Ny lava-bazimba

1. niryna ( 09/02/2010 20:35)
Tamin'izay mbola kely izany dia nandehandeha teny amin'ny tanimbarin'ny fianakaviana ,mamindra omby ry zareo ,dia mitondra ireny gisa ireny .Misy rano kely izay ,somary misy zozoro eo amin'ilay manodidina azy .Ireo fianakaviana moa dia efa niteny rehefa misy zavatra tsy tokony atao,indrindra moa ny ankizy lahy somary mafy sofina kely izay.Asa re izay nataon['ity zokiko lahy fa efa niteny ilay fianakaviana hoe tsy azo anaovana maloto io lavaka io fa lavam-bazimba.E,e,ny ataony ihany no ataony.Alina re ity andro ity,tsy nahita tory izy fa nisy nanankenda hono,mbola kely moa izahay fa tsy tadidiko fa na dia izany aza nifoha daholo ny mpianakavy naheno azy niantsoantso.

Maro tokoa ny hery izay manodidina antsika,misintona volo,manankenda rehefa matory,manosika ao am-pandriana.Misy ny miseho ao anatin'ny nofy ary misy ny miseho mivantana toy ny zazakely mandehandeha eraky ny trano na olona migodogodona kanefa foana ilay trano ,na piano maneno amin'ny alina kanefa tsy misy olona intsony ao an-trano.
Tsy azo atao ny mahakaha-doza fa na ny eritreritra ihany koa aza dia mety manenjika ary mivadika ho nofy ratsy indraindray fa ny fantatro aloha dia misy tokoa ny herin'ny maizina toy ny fisian'ny herin'ny mazava
izay ilay lava-bazimba
Inona no efa itanao na nitranga tamin'ny fiainanao ?

ny ahy ? teo amoron'ny fasana no nisy anay ary rehefa nianatra aho amin'ny alina dia tokony eo amin'ny folo ora mihoatra eo dia misy feo mivoaka indray mandeha mihorakoraka,jereko ny any ala-trano ,tsy nahita na inona na inona aho ,ny andro koa moa maizina rahateo fa ilay feo kosa dia tsy indray mandeha na indroa fa imbetsaka

niryna
novalian'i niryna ny 15/04/2010 18:06
2. Ratoa ( 10/02/2010 00:10)
Ny tranonay, trano gasy antitra be sy ngoza be ary taranaka maro no efa nifandimby tao. Izany hoe an'ny fianakaviana efa hatry ny ela izy io.
Fony aho 11 taona, izaho irery no ao an-trano rehefa alakamisy hariva. Hidiana daholo ny trano ohatry ny tsy misy olona mihitsy fa mangiana ilay toerana nisy anay. Dia mianatra irery ao amin'ny efitro aho. Rehefa amin'ny efatra iny, injany misy mandehandeha any ambony indrindra. Mivaoka ao an-dàlantsara aho mijery. TSY misy olona.
Dia mihidy aho amin'ny efitro aho . Tohizako ny fianarana. Dia iny indray ry zareo fa miakatra sy midina ny tohatra. raiky-tahotra aho aka tsy nivoaka intsnony.
Nony tonga ny olona, notantaraiko lay tranga: "mihaina ny gorodona fa efa antitra be ny tranontsika" hoy izy rehetra. Dia nangina aho.
Ela be taty aoriana, narary mafy nenibe, kely sisa tsy ho faty. Miandry azy aho ny alina, tsy matory aho. iny i nenibe fa miresaka aman'olona tsy hita maso. Tahotra ré izao ( efa lehibe aho eo). Nony maraina indray: notantaraiko ilay tranga. Nanonofy i nenibe hoy izy rehetra. Aiza koa no misy olona manonofy ka misokatra be ny masony dia manara maso zavatra, hoy aho.
Efa ho telo polo taona taty aoriana, notantaraiko indray ireo tranga ireo. Dia hoy ny reniko: misy hery miafina ny tranon-drazantsika rehetra. hery miaro fa tsy hery ratsy. Niaro anao izy saingy zaza ianao ka tsy nalaza anao izany mba tsy hatahotra ianao.
mahaga fa ny mandehandeha dia tsy nisy intsony mandra-pahalehibe aho. Taoriana io tranga tamin'i nenie io moa aho dia lasa taty an-dafy ary mpanofa izao no ao.
3. Mirananirina ( 10/02/2010 07:21)
Inona no efa itanao na nitranga tamin'ny fiainanao
tamin'ny fiainako manokana aloha akoatra ny tahotra mandeha irery mandalo fasana;fa nisy cousineko isak'alina hono izy dia misy manindry foana ny tratrany ary sembotra be tsy afaka miaina...mitaraina foana izy isamaraina,nalaina ny mopera,ny mpanala devoly sns....,ny tsy nataony dia nijery dokodera fa hoe,olona efa maty hono no manindry azy isak'alina.Toy izany hatrany.Efa ela be taty aoriana vao namonjy dokotera fa tena sempotra trop...inona kay ilay izy?????hihihi..Asthme...aza mba minomino foana ihany fa na aretina aza dia lazaina fa mosavy sns...
4. rakapy ( 10/02/2010 07:30)
Hoy i Niryna
ny fantatro aloha dia misy tokoa ny herin'ny maizina toy ny fisian'ny herin'ny mazava
izay ilay lava-bazimba

