Kilalao fahazaza:ahitra kely dia mahavariana,inona ny anareo
41. Ratoa
(
23/04/2010 23:19)
ka ny any an-tokotanin'olona anie voarara sady misy risque é! misy défi koa
42. soanja
(
24/04/2010 16:38)
Ratoa:
ka ny any an-tokotanin'olona anie voarara sady misy risque é! misy défi koa
Ny anay koa moa ny papay sy ny zavoka, ny konikony ary ny manga no nameno tokotany fa ilay Pommes chinoises mihidy velona ao anaty tokotanim-bazaha no mampitsiriritra tsy misy toy izany. Ny Berge Alema amin'io mirangaranga sofina handrapaka anay. Oay, mihanika lakoro sy tafotrano ihany dia dilatra ny paoma. Kay le izy paoma ratsy tsiro sady mafaitra. Poa poa. Aza mahavoa ny paomam-bazaha!
43. Ratoa
(
24/04/2010 21:02)
hoy i soanja
tsy paoma iny ka. Nyizaho tia voankazo marikivy f paoma matsiro daholo ka. Mahagaga fa ny paoma marikivy tena tsy voako mihitsy
Ilay andatra be iny tsy paoma iny fa "coing" na "kôtsy" hoy ny gasy.
Tsy fihinana manta iny fa hadrahoana dia tatavanina fa misy voany madinika kely toa ny goavy. Dia izay vao asiana siramamy dia atao confiture.
Poa poa. Aza mahavoa ny paomam-bazaha!an !an ! ana ! ka
tsy paoma iny ka. Nyizaho tia voankazo marikivy f paoma matsiro daholo ka. Mahagaga fa ny paoma marikivy tena tsy voako mihitsy
Ilay andatra be iny tsy paoma iny fa "coing" na "kôtsy" hoy ny gasy.
Tsy fihinana manta iny fa hadrahoana dia tatavanina fa misy voany madinika kely toa ny goavy. Dia izay vao asiana siramamy dia atao confiture.
44. niryna
(
25/04/2010 05:04)
ikaretsaka:misaotra nizara e
saosety ee.. digadingana e.. sns paraky gasy ke pur be ireny foana aby.. de zay no nanapahana hevitra nony dizina hoe aoka izay ity kisetrosetroka ity
45. niryna
(
25/04/2010 05:12)
soanja:soanja, ahatsiarovako zavatra kely ilay lakana manara-morona
Ny kilalaonay tamin'ny mbola kely indray dia mitaingina lakana manara-moron'ny ramosina Indianina, dia efa misy ho 5 eny ambony eny dia ny lahikely efa mitondra famaky sy mpamohy. Dia iny no kapaina ireo huitres eny amin'ny coral reefs. Ny vavikely efa mivimbina sira sy voasarimakira. Nny lahikely aloha no mijibika voalohany mamonjy ilay toerana dia manomboka mikapoka eo mandra-panomeny ilay sakafo, avy eo miantso ny rehetra hilomano, samy maka vetivety eo dia sady manesika any ambava no milomano miverina mamonjy lakana izay efa nahazo.
Hoy ny dadako tamin'izaho nandeha nanambady hoe isekely izao rehefa asian'ny olona mihira dia inona no antan'isekely ? :D
Dia hoy aho hoe "lakana feno trondro miletaleta " :D dia tapatsinay ny dadaka avy eo :D
Ankoatr'izay dia milalao Lakazera. Io indray dia kilalao miaramila kely be dia be dia mifanala ny lohan'ilay vonifanja amin'ny voninkazo Flamboyants. Dia zay mahalany lohana miaramila rehetra voalohany ao anatin'izay vonifanja nofidiany no mpandresy. Kilalao tsiroaroa io.
Ao koa ny kilalao Tsenabe. Io dia fonona bonbon isan-karazany no atao karazam-bola ka ilay fonona bonbon sucette no tena volabe. Misy zany mpivarotra dia misy mpividy. Dia iny no atao takalo eo sady tandremana tsy ho simba ny vola ka maharitra amam-bolana mihitsy. Ny varotra moa izany dia voninkazo sy karazan-tsakafo sns sns azo alaina eny an-taninkatsaka eny. Rehefa vita izay dia atao ny tsikonona. Dia samy miaramihinana azy.
