FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?
41. niryna
(
26/03/2011 04:36)
lagoon:iza tokoa ireo? tsy ny tribes 12 ve?
144000 no ho voavonjy hoy ny Baiboly.
mazava ho azy ny compte e!!
Tandremo ary fa misy manafangaro azy ny fiangonana sasany ka lazainy fa ry zareo hono ireo( Jehovah Witness).Mbola manana ondry maro anefa kristy izay tsy ao anatin'ny vala( izay rehetra mino azy ve izany sa iza?
42. Miharena
(
26/03/2011 05:16)
Tsy omen-tsny Lagoon manambara ny fiheverany izay mandray fomba fijery voafetra ihany, fa ny hany ambara dia ny hoe : hifoha daholo izy rehetra araka ny vavak'i Kristy hoe : "ho iray ihany anie izy rehetra" Koa aoka samy hisaina fa ny iray ao amin'ny RAY no tantaraiNY eto ary ho an'ny olombelona rehetra TSY AN-KANAVAKA fa izay minia mamorona fefy ho azy no ho very amin'ny katesiziny izay tsy haharitr'ela intsony ka ho sahirana izy fa tsy hahita repère hifaharana intsony raha tsy efa fohazin'ny RAY aorian'ny fandaozany ny nofony.
Tsaratsara kokoa anefa ny mifoha dieny izao ao amin'ny nofo izao mba ho moramora kokoa ny fiainana ara-panahy.

43. RBNIR
(
28/03/2011 12:20)
Faly Miarahaba an-tsika rehetra indray,
Msaotra betsaka an-tsika rehetra izay nandray anjara tamin'ny lohahevitra,
Zava-dehibe sady zava-miafina izao hambarako eto ambany izao, ary tena miangavy an-tsika rehetra aho mba hamaky amin'ny fitoniantsaina fa miankina amin'ny famonjena an-tsika ny fahafantarana izao.
Hovaliako ireo fanontaniana (somary lavalava ihany ny valiny ka hialan-tsiny kely mialoha nefa manentana an-tsika aho mba haharitra hatramin’ny farany).
FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA? HO VONJENA AMIN'INONA TOKOA MOA NY OLONA?? MANINONA RAHA MIJANONA AMIN'IZAO FA TSY MITADY NA HANDRAY IZANY FAMONJENA IZANY???
TOETSAINA MANAO AHOANA TOKOA MOA NO TAKIAN'ANDRIAMANITRA AMIN-TSIKA IZAY TE HOVONJENA MARINA??
Talohan'ny nanolorako tena ho an’Andriamanitra dia tsy fantatro izao zavatra izao, ary ny tsapako teto ihany koa raha araka ny valiteny rehetra hitako teto dia tsy mahafantatra azy ity ihany koa ny ankamaroan'ny olona.
Marina dia marina tokoa fa tany amboalohany Andriamanitra dia IRAY tamin-tsika ary nifankahita sy niresaka tamin-tsika mihitsy koa aza Izy (tany ampamoronana izao tontolo izao) saingy tsy marina intsony kosa ankehitriny satria efa nisy ny fotoana izay nahatafasaraka tanteraka an-tsika tamin’Andriamanitra.
Oviana izany no nitranga? Valiny: rehefa nanomboka niditra tao anatin’ny olona ilay atao hoe OTA, na ilay atao koa hoe fandikan-dalana araka izay voasoratra ao amin’ny hoe« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. »(1 Jaona 3:4).
Tany amboalohany dia iray (1) ihany no lalàna nomen’Andriamanitra ho tandremana dia ny « fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. » (Genesisy 2:17).
Vakio ny Gen.3 : 1-6 dia ho hitanao hoe oviana no niditra ilay OTA na koa ilay fandikan-dalana voalohany nataon’ny olombelona (ao amin’ny Gen.3:6),
Nanomboka teo dia tafasaraka ary lasa lavitra Azy tanteraka tokoa ny olona.
Anaporofoin-tsika fa tafasaraka taminy tanteraka tokoa isika dia : Hoy ny TOMPO AVO INDRINDRA « Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hœ: Aiza moa ianao? » (Genesisy 3:9). Ataoko angamba fa raha olona akaiky anao na IRAY aminao tsy hanontany mihitsy ianao hoe Aiza moa ianao???
