Profesora ? Manao inona izany ?

1. niryna ( 28/01/2010 06:37)
Aleo aloha hazava fa tsy hoe prof de math na prof d'anglais ity resahiko ity an!
Ity indray misy tantara iray,nisy tovolahy anambady dia niresaka ireny noheveriny ho namana ireny hono izy ary hoy ilay olona iray hoe:" andao hianao hoentiko any amin'i profesora fa sao tsy sahaza anao na tsy mety aminao io vehivavy io".hi,hi.Dia notantarainy tamin'ilay fofombadiny ilay izy ary dia nihomehy azy ilay ramatoa kely.Izany ve hoy izy tsy olona omeny vola dia anao lainga tsara lahatra aminao eo.
Dia nanotanian'ity namany iray indray izy hoe dia nandeha ve hianao ? tapaka ny tsinainy no nitsiky izy hoe:" iza koa no andeha any amin'izany ?" ny fanambadianay hoy izy dia ankininay amin'ATra irery ihany.Izy no mandahatra ka raha mahasoa anay no hiaraka dia ho vita soa amantsara ihany ny anay ary dia vita tokoa ilay izy fa ny tantara sisa no nozarainy tamin'ny olona
Profesora ? efa naheno izany indray ve nareo aloha e?
Dia inona no ataon'izany olona izany ?
miandry izay mahafantatra andra prof ary aho e ary misaotra mialoha
(l) niryna
novalian'i niryna ny 15/04/2010 18:04
2. ANARIM ( 28/01/2010 07:20)
raha tsy diso aho dia Andriamanitra na i Jesosy Kristy na ny fanahy Masina izany hoe ny TRINITE no nomen'i zoky Eddy "vonjeo ny fianakaviana" io anarambositra hoe Prof io!!!
3. rakapy ( 28/01/2010 10:09)
Matetika ny olona dia manantona profesora mpitsabo rehefa alohan'ny hifanambady. Be mantsy ny aretina ankehitriny ary be koa ny manafin-drambo sy tandroka. Ao koa ireo nanapaka mihitsy aza satria efa voa ka mianan-kendry.
Tsy resaka finona io fa resaka lojikan'ny fahasalamana.
Azo atao koa ny manantona profesora mpanoro hevitra @ fanam-badiana toy io voalazan'i Anarim io.
4. diamondra27 ( 28/01/2010 11:05)
anarim ie toa zay tokoa
5. fijo ( 28/01/2010 20:35)
mety le" prof"afrikanina aty ireny izany ka,
6. ANARIM ( 29/01/2010 09:39)
tsy haiko tsara ilay fandehany, fa taloha toa misy ilay fizaham-pahasalamana ataon'ny olon-droa mikasa hivady ka rehefa hita fa compatible afaka mivady tsara izy 2 dia mahazo fanamarinana momba izany ary azo tanterahana ny mariazy!!! fa mino aho fa tsy profesora manao io fizahampahasalamana io ilay voalaza hoe tokony nantonin'izy 2 avant ny mariazy, sady toa efa tsy exigé tsony io am zao!!!
7. fijo ( 29/01/2010 19:58)
an an io le ngizina mampiresakolona ireny,de ny vazaha malemy loha maro no lasa mitsidika,sy manary vola any
8. niryna ( 30/01/2010 04:03)
ANARIM:

raha tsy diso aho dia Andriamanitra na i Jesosy Kristy na ny fanahy Masina izany hoe ny TRINITE no nomen'i zoky Eddy "vonjeo ny fianakaviana" io anarambositra hoe Prof io!!!
tsy misy resaka Jesosy ilay izy anarim.Ilay olona mijery tanana sy mijery ny ho avy ireny sy mijery karatra ilay izy hoy izy fa tsy nandeha tany izy
dia hoe manao inona izany na inona no ataony ho an'izay efa nandeha tany ?:D




9. niryna ( 30/01/2010 04:11)
rakapy:

Matetika ny olona dia manantona profesora mpitsabo rehefa alohan'ny hifanambady. Be mantsy ny aretina ankehitriny ary be koa ny manafin-drambo sy tandroka. Ao koa ireo nanapaka mihitsy aza satria efa voa ka mianan-kendry.
mitombona izany ,fa antsoin'ny olona any amintsika avokoa ny olona manaonao zavatra,tsy ilay hoe prof mpitsabo ilay izy fa prof milaza fa mahalala ny ho avin'ny olona sy manambita sa tsia,misy vitandratsy ve ilay olona dia lazainy hoe amboarina sns,izay no filazany fa tsy nandeha woa izy