Ntsooo!!!! nampalahelo ilay lava-bazimba tsy manan-tsiny. Tsy vitan'ny nanaovan'ny tsy valahara maloto fa mbola soketaina ho heriny maizina ihany koa. Nefa anie ny vazimba dia ireo olona tena tompon-tanin'i M/car talohany nahatongavan'ny Malagasy.
5. ravonjison ( 10/02/2010 13:21)
Sanatria akory tsy te hanambany ny razana,fa zavamisy no holazaiko.

Nisy fotoana izay affecté tany Ambatondrazaka ny Ray aman-dReniko, dia nisy fotoana aho nipetraka tany , tsy ela loatra.

Nisy toerana izay somary anaty alaala kely , somary nisy vatovato izay teo, somary voafariparitra vinaninany , kanefa tsy dia voakojakoja.
Nitsangatsangana izahay ankizy sy ny alikanay tany an\'ala. Dia nandalo io toerana io, vao nadalo an\' io izahay dia nangery teo ilay alika.
Nony tonga tany antrano izahay ankizy dia efa niandry anay ny Ray aman-dReninay ny sy olona iray avy eo antoerana , ary nanontany hoe : taiza ianareo.
Dia hoa izahayhoe : tany an\'ala izahay ary nandalo toeran nisy vatovato izay.
Dia hoy indray ilay olona :aaay , nandalo fasam-bazimba izany ianareo, tandremo ihany ny manitsaka ilay fasana sy ny manao maloto eo, fa sao dia ho voakenda.
Dia hoy izahay hoe : nandalo fotsiny izahay ka.

Ilay alika aloha tsy nisy nanindry, na nanakenda, na nanolana ny alina e.
Izahay ankizy koa tsy nisy naninona.
6. fijo ( 10/02/2010 21:17)
za moa ity tsy minomino ity ry zalahy,fa za koa efa sendra toejavatra toa io,ny zokiko no namono bibilava "mpiandry rano" ka tsy tafatory ny alina.z amoa niteny hoe "elahy koa efa nentin tahotra fa tsss"fa tamin'ny dadany maty aho no lasa saina,fa za tany mahajanga nanao bac lery maty tany tana.fa henoko eran'ny trano ny kapany mandeha ny andro nahafatesany.de hozy aho hoe lasa izany lery.za tsy natahotra fa hoatry ny nino kely aho hoe izy izay.
ka izay no tsy atahorako izanyfanahy izany,fa rah amisy izany,ny ahy koa miaro ahy izany
7. xxx ( 10/02/2010 23:00)
zà koa dia tsy mino2 foana izany! fa tantaraiko zavatra ianareo.misy fianakaviana dia milaza fa isaky ny misy zavatra hitranga eo @ fiainandry zareo! dia misy VAZIMBA kely zany hono miseho @ iray amn'izy ireo, dia mampintandrina sns.ka ny tena mahagaga! dia lasa tsy mahatoky olona mihintsy ireo fianakaviana ireo, eny fa na dia ny havany sy ny vadiny izao aza.mampalahelo fa dia tena voazona tokoa angamba.
8. soanja ( 11/02/2010 03:42)
Misy ny karazam-panahy isan-tokony mihalohalo eto an-tany ka. Ireo dia avy amin'ny fanahy efa tokony hilamina any ankoatra saingy mbola tsy vonona na tsy tafiditra any ankoatra. Misy fomba fandrazanana ary miankina amin'ny foko isanisany izany raha ny Malagasy. Ireo fanahy ireo dia ao ny tsy manakorontana fa mitoetra sy mitsidika fotsiny, ao ny manelingelina ary ao ny mitahy.

