Kilalao fahazaza:ahitra kely dia mahavariana,inona ny anareo

21. niryna ( 20/04/2010 19:35)
mandrindra:

ny zoera nonafotaka, na kapsily izany na vakina karô. fianritra ery nikarakara ny maillot
inona tokoa moa izany zoera fa tsy tadidiko intsony
ny anay indray izany dia nisy appareil kely fanaovana cinema izay dia maka boriky izahay atao seza dia miantso ny ankizy eo an-tanana mijery cinema ary kapisily iray no fidirana.
Tadidiko fa nahangona kapisily efa ho hatsasaky ny siny angamba izahay rehefa ela ny ela,tsy tadidiko tsara fa ilay biriky atao seza no mba tadidiko dia avy eo indray miantso ireny ankizy ireny hiaraka hilalao dia izahay no miantoka kapisily.Atoraka avobe ilay izy dia izay mitraka no an'izay manipy ilay izy ambony
Dia avy eo indray manao ligne lavabe dia atsipy eny indray ny kapisily dia izay mihoatra ny ligne da ho an'zay indray iny kapislily iny .Lany ritra ilay izy tamin'ny farany


22. niryna ( 20/04/2010 19:38)
milamm:

niryna ,ie kasokasoka kapoaka :lol: ny roulement misy foana ny mpanao bizna mivarotra azy ka :-D
hay ve e,fa avy tamina inona hoy aho no nakana azy ireny ?
eny e ,na ny olona mpatsaka rano aza manao kalesa kely hitondrana rano amin'ny zerikana be ireny

23. Ratoa ( 20/04/2010 23:13)
Ny tokotaninay moa be hazo fihinamboa. Teo akaikin'ny garage nisy coeur de boeuf lava be (avo be) fa tanora sy tena souple be. Miakatra eo an-tafon'ny garage dia raisina sy afolaka tsy kelikely ilay vatan'ilay coeur de boeuf paha-hazo tsara ny lohany. Tanana tsara iny lohany; avy hatrany dia mitsambikina avy eny amin'ny tafon'ny garage: manao parachute ilay coeur de boeuf. Milanto ny fidinana fa tsy mianjera. Rehefa mikasika ny tany dia avela tampoka ny lohan'ny coeur de boeuf (libérer-na) dia io manao "essuie-glace" eo. Tsy atao hitan'ny olon-dehibe mihitsy...
Dia misy tany kisolasola koa ao aminay; no volen'i nenibe voamanga. Rehefa maintso sy matevina tsara iny ny ravimboamanga mandidy vatan'akondro efa namoa (efa nalana ny voany) dia trobarana bararata ery aloha ery itoeran'ny tongotra hamiliana ny "fiara"; dia mandeha amin'izay mikorisa eo an-tani-mboamanga.
Tezitra be i nenibe ; valianay mora hoe " maniry foana io nenibe ah; ny vodiny mbola ao".
24. niryna ( 21/04/2010 02:55)
Ratoa:

Ny tokotaninay moa be hazo fihinamboa. Teo akaikin'ny garage nisy coeur de boeuf lava be (avo be) fa tanora sy tena souple be. Miakatra eo an-tafon'ny garage dia raisina sy afolaka tsy kelikely ilay vatan'ilay coeur de boeuf paha-hazo tsara ny lohany. Tanana tsara iny lohany; avy hatrany dia mitsambikina avy eny amin'ny tafon'ny garage: manao parachute ilay coeur de boeuf. Milanto ny fidinana fa tsy mianjera. Rehefa mikasika ny tany dia avela tampoka ny lohan'ny coeur de boeuf (libérer-na) dia io manao "essuie-glace" eo. Tsy atao hitan'ny olon-dehibe mihitsy...

manapatsinay ahy Ratoa ity a
Hianareo ve mba efa nilalao irery ?
Ahatsiarovako tamin'izaho nanao saute a hauteur
Alaiko ny elastique dia fatorako eo amin'ny hazo andaniny sy ankilany ilay izy dia eo aho mitsambikina irery.Rehefa misy fiara mandalo izany moa dia mampiseho ilay fahaizana kely ery.
Ratoa:

Dia misy tany kisolasola koa ao aminay; no volen'i nenibe voamanga. Rehefa maintso sy matevina tsara iny ny ravimboamanga mandidy vatan'akondro efa namoa (efa nalana ny voany) dia trobarana bararata ery aloha ery itoeran'ny tongotra hamiliana ny "fiara"; dia mandeha amin'izay mikorisa eo an-tani-mboamanga.
izay ilay hoe manao gorisa amin'ny sobika ratsy,potika mihitsy ny akanjo na ny pantaloha vao mody [quote=Ratoa]
Tezitra be i nenibe ; valianay mora hoe " maniry foana io nenibe ah; ny vodiny mbola ao".


