Omeo olo-marina aho ....

1. niryna ( 15/01/2010 20:15)
Ny firenena izay olo-marina no mitondra ny fitondrana dia ho salama ny firenena,olo-marina ahoana izany ? olona matahotra an'Atra,mahafantatra fa ny zavatra atao rehetra dia tsy vita na ataotao foana raha tsy manankina izany amin'Atra izy,ny fatahorana an'Atra hoy ny teny no voaloham-pahendrena ka raha tsy matahotra ilay Atra hoeritreretiny ho tompoiny izy ahoana no fomba ahatahorany ny vahoaka izay eo ambanin'ny fiadidiany ?
Ny fahatahorana an'Atra dia efa fahendrena lehibe ao anatiny ary izay no mahatonga azy hijery ny vahoaka ho feheziny na amitaka ny vahoaka izay nifidy azy.

Ny biby tsy manan-doha tsy mba mandeha ,raha marina ny mpitondra dia ho salama ny firenena ary ho sambatra ny vahoaka satria mahafantatra fa tsy ny heriny na ny fahaizany na ny fahalalany irery no miasa ao aminy fa ilay Atra be fitiavana,manome fahendrena azy ary dia mangataka amin'Atra izany fahendrena izany izy mba andeha amin'ny fahamarinana ny zavatra izay a taony ka hiadana sy ho sambatra ny vahoaka izay hoentiny.

Omeo olo-marina aho hanangana firenena vanona
Ahoana ny hevitrao ?
(l) niryna
novalian'i niryna ny 05/02/2010 05:55
2. stephane197 ( 16/01/2010 09:10)
marina izany !!! iza re no mba hanavotra antsika ka mba tsy ho toa izao intsony é??? Andriamanitra ô!! miandry anao izahay! (l)
3. xxx ( 17/01/2010 14:01)
Mety tsy misy angamba izany satria ny soratra masina ihany no miteny fa tsy misy marina izireo na iray aza tsy tadidiko ilay toko sy andininy fa misy milaza izany ao donc aza mitoky @ olona fa raha mùilaza tenin'ATRA izy dia hamarino
4. ikaretsaka ( 17/01/2010 16:23)
Tsy ny fahaizany mitsimpona akory no maha marina ny "mpitondra " anankiray fa nohon'ny asa vitany...
5. xxx ( 17/01/2010 17:20)
Andriamanitra ô!! miandry anao izahay!

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) Ny saina sy ny rehetra efa nomeny anao dia mbola izy koa no tadiavinao ho avy??? aoka letsy bandy :@ :@ :@
6. rijadolly ( 17/01/2010 18:23)
Mitovy hevitra amin' Niryna tanteraka aho.
ika:
Tsy ny fahaizany mitsimpona akory no maha marina ny "mpitondra " anankiray fa nohon'ny asa vitany...
Marina tokoa fa tsy ny fahaizanao mitsipona izay hanamarinan- tena na hialokalofana ao ambadik' ilay teny izay ataon' Mpitondra sasany ao anaty Kabariny no maha marina azy. Sasany hoy aho satria tsy izy rehetra fa misy ihany izay mangetaheta ny Fahamarinana izay araka ny fahaizany ny tenin'Andriamanitra.
stephane197:
marina izany !!! iza re no mba hanavotra antsika ka mba tsy ho toa izao intsony é??? Andriamanitra ô!! miandry anao izahay!
Misaotra Steph, Mbola ho avy tokoa Ilay Mpanjaka ny mpanjaka amin' fotoana tsy hampoizina.Izany eo ihany fa ny hampandrosoana ny FanjakaNy dia mitaky olo- marina tokoa eo amin' Firenena.
Omeo olo-marina aho hanangana firenena vanona
7. xxx ( 18/01/2010 05:51)
Omeo olo-marina aho hanangana firenena vanona

Asa na mandinika ianareo fa ilay fivavahana mihintsy no mahatonga an'i gasikara hikorosy. Jereo anie ny fitombon'ny % ny Kristianina tato ato izay e! feno ny elakelatrano sy ny lalana eny hatrany anaty taxibe aza dia tsy misy hiahaina mihintsy ny tabataba sy ny fofom-bavan'ireo milaza fa mpitory baiboly. Nefa dia izao no zava -miseho eto @ firenena. Lasa ny samy kristianina indray ity no manangana sy mampiditra olana. katolika sy protestanta moa dia efa manao guerre froide fa mody miatsara velatsihy fotsiny.
Ary tsarovy fa ireo mpitondra nifandimby sy ireo mbola eo @ toerany anie ka mitono-tena sy manonona ny ananar'i kristy aby.
8. rakapy ( 18/01/2010 07:36)
Omeo olo-marina aho hanangana firenena vanona

