Kilalao fahazaza:ahitra kely dia mahavariana,inona ny anareo
61. niryna
(
28/04/2010 03:20)
Ratoa:
Ilazako ianareo fa izaho tsy dia tia milalao saribakoly loatra fa ny zandriko lahy 2 no milalao azy. Ny voalohany aloha dia manao toa ny ankizivavy kely mihitsy.
Fa ilay mbola kely dia kely dia ny manokatra sy manakatona ny masony no mahasondriana azy, ary manandrana manala ny voamasony.
Raha ampandriana moa ny saribakoly dia mikipy ho azy ny masony.
Indray andro nifoha maraina be ilay zandriko . Iny izy, avy any an'efitry ry ramamanay any dia tonga eto amiko. (Tsy matahotra haizina mihitsy ilay iry.)
Tonga dia niakatra teo ampandrinako, izaho amin'izany mody matory. Dia ipetrahany ny tratrako. Oadray hoy aho ao antsaiko ao, tena ataon'ilay ity sôvaly mihitsy aho.
Iny ary fa sokafany ny masoko iray. Narary ka nakipiko haingana. Naveriny indray. Tsy nakipiko indray navelako nisokatra teo ny maso iray. Ny ilana mikipy ihany. Gaga be izy.
Nony kelikely dia sokafany koa ny maso faharoa. Dia navelako nisokatra daholoi zy roa. Dia avy eo akipiko ny iray. Dia vao maika izy gaga. Dia nakipiko koa ny faharo. Gaga izy. Dia nosokafany ny iray dia nahiratro daholo izy roa.
Iny amin'izay izy sy ny fanondrokeliny sy ny akibetanana keliny fa haka ity voamasoko hono. Nakipiko dia nosokafako indray. Dia iny indray fa haka ity voamasoko hono izy.
Nesorin'i ramamanay teo izy nony avy eo (raha vao nitranga aloha rabôfinay dia nody natory avy hatrany aho fa tsy te hitsangana hividy mofo) ; dia hoy izy hoe: "sy mety, sy mety, sy mety" (Tsy mety) Fa mbola tsy nahay niteny ilay iry amin'izany.
:D :D
ary nareo ve mba nianinkazo naka rrotra? ny ankizilahy no asiana miakatra dia mitomboka eny ambony eny aloha izy,ny tena mba anipazany kely ihany,voky tanteraka izy vao midina.Toy izany koa ny pibasy sy ny goavy,mandehandeha eny amorondrano maka goavy dia avy eo mandeha eny anatin'ny sahin'ny olona,Ny zokin'ny tena no mitarika amin'io an dia tsy vitan'izany ihany koa fa maka zanaka pibasy fa tena naniry ilay izy avy eo.
62. Ratoa
(
30/04/2010 00:33)
Izaho aloha dia rajako mihitsy raha ny fianihana hazo no resahana. Ny anay eny embony eny ny "tranonay". Ny tena tiako dia ny mitsambikina avy eny ambony eny.
Indray andro nataon'ilay zandriko iray izay parachute ny elon-dramama ka nivadika tsy niverina intsony. Loza...
Nareo ve mba nanao papango (cervolant). Ny an'ny ankizy teo akaikinay nisaringotra tamin'ny fandri-baratray matetika sady mandalo varavarankely. Nahasorena ny RAD -nay mihitsy.
Inona hoy ianareo no nataon'ilay zandrikoa anakiray? Miakatra eo ambonin'ny tafon'n trano mandady izy dia samboriny ny tadin'ilay papango dia tapahany.
Miomenomenona ny tompony dia valian'ilay iry fotsiny hoe: manimba fandribaratra, tandremo tsy hankaty ny kilalaonareo (amin'ny fomba ahoana hono? Ilay zavatra entin'ny rivotra). Rehefa avy eo anefa lalaoviny.

63. niryna
(
30/04/2010 14:42)
Ratoa::D tsy mahatsiaro ny fahazazana ve izao Ratoa miresaka eto
Izaho aloha dia rajako mihitsy raha ny fianihana hazo no resahana. Ny anay eny embony eny ny "tranonay". Ny tena tiako dia ny mitsambikina avy eny ambony eny.
Indray andro nataon'ilay zandriko iray izay parachute ny elon-dramama ka nivadika tsy niverina intsony. Loza...
ny anay teny akain'ny tanimbary no nentina>Nahazo papango kely izay koa izahay,mihodikodina amin'ny fingotra ilay izy dia alefa manidina dia toy ny vorona tokoa.
Nareo ve mba nanao papango (cervolant). Ny an'ny ankizy teo akaikinay nisaringotra tamin'ny fandri-baratray matetika sady mandalo varavarankely. Nahasorena ny RAD -nay mihitsy.
hi,hi marina ny azy
Inona hoy ianareo no nataon'ilay zandrikoa anakiray? Miakatra eo ambonin'ny tafon'n trano mandady izy dia samboriny ny tadin'ilay papango dia tapahany.
Miomenomenona ny tompony dia valian'ilay iry fotsiny hoe: manimba fandribaratra, tandremo tsy hankaty ny kilalaonareo (amin'ny fomba ahoana hono? Ilay zavatra entin'ny rivotra). Rehefa avy eo anefa lalaoviny.
