA 1 : 12 Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
APOKALYPSY 2: 10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.

Hitan'Miharena io ambony io izay nataoko gras hoe "Homena izay tia AZY"? Izay ilay safidy izay tsy afaka ato an-tsaiko ka tsy aneko ilay voalazanao ka nahatonga ahy nandika be fahatany ilay hevitrao hoe: samy voavonjy ve izany na ny nanaiky an' Kristy na ireo izay tsy nanaiky an'Kristy?

dia mitovy izany koa ny fanontaniako.
Aleo aloha ary hoy ny olona anao fiaianana aloha fa rehefa tonga ny fotoana vonjen'Atra eo daholo ihany isika.Toa izay no fandraisako ny fanazavany Miharena

Eo ami'nilay hoe fe-potoana lazainao, dia tsy manam-petra ny Ray be famindram-po ka na hiala aza ny fofonainao dia hiverina Aminy ihany dia holaviny ve nefa fofonaiNY rahateo?

tsy misy amiko ny Famindram-po raha tsy misy ny fiaiken-keloka.Izay midika Fanekena na Finoana Ilay Mpamonjy. Noho izany dia tsy midika Fotoana ilay "TSY MANAPETRA" raha eo amin' Famindram-po fa midika Famoram-po.

izay koa no fahafantarako azy ,fa tsy fantatro ny fampianarana azony raha izany.
Ny tenin'Atra no manambara fa raha miaiky ny fahotantsika isika ..noho izany misy action izany ao e,mifona,mangataka famelankeloka,miaiky fa mpanota ka mila mibebaka ..raha mahafantatra fa manao ny tsy mety kosa kanefa ny ataoko ihany no ataoko dia tsy misy fiaiken-keloka ao dia mitovy ihany izany amin'i Miharena ny fitsaran'Atra sa tsy mitsara intsony izy fa tiany daholo isika zanany ?
31. Miharena ( 19/03/2011 13:15)
Niryna:

Aleo aloha ary hoy ny olona anao fiaianana aloha fa rehefa tonga ny fotoana vonjen'Atra eo daholo ihany isika.Toa izay no fandraisako ny fanazavany Miharena
.....raha mahafantatra fa manao ny tsy mety kosa kanefa ny ataoko ihany no ataoko dia tsy misy fiaiken-keloka ao dia mitovy ihany izany amin'i Miharena ny fitsaran'Atra sa tsy mitsara intsony izy fa tiany daholo isika zanany ?

Raha io no fandraisan'i Niryna ny Fitiavan'Andriamanitra dia fitia misy takalony amiko ilay izy. Ny fampianarana no tsy mitovy ny fandraisana azy satria ny Teni'n'Andriamanitra ihany no milaza ny FitiavaNY tsy manam-petra toy ny an'ilay zanaka adala. Efa fantatr'Andriamanitra anie ny fahatsiarovan-tenan'ny olona rehetra any am-parany satria voariNY e! izany no nanirahany an'i Kristy mba tsy hisy ho very na dia iray aza satria ny finoana dia miandalana ho an'ny olombelona fa tsy tonga indray mifoha ny olona. Eo amin'Andriamanitra dia misy lalànany avokoa ny fandehan'ny fisainan'ny olombelona ka rehefa tonga amin'ny fotoana famonoany tena izy ary hitany fa ratsy izany dia mazava fa hiverina amin'ny fisainany diso izy.
Ny fahamoram-pon'Andriamanitra no nadefasaNY an'i Kristy ary Izy dia manam-paharetana. Isika olombelona no tsy manam-paharetana fa voafetran'ny fotoana fa Andriamanitra tsy voafetran'ny fotoana na ny halavirana.
Amiko dia rehefa tonga amin'izay fomba fisainana izay dia miaina ao amintsika Andriamanitra ary manitsy hatrany ny fisainantsika sy ny fontsika Izy.

Ny amin'ilay hoe samy hanao izay tiany dia efa nomena hatrizay hatrizay ny fahalalahana ho an'ny tsirairay. Ny lalana no samihafa araka ny fiolakolahana hataon'ny tsirairay fa ny tanjona dia iray raha voarin'Andriamanitra koa ny tsirairay avy, dia ny hiverina Aminy izany satria hampahalalaiNY ny sitrapoNY avokoa.
32. rijadolly ( 19/03/2011 14:02)
Mba ahazoako tsara ilay hevitry Miharena hoe raha azo atao mba valio ity fanotaniako ity!