Miankina amin'ny tsirairay mino ny fisiany sy ny fiasany na fifandraisan;ireo amin'ny velona.

Tadidio foana nefa fa ny Fanahin'ny velona dia matanjaka lavitra noho ireo efa lasana saingy tsy midika izany hoe tsinotsinoavina / vetavetaina ny herin'izy ireny satria betsaka ny zavatra tsy mbola voazavantsika olombelona ny fiodina na dia mahatsapa aza isika fa manan-tsaina.
9. xxx ( 11/02/2010 16:55)
ka izay indrindra no olàna satria ireo olona ireo dia olona midtra foana any ampiangonana (milaza fa mino an'Atr! nefa dia manafangaro ny fomba sy ny fivavahana toa izao!)
10. soanja ( 11/02/2010 17:18)
xxx:

ka izay indrindra no olàna satria ireo olona ireo dia olona midtra foana any ampiangonana (milaza fa mino an'Atr! nefa dia manafangaro ny fomba sy ny fivavahana toa izao!)


Ka inona no misakana ny finoana an'Andriamanitra sy ny finoana ny zavatra tsapany. Tsy hoe ivavahany iny akory fa tsapany ary fantany ny fisiany. Ary tsy hitako ny olan'olon-kafa amin'izany. Ny tenany no mino fa tsy ianao. Aza manahy ny momba izany akory!


11. niryna ( 11/02/2010 19:21)
Ratoa:

Ny tranonay, trano gasy antitra be sy ngoza be ary taranaka maro no efa nifandimby tao. Izany hoe an'ny fianakaviana efa hatry ny ela izy io.
Fony aho 11 taona, izaho irery no ao an-trano rehefa alakamisy hariva. Hidiana daholo ny trano ohatry ny tsy misy olona mihitsy fa mangiana ilay toerana nisy anay. Dia mianatra irery ao amin'ny efitro aho. Rehefa amin'ny efatra iny, injany misy mandehandeha any ambony indrindra. Mivaoka ao an-dàlantsara aho mijery. TSY misy olona.

dia ohatran'izay tokoa ilay izy,jerena tsy misy olona kanefa heno ilay feon'ankizy kely,feo hafahafa ao ivelany

Dia mihidy aho amin'ny efitro aho . Tohizako ny fianarana. Dia iny indray ry zareo fa miakatra sy midina ny tohatra. raiky-tahotra aho aka tsy nivoaka intsony.
izaho indray tsy natahotra fa tsy sahy niteny ny olon-dehibe

Nony tonga ny olona, notantaraiko lay tranga: "mihaina ny gorodona fa efa antitra be ny tranontsika" hoy izy rehetra. Dia nangina aho.

ka inona tokoa moa no azo atao rehefa tsy mino izy kanefa ny tena no mahalala ny zavatra mitranga

Ela be taty aoriana, narary mafy nenibe, kely sisa tsy ho faty. Miandry azy aho ny alina, tsy matory aho. iny i nenibe fa miresaka aman'olona tsy hita maso. Tahotra ré izao ( efa lehibe aho eo). Nony maraina indray: notantaraiko ilay tranga. Nanonofy i nenibe hoy izy rehetra. Aiza koa no misy olona manonofy ka misokatra be ny masony dia manara maso zavatra, hoy aho.

:D

Efa ho telo polo taona taty aoriana, notantaraiko indray ireo tranga ireo. Dia hoy ny reniko: misy hery miafina ny tranon-drazantsika rehetra. hery miaro fa tsy hery ratsy. Niaro anao izy saingy zaza ianao ka tsy nalaza anao izany mba tsy hatahotra ianao.
io izany ilay hoe mitaha ny razana ao atsimontrano e,hi,hi

mahagaga fa ny mandehandeha dia tsy nisy intsony mandra-pahalehibe aho. Taoriana io tranga tamin'i nenibe io moa aho dia lasa taty an-dafy ary mpanofa izao no ao.