Tsy resaka finona io fa resaka lojikan'ny fahasalamana.
marina tanteraka i zany tsy resaka finoana araka ny maha kristiana fa ireo olona mino ny hery hafa ka milaza izy fa mahafantatra na mety na tsy mety aminao ny manambady an'io olona ioaraka ny voalazako eo ambony

Azo atao koa ny manantona profesora mpanoro hevitra @ fanam-badiana toy io voalazan'i Anarim io.

miombokevitra aho raha resakafahasalamana fa raha hoe mijery ny avenir,tsy mino aho fa Atra irery no mamaritra ny ho aviko sy ny lalana efa noeritreretiny ho diaviko

10. niryna ( 30/01/2010 04:17)
fijo:

mety le" prof"afrikanina aty ireny izany ka,
mety ho izay tokoa angamba ,olona milaza fa manana fahitana amin'ny hery hafa fa tsy Atra ary miteny olona ny momba azy rehetra saingy tsy mahalala ny ho aviny.toa tahak'izay angamba fa asa aloha fa vao manontany izy efa nandeha tany aho :D


11. niryna ( 30/01/2010 04:39)
ANARIM:

tsy haiko tsara ilay fandehany, fa taloha toa misy ilay fizaham-pahasalamana ataon'ny olon-droa mikasa hivady ka rehefa hita fa compatible afaka mivady tsara izy 2 dia mahazo fanamarinana momba izany ary azo tanterahana ny mariazy!!!
marina izany fa hisoroana ny zavatra mety hitranga dia tsara tokoa no mahafantatra mialoha sa
fa mino aho fa tsy profesora manao io fizahampahasalamana io ilay voalaza hoe tokony nantonin'izy 2 avant ny mariazy, sady toa efa tsy exigé tsony io am zao!!!
toa mitovy ireny hoe :tarrot,reader na ireny olona mamaky tanana sy mijery karatra ary kristal ireny angamba ilay izy ,dia misy ny manome tapakazo,izay no fiheverako azy ka, asa aloha e . Misy ilay trano misy sarina tanana sy misy kristal boribory eo amin'ny fitaratra ary misy mikopaka mihitsy izy miteny hoe avy jerena ny momba anao:fitiavana,fiainana
,vitana sy anjara ary harena. Ireny angamba
HS kely nisy olona nilaza ho prof ,milaza fa mahay manasitrana tokoa ary dia hoe roa andro ihany no fotoana ipetrahany ao amintsika sisa dia be niroboka ny olona anefa ny consultation tsy mora a,dia hoy aho hoe sao dia mba olona misoloky ary izany ? ahoana no hinoanareo fa tena mpitsabo ny aretina rehetra tokoa izy io?


12. niryna ( 30/01/2010 04:41)
fijo:

an an io le ngizina mampiresakolona ireny,de ny vazaha malemy loha maro no lasa mitsidika,sy manary vola any
ye,ireny izany ry fijo a :D


13. soanja ( 30/01/2010 14:38)
niryna:


Profesora ? efa naheno izany indray ve nareo aloha e?
Dia inona no ataon'izany olona izany ?
miandry izay mahafantatra andra prof ary aho e ary misaotra mialoha
(l) niryna



Zah aloha mbola tsy naheno fa ny fahitako azy dia indry mihitsy no mila mankany dia manana valiny amin'ny fanontaniandry. Raha resadresaka eny mantsy no andraisana ny zavatra iray dia miovaova eo ny heviny fa ny fahitana ny zavamisy na mamaky izay bokiny sns sns rehefa liana ianao no tena ahitana ny marina momba ny olona iray sy ny asany.



14. fijo ( 30/01/2010 21:53)
ka ndeha mba hanao koa aho fa saosy izany ko
15. ni81 ( 31/01/2010 19:46)
an an io le ngizina mampiresakolona ireny,de ny vazaha malemy loha maro no lasa mitsidika,sy manary vola any
maro koa ny gasy mitonantonana mankany @ ireny @ zao fotoana ka!
16. ikaretsaka ( 31/01/2010 21:57)
Amiko manokana dia ny vokany no hijereko azy; tsy hoe zao sy zao ny zavatra ampiasainy akory fa hoe. Nitondra vokatsoa na voka dratsy tokoa ve?

