Kilalao fahazaza:ahitra kely dia mahavariana,inona ny anareo

1. niryna ( 18/04/2010 18:57)

Mandinika ny zavatra ananan'ny ankizy ankehitriny aho dia gaga mihitsy fa toa tsy mbola faly ihany ny ankizy.Ny anay fahiny ,ahitra kely dia mahavariana
Inona ny kilalao fahazaza nataonareo ?
novalian'i sandrify ny 27/05/2010 13:56
2. ndotofetsy ( 18/04/2010 20:00)
manaokivadivady dia miaraaka matory any antsaha


=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
3. Ratoa ( 18/04/2010 20:47)
maka taila (tuile) amin'ny tafotrano vakiana atao biriky dia manorona trano kely amin'iny sy rihitra fotaka. Dia bedy be.
Ongotana ny biriky amin'ny tamboho mampisaraka ny tanana, ny tananay ihany io, dia sculpter-ho tamabily dia atosika eran'ny tokotany dia voakapoka rehefa hitan'ny lehibe ilay tamboho banga.
4. niryna ( 18/04/2010 22:05)
ndotofetsy:

manaokivadivady dia miaraaka matory any antsaha


=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))

ndoto a. hors sujet kely ity fa jereo anie ilay youtube misy an'ilay Mimoza live ,ankizivavy kely mihira mimoza fa tsara be e

5. niryna ( 18/04/2010 22:06)
Ratoa:

maka taila (tuile) amin'ny tafotrano vakiana atao biriky dia manorona trano kely amin'iny sy rihitra fotaka. Dia bedy be.
Ongotana ny biriky amin'ny tamboho mampisaraka ny tanana, ny tananay ihany io, dia sculpter-ho tamabily dia atosika eran'ny tokotany dia voakapoka rehefa hitan'ny lehibe ilay tamboho banga.

:D

6. niryna ( 18/04/2010 22:09)
ny ankizilahy no tena mahita kilalao betsaka sady tsy vitan'ny betsaka fa mijaly mihitsy ny biby rehefa azony an :D
7. niryna ( 18/04/2010 22:11)
Ity misy iray : nalainay ny voana letisy dia tapahana roa dia atao miaramila dia maka kapisily izahay dia tifirina hianjera hipitika ery ilay miaramila
8. niryna ( 18/04/2010 22:14)
Ratoa:

Dia bedy be.
Ongotana ny biriky amin'ny tamboho mampisaraka ny tanana, ny tananay ihany io, dia sculpter-ho tamabily dia atosika eran'ny tokotany dia voakapoka rehefa hitan'ny lehibe ilay tamboho banga.
izahy koa mifoha maraina dia maka valala ary atao ao anatin'ny tavoahangy dia faly ery mitondra ilay izy mody.Voa ery ambaravarana dia mahazo teny gasy be ,avereno any ireo valala ireo, fa biby kely ,manan'aina mitovy aminareo koa ireo


:roll: :roll: =))
9. niryna ( 18/04/2010 22:15)
nareo ve mba nanao korisarisa rambaramba ?
10. milamm ( 19/04/2010 12:51)
nenay kalo de kalesa sy ankisisika ze de kapoka ko tsy ratsy =)) tsy de nirevy ze elektronika zany fa makarary maso =))
11. nannie ( 19/04/2010 14:45)
Ny anay tsy tomaboho vatokely no nanaovana tantara fa manangona sarona tavoahangy isan-karazany dia arakarak'izay endriny eo no atao hoe vehivavy tsara tarehy na ratsy tarehy, na lehilahy, na olona botabota, na olona mahia kely, etc.
Ny entana moa dia sisana dinety tsy miasa intsony na pitsopitson-javatra mahafinarinaritra angoningonina eny. Amin'izay maro loko ery ireo kilalao. Angonina ao anaty sachet ireo dia tsy misy mahazo mikitika !!! :D
12. xxx ( 19/04/2010 15:03)
inona tokoa moa ilay hoe tamaboha ?
13. niryna ( 19/04/2010 16:46)
milamm:

nenay kalo de kalesa sy ankisisika ze de kapoka ko tsy ratsy =)) tsy de nirevy ze elektronika zany fa makarary maso =))

kasokaso kapoka ve, ilay atao telefonina/
taiza tokoa moa no nakana ilay roulement-na kalesa ireny ?
ankisisika ? inon zany ?