dia fahatsiarovana sisa e ,misaotra aky nizara a

12. niryna ( 11/02/2010 19:43)
Inona no efa itanao na nitranga tamin'ny fiainanao
Mirananirina:
tamin'ny fiainako manokana aloha akoatra ny tahotra mandeha irery mandalo fasana;fa nisy cousineko isak'alina hono izy dia misy manindry foana ny tratrany ary sembotra be tsy afaka miaina...mitaraina foana izy isamaraina,nalaina ny mopera,ny mpanala devoly sns....,ny tsy nataony dia nijery dokodera fa hoe,olona efa maty hono no manindry azy isak'alina.
Nisy tranga toa izao :nisy olona manindry tokoa ary misintona volo aza,jereo fa nisy fianakaviana izay ,mianaka no nisy nanindry ary ny iray dia niteny hafahafa,kendakenda ary rehefa nisy nitsapatsapa hatrany amin'ny tongotra ilay iray dia nandaka ka farany dia voadaka ilay iray dia tafafoha teo izy mianaka,rehefa nandroaka devoly ny tao an-trano dia nangoritsina be daholo izy mianaka.Rehefa nandeha teo anefa ny fandroahana ny asan'ny maizina dia nisy nisintona ny volony ary rehefa natory indray dia nisy nanakenda koa ilay fianakaviana iray hafa . Farany,hay misy mpanofa trano manao fanafody gasy be tao ambonin'ilay fianakaviana ary dia nakana mpiandry ary niala ilay olona .

Toy izany hatrany.Efa ela be taty aoriana vao namonjy dokotera fa tena sempotra trop...inona kay ilay izy?????hihihi..Asthme..


misy aretina sitram-panafody ary misy ny aretina ny finoana fotsiny dia mahafaka azy,izaho no sahy mijoro vavolombelona aminao fa raha marary andoha aho dia mivavaka fotsiny dia sitrana
.aza mba minomino foana ihany fa na aretina aza dia lazaina fa mosavy sns...

mbola tsy nahita olona nasian'ny olona fanafody izany hianao? ary ny mpamosavy ? hery avy aiza no nahatonga azy ireny nivoaka alina?
Misy tantara toa izao:
taloha tonga ao an-tanana foana ny olona mitondra zavatra ho vidiana,matetika moa dia mitondra akoho,vorintsiloza na gisa ilay olona,tsy fantatra hoe iza ireny olona ireny fa dia mividy foana no atao,saingy tsy tonga dia ohanina ilay izy aloha ,inona no mitranga? maty mitsitra ho azy ilay vorona na akoho .
mety ho voan'ny barika o hi,hi
misy ny herin'ny maizina ary maro ny olona manao fanafody etsy sy eroa,hitazomana ny lehilahy,na vehivavy ,hitarihana ny mpividy ho avy ao amin'ilay mpivarotra sns,maro no efa henoko ,hery aiza ireny? mandaitra ilay izy fa ny mahasamihafa azy amin'ny herin'ATra dia misy fiafarany ilay izy fa ny herin'ATra tsy misy fetrany ,tsy voafetra ary tsy misy fahataperany ho an'izay rehetra mino azy .

13. niryna ( 11/02/2010 19:51)
rakapy:

Hoy i Niryna
ny fantatro aloha dia misy tokoa ny herin'ny maizina toy ny fisian'ny herin'ny mazava
izay ilay lava-bazimba

Ntsooo!!!! nampalahelo ilay lava-bazimba tsy manan-tsiny. Tsy vitan'ny nanaovan'ny tsy valahara maloto fa mbola soketaina ho heriny maizina ihany koa. Nefa anie ny vazimba dia ireo olona tena tompon-tanin'i M/car talohany nahatongavan'ny Malagasy.
:D
nandositra anie ny vazimba rakapy fa natahotra ny lefona e,vy manidina hoy ry zareo no filazany azy


14. niryna ( 11/02/2010 19:54)
ravonjison:

Sanatria akory tsy te hanambany ny razana,fa zavamisy no holazaiko.

Nisy fotoana izay affecté tany Ambatondrazaka ny Ray aman-dReniko, dia nisy fotoana aho nipetraka tany , tsy ela loatra.