Ny lalao tena nankafiziko moa dia ny Lahoeka. Io indray dia tantara film western sy ny lainga be tianao hotenenina momba izay fantatrao. Ny films moa dia izay nojerena isaky ny iray volana any amin'ny amphitheatre Katolika. Ny kely tsy afaka mijery no mihaino ary ny lehibe mitantara eo miaraka amin'ny geste. Isany nalaza taminay samy ankizy ny fivarotana tavoahangy hita arian'ireo mpisotro toaka, mba hidirana seconde any amin'ny salle de cinema.
Tantara tokoa izany ka tantara!
misaotra nizara,sady taloha tena nisy fifaliana tokoa isika rehefa nilalao an,ankehitriny na feno aza ny trano toa tsy mba manana fifaliana ny ankizy.
Izao ary moa hila hipoaka ny poteau ny lohan'ny ankizy milalao telecel sady mandeha no manoratsoratra ny namany
46. soanja
(
25/04/2010 11:53)
Ratoa:
hoy i soanjaPoa poa. Aza mahavoa ny paomam-bazaha!an !an ! ana ! ka
tsy paoma iny ka. Nyizaho tia voankazo marikivy f paoma matsiro daholo ka. Mahagaga fa ny paoma marikivy tena tsy voako mihitsy
Ilay andatra be iny tsy paoma iny fa "coing" na "kôtsy" hoy ny gasy.
Tsy fihinana manta iny fa hadrahoana dia tatavanina fa misy voany madinika kely toa ny goavy. Dia izay vao asiana siramamy dia atao confiture.
Tsy paoma ilay izy ka. Efa tonga tany Tana efa somary lehibe vao kopy aho hoe voankazo hafa mihitsy ilay izy.
Tany aminay mantsy tsy mba nisy paoma sy paiso sy ireo voankazo maro maniry any ampovoan-tany fa hafa mihitsy no nisy tany aminay toy ny hoe: sakoa, sakodia, sondriry, lamonty, lamonty gomogomo, finesy, karasoly sns sns voankazo tropikaly. Dia rehefa mba mandeha manao mission a Tana i papanay vao mitondra ireo voankazo toy ny paoma sy ny hafa ho voandalana fa izany tena hoe ifanotofana mihitsy ny fitiavana azy. Dia nihevitra izahay fa ilay voankazo maniry an-tokotany mbazaha eo akaikinay dia poma koa fa hafa kely dia antsoinay hoe pomme sinoazy. Kay ilay izy tena voankazo hafa mihitsy sady manta no nalaina tamin'izay.
Maro ny zavatra hita sy fantatra noho ny traikefa tamin'ny mbola kely ka!
47. soanja
(
25/04/2010 12:02)
Niryna> Isany kilalaonay koa izany mandeha mitsena mpanjono izany fa dia feno trondro tokoa ny lakana miverina avy any an.
Ny tena nahafinaritra ahy ny mandeha petsapetsa eny amoron-dranomasina sy manaramaso ireo mpaka drakatra vao maraina be.
Asa na kilalao moa ity na tena izy fa tany ambanivohitra indray dia mandeha maka rononon'osy handrahoana ho sakafo maraina afangaro sosoa ka raha vao tonga eo amin'ilay osy dia atongilana ny loha ary atohoka ny vava sady manery ronono. Dia mipatrapatraka avy any ilay ronono, fa matsiro an! Efa voky rononon'ny bengy vao mameno ilay sio kely entina mody.

48. ikaretsaka
(
25/04/2010 12:09)
Ratoa>mahagaga tokoa fa za zanak'i Bira nefa tsy tia paoma marikivy a...nefa ny paiso , zeviii (sakoa) sns tsy maninona.
Ny ahy ry soanja rehefa any @ cote ny zamborizany no tena tsy nety tiako fa 2 aho de tofoka
Ny ahy ry soanja rehefa any @ cote ny zamborizany no tena tsy nety tiako fa 2 aho de tofoka
49. soanja
(
25/04/2010 12:20)
ikaretsaka:
Ratoa>mahagaga tokoa fa za zanak'i Bira nefa tsy tia paoma marikivy a...nefa ny paiso , zeviii (sakoa) sns tsy maninona.
Ny ahy ry soanja rehefa any @ cote ny zamborizany no tena tsy nety tiako fa 2 aho de tofoka
Ie io aloha acquired ny taste-ny e. Zah zao rehefa any amin'ny sud est dia misy anle voankazo hoe makoba izay fa dia ehe iraika madina dia efa ao izay. Mitovy amin'ny fihinana sifotra ao Paris ihany re!