Raha ny fijeriko ity voasoratra dia midika izany fa nanome olon-tsy marina antsika A/tra hatramin'izay?
Sao dia isika no tokony hiaina mahintsy fa tsy hangataka lava aminy?
xxx4> Ohatra ny resaka bandy bandy ilay resakao nefa misy hevitra mafonja fonosiny.
9. Mirananirina ( 18/01/2010 14:45)
Ny biby tsy manan-doha tsy mba mandeha ,raha marina ny mpitondra dia ho salama ny firenena ary ho sambatra ny vahoaka satria mahafantatra fa tsy ny heriny na ny fahaizany na ny fahalalany irery no miasa ao aminy fa ilay Atra be fitiavana,manome fahendrena azy ary dia mangataka amin'Atra izany fahendrena izany izy mba andeha amin'ny fahamarinana ny zavatra izay a taony ka hiadana sy ho sambatra ny vahoaka izay hoentiny
raha io no raisina dia tsy misy afatsy ny mpitondra fivavahana ihany no tokony hitondra fanjakana :roll:
10. rijadolly ( 18/01/2010 15:59)
xxx:
Asa na mandinika ianareo fa ilay fivavahana mihintsy no mahatonga an\'i gasikara hikorosy. Jereo anie ny fitombon\'ny % ny Kristianina tato ato izay e! feno ny elakelatrano sy ny lalana eny hatrany anaty taxibe aza dia tsy misy hiahaina mihintsy ny tabataba sy ny fofom-bavan\'ireo milaza fa mpitory baiboly. Nefa dia izao no zava -miseho eto @ firenena. Lasa ny samy kristianina indray ity no manangana sy mampiditra olana. katolika sy protestanta moa dia efa manao guerre froide fa mody miatsara velatsihy fotsiny.
Ary tsarovy fa ireo mpitondra nifandimby sy ireo mbola eo @ toerany anie ka mitono-tena sy manonona ny ananar\'i kristy aby.
Nanomboka tamin\' taona Firy no nahatsapan\' xxx izany hoe niroborobo izany ny fiakatry Kristianina? Izany hoe Firy taona izany izay? Hay ve izay 100 taona fotsiny e! Inoako fa mbola tsy ampy raha ny isany, Na mbola misy 2000 an fanampiny aza eo dia tsy kivy hampihakatra izany isa izany ny tena Mpitory, vao maika aza izy faly satria mbola nahazo fotoana fanampiny hamitany ny asany.
Ekeko fa mety hisy ny tsy fitoviam- pijery nefa kosa amin\' maha Kristianina dia tsy maintsy iray ao amin\' Kristy. Koa raha ny lalàna nampetrak \'Ilay inoana no dikaina dia tsy Kristianina izy izay fa anti- Christ ( mba ho iray ihany izy rehetra, ny Fifankatiavana, ...)
Raha amiko manokana aloha dia anisany fanantenana iray ny maheno ny Mpitondra miloa- bava fa mpino izy e! satria sakana iray tsy afahany manaonao foana izany noho Ilay Inoany.Satria izy no fitaratra sy boky vakiana voalohany eo amin\' Firenena. Tsy dia tiako loatra ny milaza hoe \"tsy misy parfait\", fa kosa ny fahatsapan- tena ny fahadisoana dia zava- dehibe eo anatrehan\' Andriamanitra.
Sahiko ny milaza fa manana andraikitra lehibe eo amin\' Fireneny ny Kristianina.
11. niryna ( 19/01/2010 05:51)
xxx:

Mety tsy misy angamba izany satria ny soratra masina ihany no miteny fa tsy misy marina izireo na iray aza tsy tadidiko ilay toko sy andininy fa misy milaza izany ao donc aza mitoky @ olona fa raha mùilaza tenin'ATRA izy dia hamarino

Marina izany fa tsy misy marina isika na iray aza fa afaka manao ny marina sy mitantana amin'ny fahamarinana izay olona eo ka,ny fitiavantena sy ny famenoana am-paosy dia mety aharitra fa tsy ho ela dia ho foana avokoa izany.
Raha matahotra an'ATra izay olona mitondra eo amin'ny fitondrana dia mamadika ny lelany im-pito izy vao mahasahy amadika ny tanindrazany izay tantanany satria ny tantara no hitsara azy na rahoviana io na rahoviana dia ivalona ho tantara ho an'ny taranaka aman-dimbiny na soa nataony ny firenena na ratsy