Raha eo am-pangalarana aho no voatifitry ny polisy, aiza ho aiza no misy ahy amin'izay?
33. rijadolly ( 19/03/2011 14:13)
hoy aho:

Hitan'Miharena io ambony io izay nataoko gras hoe "Homena izay tia AZY"? Izay ilay safidy izay tsy afaka ato an-tsaiko ka tsy aneko ilay voalazanao ka nahatonga ahy nandika be fahatany ilay hevitrao hoe: samy voavonjy ve izany na ny nanaiky an' Kristy na ireo izay tsy nanaiky an'Kristy?

Niryna:

dia mitovy izany koa ny fanontaniako.
Aleo aloha ary hoy ny olona anao fiaianana aloha fa rehefa tonga ny fotoana vonjen'Atra eo daholo ihany isika.Toa izay no fandraisako ny fanazavany Miharena

Somary nahitsiko mihitsy ny fomba fiteniko teo ambony Niryna sy Miharena satria natahotra aho fa sao manimba ny fihenoana azy, ity ilay teny:

ka nahatonga ahy nandika be fahatany ilay hevitrao hoe
saika izao no teneniko: tsy mampirisika ny olona hanao ratsy ve izany hevitry miharena izany? satria samy ho voavonjy ihany.
34. Miharena ( 19/03/2011 17:20)
Rijadolly:

Mba ahazoako tsara ilay hevitry Miharena hoe raha azo atao mba valio ity fanotaniako ity!

Raha eo am-pangalarana aho no voatifitry ny polisy, aiza ho aiza no misy ahy amin'izay?

Raha toa ka mandaitra hatrany ny tenin'i Kristy tamin'ilay niara-nifantsika tamiNY hoe anio no hihaonanao amiko any amparadisa dia amin'izao fotoana izao dia izany indrindra ny sitrapoNY ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka satria tsy tonga hiantso ny marina Aho hoy Izy fa ny mpanota mba hibebaka.
Ny tena mitombina dia ny tenin'i Kristy hoe "tsy misy marina izy na dia iray aza", ka hariany aiza àry nefa voarin'ny RAY? araka ny Tenin'ny Ray hoe "ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany". Tsy misy adidin'i Satana izany ao na dia iray aza ka tsy mitombina loatra ny fisian'ny afobe fa toetra ariana no mivarina any amin'ny fahafoanana fa tsy ny Fofonain'Andriamanitra napetraNY tao amin'y tsirairay velively.

Raha handeha lavidavitra kokoa, raha toa koa anjely nivadika tokoa Satana sy ny tariny dia voary izany ka ny fanadiovana azy ireo no asa nataon'i Kristy tamin'ny fametrahana ny teny hoe "tiavo ny fahavalonareo". Ny IRAY ao amin'ny RAY, izay ihany no tanjona farany ataon'Andriamanitra ho an'ny rehetra amiko fa asa ny fandraisanareo azy aloha.

Ka raha ny halatra kely nataonao no namonoan'ny polisy anao dia ny fitsaran'olombelona no manary anao any amin'ny helo amiko fa tsy ny fijerin'Andriamanitra sy Kristy velively satria tsy mitovy ny fitiava-misy fetra sy ny Fitiavan-tsisy fetra.

Izany hoe voiziko foana hoy aho io FITIAVANA io fa mianjera avokoa ny Fototry ny Baiboly rehetra raha manao referansa amin'ny fomba fijerin'ny olombelona manam-petra isika momba ny FITIAVANA sy ny FAMONJENA.

35. rijadolly ( 20/03/2011 17:28)
Fototry ny hevitra tsy mazava eto Miharena dia ny hoe " samy voavonjy daholo na i satana aza"
Na hibebaka izy na tsy hibebaka.