Ary koa Andriamanitra no manana ny maso mahita ny lavitra indrindra nefa matoa Izy nanontany dia tsy hitany intsony ary tena lasa lavitra dia lavitra tokoa inao izay.
Mety hiteny ngamba isika taranaka ankehitriny hoe izy mivady anie no tratran’izany fa isika taty aoriana moa naninona fa izy mivady ihany no tafasaraka tamin’Andriamanitra fa isika kosa tsy otran’izany no hijerevan’Andriamanitra an-tsika???
Dia hoy aho aminao hoe nandova io OTA io marina tokoa isika fa aoka tsy hisy ho diso hevitra na iray aza raha mbola naterabehivavy ihany koa « Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; » (Romana 5:12).
Tahaka an’I Adama sy Eva dia samy tafiditr’io OTA io avokoa ao anatin-tsika rehetra.
Io OTA io dia ny devoly, na koa ilay menarana ela (Apok.20:2) no nampiditra azy tao anatin-tsika tamin’ny alalan’ny fitaka sy lainga (iry Gen.3:1-6 iry ihany koa no ahitanao izay fa dia tena namitaka tokoa ilay menarana ka ny handikan-tsika ilay lalàn’Andriamanitra no tena tanjony anefa).
Arak’izao teny manaraka izao :« Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana. » (Romana 7:5).
Io OTA io dia manana ny filany, ary io filany io dia hetsehin’ny lalàna, Rehefa tanterahina io filany io dia izay ilay hoe manota amin’Andriamitra isika ary ny vokany dia ho amin’ny fahafatesana (« Fa fahafatesana no tambin'ny ota; …….. » (Romana 6:23a).
Oh: ny filan’ny ota = te hijangajanga, ny lalàna : Aza mijangajanga, rehefa mitamberina ao ampon’ny olona ilay hoe Aza mijangajanga, dia voahetsika ilay filana te hijangajanga, ary raha tsy mahatohitra ny olona dia tanteraka ny fijangajangana (manjary manota amin’Andriamanitra ny olona).
Tsy ny lalàna akory no ratsy, satria ny lalàna dia entina ampahafatarana an-tsika ny Sitrapon’Andriamanitra izay tokony hotandremana. Oh: Aza mijangajanga (ny Sitrapon’Andriamanitra izany dia ny mba tsy hijangajangan’ny olona; oh2 : Aza mangalatra, ny Sitrapon’Andriamanitra izany dia ny tsy hangalaran’ny olona).
Fa ilay OTA nampidirin’ny devoly no ratsy satria iny no manana ny filàna izay filàna manohitra ny sitrapon’Andriamanitra.
NY ATAO hoe FAMONJENA MARINA dia ny FANESORANA MAIMAIPOANA (TSY MISY TAMBINY izay no maha FAHASOAVANA AZY) io OTA io tsy ho ao anatin-tsika intsony ary ny tanjon’Andriamanitra amin’izany dia ny mba tsy hananan-tsika ireo filany ireo intsony ka ahatonga an-tsika ho afaka hanantanteraka ny sitrapony rehetra amin’izay.
Lasa ho OLONA VAOVAO tsy manana filàna ratsy intsony, isika lasa tsy mahay manota (na mandika lalàna) intsony koa isika araka ny voasoratra ao amin’ny « Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. (1 Jaona 3:5).
« Izay rehetra mitœtra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jaona 3:6).
« Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitœtra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. » (1 Jaona 3:9).
Rehefa miala ilay OTA dia tsy mitovy amin’ilay olona teo aloha intsony ilay olona voavonjy fa:
« Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.» (2 Korintiana 5:17).
MAHAGAGA, TOY NY HOE IMPOSSIBLE IZANY NEFA DIA TENA MARINA IREO TENY IREO.
NY RAN’I JESOSY KRISTY NO FITAOVANA NENTINY MANAISOTRA IO OTA IO.