Toy ny mpamatsy voa ihany io dia tsy maintsy hipoitra eny foana ny voa nafafy na ho soa na ho ratsy

12. niryna ( 19/01/2010 05:55)
ikaretsaka:

Tsy ny fahaizany mitsimpona akory no maha marina ny "mpitondra " anankiray fa nohon'ny asa vitany...

hi,hi

:roll: ny firenena izay manana olom-banona mitondra dia hifaly sy hiravoravo ny vahoaka ao aminy ny mpitondra izay manao ampihimanba sy hitapika ny harena ao aminy kosa dia hijaly ny vahoaka ary ho ela vao ho tafita ilay firenena noho ny olona izay noheverina fa ho tsara sy hinoany kanjo ny paosiny no ho fenoiny ary hisy fiantraikany amin'ny vahoaka sy ny mponina rehetra ao aminy avokoa izany fitiavantenany izany
13. niryna ( 19/01/2010 06:04)
rijadolly:

Mitovy hevitra amin' Niryna tanteraka aho.
ika:
Tsy ny fahaizany mitsimpona akory no maha marina ny "mpitondra " anankiray fa nohon'ny asa vitany...
Marina tokoa fa tsy ny fahaizanao mitsipona izay hanamarinan- tena na hialokalofana ao ambadik' ilay teny izay ataon' Mpitondra sasany ao anaty Kabariny no maha marina azy. Sasany hoy aho satria tsy izy rehetra fa misy ihany izay mangetaheta ny Fahamarinana izay araka ny fahaizany ny tenin'Andriamanitra.

ka izay no iriantsika tokoa ka ,firenena mitady ny fahamarinana,mitady ny tombotsoan'ireo vahoaka hotantanany,mitady sy mikaroka izay mahasoa ilay firenena izay nino azy fa ahavita azy eo amin'ny fitantanana ny harem-pirenena,ny mihinana ny tsy hisasarana dia tsy ho afa-maina,toy ny kaina namono an'i Abela rahalahiny,mitaraina ny ran'ny rahalahiny,ary toa izany koa ireo manao tsintsinona ireo madinika ka mamadika ny tanidrazany,Atra tsy atahorany atahoran'ireo mponina ao aminy ary ATra tsy andriny andrin'izy ireo ihany na mafy sy mangidy aza ny zavatra zakain'izy ireo
tsimpona : ny kamo dia tsy mba ihinana
stephane197:
marina izany !!! iza re no mba hanavotra antsika ka mba tsy ho toa izao intsony é??? Andriamanitra ô!! miandry anao izahay!
Misaotra Steph, Mbola ho avy tokoa Ilay Mpanjaka ny mpanjaka amin' fotoana tsy hampoizina.Izany eo ihany fa ny hampandrosoana ny FanjakaNy dia mitaky olo- marina tokoa eo amin' Firenena.
Omeo olo-marina aho hanangana firenena vanona

:-* :-*
14. niryna ( 19/01/2010 06:18)
Omeo olo-marina aho hanangana firenena vanona
xxx:

Asa na mandinika ianareo fa ilay fivavahana mihintsy no mahatonga an'i gasikara hikorosy. J

izany ve ? nahoana no firenena miseho azy ho manankarena indray no mahantra ara-panahy indrindra?
tonga mitsidika any hianao,olona efa antitra sisa no misy ao amin'ilay fiangonana,ny sasany aza moa dia mikatona fotsiny ilay fiangonana koa
izany ve tsy midika fa manome tsiny an'Atra i xx, tonga dia fantatra amin'ny fitenin'i xxx koa fa tsy mino ilay ATra ao anatin'ny baiboly i xxx.
Tsara ho fantatra fa avelan'Atra anjaka avokoa ireo izay tsy mino azy ary tsy hoe hatreo dia ho vita an,mbola ho tsaraina avokoa isika tsi11 avy

jereo anie ny fitombon'ny % ny Kristianina tato ato izay e! feno ny elakelatrano sy ny lalana eny hatrany anaty taxibe aza dia tsy misy hiahaina mihintsy ny tabataba sy ny fofom-bavan'ireo milaza fa mpitory baiboly.