Raha toa ka mandaitra hatrany ny tenin'i Kristy tamin'ilay niara-nifantsika tamiNY hoe anio no hihaonanao amiko any amparadisa dia amin'izao fotoana izao dia izany indrindra ny sitrapoNY ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka satria tsy tonga hiantso ny marina Aho hoy Izy fa ny mpanota mba hibebaka.

izay mantsy, ary fanampiny miharena izay takona ao amin'io lazainao io dia ny fieken'ilay anakiray teo anilany izay nolazainy fa hiaona aminy anio dia anio ihany any amin' paradisa. sy ilay tsy nanaiky hatramin'farany izay mbola ??????? tsy nambaraNY hoe hiaona aminy any am-paradisa. Tsy niteny izy hoe ny hiaonako aminareo any am-paradisa fa hoe "ianao."
Miharena:

Ka raha ny halatra kely nataonao no namonoan'ny polisy anao dia ny fitsaran'olombelona no manary anao any amin'ny helo amiko fa tsy ny fijerin'Andriamanitra sy Kristy velively satria tsy mitovy ny fitiava-misy fetra sy ny Fitiavan-tsisy fetra.

hazavaiko kely, tsy nanana fotoana hibebahana aho izany toe am-pangalarana, izany hoe tsy nanam-potoana Hiambenana, ilay hafatra tsy maintsy atao eo am-piandrasana ny fiavihan'Tompo ho an'ny olon-drehetra. aiza ho aiza no misy ahy amin'izay?
36. Miharena ( 21/03/2011 05:16)
Ilay resaka mibebaka angamba no tsy mampitovy fijery antsika rijadolly sa ilay fahamoram-po?
Ny Baiboly dia manome hatrany zavatra roa samihafa tokoa, dia ny fanekena sy fandavana, nefa manana tanjona izy dia ny fampiraisana. Ity farany ity izay mifandraika indrindra amin'ny fahamoram-po sy fitiavana no lehibe indrindra amin'ny zava-drehetra. Ny endrika tian'ny Tompo hitondrana io resaka fampiraisana io hoy aho no nitenenaNY mandrakariva ny hoe tiavo ny fahavalonao, ary Izy aza no nifantsika noho ny tsy fandavany ny fisian'ny mpanenjika Azy izay averina indray fa samy voarin'ny RAY avokoa.
Ka sehatra roa no tiana hapetraka, satria manana fomba fijery toy ny olona ihany Rijadolly amiko fa tsy fomba fijerin'ny Tompo. Misy ohatra azo lazaina ny amin'izany dia ny nanontanian'ny olona ny momba ilay vehivvavy nanambady lehilahy maro nifandimby (fiainana eto an-tany) izay tsy nasian'i Kristy valiny satria tsy io resaka fanambadiana io ny any an-koatra, sy indrindra ny fisainan'ny olona ny amin'ny zaza.
Ka raha resaka mibebaka no resahana ka lazaina fa tsisy fotoana hoy Rijadolly, dia ny zaza izany no hianjera voalohany satria tsy mahalala izay atao hoe fibebahana tamin'io fiheveran"ny olona azy io, nefa noraisin'i Kristy soa aman-tsara. Mbola maro aza ny fomba fijery mifanipaka teo amin'olombelona sy Kristy (ohatra vehivavy janga tamin'ny fisakafoanaNY tao amin'ny mpamory hetra).

Raha fintinina ireo dia hafa ny fomba fisainan'olombelona ary hafa ny fisainan'Andriamanitra. Amiko, ny fitomboan'Andriamanitra dia miankina indrindra amin'ny fikolokoloaNY ny voariNY ka raha atao hoe marobe ireo tsy mibebaka araka ny voalazanao dia ho faty tsikelikely izany Andriamanitra satria fofonaiNY avokoa ireny tsy nibebaka ireny??? Dia mamaly ny fanontanianao aho hoe miverina Amin'Andriamanitra ihany ianao na inona na inona tsy fahatanterahanao (na dia tsy nanana fotoana hibebahana sy niambenana aza).