:D
50. sipagasy
(
25/04/2010 16:17)
ny ahy ny mba tsaroako tokoa dia ilay milalao miaraka @ fonona bombo, manao kivarivary, na koa ny manao vitsiliha, na ny kasikasy kapôka, eh! dia ny raosy jamba ihany koa e!
ary tadidinareo veh ilay manao hazakazaka miaraka @ kiraro kapôka???
fahiny tokoa izany e! tsy hain'ny zanatsika akory tsssss
ary tadidinareo veh ilay manao hazakazaka miaraka @ kiraro kapôka???
fahiny tokoa izany e! tsy hain'ny zanatsika akory tsssss
51. ni81
(
25/04/2010 20:21)
Nisy koa ilay mandeha @ tongo-kazo! Miankina @ rindrina aloha fa sao dia mianjera rehefa hiakatra eo aminy eo :lol:
52. maeva74
(
25/04/2010 21:42)
Manao tantara vato , manao tso-bato, manao mpampianatra sy mpianatra manao akondroandro mandrimandry , le kilalao zedeklarelagera sns hihihih :lol: :lol: :lol: :lol:
53. Ratoa
(
25/04/2010 23:45)
Ilazako ianareo fa izaho tsy dia tia milalao saribakoly loatra fa ny zandriko lahy 2 no milalao azy. Ny voalohany aloha dia manao toa ny ankizivavy kely mihitsy.
Fa ilay mbola kely dia kely dia ny manokatra sy manakatona ny masony no mahasondriana azy, ary manandrana manala ny voamasony.
Raha ampandriana moa ny saribakoly dia mikipy ho azy ny masony.
Indray andro nifoha maraina be ilay zandriko . Iny izy, avy any an'efitry ry ramamanay any dia tonga eto amiko. (Tsy matahotra haizina mihitsy ilay iry.)
Tonga dia niakatra teo ampandrinako, izaho amin'izany mody matory. Dia ipetrahany ny tratrako. Oadray hoy aho ao antsaiko ao, tena ataon'ilay ity sôvaly mihitsy aho.
Iny ary fa sokafany ny masoko iray. Narary ka nakipiko haingana. Naveriny indray. Tsy nakipiko indray navelako nisokatra teo ny maso iray. Ny ilana mikipy ihany. Gaga be izy.
Nony kelikely dia sokafany koa ny maso faharoa. Dia navelako nisokatra daholoi zy roa. Dia avy eo akipiko ny iray. Dia vao maika izy gaga. Dia nakipiko koa ny faharo. Gaga izy. Dia nosokafany ny iray dia nahiratro daholo izy roa.
Iny amin'izay izy sy ny fanondrokeliny sy ny akibetanana keliny fa haka ity voamasoko hono. Nakipiko dia nosokafako indray. Dia iny indray fa haka ity voamasoko hono izy.
Nesorin'i ramamanay teo izy nony avy eo (raha vao nitranga aloha rabôfinay dia nody natory avy hatrany aho fa tsy te hitsangana hividy mofo) ; dia hoy izy hoe: "sy mety, sy mety, sy mety" (Tsy mety) Fa mbola tsy nahay niteny ilay iry amin'izany.

54. niryna
(
26/04/2010 15:31)
soanja:ny anay indray ilay misaka pirina mijery ny ataon'ny olon-dehibe dia omeny pirina kely.Tadidiko nanao tsikonikonina izahay dia nalainy ny kapoaka na nestle ireny nanadeendasaka ilay pirina,nosasako tsara aloha ary mbola be rano ka niakatra re ity afokitay,nasiko rano fa izay no mba tao anatin'ny eritreritra keliko,saika may tao ny trano tafobozaya ny fianakaviana.Farany nihamaivana ny afo dia tsy tadidiko intsony ny niafarany . ha,ha
Niryna> Isany kilalaonay koa izany mandeha mitsena mpanjono izany fa dia feno trondro tokoa ny lakana miverina avy any an.
saingy tadidiko mandrak'androany fa rehefa misy rano ny menaka dia saromako sarombilany foana.