=)) =)) malemy aho Ratoa :D
25. Ratoa ( 21/04/2010 20:47)
Ratoa izany anie tena nilalao ireo fanaon'ny ankizilahy ireny mihitsy e
ka izaho irery anie no vavy é! Ry zalahy fito be izao. hi s'em... irery eo izany? Fa miafina ny RAD foana aho amin'izany satria voarara ny miara milalao amin-dry zalahy. Mahazo ny hoe "fantaro fa vehivavy ianao fa tsy lehilahy, manjaira mouchoir, ny lamba ireo be dia be!"
Dia rehefa eo an-trano ra-mamanay dia miara manjaitra aminy eo é; indrindra raha vakansy, manomana ny fidiran'ny mpianatra.
Fa ny mahafinaritra dia mahay mahandro sakafo sy manao tricot sy crochet ary manjaitra daholo ry zalahy. Dia iaraha manao ny zavatra rehetra dia vetivey dia vita dia lasa amin'izay milalao. Fa fantatra foana aloha satria rovitra ny akanjo na tasin'ny ravimbomanga.
26. Ratoa ( 21/04/2010 20:48)
Ary nareo ve mba nifoaka taon-tsôsety sy vonon-kininina ary ravi-paraky? Nisy ireo koa ny tokotaninay. Aventure any izany é!
27. kotobekibo ( 22/04/2010 00:06)
Ratoa > kofona mihitsy @ taho-tsosety fa eee ; fohana ihany!:-D
kapisily , zoera , tosika pneu , tosika piste , tso-bato , vitsilia , dihim-bazaha , aralanitra ...... :-)
28. ikaretsaka ( 22/04/2010 00:45)
saosety ee.. digadingana e.. sns paraky gasy ke pur be ireny foana aby.. de zay no nanapahana hevitra nony dizina hoe aoka izay ity kisetrosetroka ity
29. soanja ( 22/04/2010 02:35)
Ny kilalaonay tamin'ny mbola kely indray dia mitaingina lakana manara-moron'ny ramosina Indianina, dia efa misy ho 5 eny ambony eny dia ny lahikely efa mitondra famaky sy mpamohy. Dia iny no kapaina ireo huitres eny amin'ny coral reefs. Ny vavikely efa mivimbina sira sy voasarimakira. Nny lahikely aloha no mijibika voalohany mamonjy ilay toerana dia manomboka mikapoka eo mandra-panomeny ilay sakafo, avy eo miantso ny rehetra hilomano, samy maka vetivety eo dia sady manesika any ambava no milomano miverina mamonjy lakana izay efa nahazo.

Ankoatr'izay dia milalao Lakazera. Io indray dia kilalao miaramila kely be dia be dia mifanala ny lohan'ilay vonifanja amin'ny voninkazo Flamboyants. Dia zay mahalany lohana miaramila rehetra voalohany ao anatin'izay vonifanja nofidiany no mpandresy. Kilalao tsiroaroa io.

Ao koa ny kilalao Tsenabe. Io dia fonona bonbon isan-karazany no atao karazam-bola ka ilay fonona bonbon sucette no tena volabe. Misy zany mpivarotra dia misy mpividy. Dia iny no atao takalo eo sady tandremana tsy ho simba ny vola ka maharitra amam-bolana mihitsy. Ny varotra moa izany dia voninkazo sy karazan-tsakafo sns sns azo alaina eny an-taninkatsaka eny. Rehefa vita izay dia atao ny tsikonona. Dia samy miaramihinana azy.

Ny lalao tena nankafiziko moa dia ny Lahoeka. Io indray dia tantara film western sy ny lainga be tianao hotenenina momba izay fantatrao. Ny films moa dia izay nojerena isaky ny iray volana any amin'ny amphitheatre Katolika. Ny kely tsy afaka mijery no mihaino ary ny lehibe mitantara eo miaraka amin'ny geste. Isany nalaza taminay samy ankizy ny fivarotana tavoahangy hita arian'ireo mpisotro toaka, mba hidirana seconde any amin'ny salle de cinema.