Ny any ambarako rehefa manao fandalinana ny Baiboly aho dia ny mitady hatrany ny famaritana manan-danja kokoa amin'Andriamanitra dia ny Fitiavana izay ambonin'ny ratsy sy ny tsara, ka na ny ratsy aza no fenoiNY Fitiavana dia miova ho tsara izany, satria izay no mampitombo Azy sy ny voariNY. raha tsy izay dia tsy hipoitra velively ny teny hoe "valio soa ny ratsy".

ka raha hoy ianao hoe
Rijadolly:

Fototry ny hevitra tsy mazava eto Miharena dia ny hoe " samy voavonjy daholo na i satana aza"

dia manazava io indrindra ireo rehetra lazaina ireo. Ny fitaka nataon'i Satana dia nampivily tokoa saingy Satana dia tsy azo levonina satria singan'ny VOARY. Ny fitaka no ho levona any am-parany fa ny MAHAIRAY ny VOARY dia mipetraka mandrakizay. Ankoatr'izay dia izao no ambara, ny Baiboly dia tsy voatery ho feno satria tanan'olombelona no nanoratra azy fa ny fampahalalàna zava-miafina dia mitohy raha mbola ataontsika hoe VELONA MANDRAKIZAY I KRISTY . Ka aoka angamba isika tsy hihevitra zavatra tsy mitombina intsony amin'izao vanim-potoana izao fa azo hazavaina daholo ny zava-drehetra rehefa mangataka sy maniry izany isika tsirairay avy.
37. rijadolly ( 21/03/2011 15:52)
Miharena:

ny fitomboan'Andriamanitra dia miankina indrindra amin'ny fikolokoloaNY ny voariNY ka raha atao hoe marobe ireo tsy mibebaka araka ny voalazanao dia ho faty tsikelikely izany Andriamanitra satria fofonaiNY avokoa ireny tsy nibebaka ireny??

Tsongaiko manokana io hevitr' se io ary dia laviko tanteraka. Avereno vakiana tsara Miharena ilay hevitrao fa tena tsy manaiky an'io aho, tsy haiko na azonao ny antony na tsy,fa raha vao namaky fotsiny aho dia misy hery nanosika ahy handa haviatrany ary takona tanteraka tsy nisy tadidiko ny hevitrao rehetra sasany. Nefa na izany aza, dia aza matahotra i se fa hiverenako vakiana ny hevitry se sasany rehefa avy eo.
38. Miharena ( 21/03/2011 16:19)
Ataoko fa tsy very ianao Rijadolly amin'io hevitra io fa manaraka ny tsy fahafoizan'Andriamanitra ny AINA nohariany fotsiny aho amin'io resaka io. Tsy amin'ny ady sy fanariana olon-dratsy ilay ataoNY fa amin'ny FITIAVANA sy fitarihana lalandava miaraka amin'ny fahamoram-po.
39. rijadolly ( 24/03/2011 20:17)
Azafady Miharena fa somary nilaozako aloha tamin'ty loha hevitra ity noho ny antony manokana izay lazaiko eto ambany ihany.
Miharena:

Ilay resaka mibebaka angamba no tsy mampitovy fijery antsika rijadolly sa ilay fahamoram-po?

Amiko sy ny fandraisako azy dia tsy misaraka ireo ny mibebaka sy ny Famindram-po, Ny olona Mibebaka amin' fo torotoro no mendrika ahazo Famindram-po.
Tsy mba mibebaka ve Miharena? Inona no antony?
40. Miharena ( 25/03/2011 18:56)
Rijadolly
Zavatra misy tambiny ve izany ny atao hoe Fanatsoran'Andriamanitra ny tanaNY handray ny olombelona rehetra?

Misy lojikan'olombelona misain-droa ihany io resaka fahamendrehana misy takalony lazainao io amiko, nefa ny Tompo no milaza ny hoe aloan'ny vavako ianao raha matimaty. Ilaina ho mangatsiaka na mafana fa tsy matimaty amin'ny fisanan-droa toy izao isika. Marina fa voalaza amin'ny Soratra ny resaka fo torotoro sy mangorakoraka fa tsy lalàna raikitra hampiova ny toetran'ny FITIAVANA sy FAHAMORAM-PO izany (tsiahivina hatrany ny zanaka adala izay nivantana tao amin'ny FITIAVANA tsy mety maty tao amin'ny rainy na dia nanalavitra aza.

Ny olombelona aza raha mahay mamaritra ny fitiavan-tsisy fetra izay nekeny (mpivady ohatra) dia tia mandrakariva na dia ratsy toy ny ahoana aza ny toetran'ny ankilany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1584