Tena nampalahelo ireo JIOSY ISRAELIANINA tsy nino an’I Jesosy Kristy Tompo fa ry zareo no tena nanirahana an’I Jesosy Kristy Tompo « Ary Izy namaly ka nanao hÅ“: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely. » (Matio 15:24) raha mamaky an’io tantara io ianao dia ho hitanao fa vehivavy kananita no nitady famonjena taminy tamin’io fotoana io.
Tsapan’Andriamanitra ny vesatra teo amin’ireo JIOSY ISRAELIANINA ireo : «Satria marina tokoa fa fantatr’izireo fa tokony hotandremana ny Sitrapon’Andriamanitra nefa dia niady mafy tamin’ny herin’ny tenany ihany izireo mba hitandremana izany : noho ny tsy finoan’izy ireo ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra (Jesosy Kristy) dia tsy azon’izireo raisina iry famonjena iry ambony iry mba hanamaivana ny zioga entiny « Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Matio 11:28).
IZAY NO MAHATONGA NY TARANAK’ISRAELY MBOLA AMBANY LALANA FOANA HATRAMIN’IZAO ANDRO IAINAN-TSIKA IZAO; TSY MBA NOHAFAHANA ILAY OTA AO ANATIN-DRY ZAREO KA MIADY MAFY AMIN’NY HERIN’NY TENANY IZIREO MBA HANANTATERAHANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA. TSY MBA NAVELA HANDRAY ILAY FAHASOAVANA MAIMAIPOANA IZIREO NOHO NY FANAOVANY TSINOTSINONA NY ANARAN’ILAY ZANAK’ANDRIAMANITRA.
Ary io fiavonavonan’ny taranak’israely io no nahatonga an’Andriamanitra handray an-tsika hafa firenena vakio ny fanoharana momba ny fanjakan’Andriamanitra sy ilay mpanjaka nanao fampakarambady ny zanany lahy dia ho azonao (Mat.22:1-10).
Izay olona rehetra efa nanaisorana io OTA io no VOAVONJY satria tsy manana ireo filan’ny OTA intsony izireo ka afaka ny manantateraka ny sitrapon’Andriamanitra rehetra amin’izay (amin’ny fomba mora sady tsy mavesatra). Raha tenenina izireo hoe Aza mijangajanga dia tsy ho voahetsika intsony ilay filana te hijangajanga satria ilay OTA izay nanana iny filana iny dia efa tsy ao aminy intsony.
Fampianarana lavabe no nianarako ny fomba atao mba ahafahantsika mandray io FAMONJENA io (FANESORANA NY OTA). Asaiko isika rehetra mba hiaino ilay fandaharana ao amin’ny télé JERY isa-maraina amin’ny 5ora maraina hianaranao ny lalàna (chemin) ahatongavanao amin’izany famonjena marina izany.
Azon-tsika atao v ny mijanona amin’izao tsy mandray io famonjena io?
Tsia dia tsia tokoa ry namana isany satria araka ny hitan-tsika ery ambony dia ny fahafatesana no tambin’ny OTA. (misy fahafatesana iray faharoa mahatsiravina miandry antsika aorianan’ny fitsanganana amin’ny maty dia ny Afo maharitra mandrak’izay « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8).
Toe-tsaina manao ahoana no takian’Andriamanitra amin-tsika?
Izay handray io làlana io dia tsy maintsy hiaritra fahoriana raha araka ny voasoratra, ka izay no mahatonga ny Soratra Masina hilaza hoe « Miambena* ianareo, tomÅ“ra tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [* Gr. miareta tory] » (1 Korintiana 16:13).
«AOKA Hitombandahy sy Hahery isika.»
SAMIA MAHERY, MIROSOA, RAISO NY FAMONJENA ANAO,
Samy ho tahin’I JESOSY KRISTY TOMPO indray anie isika rehetra.

44. Miharena
(
29/03/2011 16:22)
Misaotra an'i RBNIR nizara ireo tantara lava dia lava ireo izay manamafy hatrany fa mpanota ny olombelona ka mila famonjena.
Nisy tantara iray indray ity izay nahagaga ahy be mihitsy ka nahatonga ahy hitady izay fototra marina fa tsy hovoavilivily eo amin'ny fomba fijery ny lalam-pamonjena marina.