Ny tena nahafinaritra ahy ny mandeha petsapetsa eny amoron-dranomasina sy manaramaso ireo mpaka drakatra vao maraina be.
ny ahy indray dia ilay mandeha amin'ny lakana kely ireny dia eny ampovoany mijery ireo hazandrano maro karazany,faly ery anie ny sainy amam-panahy mijery ilay izy.
55. niryna
(
26/04/2010 15:43)
ikaretsaka:zaho indray ry ika dia ny zamborizano no tena tiako indrindra ilay lamokany.
Ny ahy ry soanja rehefa any @ cote ny zamborizany no tena tsy nety tiako fa 2 aho de tofoka
57. soanja
(
27/04/2010 03:57)
Ie tokoa, lamokany hoe??? Ny zamborizan raha ny fitadidiako azy dia tonga dia hanina aby iny nofony fotsifotsy iny miaraka amin'ny hodiny eo. Tsa mba misy raha voasana akory. Asa anefa mety zamborizan hafa koa izay mandamoaka izay.
Tany aminay tsy mba nisy zamborizan ry Ika fa nony niakatra tany Fianarantsoa dia feno azy i Mahasoabe sy ny manodidina rehetra iny.
Ny voankazo tsy voako raha tsy tonga taty andafy aho dia ny poara. Asa fa dia ohatra ny matsatso zany le poara tany Mada. Nony taty anefa dia isankarazany ilay izy dia misy isafidianana tokoa sady mamibe daholo. Ny frezy sy ny volaoboka anefa dia tena tsy laitra fa ratsy tsiro be mihitsiny aty.

58. niryna
(
28/04/2010 02:45)
ikaretsaka:inona no filaza azy? ilay efa ho tapitra tsy misy intsony ny zamborizano dia misy zanany kely ,manitra be no matsiro be iny ,mety tsy ho lamokany angamba izany no filaza azy ,lamokany toa ratsy ,poakaty e sa
lamokany?
59. niryna
(
28/04/2010 03:11)
soanja:inona no anaran'ilay voankazo toy ny goavy ny paoziny saingy avobe ny hazony,misy voninkazo ilay izy ary manitra be ilay izy rehefa hohanina.Ahitsiho aho raha tsy izay no anarany.Rehefa akaiky tapitra ilay izy dia misy zanajanany kely eny ambony eny ,ireny ilay teneniko fa tena manitra no mamy saingy kely ilay izy
Ie tokoa, lamokany hoe??? Ny zamborizan raha ny fitadidiako azy dia tonga dia hanina aby iny nofony fotsifotsy iny miaraka amin'ny hodiny eo. Tsa mba misy raha voasana akory. Asa anefa mety zamborizan hafa koa izay mandamoaka izay.
tsy tadidiko indray ny poara tany fa ny ankondro no tsara be saingy rehefa tonga tany aho dia mainsto kely sady mahia kely ila yizy.
Ny voankazo tsy voako raha tsy tonga taty andafy aho dia ny poara. Asa fa dia ohatra ny matsatso zany le poara tany Mada. Nony taty anefa dia isankarazany ilay izy dia misy isafidianana tokoa sady mamibe daholo. Ny frezy sy ny volaoboka anefa dia tena tsy laitra fa ratsy tsiro be mihitsiny aty.
ny voaloboka indray aty aminay dia misy karazany efatra mahery,menabe-mamy fa mafaika ny hodiny,menamena kely-mamibe ,maitso-arakarany saingy matetika dia marikivikivy,misy iray toy ny roatra ilay izy,mamy koa fa somary mafaika kely ny hodiny,kely noho ny kanety indray sady mamy no lafobe,ireo rehetra ireo dia tsy misy voany,fa ilay iray ngezabe ,indroa ny haben'ny voaloboka any amintsika dia mamy fa misy voany,ny rehetra dia tsy misy voany avokoa.
60. niryna
(
28/04/2010 03:15)
maeva74:ilay avy mangataka izahay,ny pierre -paul
Manao tantara vato , manao tso-bato, manao mpampianatra sy mpianatra manao akondroandro mandrimandry , le kilalao zedeklarelagera sns hihihih :lol: :lol: :lol: :lol:
inona ilay iray hoe hoy rakoto manaova an'izao dia manaraka an'iny daholo ny olona ,aza manao an'izao dia izay manao an'iny dia boka,hi,hi
ny kivarivary,ny fanaovana domy
betsaka tokoa anie izany kilalaontsika izany e