De eo aho no maka decision fa tsy avy de mitsaratsara fahatany
Tsy misy hafa @ le resaka mpiandry namatotra zaza voan'ny androbe niaraka @ malotony nahatonga le polemika tato ihany.... tsy hoe satria. Izy mpiandry fa rehefa mainka ratsy ny nataony de ratsy
17. niryna ( 01/02/2010 02:09)
soanja >

misaotra anao,mbola hisy ihany ny anome ahy fanazavana ka,resadresaka toy ny resaka rehetra izy ity fa tsy ho voatery andeha any aho ka,hi,hi !

Ny kristiana koa dia tsy minomino foana fa manana ilay Atra hivavahany,izay Izy irery ihany no mahafantatra ny ho aviny fa tsy mila mijery tanana na kristal na dadarabe na mandeha any amin'ny mpanao mpisikidy
Mety ho kristiana kely finoana tsy mino an'Atra na miantso an'Atra ho mpandainga fa manana fanahiana no mandehandeha any amin'ireny,hevitro io fa samy manana ny eritreriny sy ny finoany.
Raha tena mahay izy ireny ahoana no tsy manankarena foana hatramin'izao ?
,fantatrao angamba ny tiako tenenina fa ny amerikana no sainga ahitana isaky ny toerana kely etsy sy eroa mikopakopan-tanana an ! ary dia roboka ny te hitsakatsaka sy tsy manana finoana an'Atra an !

Toy ny hoe misy miresaka rongony ,tsy ho voatery hifoka rongony vao hoe ahalala ny mety sy tsy mety an ,fantatra fa pozina mifona ary manimba ny tena dia tsy mila manandrana vao mahafantatra an'izany sa ahoana ?

:-*
18. niryna ( 01/02/2010 02:10)
fijo:

ka ndeha mba hanao koa aho fa saosy izany ko



:D
19. niryna ( 01/02/2010 02:14)
ni81:

an an io le ngizina mampiresakolona ireny,de ny vazaha malemy loha maro no lasa mitsidika,sy manary vola any
maro koa ny gasy mitonantonana mankany @ ireny @ zao fotoana ka!

hitakou ! ary tsy menatra intsony izy ireo fa milahatra mitandrozotra dia ny tena no manontany tena hoe maninona eo ireo olona ireo? andeha ho ao amin'ny profesora e! ny fanambadiana,ny vehivavay mitady vady,ny business tsy mandeha intsony,ny varotra,tsy tadidiko ny fiteny azy fa nisy fianakaviana mivarotra dia nilaza ry zareo fa tsy mandeha ny varotra ka rehefa nojereny ny teo amin'ny rindrina dia nisy olona nametraka tapatapakazo miaraka ny tavoahangy kely dray ! mivavaha hoy aho dia esory amin'ny anaran'i kristy ilay ody

:cry:
20. niryna ( 01/02/2010 02:20)
ikaretsaka:

Amiko manokana dia ny vokany no hijereko azy; tsy hoe zao sy zao ny zavatra ampiasainy akory fa hoe. Nitondra vokatsoa na voka dratsy tokoa ve?
mety mitombona izany ika a,fa ireo olona anie tsy mieritreritra izany fa rehefa poritra izay dia toa manaonao foana e!


De eo aho no maka decision fa tsy avy de mitsaratsara fahatany
araky ny teninao hoe asan'ny maizina ve ity sa tsia,Atra ve niteny tamintsika hoe mandehana amin'ireny raha misy zavatra mahazo anao fa tsy mitodika amiNy ? Aza manana Atra hafa

Tsy misy hafa @ le resaka mpiandry namatotra zaza voan'ny androbe niaraka @ malotony nahatonga le polemika tato ihany.... tsy hoe satria. Izy mpiandry fa rehefa mainka ratsy ny nataony de ratsy

ka toy ny hoe mpangalatra iray no nangalatra akoho dia Alasora rehetra no endrikendrehana.


:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1174