Raha nisy fotoana nahavery saina ahy satria nihohoka be loatra teo amin'ny Baiboly dia nilaza tamin'ny psychologue tany an-dafy tany aho hoe efa manana fitsaboana io aretina io izahay any Dago dia ny Mpiandry izany, dia hoy ry zareo hoe ; fitsaboana traditionnel izany (izany hoe efa nilaozan'ny toetr'andro). Io aretintsaina io anefa dia ireo Mpiandry tokoa no nahasitrana tanteraka azy. Dia niverina aho nijery sy nanamarina izay tena marina momba ny finoana dia nahita fahamarinana tsy azo hozongozonina ary lasa niova fomba fijery tanteraka ny Baiboly ka nanary ireo endrika mamingana ny fahazavana rehetra tao anatiny.
Izany no mahatonga ireo resaka milaza fiainana tsy misy tambiny zaraina izany hoe famaritana an'i Kristy sy Andriamanitra amin'ny laoniny tsy mametraka fefy amin'ny conditions isan-karazany.
Izay mamono ny finoana dia tokony hariana avokoa mba tsy hanaovana fiadian-kevitra tsy mahasoa akory fa mizara fahalalàna MAZAVA dia ampy amin'izao fotoana izao satria efa antomotra ny fotoana hiovan'ny tontolom-panahy ankehitriny ka hanariana ireo ota rehetra sy fampianarana efa lany andro mitodika hatrany amin'ny ratsy efa lasa.

45. rijadolly
(
29/03/2011 18:32)
Miharena:
niova fomba fijery tanteraka ny Baiboly ka nanary ireo endrika mamingana ny fahazavana rehetra tao anatiny.
Ny an' se kosa anie izany filan-javatra fotsiny tamin' voalohany e! Koa raha vao tsy nahita tombony se dia lasa very saina noho ny fahdisoam-panantenana, hihihih! Mino mihitsy aho zao fa nahasahy niteny mihitsy angamba se hoe "jereonareo tsara ny finoako fa tsy maintsy izao na izao no azoko" kanjo tsy nisy dia iny se no lasa...hoe fa ahaona ary izany ? mandainga mihitsy ny teny sasany ato anaty Baiboly! Ka raha vao indro fa mitaky sy mila finiavana ary faharetana dia lainga avokoa. Dia tonga tao an-tsaina amin'izay ilay hevitra mitaky valisoa mandrakizay fa hoe voavonjy foana ny rehetra na inona ataonao ety na inona, satria lasa nikaroka izay ahazoana mora ilay Fiainana Mandrakizay ka ho tafiditra mora tsy ho toy ny misambo-balala dia tsy niasa saina intsony sao lasa eo indray, dia voafitaka se raha izany, satria, toa milamina ny sain'se ny fahatsapan'se azy nefa tsy izay no marina fa hoentin'se eo anoloan' Ilay Mpitsara Marina izay rehetra tsy voadio na modidian'se tsy tsaroana ka tokony entina amin' fo torotoro, izay mila fandavan-tena ho sasana tamin'ilay RàNY.
Ny ahy miharena tsy nisy nariana na iray aza a! Ary mbola tsy nampiana ohatry ny an'se koa hatramin'izao hoe "ho voavonjy avokoa ny olona rehetra"; nefa dia tsy mbola lasa hatramin'izao fa manatena ilay FARANY na dia mbola hisy 2000 ans manaraka indray aza satria Manam-pitiavana aho dia Mino ary Manantena.
46. Miharena
(
30/03/2011 05:12)
Rijadolly:
Dia tonga tao an-tsaina amin'izay ilay hevitra mitaky valisoa mandrakizay fa hoe voavonjy foana ny rehetra na inona ataonao ety na inona, satria lasa nikaroka izay ahazoana mora ilay Fiainana Mandrakizay ka ho tafiditra mora...
Misaotra anao amin'ny fanamarihina nataonao Rijadolly ary mazotoa amin'ny lalana ombanao araka ny fahalalanao azy tokoa.