14. niryna ( 19/04/2010 16:49)
nannie:

Ny anay tsy tomaboho vatokely no nanaovana tantara fa manangona sarona tavoahangy isan-karazany dia arakarak'izay endriny eo no atao hoe vehivavy tsara tarehy na ratsy tarehy, na lehilahy, na olona botabota, na olona mahia kely, etc.
hi ,hi, iny indray no mbola tsy henoko ,tsy ratsy

Ny entana moa dia sisana dinety tsy miasa intsony na pitsopitson-javatra mahafinarinaritra angoningonina eny. Amin'izay maro loko ery ireo kilalao. Angonina ao anaty sachet ireo dia tsy misy mahazo mikitika !!! :D
:D
za tamin'ny mbola kely koa manangona zavatra kely,biberon kely e ,fihogo kely e,saribakoly kely
Dia anamboaran'i neninay godoro kely sy ondana kely ilay saribakoly ,dia asiany volony kely avy amin'ilay fanaovana ankanjo ba ireny kanefa tsy mety bangona ilay volony :D



15. niryna ( 19/04/2010 16:54)
xxx:

inona tokoa moa ilay hoe tamaboha ?
fanaovana tantara hono araka ny fomba fanazavana eo ambony io
Hatramin'izao tokoa ny ankizy eny an-tsena miaraka ny rar mivarotra dia mbola manana kilalao marobe an,ary tena faly tokoa anie izany e
maka vato dia manao tantatra ,vaky mihitsy ny tokontany anaovany azy ,miketoketoketoka manapatra ny hatezerany anie izy ireo manao tantara e rehefa henoina ny tantarany dia toa miresaka ny fiainana ao an-trano indray izy ireo,izay ataon'ny ray na ny reny io no betsaka

mahavariana tokoa fa ny olona miaina amin'ny zava-misy indraindray dia toa manana fifaliana tsy voavidy vola :D


16. Ratoa ( 19/04/2010 21:38)
Ny ananay koa boatin'afokasoka noa somary sokafana kely dia atao sarety . Dia misambotra valala atao omby: trobarana tapakazo eo amin'ny tendany eo dia fatorana kofehy hitarika ilay sarety. Dia vesarana hatrany hatrany ny sarety fa tsy mety maty ny valala.
Dia nony avy eo indray dia manao arc sy flèches amin'ny bararata na volontsagana rangitina haranitra be dia tofirina amin'iny ny akohon'ny manodidina izay mihaotra aty aminay.
17. mandrindra ( 20/04/2010 07:50)
ny zoera nonafotaka, na kapsily izany na vakina karô. fianritra ery nikarakara ny maillot
18. milamm ( 20/04/2010 09:31)
niryna ,ie kasokasoka kapoaka :lol: ny roulement misy foana ny mpanao bizna mivarotra azy ka :-D
19. ikaretsaka ( 20/04/2010 16:19)
ndotofetsy:

manaokivadivady dia miaraaka matory any antsaha


=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))


io kosa raha mbola ankizy nanao an'io aby... fa tsy nisy eritreritra ratsy t@ izany a
:wink:
fa nony nitombo ny taona dia nanomboka maoty de..... :-D :-D
20. niryna ( 20/04/2010 19:28)
Ratoa:

Ny ananay koa boatin'afokasoka noa somary sokafana kely dia atao sarety . Dia misambotra valala atao omby: trobarana tapakazo eo amin'ny tendany eo dia fatorana kofehy hitarika ilay sarety. Dia vesarana hatrany hatrany ny sarety fa tsy mety maty ny valala.
:D manapatsinay ahy Ratoa
Raha misy angamba ny biby nijaly indrindra dia tsy misy toy ny valala
ary misy koa aza manapaka ny tongom-beany iny dia asiany tsilo dia mirimorimo eo kanefa tsy mety maty

Dia nony avy eo indray dia manao arc sy flèches amin'ny bararata na volontsagana rangitina haranitra be dia tofirina amin'iny ny akohon'ny manodidina izay mihaotra aty aminay.

Ratoa izany anie tena nilalao ireo fanaon'ny ankizilahy ireny mihitsy e,dia inona koa fa mahafinaritra ery ny mihaino azy


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1047