Nisy toerana izay somary anaty alaala kely , somary nisy vatovato izay teo, somary voafariparitra vinaninany , kanefa tsy dia voakojakoja.
Nitsangatsangana izahay ankizy sy ny alikanay tany an\'ala. Dia nandalo io toerana io, vao nadalo an\' io izahay dia nangery teo ilay alika.
Nony tonga tany antrano izahay ankizy dia efa niandry anay ny Ray aman-dReninay ny sy olona iray avy eo antoerana , ary nanontany hoe : taiza ianareo.
Dia hoa izahayhoe : tany an\'ala izahay ary nandalo toeran nisy vatovato izay.
Dia hoy indray ilay olona :aaay , nandalo fasam-bazimba izany ianareo, tandremo ihany ny manitsaka ilay fasana sy ny manao maloto eo, fa sao dia ho voakenda.
Dia hoy izahay hoe : nandalo fotsiny izahay ka.

Ilay alika aloha tsy nisy nanindry, na nanakenda, na nanolana ny alina e.
Izahay ankizy koa tsy nisy naninona.

mi9soatra nizara!
ary ilay fandika angaha tsy mba henonao ? ao Ambatondrazaka no malaza feno azy? e,nisy olona izay niverina antanindrazana ny fatiny fa nisy namosavy izy,nanao sakaiza ilay vadiny dia ilay ramatoa no nisy namosavy azy ary dia maty.

15. niryna ( 11/02/2010 19:57)
ravonjison:

Sanatria akory tsy te hanambany ny razana,fa zavamisy no holazaiko.

Nisy fotoana izay affecté tany Ambatondrazaka ny Ray aman-dReniko, dia nisy fotoana aho nipetraka tany , tsy ela loatra.

Nisy toerana izay somary anaty alaala kely , somary nisy vatovato izay teo, somary voafariparitra vinaninany , kanefa tsy dia voakojakoja.
Nitsangatsangana izahay ankizy sy ny alikanay tany an'ala. Dia nandalo io toerana io, vao nadalo an' io izahay dia nangery teo ilay alika.
Nony tonga tany antrano izahay ankizy dia efa niandry anay ny Ray aman-dReninay ny sy olona iray avy eo antoerana , ary nanontany hoe : taiza ianareo.
Dia hoa izahayhoe : tany an'ala izahay ary nandalo toeran nisy vatovato izay.
Dia hoy indray ilay olona :aaay , nandalo fasam-bazimba izany ianareo, tandremo ihany ny manitsaka ilay fasana sy ny manao maloto eo, fa sao dia ho voakenda.
Dia hoy izahay hoe : nandalo fotsiny izahay ka.

Ilay alika aloha tsy nisy nanindry, na nanakenda, na nanolana ny alina e.
Izahay ankizy koa tsy nisy naninona.
niryna:


fanitsiana kely : misaotra nizara


ary ilay fandika angaha tsy mba henonao ? ao Ambatondrazaka no malaza feno azy? e,nisy olona izay niverina antanindrazana ny fatiny fa nisy namosavy izy,nanao sakaiza ilay vadiny dia ilay ramatoa no nisy namosavy azy ary dia maty.




16. xxx ( 11/02/2010 23:30)
tataraiko zavatra 1 ianareo.ny any @ fasandrazanay dia malaza fa be fomba2 be.maty ary mamanay t@ 2005, dia nisy azy ny fanafatràfarana rehefa anndeha handevina( ttsy mahazo mitomany,tsy mahazo mikikika,tsy mahazo miditra ao ampasàna sns) tsy nisy narahako ireo teny rehetra ireo satria iny sisa no andro hahitàko farany azy! nanoroka ny vatapatin'i mamanay zà dia nisy nisitona fa tsy fanao hono,nigifléko lay ol nisintona ahy. koa naninona aho zao! nisy vazimba nanaraka ahy sa!!!.tsotra fotsiny ny ahy ny filôzôfiako!ny olona rehefa mino sy manana an'Anandriamanitra, dia tsy mino2 foana izany ,ary tsy manafangaro na oviana na oviana ny fomba sy ny finoana.
17. niryna ( 12/02/2010 03:24)
fijo:

za moa ity tsy minomino ity ry zalahy,fa za koa efa sendra toejavatra toa io,ny zokiko no namono bibilava "mpiandry rano" ka tsy tafatory ny alina.z amoa niteny hoe "elahy koa efa nentin tahotra fa tsss"fa tamin'ny dadany maty aho no lasa saina,fa za tany mahajanga nanao bac lery maty tany tana.fa henoko eran'ny trano ny kapany mandeha ny andro nahafatesany.de hozy aho hoe lasa izany lery.za tsy natahotra fa hoatry ny nino kely aho hoe izy izay.
ka izay no tsy atahorako izanyfanahy izany,fa rah amisy izany,ny ahy koa miaro ahy izany