Tsy misy volena angamba ny resako eo amin'ny fisainana momba ny famonjena na fanafahana ny olombelona na iza na iza fa ireo teny fototra no tena tanako toy ny hoe : Fitiavana mandrakizay no itiavako anareo; ataovy mahitsy ny Lalan'i Jehovah ; raha Jehovah no mpiandry, tsy hanan-javamahory aho sns mampahery marobe ao...
ary indrindra ny fahalalàna ny FIAINANA MANDRAKIZAY marina.
Inona no mankany ary inona no levona no fiandohan'ny fandalinana ka tsy ahafahana miteny intsony hoe hisy izany afo maharitra mandrakizay izany satria ny voary tsy mety levona tsy ho fatin'ny afo velively fa izay mihelina ihany no ho lasan'izany (ny fahalevonana dia mandaitra na eo amin'ny fisainana na eo amin'ny nofo fa tsy eo amin'ny fanahin'aina nomena am-pitiavana). Ary lazaiko aminao fa Kristy anie no mpiaro ny olon-drehetra ary ho foana ny saina mpiampanga ka asa na azo tazonina ihany ny momba ity fahaverezana mandrakizay hihatra amin'ny fanahin'olona ity na tsia.
Ilay fahafenoana no toriana fa tsy izay fombafomba manam-petra ihany ary izay no maha-samihafa ny fomba fijery ny AINA angamba eo amintsika sy ianao. Mila tsaroana fa Kristy anie ka olona mpanenjika Azy no lasa fitaovana eo am-pelatanany ka ahoana no hamonoany izay manenjika Azy? (ohatra akaiky i Paoly).
Ny fanehoana ny FAHAZAVANA dia ampy ho an'ny Kristiana ankehitriny fa tsy ny fametrahana fepetra momba ny fiainana mandrakizay izay efa fikasan'Andriamanitra satria fofonaiNY izay manam-pofonaina rehetra. Ilay mitsipaka ny Loharano amin'ny fanitrkitrihina fepetra no mahatonga ny maro misalasala amin'ny FIZARANA FIAINANA ataon'ny mpitory satria lasa fitompoan-teny fantatra ilay izy fa tsy manome ilay vontoatim-piainana intsony. Ilay famahana tanteraka Rijadolly no ilaina fa tsy famerenan-teny izay mamatotra indray akory. Raha famerenan-teny enti-manazava ny famahana famatorana dia mora voaray fa raha famerenan-teny mandentika ny fahalalahana dia mazava fa sarotra tafiditra ao am-pon'ny olona.
Misy mihitsy ireo mpitory teny dia mitsikera ranoray no ataony dia tototra tanteraka ilay mazava tiana zaraina fa manjary lasa fiampangana ny ratsy efa lasa tsy azo raofina intsony no betsaka. Ka asa na mbola hitoetra amin'izany ihany isika ankehitriny fa tsy hanam-pivoarana sy fihavaozan'ny saina sy ny fanahy mihitsy. Isika ihany no mametraka masque araka ny fijerintsika avy ny hafa fa tsy mahay manana fahatsoram-po mijery ny ankehitrinintsika.
Samy hazava ao amin'ny Tompo anie ny fon'ny rehetra ka tsy ho verivery foana ireny tso-drano atao any am-piangonana ireny !
47. rekinbelo
(
04/04/2011 09:51)
ny nividianan'i Jesosy Kristy antsika t@ ràny no atao hoe famonjena.efa voalohany ny trosa ka afaka voavonjy ny olona rehetra tsy ankanavaka.FA MIANKINA amin'ny tsirairay amin'izay ny hanaiky an'i JK HO TOMPO ka hanaraka ny modely nomeny antsika mba hanompo an'i JEHOVAH Rainy.Ary izay maharitra atr@ farany ny fanaraha-dia an'iJK no vonjena @ andro farany zany hoe any @ fotoana andringanan'i JEHOVAH ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany izny.rehefa afaka eo ianao ka tafita velona t@haramgedona de voavonjy alo zay nefa tandremo mbl misy fitsapana farany eo izay tohizantsika amin'y manaraka ny tohiiny
48. Miharena
(
04/04/2011 14:36)
Mitompo teny fantatra tokoa Rekinbelo ny amin'ny fitsapana farany ka arosoy ary hojerena!
Misaotra mialoha amin'ny fanazavana.
Misaotra mialoha amin'ny fanazavana.