Tantara tokoa izany ka tantara!
30. soanja ( 22/04/2010 03:31)
Saika hadinoko koa ny "La jungle" fanaonay eny ambony hazo badamera. Manao rajako eo aloha mifindrafindra taho, rehefa leo vao maka voana badanera dia hanina aloha izay masaka, ary ny voany ampidirina any ampaosy. Ka rehefa tonga any an-trano vao ahahy. Rehefa maina iny dia totoana ka misy voany fotsifotsy toa 'nuts" manao tsiro walnuts ireny ao anatiny ka tsara tokoa ny tsirony.

Ny mampiady tarondro koa dia isan'ny kilalaonay fahizay.

31. AndriambyII ( 22/04/2010 08:35)
Ny fampiadiana ganifa ,koursa vonosy ,koursa sovalivy ,fantsin'akolahy ,bandy sy rola , de ny akisisika araky rakapy !ny kalesy rolman teo ambohimitsimbina iny @ ilay pavé manadala tena marary miintsy ny v...fa dé miaritra fa tiana ilay izy !!Tssy efa hitan-dramatoa teny ve izahay t@ ireny taloha ??? :-D :-D :-D
32. ikaretsaka ( 22/04/2010 16:44)
Fa ny voamariko koa dia misy fahasamihafany isaky ny toerana sy ny fotoana nahazaza azy ilay kilalao a

Any @ tany tsisy kapisily izao na ny andao hanao koursa kapisily aza sarotra aminy ny manana idee hoe inona izany. Fa raha milaza aminao indray izy hoe andao haka apanga hanjonoana orana...dia zendana kely indray ianao

Na samy ao Tana koa aza dia samy manana ny reglement ny rehefa manao kanety sy zoera ohatra ... tsy mitovy ny reglement an'ny kanety eny @ 67 sy eny ambanidia ohatra
33. niryna ( 22/04/2010 17:08)
Ratoa:

Ratoa izany anie tena nilalao ireo fanaon'ny ankizilahy ireny mihitsy e
ka izaho irery anie no vavy é! Ry zalahy fito be izao. hi s'em... irery eo izany? Fa miafina ny RAD foana aho amin'izany satria voarara ny miara milalao amin-dry zalahy. Mahazo ny hoe "fantaro fa vehivavy ianao fa tsy lehilahy, manjaira mouchoir, ny lamba ireo be dia be!"
dia lasa tombatomban-dahy be izany Ratoa tamin'ny mbola kely e
Ny cousine-ko dia niaraka ny zokiko foana ka rehefa misy zavatra mahazo azy dia ny reniny no hila ho tapaka ny lalandra-ny,zairina ny tanana e, eo ny atao platre,ny etsy anefa mbola tsy sitrana :D

Dia rehefa eo an-trano ra-mamanay dia miara manjaitra aminy eo é; indrindra raha vakansy, manomana ny fidiran'ny mpianatra.
izaho koa nanao izany hany ka tsy misy izay tsy aiko na crochet ity na manao ba na mampiritrano na manasa lamba
Ny ahy indray dia alaiko daholo ny vilany dia hoentika any amorondrano dia kikisako amin'ny fasika ny vodiny mba hangirana
Dia rehefa tsy mianatra iny koa aho dia manondraka

Fa ny mahafinaritra dia mahay mahandro sakafo sy manao tricot sy crochet ary manjaitra daholo ry zalahy. Dia iaraha manao ny zavatra rehetra dia vetivety dia vita dia lasa amin'izay milalao. Fa fantatra foana aloha satria rovitra ny akanjo na tasin'ny ravimbomanga.
maro tokoa anie izany fiainana hitovizana izany e
ary nareo ve mba naka ilay ravinkazo (tena tsy fantatro ny anarany ) fa alaina moramora ilay izy dia tsongoina hiendaka ny felany ?