Nareo ve mba nihirahira ? ny neninay no mitendry gitara, ny zokinay koa maka kifafa atao micro ,dia ny sasany manao gitara rivotra dia mihirahira eo.
Ary inona no hirahira mba tadidinareo?
64. niryna
(
30/04/2010 14:47)
Tadidiko fotsiny ny hira fa tsy tadidiko tsara ny tonony
Ra-osy jamba o! ra-osy jamba
raha mahita hianao o....
savasavao re ny lalanao,
fantampataro ny anarany o
isa 2-3
tapenana ny mason'ilay ankizy dia manao boribory
Dia teo koa ny bisikekiletan'i dadatoa
ny amina ,amina
ny avy mangataka izahay
Izy iry ambony iry
Tamin'izay tany Antsirabe
ary ny saka sy ny totozy
ireo no mba tadidiko fa mety tsy ho tadidiko tsara ny tonon'ny sasany

65. Ratoa
(
30/04/2010 23:23)
Indraindray aloha dia mahatsiaro ny fahazazana é! Iza moa no tsy hatsiaro an'izany, indrindra raha tsy eto an-tany intsony ireo niara nialalao sy mpiray tsikombakomba: dadabe sy nenibe, zoky sasantsasany, dadatoa sy nenitoa. Ny ankizy ankehitriny hitako fa tsy mahatsapa ny fahasambarany , asa...
Avy mangataka izahay, izahay, izahay....
Nankaizy i Marigirity...
izaho anie dia zazakely
tia ronono sy tantely...
Ô ry dada, ô ry neny
asehoy anay anie
Izay fanaonareo ireny...
Avy mangataka izahay, izahay, izahay....
Nankaizy i Marigirity...
izaho anie dia zazakely
tia ronono sy tantely...
Ô ry dada, ô ry neny
asehoy anay anie
Izay fanaonareo ireny...
66. niryna
(
04/05/2010 19:37)
Ratoa:
Indraindray aloha dia mahatsiaro ny fahazazana é! Iza moa no tsy hatsiaro an'izany, indrindra raha tsy eto an-tany intsony ireo niara nialalao
dia tsy fantatra aloha fa mbola tsy naheno aho hatramin'izao,misy koa aza tsy nifankahita intsony
asa tokoa e,isika toa zavatra kely dia mahavariana sy ahitana fahafinaretana,ankehitriny ka e,e, toa tsy ampy fa mitady foana eny fa ny lehibe koa aza ,ha,ha
sy mpiray tsikombakomba: dadabe sy nenibe, zoky sasantsasany, dadatoa sy nenitoa. Ny ankizy ankehitriny hitako fa tsy mahatsapa ny fahasambarany , asa...
Avy mangataka izahay, izahay, izahay....
Nankaizy i Marigirity...
izaho anie dia zazakely
tia ronono sy tantely...
Ô ry dada, ô ry neny
asehoy anay anie
Izay fanaonareo ireny...
manana hira maro koa ny ankizy saingy vaovao ny sofina no maheno azy,ny itako indray dia manao pazzapa daholo ny mpianakavy,rehefa misy fety dia tsy menatra mijoro mihirahirana ny ankizy
67. nannie
(
09/05/2010 06:07)
Ny ahy izao ny kilalao hitako eto dia ny manangona an'ireo voalazanareo rehetra ireo dia manao boky momban'izay, lol ! hevitra koa izany an ? sady hevitra mahasoa ! :P
68. niryna
(
17/05/2010 19:11)
nannie:
Ny ahy izao ny kilalao hitako eto dia ny manangona an'ireo voalazanareo rehetra ireo dia manao boky momban'izay, lol ! hevitra koa izany an ? sady hevitra mahasoa ! :P
:D
ny ahy ny tena nahavariana ahy dia ireo zanaka mpivarotra eny amoron-dalana.Vato roa no eny ampelantanany,izy amin'izany mibaby ilay zandrikely dia eo vaky mihitsy ny tokontany anaovany azy ,miresaka anie izany ka miresaka e.Raha nalaina feo angamba dia ho variana mihitsy izay mihaino azy ireo
69. sandrify
(
27/05/2010 13:56)
d manaona daolo e
d varina mamaki anle kilalao fahiny fa mahatsiaro ny fahazazana
ny anay ndray talo nanao kivarivary d vovoka no vary d ny laoka voambondelaka (mavo2 ny lokony) iny no atao enankisoa d ny raviny no atao anana
ny ravina tsindaory ndray no totoana d hotran'ny menaka zay izy refa vita d iny ny menaka
ny vitsili, refa diavolana d manao fanenjika manodidina ny tanàna
na milalao kapsili, sady taloha maro karazana ny kapsili na ko manao katro, fa ny anay ndray tany ambanivohitra tahona bararata na bozaka no atao tantara fa tsy vato
ie d efa nifoka tahona sosety ko
ndriii
eeeeee tsara ery ny taloha , ny ankizy amin'izao tena hafa mitsy ny kilalao ataony