rehefa mihamafy ny fiainana dia mitady an'Atra avokoa ny olona rehetra ,izay mitady azy amin'ny fony tokoa no ahita azy,izay mampiasa ny anarany ho fialokalofana kosa dia efa fantany sahady ka,tsy anjarantsika no hitsara azy ireo na tena kristiana izy na tsia fa tsy manana zo hitsara izany isika,aza mitsara mba tsy ho tsaraina ho teny ao anatin'ny baibolinay.
ny fofombava ? zarao ,ie dia mba miangatra izato hianao ,tsy mba manana vola hividianana colgate na chewing gum toa anao izay ka tsy maintsy ho maimbo ny vavany e,ny fony mibadabada miantso an'Atra no jereNy fa tsy ny fofombavany .oops

Nefa dia izao no zava -miseho eto @ firenena. Lasa ny samy kristianina indray ity no manangana sy mampiditra olana. katolika sy protestanta moa dia efa manao guerre froide fa mody miatsara velatsihy fotsiny.
ahoana hoy i kristy ? na miaraka aminy na tsia,matoa tsy miaraka dia misy tsy finoana mitovy ao izay,fa raha samy kristy no hivavahana dia ataoko fa lalana iraisana ihany iny ,no sady vazo mitovy ihany ve dia hiady ,oops

Ary tsarovy fa ireo mpitondra nifandimby sy ireo mbola eo @ toerany anie ka mitono-tena sy manonona ny ananar'i kristy aby.

ka ny baiboly aza anie dia efa manambara amintsika fa tsy izay rehetra manao hoe tompoko tompoko akory no ahazo ny fanjakan'ny lanitra fa izay rehetra manao ny sitrapon'izay naniraka Azy e dia ny voa afafy no hitsara azy ka ,anjaran'izay mahatsampa fa mpanaradia an'i kristy no mivavaka tsy tapaka fa ny vavaky ny maro mahataka-danitra,matoa mbola tsy takatra dia miandry azy hamaly sy miandry ny firenena hiverina aminy sy anary ny sampiny sy ireo heveriny fa lehibe noho ilay heveriny fa ho Atra hitompoany.

15. niryna ( 19/01/2010 06:23)
rijadolly:

Ekeko fa mety hisy ny tsy fitoviam- pijery nefa kosa amin\' maha Kristianina dia tsy maintsy iray ao amin\' Kristy. Koa raha ny lalàna nampetrak \'Ilay inoana no dikaina dia tsy Kristianina izy izay fa anti- Christ ( mba ho iray ihany izy rehetra, ny Fifankatiavana, ...)
ka izay foana anie ry rija no fomba fanasoketana ny kristiana e,heveriny fa ho filamatra avokoa ny kristiana ,tsy fantany fa toy ny hopitaly ny fiangonana ,ao daholo ny manana aretina rehetra tonga mitady an'Atra,hibebaka,hianatra hiova fo,sy hiezaka anaraka sy anao ny sitrapony,ny mpanota rehetra anefa dia tiany avokoa fa ny ota no tiany hialantsika sa tsy izany ?

Raha amiko manokana aloha dia anisany fanantenana iray ny maheno ny Mpitondra miloa- bava fa mpino izy e! satria sakana iray tsy afahany manaonao foana izany noho Ilay Inoany.Satria izy no fitaratra sy boky vakiana voalohany eo amin\' Firenena. Tsy dia tiako loatra ny milaza hoe \"tsy misy parfait\", fa kosa ny fahatsapan- tena ny fahadisoana dia zava- dehibe eo anatrehan\' Andriamanitra.
Sahiko ny milaza fa manana andraikitra lehibe eo amin\' Fireneny ny Kristianina.
ekany ozy :D

16. niryna ( 19/01/2010 06:26)
rakapy:

Omeo olo-marina aho hanangana firenena vanona

Raha ny fijeriko ity voasoratra dia midika izany fa nanome olon-tsy marina antsika A/tra hatramin'izay?
Sao dia isika no tokony hiaina mahintsy fa tsy hangataka lava aminy?
xxx4> Ohatra ny resaka bandy bandy ilay resakao nefa misy hevitra mafonja fonosiny.

asa rakapy fa ny firenena izay mijoro matahotra an'Atra dia firenena afaka manampy ny mponina ao aminy ary manova ny fiainan'ny vahoaka fa tsy ny fiainan'ilay mpitondra no ovainy an
Mahantra ny vahoaka,miezaka izy mitady izay ahasoa ny vahoaka izay vao manao izay mahatsara azy,toy ny ray amandreny ihany io ,izay mahasoa ny zanany no katahany aloha izay vao ny azy