34. niryna ( 22/04/2010 17:10)
nareo ve mba nanisy bozaka kely tao ambanin'ny lela rehefa matahotra ny ho bedy.Ilay variana manao sabaka any antokontanin'ny ankizy iny dia maizina vao mody dia matahotra be avy eo .
35. niryna ( 22/04/2010 17:14)
Ratoa:

Ary nareo ve mba nifoaka taon-tsôsety sy vonon-kininina ary ravi-paraky? Nisy ireo koa ny tokotaninay. Aventure any izany é!

izaho indray niaraka nilalao tamin'izay cousine-nay efa lehibe noho izaho izay dia miaraka mihirahira sy mandihidihy eo izahay,izay ataony no nataoko dia indray andro aho nomeny noentiny nakany angambone dia nomeny sigara,nasiany nisintona aho ka tena faniny ,jenjina tsy tia fofona sigara mandrak'androany

=))
Dia nangataka paraky tany amin'ny bebenay koa dia hoy izy hoe tsy mahazo mihinana an'ity fa mbola kely dia nomeny kely aho ka fanina nihodikodina ny tany aman-danitra,izay no mba voalohany no sady farany tamiko tamin'ny sigara sy paraky .
36. niryna ( 22/04/2010 17:18)
kotobekibo:

Ratoa > kofona mihitsy @ taho-tsosety fa eee ; fohana ihany!:-D
kapisily , zoera , tosika pneu , tosika piste , tso-bato , vitsilia , dihim-bazaha , aralanitra ...... :-)


ny zoera anie mbola tsy nisy namaly hianareo e,inona izany fa tsy tadidiko woa :D
dia niampy vitsilia sy aralanitra indray
inona moa ilay lalao manao carree dia asiana tsipika isaky ny corner ary dia maka vato telo dia mifandimby mametraka an'iny eo hianao sy ilay namana iray katro moa sa inona ary ilay be dia be indray ny vato apetraka ao

37. ikaretsaka ( 22/04/2010 17:58)
zoera? efa nazavainy ao ambony ao hoe na kapisily na bakoly no atao bopribory dia asaina manao baolina ka...
38. Ratoa ( 23/04/2010 00:07)
Ye, izahay mpanao bozaka ambany lela fa bedy ihany é! Dia rehefa avy nifoaka sôsety sns koa dia mitsako ravimboasary . Ka inona moa fa tsymitolo tena tahaka ny gisa mainty é: manao hoe inty aho fa nifopoka teny. Satria vao miteny dia midofaka be ny ravimboasary.Hay ve Andriambyl avy any la haute é!!! Izaho indray tsy dia nilalao tena anarabe fa nanao tarzan teny am pergola.
Ary ny nenibenareo ve mba nampianatra anareo ihinana voasary manta, loranjy, mandarina, voasaribe amin'ny sira sy sakay?
Ny nenibenay favy be an! Atao hoe aza mandaza nenibe an! izaho hikirimba miaraka amin-dry zalahy. Dia hoy izy hoe: tandremo ary an! @ 12h tsy maintsy tafaverina ato an-trano! na hoe izahay ho any am pergola, dia izay foana.
Tonga ramama avy any "nivaoka ve ny ankizy ry neny?" Teo daholo ihany izy ka! Fa nahoana angaha?
Izaho indray aloha dia mitombandahy hatry izao. Na akanjo aza dia pataloha no tena tiako. Ny fandeha mavitrika. Fa mba manao talon sy robe longue koa aho ka.
Izaho koa nanao foot. Goal sy avant -centre no tena clé -ako.
39. Ratoa ( 23/04/2010 00:14)
nareo ve mba be fiaka?
ny voankazo ao aminay tsy mba azo alaina raha tsy masaka tsara fa raha tsy izany mahita raharaha. Enjehan'i dadabe eran'ny tokotany.
Ny ahy tsotra: otazako izay masaka indrindra eo . Tsy haniko fa entiko aseho an'i dadabe :" dadabe masaka ny paiso!". Jeren'i Radadabe tsara. "Hano amin'izay ary hoy izy". a angaha iny hitany iny ihany no haniko !!! Santatra iny. Dia hoy ny sasany tsy nahita ilay fiaka hoe: "ianao tena iangarana mintsy, izahay tratra foana dia bedy foana". Izaho angaha miteny hoe nahoana aho no tsy bedy!!!ééééé :lol: :lol: :lol: :lol:
40. ikaretsaka ( 23/04/2010 21:28)
fa ny ahy ny tsy azoko nony taty aoriana @ io mangala boakazo io ihany: indrindra moa rehefa masaka ny paiso sy ny pibasy izay....ao an-tokotany feno a sady ngeza no masaka tsara...
fa ilay paiso gasin'ny olona mbola manta arokatra ihany no imatimatesana :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1859