:D misaotra nizara

18. niryna ( 12/02/2010 03:30)
xxx:

zà koa dia tsy mino2 foana izany! fa tantaraiko zavatra ianareo.misy fianakaviana dia milaza fa isaky ny misy zavatra hitranga eo @ fiainandry zareo! dia misy VAZIMBA kely zany hono miseho @ iray amn'izy ireo,

tadidiko koa tamin'ny mbola kely ,misy olona nipetraka teo akaikinay izay,tsy niteraka izy io ary dia toa mandehandeha manatona olona mitady zaza,tsy fantatro aloha raha maka fanafody any izay fa lazainy fa misy olona fohikely izany foana hono itany,manaraka azy io (kamarady no ataony anarany) isaky ny vao matory izy na maka aina kely fotsiny dia itany foana ilay kamarady.Tsy nanontaniako raha toa ka matahotra azy izy na tsia fa toa tsy maninona azy ilay zavatra itany isan'andro

dia mampintandrina sns.ka ny tena mahagaga! dia lasa tsy mahatoky olona mihintsy ireo fianakaviana ireo, eny fa na dia ny havany sy ny vadiny izao aza.mampalahelo fa dia tena voazona tokoa angamba.

ny teny malagasy dia hoe ny mahana ihany no manao ratsy ,asa aloha e ,ny fatra-piahy mpangalatra hoy koa ny teny ka asa re raha izay no mahatonga azy tsy matoky olona intsony na efa nisy nahazo azy koa dia lasa tsy atokisany intsony ny olona asa aloha ! eritreritra ny ahy io :D

19. niryna ( 12/02/2010 03:32)
soanja:

Misy ny karazam-panahy isan-tokony mihalohalo eto an-tany ka. Ireo dia avy amin'ny fanahy efa tokony hilamina any ankoatra saingy mbola tsy vonona na tsy tafiditra any ankoatra. Misy fomba fandrazanana ary miankina amin'ny foko isanisany izany raha ny Malagasy. Ireo fanahy ireo dia ao ny tsy manakorontana fa mitoetra sy mitsidika fotsiny, ao ny manelingelina ary ao ny mitahy.

Miankina amin'ny tsirairay mino ny fisiany sy ny fiasany na fifandraisan;ireo amin'ny velona.

Tadidio foana nefa fa ny Fanahin'ny velona dia matanjaka lavitra noho ireo efa lasana saingy tsy midika izany hoe tsinotsinoavina / vetavetaina ny herin'izy ireny satria betsaka ny zavatra tsy mbola voazavantsika olombelona ny fiodina na dia mahatsapa aza isika fa manan-tsaina.
hay ve e,misaotra nizara e


:-*
20. niryna ( 12/02/2010 03:38)
xxx:

ka izay indrindra no olàna satria ireo olona ireo dia olona midtra foana any ampiangonana

ny fidirana any am-piangonana tsy midika kosa hoe tsy asiana hasiny ny tenin'ny olona .Misy hoy aho ny herin'ny maizina ary misy koa ny herin'ny mazava.Misy fanahy mihalohalo eny rehetra manodidina antsika eny.Hianao angamba mbola tsy naheno ny tantaran'ny olona hoe mandeha amin'ny alina izy dia misy olona miaraka aminy eny an-dalana? Misy aza mampiantro mihitsy ary ny tena mahagaga hoy ry zareo mpitantara dia mahandro sakafo na mampandroso ravimboafotsy kanefa dia vetivety dia vita.hi,hi Inona no mitranga? misy tavela ary misy mivoaka ka ny akanjony no ita eo ambonin'ny fasana rehefa maraina ny andro..tantara maro no mitranga toa izany


(milaza fa mino an'Atr! nefa dia manafangaro ny fomba sy ny fivavahana toa izao!)
tsy manafangaro kosa e,aza tonga dia mitsara ireo olona ireo xxx,fanontaniana izao ny ahy raha mba nisy efa nahazo na mba manana zavatra zaraina dia izay fotsiny ka sa ? :D


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1734