17. niryna ( 19/01/2010 06:31)
Mirananirina:

Ny biby tsy manan-doha tsy mba mandeha ,raha marina ny mpitondra dia ho salama ny firenena ary ho sambatra ny vahoaka satria mahafantatra fa tsy ny heriny na ny fahaizany na ny fahalalany irery no miasa ao aminy fa ilay Atra be fitiavana,manome fahendrena azy ary dia mangataka amin'Atra izany fahendrena izany izy mba andeha amin'ny fahamarinana ny zavatra izay a taony ka hiadana sy ho sambatra ny vahoaka izay hoentiny
raha io no raisina dia tsy misy afatsy ny mpitondra fivavahana ihany no tokony hitondra fanjakana :roll:

ny olona matahotra an'Atra dia misaina vao sahy manao ratsy satria matahotra ilay Atra hinoany.Inona moa no raharahiany raha tapaha-doha na mahantra na tsy mihinana ny vahoakany ? tsy ny paosiny aloha no ho fenoiny, ary maty sy vonoiny avokoa izay manelingelina ny fitondrany sy mijoro hilaza ny marina ,jereo izao ny tantara ao aminsika,didian'ireo mpitondra hitsara amin'ny tsy fahamarinana fotsiny ireo mpitondra ao amin'ny fitsarana ary izay tsy mety manao izany dia rahonany ? raha misy fatahorana an'Atra izy na te anao izany aza ny fisainany dia manenjika azy eritreriny sy ny ilay lalana tsy mety ataony.
Tsy matahotra ilay ATra atahorako hoy ny fiteninsika
18. rakapy ( 19/01/2010 06:53)
Hoy Niryna

Mba omeo anaran'olona matahotra an'A/tra ary izahay e! Ireo mpitondra rehetra nifandimby teo mantsy dia niantso sy nilaza ny anaran'A/tra sy kristiana avokoa nefa dia izao no vokany! misy aza pasitera sy mopera ary mpitory fivavaha mitovy aminao ao nefa aiza???
19. rzakarivola ( 19/01/2010 11:53)
niryna:
Omeo olo-marina aho hanangana firenena vanona
Ahoana ny hevitrao ?

==> Hoy i Jesoa Kristy hoe "Ny fanjakàko tsy eto amin'izao tontolo izao". Koa raha firenena araka an'izao tontolo izao no tadiavina ho vanona, inona ilay vanona ?

Ikaretsaka:
Tsy ny fahaizany mitsimpona akory no maha marina ny "mpitondra " anankiray fa nohon'ny asa vitany...

==> Misy karazana asa : mangalatra, mijangajanga, mamono olona, mandainga, miteny ratsy, maniratsira, ... tsy misy na dia iray aza amin'ireo angamba no lazainao e? Fa ny asa maha marina ny mpitondra anakiray dia ny asan' Andriamanitra : "izao ny asan' Andriamanitra, ny hinoanareo izay nirahiNy, satria Izy no nasian'ny Ray tombon-kase", fa izay mino an'i Jesoa no hamarinin' Andriamanitra, dia izay mino ny teniNy.
20. Mirananirina ( 19/01/2010 14:08)
ny olona matahotra an'Atra dia misaina vao sahy manao ratsy satria matahotra ilay Atra hinoany.Inona moa no raharahiany raha tapaha-doha na mahantra na tsy mihinana ny vahoakany ? tsy ny paosiny aloha no ho fenoiny, ary maty sy vonoiny avokoa izay manelingelina ny fitondrany sy mijoro hilaza ny marina ,jereo izao ny tantara ao aminsika,didian'ireo mpitondra hitsara amin'ny tsy fahamarinana fotsiny ireo mpitondra ao amin'ny fitsarana ary izay tsy mety manao izany dia rahonany ? raha misy fatahorana an'Atra izy na te anao izany aza ny fisainany dia manenjika azy eritreriny sy ny ilay lalana tsy mety ataony.
Tsy matahotra ilay ATra atahorako hoy ny fiteninsika
tena mahagaga tokoa fa raha jerena hoe iza no tena manao ny marina????misy 10% ny olombelona ve????Ny 90%ny olombelona izany tsy matahotra an'Andriamanitra,ny antony dia satria tsy hita maso sy tsy miteny ilay Andriamanitra hinoatsika!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.352